<-
->

Dan / Da 11:1 Also I in the first year of Darius the Mede, even I, stood to confirm and to strengthen him. Fa tamin' ny taona voalohany nanjakan' i Dariosa Mediana dia nitsangana hampahery sy hanatanjaka azy aho. Izaho koa tamin' ny taona vaolohany nanjakan' i Dariosa ilay Meda no nitsangana teo anilany hanohana sy hankahery azy. mon appui pour me prêter main-forte et me soutenir.
Dan / Da 11:2 And now will I shew thee the truth. Behold, there shall stand up yet three kings in Persia; and the fourth shall be far richer than they all: and by his strength through his riches he shall stir up all against the realm of Grecia. Ary ankehitriny izay tenany tokoa dia haharihariko aminao. Indro, mbola hisy mpanjaka telo koa hitsangana any Persia; ary ny fahefatra hanan-karena be mihoatra noho izy rehetra; koa rehefa mahery izy noho ny hareny, dia hotairiny avokoa ny olona rehetra hamely ny fanjakan' i Grisia. Ankehitriny, indro haharihariko aminao ny marina. Mbola hisy mpanjaka telo koa hitsangana amin' i Persa; ary ny fahefatra hanan-karena mihoatra noho izy rehetra, ka rahafa mahery noho ny hareny izy, dia hanainga ny zavatra rehetra hamely ny fanjakan' i Javana. A présent, je vais t' annoncer la vérité. "Voici : trois rois encore se lèveront pour la Perse; le quatrième aura plus de richesses qu' eux tous, et lorsque sa richesse l' aura rendu puissant, il se lèvera contre tous les royaumes de Yavân.
Dan / Da 11:3 And a mighty king shall stand up, that shall rule with great dominion, and do according to his will. Ary hisy mpanjaka mahery hitsangana, izay hanapaka amin' ny fanapahana lehibe sady hanao araka izay sitrapony. Ary hisy mpanjaka mahery fo hanam-pahefana lehibe, ka hanao izay mahafinaritra azy. Un roi vaillant se lèvera et gouvernera un vaste empire et fera ce qu' il lui plaît.
Dan / Da 11:4 And when he shall stand up, his kingdom shall be broken, and shall be divided toward the four winds of heaven; and not to his posterity, nor according to his dominion which he ruled: for his kingdom shall be plucked up, even for others beside those. Ary rehefa mitsangana izy, dia horavana ny fanjakany ka hozaraina ho amin' ny rivotra efatry ny lanitra; fa tsy ho an' ny taranany, na araka ny fanapahany izay nanapahany, fa hongotana ny fanjakany ka ho an' ny hafa, fa tsy ho an' ireo. Raha vao tafatsangana izy dia ho voatorotoro ny fanjakany, ka ho zarazaraina ho amin' ny rivotra efatry ny lanitra, fa tsy ho an' ny taranany, sady tsy hanam-pahefana tahaka izay nananany, satria ho rovitra ny fanjakany, ka ho lasan' ny hafa fa tsy ho an' ireo. Tandis qu' il s'élèvera, son royaume sera brisé et partagé aux quatre vents du ciel, mais non pas au profit de sa descendance; il ne sera pas gouverné comme il l' avait gouverné, car son royaume sera extirpé et livré à d' autres qu' elle.
Dan / Da 11:5 And the king of the south shall be strong, and one of his princes; and he shall be strong above him, and have dominion; his dominion shall be a great dominion. Ary hahery ny mpanjakan' ny atsimo; nefa ny anankiray amin' ny andriandahiny dia hahery noho izy aza ka hanapaka; ary ho fanapahana lehibe ny fanapahany. Ho tonga mahery ny mpanjakan' ny Atsimo, sy ny iray amin' ny jeneraliny, izay ho tonga mahery noho izy, ho mahefa; ary ho fahefana lehibe ny fahefany. Le roi du Midi deviendra fort; un de ses princes l' emportera sur lui et son empire sera plus grand que le sien.
