<-
->

Jao / Jo 4:1 When therefore the Lord knew how the Pharisees had heard that Jesus made and baptized more disciples than John, Koa amin' izany, rehefa fantatry ny Tompo fa ny Fariseo efa nahare fa Jesosy mahazo mpianatra maro sy manao batisa be noho Jaona Nony fantatry ny Tompo fa ren' ny Farisiana hoe maromaro kokoa ny mpianatr' i Jeso sy ny olona ataony batemy noho ny an' i Joany Quand Jésus apprit que les Pharisiens avaient entendu dire qu' il faisait plus de disciples et en baptisait plus que Jean -
Jao / Jo 4:2 (Though Jesus himself baptized not, but his disciples,) (kanefa tsy Jesosy no nanao batisa, fa ny mpianany), - na dia tsy izy aza fa ny mpianany no nanao batemy ny olona, - bien qu'à vrai dire Jésus lui-même ne baptisât pas, mais ses disciples -,
Jao / Jo 4:3 He left Judaea, and departed again into Galilee. dia niala tany Jodia Izy ka nankany Galilia indray. dia niala tany Jodea izy ka nankany Galilea indray. il quitta la Judée et s' en retourna en Galilée.
Jao / Jo 4:4 And he must needs go through Samaria. Ary tsy maintsy mamaky an' i Samaria Izy. Ary tsy maintsy hamaky an' i Samaria izy, Or il lui fallait traverser la Samarie.
Jao / Jo 4:5 Then cometh he to a city of Samaria, which is called Sychar, near to the parcel of ground that Jacob gave to his son Joseph. Dia tonga tao an-tanàna anankiray any Samaria Izy, izay atao hoe Sykara, akaikin' ny tany izay nomen' i Jakoba ho an' i Josefa zanany. ka tonga tany amin' ny tanànan' i Samaria anankiray atao hoe Sikara, akaikin' ny saha nomen' i Jakoba an' i Josefa zanany; Il arrive donc à une ville de Samarie appelée Sychar, près de la terre que Jacob avait donnée à son fils Joseph.
Jao / Jo 4:6 Now Jacob' s well was there. Jesus therefore, being wearied with his journey, sat thus on the well: and it was about the sixth hour. Ary teo ilay fantsakan' i Jakoba. Ary satria sasatra Jesosy tamin' ny nalehany dia nipetraka teo am-pantsakana Izy, rehefa tokony ho tamin' ny ora fahenina. teo no nisy ny fantsakan' i Jakoba. Ary sasatry ny dia nalehany Jeso ka nipetraka tsotra izao teo amoron' ny fantsakana, tokony ho tamin' ny ora fahenina. Là se trouvait le puits de Jacob. Jésus, fatigué par la marche, se tenait donc assis près du puits. C'était environ la sixième heure.
Jao / Jo 4:7 There cometh a woman of Samaria to draw water: Jesus saith unto her, Give me to drink. Ary nisy vehivavy Samaritana anankiray avy hantsaka rano dia hoy Jesosy taminy: Omeo Aho hosotroiko. Dia inty nisy vehivavy Samaritana anankiray tonga teo hantsaka rano, ka hoy Jeso taminy: Mba omeo kely aho hosotroiko, Une femme de Samarie vient pour puiser de l' eau. Jésus lui dit : " Donne-moi à boire. "
Jao / Jo 4:8 (For his disciples were gone away unto the city to buy meat.) (Fa ny mpianany efa lasa nankany an-tanàna hividy hanina) fa lasa nankany an-tanàna hividy hanina ny mpianany. Ses disciples en effet s' en étaient allés à la ville pour acheter de quoi manger.
Jao / Jo 4:9 Then saith the woman of Samaria unto him, How is it that thou, being a Jew, askest drink of me, which am a woman of Samaria? for the Jews have no dealings with the Samaritans. Fa hoy ravehivavy Samaritana taminy: Nahoana Hianao no Jiosy ka mangataka amiko hosotroina, nefa aho vehivavy Samaritana? (Fa ny Jiosy tsy manan-draharaha amin' ny Samaritana.) Dia hoy ilay vehivavy Samaritana taminy: Nahoana hianao no Jody ka no mangataka rano hosotroina amiko, nefa aho vehivavy Samaritana? (Fa tsy mifankahay moa ny Jody sy ny Samaritana). La femme samaritaine lui dit : " Comment ! toi qui es Juif, tu me demandes à boire à moi qui suis une femme samaritaine ? " Les Juifs en effet n' ont pas de relations avec les Samaritains.
