<-
->

Jao / Jo 12:1 Then Jesus six days before the passover came to Bethany, where Lazarus was, which had been dead, whom he raised from the dead. Ary rehefa henemana no sisa tsy tonga ny Paska, Jesosy dia tonga tao Betania, izay nitoeran' i Lazarosy, ilay natsangany tamin' ny maty. Nony henemana sisa tsy hahatongavan' ny Paka, dia tonga tany Betania Jeso tany amin' izay nitoeran' i Lazara, ilay natsangan' i Jeso tamin' ny maty. Six jours avant la Pâque, Jésus vint à Béthanie, où était Lazare, que Jésus avait ressuscité d' entre les morts.
Jao / Jo 12:2 There they made him a supper; and Martha served: but Lazarus was one of them that sat at the table with him. Dia nanao fanasana ho an' i Jesosy tao izy; ary Marta no nanompo; fa Lazarosy no anankiray tamin' izay niara-nipetraka nihinana taminy. Nanaovan' ny tao nahandro izy, ka Marta nampihinana, Lazara isan' izay niara-nihinana taminy. On lui fit là un repas. Marthe servait. Lazare était l' un des convives.
Jao / Jo 12:3 Then took Mary a pound of ointment of spikenard, very costly, and anointed the feet of Jesus, and wiped his feet with her hair: and the house was filled with the odour of the ointment. Ary Maria, rehefa naka menaka manitra nisy narda sady tsara no saro-bidy, lanjan' iray livatra, dia nanosotra ny tongotr' i Jesosy sy namaoka ny tongony tamin' ny volondohany; ary feno ny hanitry ny menaka ny trano. Ary Maria kosa naka diloilo manitra saro-bidy lanjana iray livatra natao tamin' ny salohin' ny narda, dia nanosotra ny tongotr' i Jeso sy namaoka ny tongony tamin' ny volon-dohany, ka nandraraka eran' ny trano ny hanitry ny diloilo. Alors Marie, prenant une livre d' un parfum de nard pur, de grand prix, oignit les pieds de Jésus et les essuya avec ses cheveux ; et la maison s' emplit de la senteur du parfum.
Jao / Jo 12:4 Then saith one of his disciples, Judas Iscariot, Simon' s son, which should betray him, Ary hoy Jodasy Iskariota, anankiray tamin' ny mpianany, ilay efa hamadika Azy: Tamin' izay hoy Jodasy Iskariota, anankiray tamin' ny mpianany, ilay efa hamadika azy hoe: Mais Judas l' Iscariote, l' un des disciples, celui qui allait le livrer, dit :
Jao / Jo 12:5 Why was not this ointment sold for three hundred pence, and given to the poor? Nahoana io menaka io no tsy namidy denaria telon-jato ka nomena ny malahelo? Tsy naleo re namidy denie telon-jato iny diloilo manitra iny ka nomena ny mahantra? " Pourquoi ce parfum n' a-t-il pas été vendu trois cents deniers qu' on aurait donnés à des pauvres ? "
Jao / Jo 12:6 This he said, not that he cared for the poor; but because he was a thief, and had the bag, and bare what was put therein. Ary izy no nilaza izany, tsy noho ny fiahiany ny malahelo, fa satria mpangalatra izy sady nitondra ny kitapo ka naka izay tao anatiny. Tsy ny fiahiany ny mahantra anefa no nilazany an' izany, fa noho izy mpangalatra sy mpitana ny kitapom-bola, ary nifetsy izay nalatsaka tao anatiny. Mais il dit cela non par souci des pauvres, mais parce qu' il était voleur et que, tenant la bourse, il dérobait ce qu' on y mettait.
Jao / Jo 12:7 Then said Jesus, Let her alone: against the day of my burying hath she kept this. Dia hoy Jesosy: Avelao izy, mba hotehiriziny ho amin' ny andro hanamboarany Ahy halevina io. Ka hoy Jeso taminy: Avelao izy hanao, fa nitahiry izany ho amin' ny andro handevenana ahy. Jésus dit alors : " Laisse-la : c' est pour le jour de ma sépulture qu' elle devait garder ce parfum.