Dan / Da 11:6 And in the end of years they shall join themselves together; for the king' s daughter of the south shall come to the king of the north to make an agreement: but she shall not retain the power of the arm; neither shall he stand, nor his arm: but she shall be given up, and they that brought her, and he that begat her, and he that strengthened her in these times. Ary rehefa afaka taona vitsivitsy, dia hikambana izy roa lahy ireo; ary ho avy ny zanakavavin' ny mpanjakan' ny atsimo hankany amin' ny mpanjakan' ny avaratra hahatsara ny fihavanana; nefa tsy hahatana ny herin-tsandry izy, ary tsy hahajanona ilay mpanjaka na ny sandriny, fa hatolotra razazavavy sy ireo nitondra azy sy rainy niteraka azy mbamin' izay nampahery azy tamin' izany andro izany. Rahefa afaka taona vitsivitsy hihavana izy ireo, ary ho tonga any amin' ny mpanjakan' ny Avaratra, ny zanakavavin' ny mpanjakan' ny Atsimo, hanao fanekena. Tsy hahatana ilay tohan-tsandriny anefa razazavavy; fa tsy haharitra izy io, na ny sandrin' ny tenany aza tsy haharitra amin' ny heriny, ka hatolotra razazavavy, dia izy sy ireo nitondra azy, ny rainy niteraka azy mbamin' ilay nanohana azy nandritra ny fotoana vitsivitsy. Quelques années plus tard ils contracteront une alliance et la fille du roi du Midi s' en viendra auprès du roi du Nord pour exécuter les accords. Mais la force de son bras ne tiendra pas, ni sa descendance ne subsistera : elle sera livrée, elle et ceux qui l' ont amenée, et son enfant, et celui qui a eu pouvoir sur elle. En son temps,
Dan / Da 11:7 But out of a branch of her roots shall one stand up in his estate, which shall come with an army, and shall enter into the fortress of the king of the north, and shall deal against them, and shall prevail: Fa hisy solofony anankiray avy amin' ny fakany hitsangana handimby azy, ka hihavian' izay ny miaramila, ary hidirany ny fiarovana mafin' ny mpanjakan' ny avaratra, ka hasiany ireo, dia hahery izy. Fa hisy solofo iray avy amin' ny fakany, hitsangana handimby azy; ho tonga mandan' ny mpanjakan' ny Avaratra, ary hataony amin' izay itiavany azy ireny, dia hahery izy. un rejeton de ses racines se lèvera à sa place, qui s' en viendra vers les remparts et pénétrera dans la forteresse du roi du Nord, et il les traitera en vainqueur.
Dan / Da 11:8 And shall also carry captives into Egypt their gods, with their princes, and with their precious vessels of silver and of gold; and he shall continue more years than the king of the north. Ary ny andriamaniny koa mbamin' ny sarin-javatra an-idina sy ny fanaka tsara ananany, na ny volafotsy na ny volamena, dia hobaboiny avokoa; ary hijanona elaela tsy hamely ny mpanjakan' ny avaratra izy. Hoentiny ho babo any Ejipta hatramin' ny andriamaniny, ny sarin-javatra anidiny, ny fanaka sarobidiny, na ny volamena na ny volafotsy; ary hahombiazany ny mpanjakan' ny Avaratra mandritra ny taona maro, Leurs dieux mêmes, leurs statues et leurs vases précieux d' argent et d' or seront le butin qu' il emportera en Egypte. Pendant quelques années il se tiendra à distance du roi du Nord.
Dan / Da 11:9 So the king of the south shall come into his kingdom, and shall return into his own land. Ary ho tonga amin' ny fanjakan' ny mpanjakan' ny atsimo izy, nefa hody any amin' ny taniny ihany. vao mba hiditra any amin' ny fanjakan' ny Atsimo kosa, dia hiverina any amin' ny taniny ihany indray. Il se rendra vers le royaume du roi du Midi puis s' en retournera dans son pays.
Dan / Da 11:10 But his sons shall be stirred up, and shall assemble a multitude of great forces: and one shall certainly come, and overflow, and pass through: then shall he return, and be stirred up, even to his fortress. Fa hanomana tafika ny zanany ka hanangona miaramila maro be; dia ho avy tokoa ireo ka hanerana toy ny safotra, rehefa afaka izany, dia hiverina izy, ary hanihiny ihany na dia ny fiarovana mafiny aza. Fa hamonona fiadiana indray ireo zanany, sady hanangona miaramila maro be, ka ho avy ny anankiray amin' izy ireo hanenika toy ny ranobe, hibosesika, vao hiverina, ary hikirizany hasiana ny tanàna mimanda. Ses fils se lèveront et réuniront une multitude de forces puissantes, et il s' avancera, déferlera, passera et se lèvera de nouveau jusqu'à sa forteresse.
