<-
->

Dan / Da 5:1 Belshazzar the king made a great feast to a thousand of his lords, and drank wine before the thousand. Belsazara mpanjaka nanao fanasana lehibe ho an' ny mpanolo-tsainy arivo lahy, ary teo anatrehan' ireny no nisotroany divay. Nanao fanasana lehibe Baltasara mpanjaka, ho an' ny tompo-menakeliny arivo lahy: ary nisotro divay teo anatrehan' ireo arivo lahy izy. Le roi Balthazar donna un grand festin pour ses seigneurs, qui étaient au nombre de mille, et devant ces mille il but du vin.
Dan / Da 5:2 Belshazzar, whiles he tasted the wine, commanded to bring the golden and silver vessels which his father Nebuchadnezzar had taken out of the temple which was in Jerusalem; that the king, and his princes, his wives, and his concubines, might drink therein. Nony efa nisotro divay Belsazara, dia nasainy nalaina ny fanaka volamena sy volafotsy izay nalain' i Nebokadnezara rainy avy tao amin' ny tempoly tany Jerosalema, mba hisotroan' ny mpanjaka sy ny mpanolotsainy sy ny vadiny mbamin' ny vaditsindranony. Nentanin' ny divay Baltasara, dia nampaka ny kapoaka volamena sy volafotsy, nalain' i Nabokodonozora rainy, teny an-tempoly izay ao Jerosalema, mba hisotroan' ny mpanjaka amam-tompo-menakely mbamin' ireo vadiny sy vaditsindranony. Ayant goûté le vin, Balthazar ordonna d' apporter les vases d' or et d' argent que son père Nabuchodonosor avait pris au sanctuaire de Jérusalem, pour y faire boire le roi, ses seigneurs, ses concubines et ses chanteuses.
Dan / Da 5:3 Then they brought the golden vessels that were taken out of the temple of the house of God which was at Jerusalem; and the king, and his princes, his wives, and his concubines, drank in them. Dia nentiny ny fanaka volamena izay nalaina avy teo amin' ny tempolin' ny tranon' Andriamanitra tany Jerosalema, ary ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsainy sy ny vadiny mbamin' ny vaditsindranony nisotro taminy. Nony nentina ny kapoaka volamena nalaina teny an-tempolin' ny tranon' Andriamanitra, izay ao Jerosalema, dia nisotro tamin' izany ny mpanjaka, ny tompo-menakely, ny vadiny mbamin' ny vadintsindranony. On apporta donc les vases d' or et d' argent pris au sanctuaire du Temple de Dieu à Jérusalem, et y burent le roi et ses seigneurs, ses concubines et ses chanteuses.
Dan / Da 5:4 They drank wine, and praised the gods of gold, and of silver, of brass, of iron, of wood, and of stone. Eny, nisotro divay izy sady nankalaza ny andriamanitra volamena sy volafotsy sy varahina sy vy sy hazo ary vato. Nisotro divay izy ireo, ary nankalaza ny andriamaniny volamena sy volafotsy, varahana sy vy, ary vato aman-kazo. Ils burent du vin et firent louange aux dieux d' or et d' argent, de bronze et de fer, de bois et de pierre.
Dan / Da 5:5 In the same hour came forth fingers of a man' s hand, and wrote over against the candlestick upon the plaister of the wall of the king' s palace: and the king saw the part of the hand that wrote. Tamin' izay dia nisy rantsan- tànan' olona niseho ka nanoratra tandrifin' ny jiro tamin' ny lalotra sokay teo amin' ny rindrin' ny lapan' ny mpanjaka; ary ny mpanjaka nahita ilay rantsan-tanana nanoratra. Tamin' izay, dia nisy rantsan-tanan' olona niseho nanoratra tandrifin' ny fanaovan-jiro maro rantsana, teo amin' ny lalotra sokay amin' ny rindrin' ny lapan' ny mpanjaka, ary hitan' ny mpanjaka ny tendron' ny tànana nanoratra izany. Soudain apparurent des doigts de main humaine qui se mirent à écrire, derrière le lampadaire, sur le plâtre du mur du palais royal, et le roi vit la paume de la main qui écrivait.