Jao / Jo 12:8 For the poor always ye have with you; but me ye have not always. Fa ny malahelo dia etý aminareo mandrakariva; fa Izaho tsy mba ho etý aminareo mandrakariva. Fa ny mahantra dia hisy mandrakariva eto aminareo, ary izaho kosa tsy mba ho eto aminareo lalandava. Les pauvres, en effet, vous les aurez toujours avec vous ; mais moi, vous ne m' aurez pas toujours. "
Jao / Jo 12:9 Much people of the Jews therefore knew that he was there: and they came not for Jesus' sake only, but that they might see Lazarus also, whom he had raised from the dead. Ary ny vahoaka betsaka tamin' ny Jiosy nahalala fa teo Izy, dia tonga teo, nefa tsy noho Jesosy ihany, fa mba hahita an' i Lazarosy koa, ilay natsangany tamin' ny maty. Maro tamin' ny Jody no nahare hoe tao Betania Jeso, ka tonga tao, tsy noho Jeso ihany, fa mba hahita an' i Lazara ilay natsangany tamin' ny maty koa. La grande foule des Juifs apprit qu' il était là et ils vinrent, pas seulement pour Jésus, mais aussi pour voir Lazare, qu' il avait ressuscité d' entre les morts.
Jao / Jo 12:10 But the chief priests consulted that they might put Lazarus also to death; Fa nihendry hahafaty an' i Lazarosy koa ny lohan' ny mpisorona, Fa Lazara koa dia efa notetehin' ny lehiben' ny mpisorona hovonoina, Les grands prêtres décidèrent de tuer aussi Lazare,
Jao / Jo 12:11 Because that by reason of him many of the Jews went away, and believed on Jesus. satria izy no nialan' ny maro tamin' ny Jiosy ka ninoany an' i Jesosy. satria noho izy, dia maro ny olona niala tamin' ny Jody ka nino an' i Jeso. parce que beaucoup de Juifs, à cause de lui, s' en allaient et croyaient en Jésus.
Jao / Jo 12:12 On the next day much people that were come to the feast, when they heard that Jesus was coming to Jerusalem, Ary nony ampitson' iny ny vahoaka betsaka, izay tonga ho amin' ny andro firavoravoana, rehefa nahare fa hankany Jerosalema Jesosy, Nony ampitso, dia ren' ny vahoaka be izay tonga hanao ny fety fa ho avy ao Jerosalema Jeso, Le lendemain, la foule nombreuse venue pour la fête apprit que Jésus venait à Jérusalem ;
Jao / Jo 12:13 Took branches of palm trees, and went forth to meet him, and cried, Hosanna: Blessed is the King of Israel that cometh in the name of the Lord. dia naka sampan-drofia ka nivoaka hitsena Azy sady niantso hoe: Hosana! Isaorana anie ny Mpanjakan' ny Isiraely, Ilay avy amin' ny anaran' i Jehovah (Sal. 118, 26). ka naka sampan-drofia izy, dia nitsena azy sy niantso hoe: Hosana, hohasoavina anie ilay avy amin' ny anaran' ny Tompo, sy Mpanjakan' Israely. ils prirent les rameaux des palmiers et sortirent à sa rencontre et ils criaient : " Hosanna ! Béni soit celui qui vient au nom du Seigneur et le roi d' Israël ! "
Jao / Jo 12:14 And Jesus, when he had found a young ass, sat thereon; as it is written, Ary Jesosy nahita zana-boriky anankiray, dia nitaingina azy, araka ny voasoratra hoe: Ary Jeso nahita zana-boriky anankiray, dia nitaingina azy, araka ny voasoratra hoe: Jésus, trouvant un petit âne, s' assit dessus selon qu' il est écrit :
Jao / Jo 12:15 Fear not, daughter of Sion: behold, thy King cometh, sitting on an ass' s colt. Aza matahotra, ry Ziona zanakavavy; indro, avy ny Mpanjakanao mitaingina zana-boriky (Zak. 9. 9). Aza matahotra, ry zanakavavin' i Siona; indro avy ny Mpanjakanao mitaingina zana-boriky. Sois sans crainte, fille de Sion : Voici que ton roi vient, monté sur un petit d'ânesse.