Dan / Da 11:11 And the king of the south shall be moved with choler, and shall come forth and fight with him, even with the king of the north: and he shall set forth a great multitude; but the multitude shall be given into his hand. Ary dia hisafoaka ny mpanjakan' ny atsimo, ka hivoaka hiady aminy izy, dia amin' ny mpanjakan' ny avaratra, ary izy hanangona maro be; ary ny maro be dia hatolotra ho eo an-tànany. Hisafoaka ny mpanjakan' i Atsimo, ka hivoaka hiady aminy, dia amin' ny fanjakan' ny Avaratra; hamory miaramila betsaka izy, ary hatolotra azy ny miaramilan' ny mpanjakan' ny Avaratra. Et le roi du Midi se mettra en fureur et partira en guerre contre le roi du Nord qui ralliera une grande multitude; mais la multitude sera livrée entre ses mains.
Dan / Da 11:12 And when he hath taken away the multitude, his heart shall be lifted up; and he shall cast down many ten thousands: but he shall not be strengthened by it. Ary raha miainga ireo maro be ireo, dia hiavonavona ny fony; ary haharipaka alinalina izy, nefa tsy hahery. Hitombo ny herim-pony manoloana ity vahoaka be voavory hamely azy; haharipaka arivoarivo izy nefa tsy hitombo ny heriny amin' izany. La multitude sera anéantie; son coeur s' exaltera, il abattra des myriades, mais il n' aura point de force.
Dan / Da 11:13 For the king of the north shall return, and shall set forth a multitude greater than the former, and shall certainly come after certain years with a great army and with much riches. Fa hiverina ny mpanjakan' ny avaratra ka hanangona olona maro be mihoatra noho ny teo; ary rehefa afaka ny fe-taona, dia ho avy tokoa izy ka hitondra miaramila maro sy fitaovana betsaka. Fa hamory miaramila maro noho ny teo indray ny mpanjakan' ny Avaratra, ka rahefa afaka taona vitsivitsy dia hiainga mitondra takika lehibe sy fitaovana be dia be. Le roi du Nord reviendra, ayant levé des multitudes plus nombreuses que les premières, et après des années il s' avancera avec une grande armée et un abondant équipement.
Dan / Da 11:14 And in those times there shall many stand up against the king of the south: also the robbers of thy people shall exalt themselves to establish the vision; but they shall fall. Ary amin' izany andro izany dia maro no hitsangana hamely ny mpanjakan' ny atsimo; ary ireo loza indrindra amin' ny firenenao dia hanandra-tena hahatò ny fahitana, nefa ho lavo izy. Amin' izany andro izany maro no hitsangan-kamely ny mpanjakan' ny Atsimo; ary hitsangan-kanatanteraka ny fahitana ny olo-masiaka amin' ny firenenao, nefa ho lavo izy ireo. En ces temps un grand nombre se dresseront contre le roi du Midi et les violents parmi ceux de ton peuple se lèveront pour accomplir la vision, mais ils trébucheront.
Dan / Da 11:15 So the king of the north shall come, and cast up a mount, and take the most fenced cities: and the arms of the south shall not withstand, neither his chosen people, neither shall there be any strength to withstand. Ka dia ho avy ny mpanjakan' ny avaratra hanandratra tovon-tany hanafaka ny tanàna mimanda; ary na ny sandrin' ny atsimo na ny olom-pidiny dia tsy hahomby, ary tsy hisy hery hahombiazany. Ho avy ny mpanjakan' ny Avaratra, ka hanandratra tovon-tany, hanafaka ny tanàna mimanda, tsy hotohan' ny sandrin' ny Atsimo, na ny miaramilany voafantina, ary tsy hisy hery hanohitra. Viendra le roi du Nord qui construira des retranchements pour assiéger une ville fortifiée. Les bras du Midi ne résisteront pas; l'élite du peuple n' aura pas la force de résister.