Jao / Jo 4:10 Jesus answered and said unto her, If thou knewest the gift of God, and who it is that saith to thee, Give me to drink; thou wouldest have asked of him, and he would have given thee living water. Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Raha fantatrao ny fanomezan' Andriamanitra sy Izay miteny aminao hoe: Omeo Aho hosotroiko, dia ianao no ho nangataka taminy, ka nomeny rano velona. Namaly Jeso ka nanao taminy hoe: Raha fantatrao mantsy ny fanomezan' Andriamanitra sy izay milaza aminao hoe: Mba omeo kely aho hosotroiko, dia hianao indray aza no ho nangataka taminy, ka homeny rano velona. Jésus lui répondit : " Si tu savais le don de Dieu et qui est celui qui te dit : Donne-moi à boire, c' est toi qui l' aurais prié et il t' aurait donné de l' eau vive. "
Jao / Jo 4:11 The woman saith unto him, Sir, thou hast nothing to draw with, and the well is deep: from whence then hast thou that living water? Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, tsy manana fanovozana Hianao, sady lalina ny fantsakana; koa avy aiza no ahazoanao izany rano velona izany? Hoy ravehivavy taminy: hianao, Tompoko, tsy manan-kanovozana, ary ny fantsakana lalina; ka aiza ange no hahazoanao izany rano velona izany? Elle lui dit : " Seigneur, tu n' as rien pour puiser, et le puits est profond. D' où l' as-tu donc, l' eau vive ?
Jao / Jo 4:12 Art thou greater than our father Jacob, which gave us the well, and drank thereof himself, and his children, and his cattle? Hianao va lehibe noho Jakoba razantsika izay nanome anay ity fantsakana ity, sady izy sy ny zanany mbamin' ny bibiny no nisotro teto? Hianao angaha lehibe noho i Jakoba razantsika, izay nahazoanay ity fantsakana ity sy nisotro teto na ny tenany, na ny zanany mbamin' ny bibiny? Serais-tu plus grand que notre père Jacob, qui nous a donné ce puits et y a bu lui-même, ainsi que ses fils et ses bêtes ? "
Jao / Jo 4:13 Jesus answered and said unto her, Whosoever drinketh of this water shall thirst again: Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay rehetra misotro ity rano ity dia mbola hangetaheta indray; Dia hoy Jeso namaly azy: Izay rehetra misotro amin' ity rano ity mbola hangetaheta ihany; fa izay hisotro amin' ny rano homeko azy no tsy hangetaheta mandrakizay, Jésus lui répondit : " Quiconque boit de cette eau aura soif à nouveau ;
Jao / Jo 4:14 But whosoever drinketh of the water that I shall give him shall never thirst; but the water that I shall give him shall be in him a well of water springing up into everlasting life. fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay. satria ny rano homeko azy, dia ho tonga loharano miboiboika ao anatiny hatrany amin' ny fiainana mandrakizay. mais qui boira de l' eau que je lui donnerai n' aura plus jamais soif ; l' eau que je lui donnerai deviendra en lui source d' eau jaillissant en vie éternelle. "
Jao / Jo 4:15 The woman saith unto him, Sir, give me this water, that I thirst not, neither come hither to draw. Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, omeo izany rano izany aho, mba tsy hangetaheta na hanketo hantsaka intsony. Ka hoy ravehivavy taminy: Omeo amin' izany rano izany re aho, Tompoko, mba tsy hangetaheta intsony, dia tsy hankaty hantsaka koa. La femme lui dit : " Seigneur, donne-moi cette eau, afin que je n' aie plus soif et ne vienne plus ici pour puiser. "
Jao / Jo 4:16 Jesus saith unto her, Go, call thy husband, and come hither. Hoy Jesosy taminy: Andeha ary, antsoy ivadinao, ka mankanesa atý . Fa hoy Jeso taminy: Mandehana miantsoa ny vadinao, ka mankanesa atý. Il lui dit : " Va, appelle ton mari et reviens ici. "