Jao / Jo 12:16 These things understood not his disciples at the first: but when Jesus was glorified, then remembered they that these things were written of him, and that they had done these things unto him. Izany zavatra izany dia tsy fantatry ny mpianany tamin' ny voalohany; fa rehefa niditra tamin' ny voninahiny Jesosy, dia vao nahatsiaro izy fa voasoratra hilaza Azy izany zavatra izany, ary efa nataony taminy izany. Tamin' izay dia tsy mbola fatatry ny mpianany ny hevitr' izany, fa nony efa voasandratra tamin' ny voninahiny Jeso vao tsaroany fa sady voasoratra ny aminy izany no nataon' izy ireo taminy koa. Cela, ses disciples ne le comprirent pas tout d' abord ; mais quand Jésus eut été glorifié, alors ils se souvinrent que cela était écrit de lui et que c'était ce qu' on lui avait fait.
Jao / Jo 12:17 The people therefore that was with him when he called Lazarus out of his grave, and raised him from the dead, bare record. Ary nanambara Azy ny vahoaka izay teny aminy, fony Izy niantso an' i Lazarosy hivoaka tamin' ny fasana ka nanangana azy tamin' ny maty. Koa nanambara azy ny vahoaka izay nanatrika ny fiantsoany an' i Lazara hivoaka tamin' ny fasana sy ny nananganany azy tamin' ny maty, La foule qui était avec lui, quand il avait appelé Lazare hors du tombeau et l' avait ressuscité d' entre les morts, rendait témoignage.
Jao / Jo 12:18 For this cause the people also met him, for that they heard that he had done this miracle. Ary izany koa no nitsenan' ny vahoaka Azy, satria efa reny fa nanao izany famantarana izany Izy. ka ny nandrenesan' ny vahoaka be ny nanaovany an' izany fahagagana izany indrindra no nihaviany hitsena azy. C' est aussi pourquoi la foule vint à sa rencontre : parce qu' ils avaient entendu dire qu' il avait fait ce signe.
Jao / Jo 12:19 The Pharisees therefore said among themselves, Perceive ye how ye prevail nothing? behold, the world is gone after him. Ary tamin' izany ny Fariseo dia nifampilaza hoe: Hitanareo fa tsy mahefa na inona na inona akory ianareo; indro, efa lasa manaraka Azy avokoa izao tontolo izao. Dia vaky ny Farisiana nifampilaza hoe: Hitanareo fa tsy mahomby hianareo; indro fa mirohotra manaraka azy avokoa izao tontolo izao. Alors les Pharisiens se dirent entre eux : " Vous voyez que vous ne gagnez rien ; voilà le monde parti après lui ! "
Jao / Jo 12:20 And there were certain Greeks among them that came up to worship at the feast: Ary nisy Grika sasany tamin' izay niakatra hivavaka tamin' ny andro firavoravoana, Ary nisy jentily sasany anisan' izay niakatra hivavaka tamin' ny andro fety, Il y avait là quelques Grecs, de ceux qui montaient pour adorer pendant la fête.
Jao / Jo 12:21 The same came therefore to Philip, which was of Bethsaida of Galilee, and desired him, saying, Sir, we would see Jesus. ary izy ireo nankany amin' i Filipo avy any Betsaida any Galilia, dia nangataka taminy ka nanao hoe: Tompoko, mba ta-hahita an' i Jesosy izahay. nanatona an' i Filipo, izay avy tany Betsaïdan' i Galilea, ka nihanta taminy nanao hoe: Tompoko, mba ta-hahita an' i Jeso izahay. Ils s' avancèrent vers Philippe, qui était de Bethsaïde en Galilée, et ils lui firent cette demande : " Seigneur, nous voulons voir Jésus. "
Jao / Jo 12:22 Philip cometh and telleth Andrew: and again Andrew and Philip tell Jesus. Dia lasa Filipo nilaza tamin' i Andrea; ary Andrea sy Filipo lasa nilaza tamin' i Jesosy. Dia lasa Filipo nilaza tamin' i Andre ka dia i Andre sy Filipo no niara-nilaza tamin' i Jeso. Philippe vient le dire à André ; André et Philippe viennent le dirent à Jésus.