Dan / Da 5:6 Then the king' s countenance was changed, and his thoughts troubled him, so that the joints of his loins were loosed, and his knees smote one against another. Dia nivaloarika ny tarehin' ny mpanjaka, ary naharaiki-tahotra azy ny eritreriny, ka dia nivahavaha ny valahany, sady niady ny lohaliny. Nivaloarika terý ny mpanjaka sady nampitebiteby azy ny eritreriny, nivahavaha ny famavanin' ny valahany, ary niady ny lohaliny. Alors le roi changea de couleur, ses pensées se troublèrent, les jointures de ses hanches se relâchèrent et ses genoux se mirent à s' entrechoquer.
Dan / Da 5:7 The king cried aloud to bring in the astrologers, the Chaldeans, and the soothsayers. And the king spake, and said to the wise men of Babylon, Whosoever shall read this writing, and shew me the interpretation thereof, shall be clothed with scarlet, and have a chain of gold about his neck, and shall be the third ruler in the kingdom. Dia niantso mafy ny mpanjaka hampiditra ny mpisikidy sy ny Kaldeana ary ny mpanandro. Ary ny mpanjaka niteny ka nanao tamin' ny olon-kendrin' i Babylona hoe: Na zovy na zovy no mahavaky io soratra io sady milaza ny heviny amiko dia hampiakanjoina volomparasy, sy hasiana rojo volamena ny vozony, ary ho isan' ny mpanapaka telo lahy amin' ny fanjakana izy. Dia niantso mafy ny mpanjaka nampaka ny mpisikidy, ny Kaldeana, ny mpanandro, ary niteny ny mpanjaka, ka nanao tamin' ny olon-kendrin' i Babilona hoe: Na zovy na zovy mahavaky io soratra io, sy mahalaza ny heviny amiko, dia hampitafina jaky, hasiana rojo volamena ny vozony, ary ho mpanapaka fahatelo amin' ny fanjakako izy. Il manda en criant devins, Chaldéens et exorcistes. Et le roi dit aux sages de Babylone : "Quiconque lira cette écriture et m' en découvrira l' interprétation, on le vêtira de pourpre, on lui mettra une chaîne d' or autour du cou et il gouvernera en troisième dans le royaume."
Dan / Da 5:8 Then came in all the king' s wise men: but they could not read the writing, nor make known to the king the interpretation thereof. Dia niditra avokoa ny olon-kendrin' ny mpanjaka, nefa tsy nisy nahavaky ny soratra na nampahalala ny mpanjaka ny heviny. Koa niditra avokoa ny olon-kendrin' ny mpanjaka, nefa tsy nahavaky izay zavatra voasoratra, na nahalaza ny heviny tamin' ny mpanjaka. Alors, accoururent tous les sages du roi; mais ils ne purent ni lire l'écriture ni en faire connaître l' interprétation au roi.
Dan / Da 5:9 Then was king Belshazzar greatly troubled, and his countenance was changed in him, and his lords were astonied. Dia natahotra indrindra Belsazara mpanjaka, ka nivaloarika ny tarehiny, ary vaka terý ny mpanolo-tsainy. Tsiravina fatratra Baltasara mpanjaka tamin' izay, nivaloarika ny endriny, kivy ny tompo-menakeliny. Le roi Balthazar en fut très troublé, il changea de couleur et ses seigneurs demeurèrent perplexes.
Dan / Da 5:10 Now the queen by reason of the words of the king and his lords came into the banquet house: and the queen spake and said, O king, live for ever: let not thy thoughts trouble thee, nor let thy countenance be changed: Ary ny renin' ny mpanjaka niditra tao amin' ny trano fanasana noho ny tenin' ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsainy; dia niteny ny renin' ny mpanjaka ka nanao hoe: Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao, aoka tsy haharaiki-tahotra anao ny eritreritrao, na hivaloarika ny tarehinao. Nony nandre ny tenin' ny mpanjaka sy ireo tompo-menakeliny ny mpanjakavavy, dia niditra tao an-trano fanasana; niteny ny mpanjakavavy nanao hoe: Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie hianao. Aoka ny eritreritrao tsy hampitebiteby anao, ary ny tarehanao tsy hivaloarika. S' en vint dans la salle du festin la reine, alertée par les paroles du roi et des seigneurs. Et la reine dit : "O roi, vis à jamais! Que tes pensées ne se troublent pas et que ton éclat ne se ternisse point.