Jao / Jo 4:17 The woman answered and said, I have no husband. Jesus said unto her, Thou hast well said, I have no husband: Ravehivavy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy manam-bady aho. Hoy Jesosy taminy: Marina ihany izay nolazainao hoe: Tsy manam-bady aho; Tsy manam-bady aho, hoy ravehivavy. Dia hoy Jeso taminy: Marina ny filazanao hoe: tsy manam-bady aho; La femme lui répondit : " Je n' ai pas de mari. " Jésus lui dit : " Tu as bien fait de dire : "Je n' ai pas de mari",
Jao / Jo 4:18 For thou hast had five husbands; and he whom thou now hast is not thy husband: in that saidst thou truly. fa efa nanam-bady indimy ianao, sady tsy vadinao ilay itoeranao ankehitriny; marina izany voalazanao izany. fa efa nanam-bady indimy hianao, ary tsy vadinao ilay itoeranao ankehitriny, ka marina ny voalazanao. car tu as eu cinq maris et celui que tu as maintenant n' est pas ton mari ; en cela tu dis vrai. "
Jao / Jo 4:19 The woman saith unto him, Sir, I perceive that thou art a prophet. Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, hitako fa mpaminany Hianao. Dia hoy ravehivavy taminy: Tompoko, hitako fa Mpaminany hianao. La femme lui dit : " Seigneur, je vois que tu es un prophète...
Jao / Jo 4:20 Our fathers worshipped in this mountain; and ye say, that in Jerusalem is the place where men ought to worship. Ny razantsika nivavaka teto amin' ity tendrombohitra ity; fa ianareo kosa milaza fa any Jerosalema no tokony hivavahana. Ny razanay nivavaka teo amin' io tendrombohitra io, ary hianareo kosa milaza fa any Jerosalema no tsy maintsy hivavahana. Nos pères ont adoré sur cette montagne et vous, vous dites : C' est à Jérusalem qu' est le lieu où il faut adorer. "
Jao / Jo 4:21 Jesus saith unto her, Woman, believe me, the hour cometh, when ye shall neither in this mountain, nor yet at Jerusalem, worship the Father. Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, minoa Ahy, fa avy ny andro ka tsy amin' ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin' ny Ray. Ary hoy Jeso taminy: Ravehivavy, minoa ahy, fa tonga ny andro, ka tsy amin' io tendrombohitra io na any Jerosalema aza no hivavahanareo amin' ny Ray. Jésus lui dit : " Crois-moi, femme, l' heure vient où ce n' est ni sur cette montagne ni à Jérusalem que vous adorerez le Père.
Jao / Jo 4:22 Ye worship ye know not what: we know what we worship: for salvation is of the Jews. Hianareo mivavaka amin' izay tsy fantatrareo; izahay kosa mivavaka amin' izay fantatray, satria avy amin' ny Jiosy ny famonjena. Hianareo mivavaka amin' izay tsy fantatrareo, fa izahay no mivavaka amin' izay fantatray, satria avy amin' ny Jody ny famonjena. Vous, vous adorez ce que vous ne connaissez pas ; nous, nous adorons ce que nous connaissons, car le salut vient des Juifs.
Jao / Jo 4:23 But the hour cometh, and now is, when the true worshippers shall worship the Father in spirit and in truth: for the Father seeketh such to worship him. Fa avy ny andro, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin' ny Ray amin' ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. Fa ho avy ny andro, ary efa tonga sahady aza, izay hivavahan' ny mpivavaka marina amin' ny Ray amin' ny fanahy sy fahamarinana, fa ny mpivavaka aminy toy izany no tadiavin' ny Ray. Mais l' heure vient - et c' est maintenant - où les véritables adorateurs adoreront le Père en esprit et en vérité, car tels sont les adorateurs que cherche le Père.