Jao / Jo 12:23 And Jesus answered them, saying, The hour is come, that the Son of man should be glorified. Ary Jesosy namaly azy hoe: Tonga ny fotoana hankalazana ny Zanak' olona. Ary namaly azy Jeso ka nanao hoe: Tonga ny fotoana hanomezam-boninahitra ny Zanak' olona. Jésus leur répond : " Voici venue l' heure où doit être glorifié le Fils de l' homme.
Jao / Jo 12:24 Verily, verily, I say unto you, Except a corn of wheat fall into the ground and die, it abideth alone: but if it die, it bringeth forth much fruit. Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy latsaka ao amin' ny tany ny voambary ka maty, dia mitoetra foana izy; fa raha maty kosa izy, dia hahavokatra be. Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha tsy maty ny voam-bary nafafy tamin' ny tany, En vérité, en vérité, je vous le dis, si le grain de blé tombé en terre ne meurt pas, il demeure seul ; mais s' il meurt, il porte beaucoup de fruit.
Jao / Jo 12:25 He that loveth his life shall lose it; and he that hateth his life in this world shall keep it unto life eternal. Izay tia ny ainy no mahavery izany; fa izay mankahala ny ainy amin' izao fiainana izao no hiaro izany ho amin' ny fiainana mandrakizay. dia mitoetra foana izy: fa raha maty kosa izy, dia mahavokatra be. Izay tia ny ainy no hahavery azy; fa izay mankahala ny ainy amin' izao fiainana izao no hitahiry azy ho amin' ny fiainana mandrakizay. Qui aime sa vie la perd ; et qui hait sa vie en ce monde la conservera en vie éternelle.
Jao / Jo 12:26 If any man serve me, let him follow me; and where I am, there shall also my servant be: if any man serve me, him will my Father honour. Raha misy olona manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako, dia ao koa no hitoeran' ny mpanompoko; raha misy olona manompo Ahy, dia hankalaza azy ny Ray. Raha misy manompo ahy, dia aoka izy hanaraka ahy, ary izay itoerako no hitoeran' ny mpanompoko koa. Raha misy manompo ahy, dia homen' ny Raiko voninahitra izy. Si quelqu' un me sert, qu' il me suive, et où je suis, là aussi sera mon serviteur. Si quelqu' un me sert, mon Père l' honorera.
Jao / Jo 12:27 Now is my soul troubled; and what shall I say? Father, save me from this hour: but for this cause came I unto this hour. Ankehitriny mangorohoro ny fanahiko; ary ahoana no holazaiko: Ray ô, vonjeo Aho ho afaka amin' ity ora ity? nefa izao no nihaviako ho amin' ity ora ity; Ankehitriny, mitebiteby ny fanahiko, ka inona re no holazaiko? Raiko ô, vonjeo aho ho afaka amin' ity ora ity. Nefa izao indrindra no nahatongavako ho amin' izao ora izao. Maintenant mon âme est troublée. Et que dire ? Père, sauve-moi de cette heure ! Mais c' est pour cela que je suis venu à cette heure.