Dan / Da 5:11 There is a man in thy kingdom, in whom is the spirit of the holy gods; and in the days of thy father light and understanding and wisdom, like the wisdom of the gods, was found in him; whom the king Nebuchadnezzar thy father, the king, I say, thy father, made master of the magicians, astrologers, Chaldeans, and soothsayers; Misy lehilahy ato amin' ny fanjakanao izay manana fanahin' ireo andriamanitra masina ao anatiny; ary fony fahavelon-drainao dia hita fa nisy fahazavan-tsaina sy fahalalana ary fahendrena tao aminy tahaka ny fahendren' ireo andriamanitra; ka nataon' i Nebokadnezara mpanjaka rainao, dia ny mpanjaka rainao, hoy izaho, ho lehiben' ny ombiasy sy ny mpisikidy sy ny Kaldeana ary ny mpanandro izy; Fa eto amin' ny fanjakanao, misy lehilahy anankiray izay itoeran' ny fanahin' ireo andriamanitra masina; tamin' ny andron-drainao, hita tao aminy ny fahazavana, ny fahazavan-tsaina, ny fahendrena toy ny fahendren' ireo andriamanitra. Koa izy no notendren' i Nabokodonozora mpanjaka rainao, dia ny mpanjaka rainao - ho lehiben' ny mpahay taratasy, ny mpisikidy, ny Kaldeana, mbamin' ny mpanandro, satria hita tao aminy avokoa, dia amin' i Daniely, izay nomen' ny mpanjaka anarana hoe Baltasara, Il est un homme dans ton royaume en qui réside l' esprit des dieux saints. Du temps de ton père, il se trouva en lui lumière, intelligence et sagesse pareille à la sagesse des dieux. Le roi Nabuchodonosor, ton père, le nomma chef des magiciens, devins, Chaldéens et exorcistes.
Dan / Da 5:12 Forasmuch as an excellent spirit, and knowledge, and understanding, interpreting of dreams, and shewing of hard sentences, and dissolving of doubts, were found in the same Daniel, whom the king named Belteshazzar: now let Daniel be called, and he will shew the interpretation. fa fanahy hendry sy fahalalana sy saina ary fahaiza-milaza nofy sy fanambarana teny sarotra sy fampisehoana hevitra miafina no hita tao amin' izany Daniela izany, izay nomen' ny mpanjaka anarana hoe Beltesazara, koa aoka hantsoina Daniela, fa holazainy ny hevitry ny teny. ny saina ambony, ny fahaizana amam-pahalalana mivaofy ny hevitry ny nofy, sy hampahafantatra ny ankamantatra ary hamaly ny fanontaniana sarotra. Koa aoka hantsoina Daniely fa izy no hilaza ny hevitr' izany. Et puisqu' il s' est trouvé en ce Daniel, que le roi avait surnommé Baltassar, un esprit extraordinaire, connaissance, intelligence, art d' interpréter les songes, de résoudre les énigmes et de défaire les noeuds, fais donc mander Daniel et il te fera connaître l' interprétation."
Dan / Da 5:13 Then was Daniel brought in before the king. And the king spake and said unto Daniel, Art thou that Daniel, which art of the children of the captivity of Judah, whom the king my father brought out of Jewry? Dia nampidirina teo anatrehan' ny mpanjaka Daniela. Ary ny mpanjaka niteny ka nanao tamin' i Daniela hoe: Hianao mantsy no Daniela, ilay isan' ny babo avy amin' ny taranak' i Joda, izay nentin' ny mpanjaka raiko avy tany Joda. Dia nampidirina teo anatrehan' ny mpanjaka Daniely. Ka niteny ny mpanjaka nanao tamin' i Daniely hoe: Hianao va, no ilay Daniely, isan' ny babo avy any Jodà, nentin' ny mpanjaka raiko avy any Jodea? On fit venir Daniel devant le roi, et le roi dit à Daniel "Est-ce toi qui es Daniel, des gens de la déportation de Juda, amenés de Juda par le roi mon père?
Dan / Da 5:14 I have even heard of thee, that the spirit of the gods is in thee, and that light and understanding and excellent wisdom is found in thee. Efa reko ny aminao, fa ianao manana fanahin' ireo andriamanitra sady misy fahazavan-tsaina sy fahalalana ary fahendrena tsara hita ao aminao. Efa reko ny aminao, fa hoe ao anatinao ny fanahin' ireo andriamanitra, sady ao aminao koa misy fahazavana amam-pahazavan-tsaina sy fahendrena mahagaga. J' ai entendu dire que l' esprit des dieux réside en toi et qu' il se trouve en toi lumière, intelligence et sagesse extraordinaire.
