<-
->

Jao / Jo 2:1 And the third day there was a marriage in Cana of Galilee; and the mother of Jesus was there: Ary tamin' ny andro fahatelo dia nisy fampakaram-bady tao Kana any Galilia; ary tao ny renin' i Jesosy. Nony afaka hateloana dia nisy fampakaram-bady tany Kanà any Galilea, ary tao ny renin' i Jeso. Le troisième jour, il y eut des noces à Cana de Galilée, et la mère de Jésus y était.
Jao / Jo 2:2 And both Jesus was called, and his disciples, to the marriage. Ary Jesosy sy ny mpianany koa dia nalainy ho ao amin' ny fampakaram-bady. Jeso sy ny mpianany koa dia nasaina tao amin' ny fampakaram-bady. Jésus aussi fut invité à ces noces, ainsi que ses disciples.
Jao / Jo 2:3 And when they wanted wine, the mother of Jesus saith unto him, They have no wine. Ary rehefa lany ny divay, dia hoy ny renin' i Jesosy taminy: Tsy manana divay izy. Nony inona, lany ny divay ka hoy renin' i Jeso taminy: Tsy manan-divay izy ireo. Or il n' y avait plus de vin, car le vin des noces était épuisé. La mère de Jésus lui dit : " Ils n' ont pas de vin. "
Jao / Jo 2:4 Jesus saith unto her, Woman, what have I to do with thee? mine hour is not yet come. Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, moa mifaninona akory Izaho sy ianao? tsy mbola tonga ny fotoako. Ary hoy Jeso taminy: Izaho sy hianao moa no ahoana amin' izany, ravehivavy? Tsy mbola tonga ny fotoako. Jésus lui dit : " Que me veux-tu, femme ? Mon heure n' est pas encore arrivée. "
Jao / Jo 2:5 His mother saith unto the servants, Whatsoever he saith unto you, do it. Fa hoy ny reniny tamin' ny mpanompo: Ataovy izay asainy ataonareo. Dia hoy reniny tamin' ny mpanompo: Ataovy izay rehetra holazainy aminareo. Sa mère dit aux servants : " Tout ce qu' il vous dira, faites-le. "
Jao / Jo 2:6 And there were set there six waterpots of stone, after the manner of the purifying of the Jews, containing two or three firkins apiece. Ary nisy siny vato enina mahalany rano indroa na intelon' ny vata avy nipetraka teo ho fanadiovana araka ny fanaon' ny Jiosy. Ary nisy siny vato enina teo, fidiovana araka ny fanaon' ny Jody, nahalany rano indroa na intelon' ny famarana avy, Or il y avait six jarres de pierre, destinées aux purifications des Juifs, et contenant chacune deux ou trois mesures.
Jao / Jo 2:7 Jesus saith unto them, Fill the waterpots with water. And they filled them up to the brim. Dia hoy Jesosy taminy: Fenoy rano ny siny. Dia nofenoiny hatramin' ny molony. ka hoy Jeso tamin' izy ireo: Fenoy rano ireo siny ireo. Dia nofenoiny hatramin' ny molony. Jésus leur dit : " Remplissez d' eau ces jarres. " Ils les remplirent jusqu' au bord.
Jao / Jo 2:8 And he saith unto them, Draw out now, and bear unto the governor of the feast. And they bare it. Ary hoy Jesosy taminy: Tovozy amin' izao, ka ento ho eo amin' ny mpandahatra ny fanasana. Dia nentiny. Ary hoy Jeso taminy: Tovozy amin' izao, ka ento amin' ny mpandahatra ny fanasana. Dia nentiny. Il leur dit : " Puisez maintenant et portez-en au maître du repas. " Ils lui en portèrent.