Jao / Jo 12:28 Father, glorify thy name. Then came there a voice from heaven, saying, I have both glorified it, and will glorify it again. Ray ô, mankalazà ny anaranao. Dia nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Efa nankalaza azy Aho, ary hankalaza azy indray. Raiko ô, omeo voninahitra ny anaranao. Tamin' izay dia nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Efa nomeko voninahitra izy, ary mbola homeko voninahitra indray. Père, glorifie ton nom ! " Du ciel vint alors une voix : " Je l' ai glorifié et de nouveau je le glorifierai. "
Jao / Jo 12:29 The people therefore, that stood by, and heard it, said that it thundered: others said, An angel spake to him. Ary ny vahoaka izay nitsangana teo ka nahare dia nanao hoe: Kotrokorana izany. Hoy ny sasany: Anjely no niteny taminy. Nony nahare izany ny vahoaka izay teo, dia nanao hoe: Kotro-baratra izany; fa hoy kosa ny sasany hoe: Anjely niteny taminy izay. La foule qui se tenait là et qui avait entendu, disait qu' il y avait eu un coup de tonnerre ; d' autres disaient : " Un ange lui a parlé. "
Jao / Jo 12:30 Jesus answered and said, This voice came not because of me, but for your sakes. Jesosy namaly ka nanao hoe: Tsy noho Izaho no nahatongavan' izany feo izany, fa noho ianareo. Dia hoy Jeso hoe: Tsy ho ahy izany feo izany, fa ho anareo. Jésus reprit : " Ce n' est pas pour moi qu' il y a eu cette voix, mais pour vous.
Jao / Jo 12:31 Now is the judgment of this world: now shall the prince of this world be cast out. Tonga ankehitriny ny fitsarana izao tontolo izao; ankehitriny ny andrianan' izao tontolo izao no horoahina. Ankehitriny dia tonga ny fitsarana an' izao tontolo izao; ankehitriny ny mpanapaka an' izao tontolo izao no horoahina. C' est maintenant le jugement de ce monde ; maintenant le Prince de ce monde va être jeté dehors ;
Jao / Jo 12:32 And I, if I be lifted up from the earth, will draw all men unto me. Ary Izaho, raha asandratra hiala amin' ny tany, dia hitaona ny olona rehetra hanatona Ahy. Ary izaho rahefa tafasandratra hiala amin' ny tany, dia hitarika ny olona rehetra hanatona ahy. et moi, une fois élevé de terre, j' attirerai tous les hommes à moi. "
Jao / Jo 12:33 This he said, signifying what death he should die. Izany no nolazainy hanambara izay fahafatesana efa hiaretany. (Ny nolazainy tamin' izany dia ny karazam-pahafatesana tokony hahafatesany). Il signifiait par là de quelle mort il allait mourir.
Jao / Jo 12:34 The people answered him, We have heard out of the law that Christ abideth for ever: and how sayest thou, The Son of man must be lifted up? who is this Son of man? Dia namaly Azy ny vahoaka ka nanao hoe: Efa renay tamin' ny lalàna fa Kristy haharitra mandrakizay; koa ahoana no ilazanao hoe: Tsy maintsy hasandratra ny Zanak' olona? Iza moa izany Zanak' olona izany? Ka hoy ny vahoaka namaly azy: Efa renay tamin' ny Lalàna fa maharitra mandrakizay ny Kristy, ka ahoana no lazainao hoe: Tsy maintsy hasandratra ny Zanak' olona? Iza moa izany Zanak' olona izany? La foule alors lui répondit : " Nous avons appris de la Loi que le Christ demeure à jamais. Comment peux-tu dire : "Il faut que soit élevé le Fils de l' homme" ? Qui est ce Fils de l' homme ? "
Jao / Jo 12:35 Then Jesus said unto them, Yet a little while is the light with you. Walk while ye have the light, lest darkness come upon you: for he that walketh in darkness knoweth not whither he goeth. Dia hoy Jesosy taminy: Mbola kely ihany no hitoeran' ny mazava aminareo. Mandehana, raha mbola manana ny mazava ianareo, mba tsy hahatratra anareo ny maizina; fa izay mandeha amin' ny maizina dia tsy mahalala izay alehany. Dia hoy Jeso taminy: Kely foana sisa hitoeran' ny mazava eo aminareo, ka mandehana dieny mbola eo aminareo ny mazava, fandrao tratry ny aizina hianareo, satria izay mandeha amin' ny aizina dia tsy mahalala izay alehany akory. Jésus leur dit : " Pour peu de temps encore la lumière est parmi vous. Marchez tant que vous avez la lumière, de peur que les ténèbres ne vous saisissent : celui qui marche dans les ténèbres ne sait pas où il va.