Dan / Da 5:15 And now the wise men, the astrologers, have been brought in before me, that they should read this writing, and make known unto me the interpretation thereof: but they could not shew the interpretation of the thing: Ary vao teo dia efa nampidirina teto anatrehako ny olon-kendry sy ny mpisikidy hamaky io soratra io sy hampahafantatra ahy ny heviny; fa tsy nahalaza ny hevitry ny teny izy; Ary izao, vao avy nampidirina teto anatrehako ny olon-kendry amam-pisikidy, hamaky io soratra io sy hampahafantatra ahy ny heviny; nefa tsy nahalaza ny hevitr' ireo teny ireo tamiko izy ireo. On m' a amené les sages et les devins pour lire cette écriture et m' en faire connaître l' interprétation, mais ils sont incapables de m' en découvrir l' interprétation.
Dan / Da 5:16 And I have heard of thee, that thou canst make interpretations, and dissolve doubts: now if thou canst read the writing, and make known to me the interpretation thereof, thou shalt be clothed with scarlet, and have a chain of gold about thy neck, and shalt be the third ruler in the kingdom. ary efa reko ny aminao, fa ianao no mahalaza hevitra sy mahay mampiseho hevitra miafina; koa raha mahavaky ny soratra sy mampahafantatra ahy ny heviny ianao, dia hampiakanjoina volomparasy, sy hasiana rofo volamena ny vozonao, ary ho isan' ny mpanapaka telo lahy amin' ny fanjakana ianao. Ary izaho efa nandre ny aminao fa mahay milaza hevi-javatra, sy mahavaly fanontaniana sarotra hianao; koa raha mahavaky io soratra io hianao, sy mahalaza amiko ny heviny, dia hampitafina jaky, hasiana rojo volamena ny vozonao, ary ho mpanapaka fahatelo eto amin' ny fanjakako hianao. J' ai entendu dire que tu es capable de donner des interprétations et de défaire des noeuds. Si donc tu es capable de lire cette écriture et de m' en faire connaître l' interprétation, tu seras revêtu de pourpre et tu porteras une chaîne d' or autour du cou et tu seras en troisième dans le royaume."
Dan / Da 5:17 Then Daniel answered and said before the king, Let thy gifts be to thyself, and give thy rewards to another; yet I will read the writing unto the king, and make known to him the interpretation. Dia namaly Daniela ka nanao teo anatrehan' ny mpanjaka hoe: Aoka ihany ho anao ny fanomezanao, ary ny valim-pitianao omeo ny hafa; nefa hovakiko amin' ny mpanjaka ihany ny soratra, ary hampahafantariko azy ny heviny. Dia niteny Daniely, ka nanao, teo anatrehan' ny mpanjaka, hoe: Aoka ho aminao ihany ny fanomezanao; ary omeo ny hafa ny fanatitrao. Fa ny voasoratra hovakiko amin' ny mpanjaka ihany, ary ny heviny hampahalalaiko azy koa. Daniel prit la parole et dit devant le roi : "Que tes dons te soient retournés, et donne à d' autres tes cadeaux! Pour moi, je lirai au roi cette écriture et je lui en ferai connaître l' interprétation.
Dan / Da 5:18 O thou king, the most high God gave Nebuchadnezzar thy father a kingdom, and majesty, and glory, and honour: Ny aminao, ry mpanjaka ô, Andriamanitra Avo Indrindra efa nanome fanjakana sy fahalehibiazana sy voninahitra ary laza an' i Nebokadnezara rainao; Ry mpanjaka ô, ny Andriamanitra Avo Indrindra, efa nanome an' i Nabokodonozora rainao ny fanjakana amam-pahalehibeazana, ny voninahitra amam-piandrianana; O roi, le Dieu Très-Haut a donné royaume, grandeur, majesté et gloire à Nabuchodonosor ton père.