Dan / Da 11:16 But he that cometh against him shall do according to his own will, and none shall stand before him: and he shall stand in the glorious land, which by his hand shall be consumed. Fa izay avy hamely azy dia hanao araka Izay sitrapony, ka tsy hisy hahajanona eo anatrehany; ary izy hijanona ao amin' ny tany mahafinaritra, ary hisy fandringanana eny an-tànany. Izay nandroso hamely azy, no hanao izay rehetra sitrany, ary tsy hisy olona hahatoha eo anoloany; hijanona eo amin' ny tany be voninahitra izy, ary fandringanana no ho eny an-tànany. Celui qui s' avance contre lui le traitera selon son bon plaisir, personne ne lui résistera : il se tiendra dans le Pays de Splendeur, la destruction entre les mains.
Dan / Da 11:17 He shall also set his face to enter with the strength of his whole kingdom, and upright ones with him; thus shall he do: and he shall give him the daughter of women, corrupting her: but she shall not stand on his side, neither be for him. Dia hivonona tsara handeha amin' ny herin' ny fanjakany rehetra izy ka hanao izay hahatsara ny fihavanana; ary homeny ny zanakavavin' ny vehivavy izy ka hahatonga loza aminy; ary tsy hahalavorary razazavavy, na hahasoa azy akory. Hanapa-kevitra ny handroso mitondra ny herin' ny fanjakany rehetra izy, ary hanao izay hifanarahana aminy, ka hanome azy tovovavy anankiray hitari-doza hanjo azy; tsy hahomby anefa izany fa tsy ho azy izany fanjakana izany. Il aura en tête de conquérir son royaume tout entier; puis il fera un pacte avec lui en lui donnant une fille des femmes afin de le détruire, mais cela ne tiendra pas et ne sera pas à lui.
Dan / Da 11:18 After this shall he turn his face unto the isles, and shall take many: but a prince for his own behalf shall cause the reproach offered by him to cease; without his own reproach he shall cause it to turn upon him. Ary hitodika mankany amin' ny nosy izy ka hahalasa be; ary hisy mpanapaka hampitsahatra ny latsa ataony, sady hatsingeriny aminy ny latsa ataony. Dia any amin' ireo nosy indray no hotodihiny ka hahalasa be amin' ireo izy; kanjo hisy kapiteny hampitsahatra ny latsa ataony kosa, ka tsy mba ho voalatsa, fa hampitsingerina aminy izay nataony aza. Il se tournera vers les îles et en prendra un grand nombre; mais un magistrat fera cesser son outrage sans qu' il puisse lui revaloir son outrage.
Dan / Da 11:19 Then he shall turn his face toward the fort of his own land: but he shall stumble and fall, and not be found. Dia hitodika hankany, amin' ny fiarovana mafy any amin' ny taniny izy; kanjo ho tafintohina sy ho lavo izy ka tsy ho hita. Hitodika mankany amin' ny tanàna mimanda any amin' ny taniny izy, nefa ho tafintohina, ka lavo, dia tsy ho hita intsony. Il tournera sa face vers les bastions de son pays, mais il trébuchera, tombera, on ne le trouvera plus.
Dan / Da 11:20 Then shall stand up in his estate a raiser of taxes in the glory of the kingdom: but within few days he shall be destroyed, neither in anger, nor in battle. Ary hitsangana handimby azy indray ny anankiray izay hampandeha mpampiasa ho any amin' izay tsara indrindra amin' ny fanjakany; fa rehefa afaka andro vitsy, dia ho faty io, nefa tsy amin' ny fahatezerana, na amin' ny ady. Hisy anankiray hitsangana handimby azy; handefa mpiharaka izy, ho any amin' ny fitoerana izay voninahitry ny fanjakana; nefa andro vitsy foana io dia ho voatorotoro, ka tsy avy amin' ny fahatezerana na amin' ny ady. A sa place en viendra un qui fera passer un exacteur portant atteinte à la splendeur royale : en quelques jours il sera brisé, mais non au vu de tous ou à la guerre.