Jao / Jo 4:24 God is a Spirit: and they that worship him must worship him in spirit and in truth. Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin' ny fanahy sy ny fahamarinana. Andriamanitra dia fanahy, ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin' ny fanahy sy fahamarinana. Dieu est esprit, et ceux qui adorent, c' est en esprit et en vérité qu' ils doivent adorer. "
Jao / Jo 4:25 The woman saith unto him, I know that Messias cometh, which is called Christ: when he is come, he will tell us all things. Hoy ravehivavy taminy: Fantatro fa avy ny Mesia (Ilay atao hoe Kristy); ka rehefa tonga Izy, dia hambarany amintsika ny zavatra rehetra. Dia namaly ravehivavy ka nanao taminy hoe: Fantatro fa avy ny Mesia (izay atao hoe Kristy); ka rahefa tonga izy, dia hanambara amintsika ny zavatra rehetra. La femme lui dit : " Je sais que le Messie doit venir, celui qu' on appelle Christ. Quand il viendra, il nous expliquera tout. "
Jao / Jo 4:26 Jesus saith unto her, I that speak unto thee am he. Hoy Jesosy taminy: Izaho Izay miresaka aminao no Izy. Hoy Jeso taminy: Izaho izay miresaka aminao izao no izy. Jésus lui dit : " Je le suis, moi qui te parle. "
Jao / Jo 4:27 And upon this came his disciples, and marvelled that he talked with the woman: yet no man said, What seekest thou? or, Why talkest thou with her? Ary tamin' izay dia tonga ny mpianany ka gaga, satria vehivavy no niresahany; nefa tsy nisy nanao hoe: Inona no tadiavinao? na: Nahoana no miresaka aminy Hianao? Tamin' izay dia tonga ny mpianany ka gaga, satria vehivavy no niresahany; nefa tsy nisy nanao hoe: Inona no tadiavinao? na: Ahoana no iresahanao aminy? Là-dessus arrivèrent ses disciples, et ils s'étonnaient qu' il parlât à une femme. Pourtant pas un ne dit : " Que cherches-tu ? " ou : " De quoi lui parles-tu ? "
Jao / Jo 4:28 The woman then left her waterpot, and went her way into the city, and saith to the men, Dia nandao ny sininy ravehivavy ary nankany an-tanàna ka nanao tamin' ny olona hoe: Ravehivavy kosa tamin' izay dia nandao ny sininy ka lasa nankany an-tanàna nilaza tamin' ny olona hoe: La femme alors laissa là sa cruche, courut à la ville et dit aux gens :
Jao / Jo 4:29 Come, see a man, which told me all things that ever I did: is not this the Christ? Andeha hizaha izaroa Lehilahy izaroana, Izay nilaza tamiko ny nataoko rehetra; Izao angaha no Kristy? Andeha hianareo hizaha izao Lehilahy izao, fa nolazainy tamiko avokoa ny nataoko rehetra; ka izao angaha no Kristy? " Venez voir un homme qui m' a dit tout ce que j' ai fait. Ne serait-il pas le Christ ? "
Jao / Jo 4:30 Then they went out of the city, and came unto him. Dia nivoaka avy tao an-tanàna ny olona ka nankeo amin' i Jesosy. Dia nivoaka avy tao an-tanàna ny olona hanatona an' i Jeso. Ils sortirent de la ville et ils se dirigeaient vers lui.