Dan / Da 5:19 And for the majesty that he gave him, all people, nations, and languages, trembled and feared before him: whom he would he slew; and whom he would he kept alive; and whom he would he set up; and whom he would he put down. ary noho ny fahalehibiazana izay nomeny azy, ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra dia nangovitra sy natahotra teo anatrehany; izay tiany hovonoina dia novonoiny; ary izay tiany hovelomina dia novelominy; ary izay tiany hasandratra dia nasandrany; ary izay tiany haetry dia naetriny. ary noho ny fahalehibeazana nomeny azy, raiki-tahotra sy nangovitra teo anatrehany avokoa ny vahoaka rehetra, sy ny firenena amam-tsamihafa fiteny; namono izay tiany hovonoina izy, ary namelona izay tiany hovelomina; nanandratra izay tiany hasandratra izy, ary nanetry izay tiany haetry. La grandeur qu' il lui avait donnée faisait trembler de crainte devant lui peuples, nations et langues : il tuait qui il voulait, laissait vivre qui il voulait, élevait qui il voulait, abaissait qui il voulait.
Dan / Da 5:20 But when his heart was lifted up, and his mind hardened in pride, he was deposed from his kingly throne, and they took his glory from him: Fa nony niavonavona kosa ny fony, ary nikikitra tamin' ny fireharehana ny fanahiny, dia naetry niala tamin' ny seza fiandrianan' ny fanjakany izy, ary ny voninahiny nesorina taminy; Kanefa, nony avy izay niavonavonan' ny fony, sy nihamafisan' ny fanahiny mba hampianjonanjona azy, dia naongana hiala amin' ny seza fiandrianana izy, sady nesorina aminy ny fahalehibeazany. Mais son coeur s'étant élevé et son esprit durci jusqu'à l' arrogance, il fut rejeté du trône de sa royauté et la gloire lui fut ôtée.
Dan / Da 5:21 And he was driven from the sons of men; and his heart was made like the beasts, and his dwelling was with the wild asses: they fed him with grass like oxen, and his body was wet with the dew of heaven; till he knew that the most high God ruled in the kingdom of men, and that he appointeth over it whomsoever he will. dia noroahina niala tamin' ny zanak' olombelona izy; ary ny fony natao tahaka ny an' ny biby, ary ny fonenany tany amin' ny boriki-dia, dia nampihinanina ahitra toy ny omby izy, ary kotsan' ny andon' ny lanitra ny tenany, ambara-pahafantany fa Andriamanitra Avo Indrindra no manapaka amin' ny fanjakan' ny olona, ary izay tiany no tendreny ho mpanjakany. Noroahina hiala amin' ny zanak' olombelona izy, nanjary hoatra ny an' ny biby ny fony, ary teo amin' ny ampondra dia ny fonenany; nampihinanina ahitra hoatra ny omby izy; ary nokotsan' ny andon' ny lanitra ny vatany, mandra-pahalalàny fa ny Andriamanitra Avo Indrindra no mizaka ny fanjakan' ny olombelona, sy manandratra izay tiany ho amin' izany. Il fut retranché d' entre les hommes, et par le coeur il devint semblable aux bêtes; sa demeure fut avec les onagres; comme les boeufs il se nourrit d' herbe; son corps fut baigné de la rosée du ciel, jusqu'à ce qu' il eût appris que le Dieu Très-Haut a domaine sur le royaume des hommes et met à sa tête qui lui plaît.
Dan / Da 5:22 And thou his son, O Belshazzar, hast not humbled thine heart, though thou knewest all this; Ary ianao, ry Belsazara zanany, dia tsy mba nampietry ny fonao, na dia fantatrao aza izany rehetra izany; Hianao koa ity, ry Baltasara zanany, tsy nampietry ny fonao, na dia nahalala izany rehetra izany aza. Mais toi, Balthazar, son fils, tu n' as pas humilié ton coeur, bien que tu aies su tout cela
Dan / Da 5:23 But hast lifted up thyself against the Lord of heaven; and they have brought the vessels of his house before thee, and thou, and thy lords, thy wives, and thy concubines, have drunk wine in them; and thou hast praised the gods of silver, and gold, of brass, iron, wood, and stone, which see not, nor hear, nor know: and the God in whose hand thy breath is, and whose are all thy ways, hast thou not glorified: fa niavonavona tamin' ny Tompon' ny lanitra ianao; ary ny fanaky ny tranon' Andriamanitra dia nentina eto anatrehanao, ary ianao sy ny mpanolo-tsainao sy ny vadinao mbamin' ny vaditsindranonao nisotro divay taminy; ary ianao nankalaza ny andriamanitra volafotsy sy volamena sy varahina sy vy sy hazo ary vato, izay tsy mahita, na mandre, na mahalala; fa Andriamanitra Izay mitana ny ainao sady Tompon' ny alehanao rehetra dia tsy mba nankalazainao. Fa hianao, nentina teo anatrehanao ny kapoakan' ny tranony, ary nisotro divay tamin' izany hianao sy ny tompo-menakelinao mbamin' ny vadinao sy ny vaditsindranonao, noderainao ireo andriamanitra volafotsy, volamena, varahana, vy sy vato aman-kazo, izay tsy mahita, na mahare, na mahalala na inona na inona akory; fa ilay Andriamanitra tompon' ny fofon' ainao sy iankinan' ny làlanao indray no tsy nankalazainao! tu t' es exalté contre le Seigneur du Ciel, tu t' es fait apporter les vases de son Temple, et toi, tes seigneurs, tes concubines et tes chanteuses, vous y avez bu du vin, et avez fait louange aux dieux d' or et d' argent, de bronze et de fer, de bois et de pierre, qui ne voient, n' entendent, ni ne comprennent, et tu n' as pas glorifié le Dieu qui tient ton souffle entre ses mains et de qui relèvent toutes tes voies.