Jao / Jo 2:9 When the ruler of the feast had tasted the water that was made wine, and knew not whence it was: (but the servants which drew the water knew;) the governor of the feast called the bridegroom, Ary raha nanandrana ny rano tonga divay ny mpandahatra ny fanasana, nefa tsy nahalala izay nihaviany (fa ny mpanompo izay nanovo ny rano no nahalala), dia niantso ny mpampakatra izy Vao nanandrana ny rano voaova ho divay ny mpandahatra ny fanasana (izay tsy nahalala ny nihaviany, fa ny mpanompo nanovo ny rano no nahalala), dia niantso ny mpampakatra Lorsque le maître du repas eut goûté l' eau changée en vin - et il ne savait pas d' où il venait, tandis que les servants le savaient, eux qui avaient puisé l' eau - le maître du repas appelle le marié
Jao / Jo 2:10 And saith unto him, Every man at the beginning doth set forth good wine; and when men have well drunk, then that which is worse: but thou hast kept the good wine until now. ka nanao taminy hoe: Araka ny fanaon' ny olona dia ny divay tsara no arosony aloha; ary rehefa nisotro be ny olona, dia vao izay ratsiratsy kokoa; fa ianao kosa dia efa nitahiry ny divay tsara ambaraka ankehitriny. ka nanao taminy hoe: Ny an' ny olona rehetra, dia ny divay tsara no arosony aloha, ary rahefa nisotro be ny olona vao arosony izay tsy tsara loatra; fa ny anao kosa, dia ny divay tsara indray no notahirizinao mandraka ankehitriny. et lui dit : " Tout homme sert d' abord le bon vin et, quand les gens sont ivres, le moins bon. Toi, tu as gardé le bon vin jusqu'à présent ! "
Jao / Jo 2:11 This beginning of miracles did Jesus in Cana of Galilee, and manifested forth his glory; and his disciples believed on him. Izany no nataon' i Jesosy tao Kana any Galilia ho voaloham-pamantarana, ka nasehony ny voninahiny; ary nino Azy ny mpianany. Izany nataon' i Jeso tany Kanà any Galilea izany no voaloham-pahagagana nataony; naneho ny voninahiny izy ka nino azy ny mpianany. Tel fut le premier des signes de Jésus, il l' accomplit à Cana de Galilée et il manifesta sa gloire et ses disciples crurent en lui.
Jao / Jo 2:12 After this he went down to Capernaum, he, and his mother, and his brethren, and his disciples: and they continued there not many days. Rehefa afaka izany, dia nidina nankany Kapernaomy Jesosy mbamin' ny reniny sy ny rahalahiny ary ny mpianany; nefa tsy nitoetra ela teo Izy. Ary rahefa afaka izany, dia nidina nankany Kafarnaoma izy sy ny reniny mbamin' ny rahalahiny sy ny mpianany; nefa tsy nitoetra ela tao izy ireo. Après quoi, il descendit à Capharnaüm, lui, ainsi que sa mère et ses frères et ses disciples, et ils n' y demeurèrent que peu de jours.
Jao / Jo 2:13 And the Jews' passover was at hand, and Jesus went up to Jerusalem. Ary efa akaiky ny Pasky ny Jiosy, ka dia niakatra tany Jerosalema Jesosy. Ary akaiky ny Pakan' ny Jody, ka niakatra tany Jerosalema Jeso. La Pâque des Juifs était proche et Jésus monta à Jérusalem.
Jao / Jo 2:14 And found in the temple those that sold oxen and sheep and doves, and the changers of money sitting: Ary hitany teo an-kianjan' ny tempoly ny nivarotra omby sy ondry sy voromailala ary ny mpanakalo vola izay nipetraka teo; Hitany tao anatin' ny tempoly ny mpivarotra omby aman' ondry sy voromailala ary ny mpanakalo vola nipetraka tao, Il trouva dans le Temple les vendeurs de boeufs, de brebis et de colombes et les changeurs assis.
Jao / Jo 2:15 And when he had made a scourge of small cords, he drove them all out of the temple, and the sheep, and the oxen; and poured out the changers' money, and overthrew the tables; dia nanao kotopia kofehy Izy ka nandroaka azy rehetra hiala teo an-kianjan' ny tempoly, na ny ondry na ny omby, ary nararany ny volan' ny mpanakalo vola, sady nazerany ny latabatra; ka nanao kotopia tamin' ny tady madinika izy, dia nandroaka azy rehetra mbamin' ny omby aman' ondry hiala amin' ny tempoly; nararany ny volan' ny mpanakalo vola, nazerany ny latabatra, Se faisant un fouet de cordes, il les chassa tous du Temple, et les brebis et les boeufs ; il répandit la monnaie des changeurs et renversa leurs tables,