Dan / Da 11:21 And in his estate shall stand up a vile person, to whom they shall not give the honour of the kingdom: but he shall come in peaceably, and obtain the kingdom by flatteries. Ary hisy olona famingavinga hitsangana handimby io indray, izay tsy homena ny voninahitry ny fanjakana; fa hiditra tsy ampoizina izy ka hahazo ny fanjakana amin' ny fahafetsena, Hisy olona famingavinga handimby io indray, tsy nomena ny fiandrianam-panjakana; dia hisosoka an-tsokosoko ka hahazo ny fanjakana amin' ny fitetehana mangingina. "A sa place se lèvera un misérable : on ne lui donnera pas les honneurs de la royauté. Il s' en viendra à son aise et s' emparera du royaume par des intrigues.
Dan / Da 11:22 And with the arms of a flood shall they be overflown from before him, and shall be broken; yea, also the prince of the covenant. ary ireo miaramila toy ny safotra no hindaosina hiala eo anatrehany sady ho resiny mbamin' ny andriana vita fanekena aminy koa. Ireo miaramila nibosesika ho safotra foana eo anatrehany, sady ho voatorotoro mbamin' ilay mpanapaka vita fanekena aminy koa. Les forces seront en débâcle devant lui et seront brisées même le Prince d' une alliance.
Dan / Da 11:23 And after the league made with him he shall work deceitfully: for he shall come up, and shall become strong with a small people. Eny, rehefa mifanaiky aminy io, dia hanao fitaka; fa hiakatra izy ka hahery, na dia vitsy aza ny olona entiny. Tsy hasiany, raharaha akory ny fanekena natao taminy, fa hanao an-kafetsena izy, ka hiainga sy handresy amin' olom-bitsy foana. Par ses complicités il agira en traître et ira en se fortifiant, bien qu' avec peu de monde.
Dan / Da 11:24 He shall enter peaceably even upon the fattest places of the province; and he shall do that which his fathers have not done, nor his fathers' fathers; he shall scatter among them the prey, and spoil, and riches: yea, and he shall forecast his devices against the strong holds, even for a time. Hiditra tsy ampoizina amin' ny fari-tany mahavokatra indrindra izy ka hanao izay tsy nataon' ny rainy na ny razany; hahahany eny amin' ireny ny sambotra sy ny babo ary ny harena; ary hamoron-tsaina izy ka hamely ny fiarovana mandra-pahalanin' ny fotoana. Hiditra indrindra amin' ny tany izy; ka izay tsy vitan' ny razany na ny razan' ny razany dia hovitainy, ka hozarainy amin' ireny ny remby, ny babo, ny harena; ary hamoron-tsaina hamely ny tanàna mimanda izy, ka haharitra fotoana sasantsasany izany. A son aise, il envahira les grasses provinces, agissant comme n' avaient agi ni ses pères ni les pères de ses pères, dispersant parmi eux butin, profits et richesses, tendant ses stratagèmes contre les forteresses, pour un temps.
Dan / Da 11:25 And he shall stir up his power and his courage against the king of the south with a great army; and the king of the south shall be stirred up to battle with a very great and mighty army; but he shall not stand: for they shall forecast devices against him. Ary hanaitra ny heriny sy ny fony izy hamely ny mpanjakan' ny atsimo amin' ny miaramila maro; ary ny mpanjakan' ny atsimo kosa hanafika mitondra miaramila maro sady mahery indrindra; nefa tsy hahajanona izy, satria hisy hamoron-tsaina hamely azy. Hanainga ny heriny amam-kerim-pony izy, hitari-tafika lehibe hamely ny mpanjakan' ny Atsimo. Ary ho rafitr' ady aminy, ny mpanjakan' ny Atsimo, hitondra tafika maro sady mahery indrindra, nefa tsy hahatoha fa hisy firaisan-tetika hiforona hamely azy. Il excitera sa force et son coeur contre le roi du Midi, avec une grande armée. Le roi du Midi se lèvera pour la guerre avec une armée très grande et très puissante, mais il ne tiendra pas, car des stratagèmes seront tendus contre lui.