Dan / Da 5:24 Then was the part of the hand sent from him; and this writing was written. Ary noho izany dia Izy no nihavian' ilay rantsan-tanana, ka voasoratra ireo teny ireo. Dia tamin' izany no nanirahana io tendro-tànana io avy amin' ny anarany sy nandaharana izay voasoratra ao. Il a donc envoyé cette main qui, toute seule, a tracé cette écriture.
Dan / Da 5:25 And this is the writing that was written, MENE, MENE, TEKEL, UPHARSIN. Ary ny teny voasoratra dia izao: Mene, Mene, Tekela, Oparesina. Ary izao no soratra voalahatra: Mené Mené, Thesel, Ofharsin! L'écriture tracée, c' est : Mené, Mené, Teqel et Parsîn.
Dan / Da 5:26 This is the interpretation of the thing: MENE; God hath numbered thy kingdom, and finished it. Izao no hevitry ny teny: Mene, voaisan' Andriamanitra ny nanjakanao ka taperiny amin' izao; Ka izao no hevitr' ireo teny ireo: Mené (voaisa): nisain' Andriamanitra ny fanjakanao, dia notaperiny. Voici l' interprétation de ces mots : Mené : Dieu a mesuré ton royaume et l' a livré;
Dan / Da 5:27 TEKEL; Thou art weighed in the balances, and art found wanting. Tekela, efa voalanja tamin' ny mizana ianao ka, indro, latsa-danja; Thekel (voalanja): nolanjaina tamin' ny mizàna hianao, ka hita fa maivana. Teqel : tu as été pesé dans la balance et ton poids se trouve en défaut;
Dan / Da 5:28 PERES; Thy kingdom is divided, and given to the Medes and Persians. Paresa, zarazaraina ny fanjakanao ka omena ho an' ny Mediana sy ny Persiana. Perès (voazara): hozaraina ny fanjakanao, ka homena ny Meda sy ny Persa. Parsîn : ton royaume a été divisé et donné aux Mèdes et aux Perses."
Dan / Da 5:29 Then commanded Belshazzar, and they clothed Daniel with scarlet, and put a chain of gold about his neck, and made a proclamation concerning him, that he should be the third ruler in the kingdom. Ary Belsazara dia nanome teny, ka dia nampiakanjoina volomparasy Daniela, sady nasiana rojo volamena ny vozony, ary nisy niantso azy ho isan' ny mpanapaka telo lahy amin' ny fanjakana. Tamin' izay, araka ny didin' i Baltasara, Daniely dia nampitafina jaky, nasiana rojo volamena ny vozony, ary namoahan-teny fa ho mpanapaka fahatelo amin' ny fanjakana izy. Alors Balthazar ordonna de revêtir Daniel de pourpre, de lui mettre au cou une chaîne d' or et de proclamer qu' il gouvernerait en troisième dans le royaume.
Dan / Da 5:30 In that night was Belshazzar the king of the Chaldeans slain. Ary tamin' io alina io ihany dia novonoina Belsazara, mpanjakan' ny Kaldeana. Tamin' io alina io ihany Baltasara, mpanjakan' ny Kaldeana dia novonoina. Cette nuit-là, le roi chaldéen Balthazar fut assassiné
Dan / Da 5:31 And Darius the Median took the kingdom, being about threescore and two years old.

<-
->