Jao / Jo 4:31 In the mean while his disciples prayed him, saying, Master, eat. Ary raha tsy mbola tonga izy ireny, ny mpianany dia nangataka taminy ka nanao hoe: Hano, Raby ô. Mbola tsy tonga ny olona dia nanasa azy ny mpianany nanao hoe: Hano, Raby ô. Entre-temps, les disciples le priaient, en disant : " Rabbi, mange. "
Jao / Jo 4:32 But he said unto them, I have meat to eat that ye know not of. Fa hoy Jesosy taminy: Izaho manan-kanin-kohanina izay tsy fantatrareo. Fa hoy izy taminy: Izaho manan-kanin-kohanina izay tsy fantatrareo. Mais il leur dit : " J' ai à manger un aliment que vous ne connaissez pas. "
Jao / Jo 4:33 Therefore said the disciples one to another, Hath any man brought him ought to eat? Dia niresaka ny mpianatra ka nanao hoe: Nisy olona nitondra zavatra hohaniny va re? Dia nifampilaza hoe ny mpianany: Nisy olona nanati-javatra hohaniny angaha? Les disciples se disaient entre eux : " Quelqu' un lui aurait-il apporté à manger ? "
Jao / Jo 4:34 Jesus saith unto them, My meat is to do the will of him that sent me, and to finish his work. Hoy Jesosy taminy: Ny haniko dia ny manao ny sitrapon' izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany. Fa hoy Jeso tamin' izy ireo: Ny haniko dia ny manao ny sitra-pon' izay naniraka ahy, sy ny manatanteraka ny asany. Jésus leur dit : " Ma nourriture est de faire la volonté de celui qui m' a envoyé et de mener son oeuvre à bonne fin.
Jao / Jo 4:35 Say not ye, There are yet four months, and then cometh harvest? behold, I say unto you, Lift up your eyes, and look on the fields; for they are white already to harvest. Moa ianareo tsy manao hoe va: Efa-bolana no sisa, dia tonga ny fararano? Indro, lazaiko aminareo: Atopazy ny masonareo, ka jereo ny eny an-tsaha, fa efa masaka sahady hojinjana izy. Moa tsy lazainareo fa mbola efa-bolana sisa ny taom-pijinjana? Kanefa lazaiko aminareo: Atopazy ny masonareo, ka tazano ny eny an-tsaha, fa efa manopy mena sahady ny vary ka efa ho fijinja. Ne dites-vous pas : Encore quatre mois et vient la moisson ? Eh bien ! je vous dis : Levez les yeux et regardez les champs, ils sont blancs pour la moisson. Déjà
Jao / Jo 4:36 And he that reapeth receiveth wages, and gathereth fruit unto life eternal: that both he that soweth and he that reapeth may rejoice together. Ary izay mijinja dia mandray karama ka mamory vokatra ho amin' ny fiainana mandrakizay, mba hiara-mifaly ny mpamafy sy ny mpijinja. Izay mijinja dia mandray karama, ary mamory vokatra ho an' ny fiainana mandrakizay, mba hiara-mifaly ny mpamafy sy ny mpijinja. le moissonneur reçoit son salaire et récolte du fruit pour la vie éternelle, en sorte que le semeur se réjouit avec le moissonneur.
Jao / Jo 4:37 And herein is that saying true, One soweth, and another reapeth. Ary amin' izany dia marina ilay teny hoe: Ny iray mamafy, ary ny iray kosa mijinja, Fa amin' ity marina ilay ohabolana hoe: Hafa no mamafy, hafa no mijinja. Car ici se vérifie le dicton : autre est le semeur, autre le moissonneur ;
Jao / Jo 4:38 I sent you to reap that whereon ye bestowed no labour: other men laboured, and ye are entered into their labours. Izaho naniraka anareo hijinja izay tsy nisasaranareo; olon-kafa no nisasatra, fa ianareo kosa no niditra teo amin' izay nisasarany. Nirahiko hijinja amin' izay tsy nasainareo hianareo, fa olon-kafa no niasa, ka hianareo no nanohy ny asany. je vous ai envoyés moissonner là où vous ne vous êtes pas fatigués ; d' autres se sont fatigués et vous, vous héritez de leurs fatigues. "