Jao / Jo 2:16 And said unto them that sold doves, Take these things hence; make not my Father' s house an house of merchandise. dia hoy Izy tamin' ny nivarotra ny voromailala: Ento mivoaka ireto zavatra ireto; aza atao trano fivarotana ny tranon' ny Raiko. ary hoy izy tamin' izay nivaro-boromailala: Esory eto ireo, fa aza ataonareo trano fivarotana ny tranon' ny Raiko. et aux vendeurs de colombes il dit : " Enlevez cela d' ici. Ne faites pas de la maison de mon Père une maison de commerce. "
Jao / Jo 2:17 And his disciples remembered that it was written, The zeal of thine house hath eaten me up. Ary ny mpianany nahatsiaro fa voasoratra hoe: Ny firehetako ny amin' ny tranonao no haharitra aina ahy (Sal. 69. 9). Dia tsaroan' ny mpianany fa efa voasoratra hoe: Ny fitiavako ny tranonao no maharitra ny aiko. Ses disciples se rappelèrent qu' il est écrit : " Le zèle pour ta maison me dévorera. "
Jao / Jo 2:18 Then answered the Jews and said unto him, What sign shewest thou unto us, seeing that thou doest these things? Fa namaly ny Jiosy ka nanao taminy hoe: Inona no famantarana asehonao aminay, no manao izao zavatra izao Hianao? Fa niteny kosa ny Jody ka nanao hoe: Inona no famantarana asehonao aminay no manao toy izao hianao? Alors les Juifs prirent la parole et lui dirent : " Quel signe nous montres-tu pour agir ainsi ? "
Jao / Jo 2:19 Jesus answered and said unto them, Destroy this temple, and in three days I will raise it up. Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Ravao ity tempoly ity, ary amin' ny hateloana dia hatsangako indray izy. Dia namaly azy Jeso nanao hoe: Ravao ity tempoly ity, fa hatsangako indray amin' ny hateloana. Jésus leur répondit : " Détruisez ce sanctuaire et en trois jours je le relèverai. "
Jao / Jo 2:20 Then said the Jews, Forty and six years was this temple in building, and wilt thou rear it up in three days? Fa hoy ny Jiosy: Enina amby efa-polo taona izay no efa nanaovana ity tempoly ity, ka Hianao va hahatsangana azy amin' ny hateloana? Ka hoy ny Jody: Enina amby efa-polo taona no nanaovana ity tempoly ity, ka hianao ve dia hanangana azy indray amin' ny hateloana e? Les Juifs lui dirent alors : " Il a fallu quarante-six ans pour bâtir ce sanctuaire, et toi, en trois jours tu le relèveras ? "
Jao / Jo 2:21 But he spake of the temple of his body. Fa ny tenany no tempoly nolazainy. Ny vatany anefa no tempoly nolazainy. Mais lui parlait du sanctuaire de son corps.
Jao / Jo 2:22 When therefore he was risen from the dead, his disciples remembered that he had said this unto them; and they believed the scripture, and the word which Jesus had said. Ary koa, rehefa nitsangana tamin' ny maty Izy, dia tsaroan' ny mpianany fa efa nilaza izany Izy; ary dia nino ny Soratra Masina sy ny teny izay nolazain' i Jesosy izy. Ary nony tafatsangana tamin' ny maty izy, dia tsaroan' ny mpianany fa voalazany izany, ka nino ny Soratra Masina sy ny teny voalazan' i Jeso izy ireo. Aussi, quand il ressuscita d' entre les morts, ses disciples se rappelèrent qu' il avait dit cela, et ils crurent à l'Écriture et à la parole qu' il avait dite.
Jao / Jo 2:23 Now when he was in Jerusalem at the passover, in the feast day, many believed in his name, when they saw the miracles which he did. Ary nony tao Jerosalema Jesosy tamin' ny Paska, dia tamin' ny andro firavoravoana, maro no nino ny anarany, raha nahita ny famantarana izay nataony. Raha mbola tany Jerosalema izy tamin' ny fetin' ny Paka, dia maro no nino ny anarany, fa nahita ny fahagagana nataony; Comme il était à Jérusalem durant la fête de la Pâque, beaucoup crurent en son nom, à la vue des signes qu' il faisait.
Jao / Jo 2:24 But Jesus did not commit himself unto them, because he knew all men, Fa Jesosy tsy natoky azy, satria Izy nahalala ny olona rehetra; nefa tsy natoky azy ireo Jeso, satria nahalala azy rehetra izy, Mais Jésus, lui, ne se fiait pas à eux, parce qu' il les connaissait tous
Jao / Jo 2:25 And needed not that any should testify of man: for he knew what was in man. ary tsy nitady olona hanambara olona Izy; fa ny tenany nahalala izay tao am-pon' ny olona. sady tsy mba nila olona hilaza aminy ny amin' ny olona izy, fa ny tenany ihany dia nahalala izay ao am-pon' ny olona. et qu' il n' avait pas besoin d' un témoignage sur l' homme : car lui-même connaissait ce qu' il y avait dans l' homme.

<-
->