Jao / Jo 12:36 While ye have light, believe in the light, that ye may be the children of light. These things spake Jesus, and departed, and did hide himself from them. Raha mbola manana ny mazava ianareo, dia minoa ny mazava, mba ho tonga zanaky ny mazava. Rehefa nilaza izany Jesosy, dia niala Izy ka niery azy. Minoa ny fahazavana dieny mbola eo aminareo ny fahazavana, mba ho zanaky ny fahazavana hianareo. Nony voalazan' i Jeso izany, dia lasa izy niery azy ireo. Tant que vous avez la lumière, croyez en la lumière, afin de devenir des fils de lumière. " Ainsi parla Jésus, et s' en allant il se déroba à leur vue.
Jao / Jo 12:37 But though he had done so many miracles before them, yet they believed not on him: Nefa na dia efa nanao izany famantarana betsaka izany teo anatrehany aza Izy, dia tsy mba nino Azy ireo, Na dia betsaka aza ny fahagagana nataony teo imason' izy ireo, dia tsy nino azy izy, Bien qu' il eût fait tant de signes devant eux, ils ne croyaient pas en lui,
Jao / Jo 12:38 That the saying of Esaias the prophet might be fulfilled, which he spake, Lord, who hath believed our report? and to whom hath the arm of the Lord been revealed? mba hahatanteraka ny teny nataon' Isaia mpaminany hoe: Tompoko, iza no nino ny teny nampitondraina anay? Ary iza no nampisehoana ny sandrin' i Jehovah? (Isa. 53. 1.) mba hahatanteraka ny tenin' Izaia mpaminany manao hoe: Tompo ô, iza moa no nino izay teny nampilazaina anay, ary zovy no nampisehoana ny sandrin' ny Tompo? afin que s' accomplît la parole dite par Isaïe le prophète : Seigneur, qui a cru à notre parole ? et le bras du Seigneur, à qui a-t-il été révélé ?
Jao / Jo 12:39 Therefore they could not believe, because that Esaias said again, Izany no tsy nahaizany nino, satria hoy koa Isaia: Izany no tsy nahazoan' izy ireo nino, sady hoy koa Izaia: Aussi bien ne pouvaient-ils croire, car Isaïe a dit encore :
Jao / Jo 12:40 He hath blinded their eyes, and hardened their heart; that they should not see with their eyes, nor understand with their heart, and be converted, and I should heal them. Efa nanajamba ny masony sy nanamafy ny fony Izy, Mba tsy hahita ny masony, na hahalala ny fony, Dia tsy hibebaka izy, Ka tsy hahasitrana azy Aho (Isa. 6. 10). Efa nohajambainy ny masony, ary nohamafisiny ny fony, fandrao hahita ny masony ka hahafantatra ny fony, dia hibebaka izy, ka sao hositraniko. Il a aveuglé leurs yeux et il a endurci leur coeur, pour que leurs yeux ne voient pas, que leur coeur ne comprenne pas, qu' ils ne se convertissent pas et que je ne les guérisse pas.
Jao / Jo 12:41 These things said Esaias, when he saw his glory, and spake of him. Izany teny izany no nolazain' Isaia, satria nahita ny voninahiny izy ka nilaza Azy. Izaia no nilaza izany dia nahita ny voninahitry ny Tompo izy, ka nanambara azy. Isaïe a dit cela, parce qu' il eut la vision de sa gloire et qu' il parla de lui.
Jao / Jo 12:42 Nevertheless among the chief rulers also many believed on him; but because of the Pharisees they did not confess him, lest they should be put out of the synagogue: Kanefa maro tamin' ny mpanapaka aza no nino Azy; nefa noho ny Fariseo dia tsy nanaiky ireo, fandrao havoaka hiala amin' ny synagoga. Kanefa na eo aza izany, dia maro ihany na hatramin' ny loholona aza no nino azy, saingy tsy nampiseho ny finoany izy ireo noho ny Farisiana, fandrao dia roahiny amin' ny sinagoga, Toutefois, il est vrai, même parmi les notables, un bon nombre crurent en lui, mais à cause des Pharisiens ils ne se déclaraient pas, de peur d'être exclus de la synagogue,
Jao / Jo 12:43 For they loved the praise of men more than the praise of God. Fa tia ny voninahitra avy amin' ny olona izy ireo, fa tsy ny voninahitra avy amin' Andriamanitra. satria naleony ny voninahitra avy amin' ny olona toy izay ny voninahitra avy amin' Andriamanitra. car ils aimèrent la gloire des hommes plus que la gloire de Dieu.