Jao / Jo 4:39 And many of the Samaritans of that city believed on him for the saying of the woman, which testified, He told me all that ever I did. Ary maro ny Samaritana avy tao amin' izany tanàna izany no nino an' i Jesosy noho ny filazan-dravehivavy, izay nanambara hoe: Nolazainy tamiko avokoa izay rehetra nataoko. Maro ny Samaritana tamin' izany tanàna izany no nino azy, noho ny tenin-dravehivavy nanao hoe: Nolazainy tamiko avokoa ny nataoko rehetra. Un bon nombre de Samaritains de cette ville crurent en lui à cause de la parole de la femme, qui attestait : " Il m' a dit tout ce que j' ai fait. "
Jao / Jo 4:40 So when the Samaritans were come unto him, they besought him that he would tarry with them: and he abode there two days. Ary rehefa nanatona Azy ny Samaritana, dia nangataka Azy hitoetra tao aminy; ka dia nitoetra tao indroa andro Izy. Fa nony tonga teo aminy ny Samaritana, dia nangataka azy hitoetra tao aminy, ary nitoetra tao indroa andro izy. Quand donc ils furent arrivés près de lui, les Samaritains le prièrent de demeurer chez eux. Il y demeura deux jours
Jao / Jo 4:41 And many more believed because of his own word; Ary maro koa no nino noho ny teniny Ka vao mainka maro aza no nino azy noho ny teny nataony, et ils furent bien plus nombreux à croire, à cause de sa parole,
Jao / Jo 4:42 And said unto the woman, Now we believe, not because of thy saying: for we have heard him ourselves, and know that this is indeed the Christ, the Saviour of the world. ka nanao tamin-dravehivavy hoe: Tsy noho ny filazanao ihany no inoanay, fa ny tenanay no mandre, ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao. sy nanao tamin-dravehivavy hoe: Tsy noho ny filazanao intsony no inoanay fa ny tenanay izao no nandre, ka fantatray fa izy tokoa no Mpamonjy ny olona. et ils disaient à la femme : " Ce n' est plus sur tes dires que nous croyons ; nous l' avons nous-mêmes entendu et nous savons que c' est vraiment lui le sauveur du monde. "
Jao / Jo 4:43 Now after two days he departed thence, and went into Galilee. Ary rehefa afaka ny indroa andro, dia niala tao Jesosy ka nankany Galilia. Nony afaka ny indroa andro, dia niala tao izy ka nankany Galilea. Après ces deux jours, il partit de là pour la Galilée.
Jao / Jo 4:44 For Jesus himself testified, that a prophet hath no honour in his own country. Fa ny tenan' i Jesosy no efa nanambara fa tsy misy mpaminany manan-daza eo amin' ny taniny. Fa araka ny efa voalazany dia tsy misy mpaminany hajaina amin' ny taniny. Jésus avait en effet témoigné lui-même qu' un prophète n' est pas honoré dans sa propre patrie.
Jao / Jo 4:45 Then when he was come into Galilee, the Galilaeans received him, having seen all the things that he did at Jerusalem at the feast: for they also went unto the feast. Koa rehefa tonga tany Galilia Izy, dia nandray Azy ny Galiliana, satria efa hitany izay rehetra nataony tany Jerosalema tamin' ny andro firavoravoana; fa izy ireo koa mba niakatra tamin' ny andro firavoravoana. Ary nony tonga tany Galilea izy, dia noraisin' ny Galileana, satria efa hitany izay rehetra nataony tany Jerosalema tamin' ny andro fety, fa tany koa izy ireo tamin' ny fety. Quand donc il vint en Galilée, les Galiléens l' accueillirent, ayant vu tout ce qu' il avait fait à Jérusalem lors de la fête ; car eux aussi étaient venus à la fête.
Jao / Jo 4:46 So Jesus came again into Cana of Galilee, where he made the water wine. And there was a certain nobleman, whose son was sick at Capernaum. Ary tonga tany Kana any Galilia indray Jesosy, dia tany amin' ilay nampodiany ny rano ho divay. Ary nisy tandapa anankiray izay nanana zanakalahy narary tany Kapernaomy. Dia nankany Kanà any Galilea indray izy, tany amin' ilay nanovàny ny rano ho divay. Ary nisy kosa manamboninahitra anankiray nanan-janakalahy narary tany Kafarnaoma, Il retourna alors à Cana de Galilée, où il avait changé l' eau en vin. Et il y avait un fonctionnaire royal, dont le fils était malade à Capharnaüm.
Jao / Jo 4:47 When he heard that Jesus was come out of Judaea into Galilee, he went unto him, and besought him that he would come down, and heal his son: for he was at the point of death. Ary rehefa reny fa Jesosy efa tonga tany Galilia avy tany Jodia, dia nankany aminy izy ka nangataka Azy mba hidina sy hahasitrana ny zanany, satria efa ho faty izy. ka nony reny fa hoe tonga avy any Jodea ao Galilea Jeso, dia nanatona azy izy ka nangataka azy hidina hanasitrana ny zanany efa ho faty. Apprenant que Jésus était arrivé de Judée en Galilée, il s' en vint le trouver et il le priait de descendre guérir son fils, car il allait mourir.
Jao / Jo 4:48 Then said Jesus unto him, Except ye see signs and wonders, ye will not believe. Dia hoy Jesosy taminy: Raha tsy mahita famantarana sy fahagagana ianareo, dia tsy mba hety hino mihitsy. Fa hoy Jeso taminy: Raha tsy mahita famantarana sy fahagagana hianareo, dia tsy mba mety mino; Jésus lui dit : " Si vous ne voyez des signes et des prodiges, vous ne croirez pas ! "
Jao / Jo 4:49 The nobleman saith unto him, Sir, come down ere my child die. Hoy ilay tandapa taminy: Tompoko, midina re, dieny tsy mbola maty ny zanako. ka hoy ilay manamboninahitra taminy: Andeha re, Tompoko dieny mbola tsy maty ny zanako. Le fonctionnaire royal lui dit : " Seigneur, descends avant que ne meure mon petit enfant. "
Jao / Jo 4:50 Jesus saith unto him, Go thy way; thy son liveth. And the man believed the word that Jesus had spoken unto him, and he went his way. Hoy Jesosy taminy: Andeha mody; velona ny zanakao. Ary ralehilahy nino ny teny izay nolazain' i Jesosy taminy, ka dia lasa nody. Dia hoy Jeso taminy: Modia, fa velona ny zanakao. Ary nino ny teny nolazain' i Jeso taminy izy ka lasa nody. Jésus lui dit : " Va, ton fils vit. " L' homme crut à la parole que Jésus lui avait dite et il se mit en route.
Jao / Jo 4:51 And as he was now going down, his servants met him, and told him, saying, Thy son liveth. Ary nony nidina izy, dia nitsena azy ny mpanompony ka nilaza fa velona ny zanany. Nony nandeha izy, dia notsenain' ny ankiziny, ka nilazany fa velona ny zanany. Déjà il descendait, quand ses serviteurs, venant à sa rencontre, lui dirent que son enfant était vivant.
Jao / Jo 4:52 Then enquired he of them the hour when he began to amend. And they said unto him, Yesterday at the seventh hour the fever left him. Ary izy nanontany azy ny ora izay nanaretany. Dia hoy ireo taminy: Omaly tamin' ny ora fahafito no nialan' ny tazo taminy. Ary nanontaniany azy ireo ny ora nahasitranany ka hoy ireo taminy: Omaly tamin' ny ora fahafito no nialan' ny tazo taminy. Il s' informa auprès d' eux de l' heure à laquelle il s'était trouvé mieux. Ils lui dirent : " C' est hier, à la septième heure, que la fièvre l' a quitté. "
Jao / Jo 4:53 So the father knew that it was at the same hour, in the which Jesus said unto him, Thy son liveth: and himself believed, and his whole house. Koa fantatry ny rainy fa tamin' izay indrindra no ora nanaovan' i Jesosy taminy hoe: Velona ny zanakao. Dia nino izy mbamin' ny ankohonany rehetra. Dia fantatry ny rainy, fa tamin' izany ora izany indrindra no nilazan' i Jeso taminy hoe: Velona ny zanakao, ka nino izy sy ny mpianakaviny rehetra. Le père reconnut que c'était l' heure où Jésus lui avait dit : " Ton fils vit ", et il crut, lui avec sa maison tout entière.
Jao / Jo 4:54 This is again the second miracle that Jesus did, when he was come out of Judaea into Galilee. Izany no famantarana faharoa nataon' i Jesosy, fony Izy tonga tany Galilia avy tany Jodia. Izany no fahagagana faharoa nataon' i Jeso, rahefa tonga tany Galilea avy tany Jodea izy. Ce nouveau signe, le second, Jésus le fit à son retour de Judée en Galilée.

<-
->