Jao / Jo 12:44 Jesus cried and said, He that believeth on me, believeth not on me, but on him that sent me. Ary Jesosy niantso ka nanao hoe: Izay mino Ahy, dia tsy Izaho no inoany, fa Izay naniraka Ahy. Ary niantso Jeso nanao hoe: Izay mino ahy, dia tsy izaho no inoany, fa izay naniraka ahy; Jésus a dit, il l' a clamé : " Qui croit en moi, ce n' est pas en moi qu' il croit, mais en celui qui m' a envoyé,
Jao / Jo 12:45 And he that seeth me seeth him that sent me. Ary izay mahita Ahy dia mahita Izay naniraka Ahy. ary izay mahita ahy, dia mahita izay naniraka ahy. et qui me voit voit celui qui m' a envoyé.
Jao / Jo 12:46 I am come a light into the world, that whosoever believeth on me should not abide in darkness. Izaho tonga amin' izao tontolo izao ho fahazavana, mba tsy hitoetra ao amin' ny maizina izay rehetra mino Ahy. Tonga amin' izao tontolo izao ho fahazavana aho, mba tsy hitoetra ao anatin' ny maizina izay rehetra mino ahy. Moi, lumière, je suis venu dans le monde, pour que quiconque croit en moi ne demeure pas dans les ténèbres.
Jao / Jo 12:47 And if any man hear my words, and believe not, I judge him not: for I came not to judge the world, but to save the world. Ary raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina, Izaho tsy mitsara azy; fa tsy tonga hitsara izao tontolo izao Aho, fa hamonjy izao tontolo izao. Ary raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina azy, dia tsy mitsara azy aho; satria tsy hitsara izao tontolo izao no nahatongavako fa hamonjy azy. Si quelqu' un entend mes paroles et ne les garde pas, je le ne juge pas, car je ne suis pas venu pour juger le monde, mais pour sauver le monde.
Jao / Jo 12:48 He that rejecteth me, and receiveth not my words, hath one that judgeth him: the word that I have spoken, the same shall judge him in the last day. Izay manda Ahy ka tsy mandray ny teniko, dia manana izay mitsara azy: ny teny izay nolazaiko, izany ihany no hitsara azy amin' ny andro farany, Izay manamavo ahy ka tsy mandray ny teniko, misy izay hitsara azy: dia ny teny voalazako no hitsara azy amin' ny farandro, Qui me rejette et n' accueille pas mes paroles a son juge : la parole que j' ai fait entendre, c' est elle qui le jugera au dernier jour ;
Jao / Jo 12:49 For I have not spoken of myself; but the Father which sent me, he gave me a commandment, what I should say, and what I should speak. satria Izaho tsy niteny ho Ahy, fa ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy no nandidy Ahy izay holazaiko sy izay hotoriko. satria tsy niteny ho ahy aho, fa ny Ray izay naniraka ahy no nandidy izay tsy maintsy holazaiko sy hampianariko. car ce n' est pas de moi-même que j' ai parlé, mais le Père qui m' a envoyé m' a lui-même commandé ce que j' avais à dire et à faire connaître ;
Jao / Jo 12:50 And I know that his commandment is life everlasting: whatsoever I speak therefore, even as the Father said unto me, so I speak. Ary fantatro fa fiainana mandrakizay ny didiny; koa izay lazaiko dia lazaiko araka izay nolazain' ny Ray tamiko. Ary fantatro fa ny didiny no fiainana mandrakizay. Koa ny zavatra lazaiko àry, dia lazaiko araka ny voalazan' ny Ray tamiko. et je sais que mon commandement est vie éternelle. Ainsi donc ce que je dis, tel que le Père me l' a dit je le dis. "

<-
->