Dan / Da 11:26 Yea, they that feed of the portion of his meat shall destroy him, and his army shall overflow: and many shall fall down slain. Eny, izay homana ny hanina avy aminy ihany no hahalavo azy, ary ny miaramilany hanerana toy ny safotra, sady maro ny faty hiampatrampatra. Izay mihinan-kanina avy amin' ny latabany hanorotoro azy; ny miramilany hihahaka; ary olona maro no hiampatrampatra maty. Et ceux qui mangeaient de ses mets le mettront en pièces; son armée sera débordée, et nombreux tomberont les morts.
Dan / Da 11:27 And both of these kings' hearts shall be to do mischief, and they shall speak lies at one table; but it shall not prosper: for yet the end shall be at the time appointed. Ary ny fon' ireo mpanjaka roa ireo dia samy ta-hanao ratsy, ary eo an-databatra iray no hiresahany lainga; nefa tsy hambinina izany; fa ny farany dia ho amin' ny fotoana ihany. Samy hisaintsaina ao am-pony hifanimba ireo mpanjaka roa ireo, ka hiray latabatra fa hifamitaka amin' ny resaka; nefa tsy hahomby izany, fa amin' ny fotoana voatendry ihany vao hidona ny farany. Les deux rois, leur coeur tourné vers le mal, assis à la même table, diront des mensonges; mais ils n' aboutiront point, car le temps fixé est encore à venir.
Dan / Da 11:28 Then shall he return into his land with great riches; and his heart shall be against the holy covenant; and he shall do exploits, and return to his own land. Ary hiverina ho any amin' ny taniny mitondra harena be izy; koa ny fony dia hanohitra ny fanekena masina; ary hahefa sy hiverina ho any amin' ny taniny izy Hody any amin' ny taniny mitondra harem-be izy; mieritreritra ny hanisy ratsy ny fanekena masina ny fony, ka manatanteraka izany izy vao miverina any amin' ny taniny indray. Il rentrera dans son pays avec de grandes richesses, le coeur contre l' Alliance sainte; il agira, puis il rentrera dans son pays.
Dan / Da 11:29 At the time appointed he shall return, and come toward the south; but it shall not be as the former, or as the latter. Amin' ny fotoana dia ho lasa mianatsimo indray izy; nefa ny farany tsy ho toy ny voalohany; Ho tonga any Atsimo indray izy, amin' ny fotoana voatendry; nefa tsy ho toy ny voalohany, ity diany farany. Le moment venu, il retournera vers le Midi, mais il n' en sera pas de la fin comme du commencement.
Dan / Da 11:30 For the ships of Chittim shall come against him: therefore he shall be grieved, and return, and have indignation against the holy covenant: so shall he do; he shall even return, and have intelligence with them that forsake the holy covenant. fa ny sambon' i Kitima ho avy namely azy, ka dia ho kivy izy ka hiverina ary hisafoaka amin' ny fanekena masina ka hamely; eny, hiverina izy ka hisaina ny amin' ireo efa mahafoy ny fanekena masina. Ho avy hamely azy ny sambon' i Setima ka hanary toky izy, dia hody izy ary ny fanekena masina indray no hampahatezitra azy; ka hamely izy sady hifanao tsikombakomba amin' ireo izay nahafoy ny fanekena. Les vaisseaux des Kittim viendront contre lui et il sera découragé. Il reviendra et sévira furieusement contre l' Alliance sainte, et de nouveau, il aura en considération ceux qui abandonnent l' Alliance sainte.
Dan / Da 11:31 And arms shall stand on his part, and they shall pollute the sanctuary of strength, and shall take away the daily sacrifice, and they shall place the abomination that maketh desolate. Ary hisy miaramila hitsangana noho ny teniny ka handoto ny fitoerana masina, dia ny fiarovana mafy, ary hampitsahatra ny fanatitra isan' andro sady hampiditra ny fahavetavetana mahatonga fandravana. Hisy miaramila halefany, ka hipetraka ao ireo: handoto ny fitoerana masina, ny trano mimanda, hampitsahatra ny sorona tsy tapaka, ary hanangana ny fahavetavetan' ny mpandringana. Des forces viendront de sa part profaner le sanctuaire-citadelle, ils aboliront le sacrifice perpétuel, et y mettront l' abomination de la désolation.
Dan / Da 11:32 And such as do wickedly against the covenant shall he corrupt by flatteries: but the people that do know their God shall be strong, and do exploits. Ary izay mivadika ny fanekena dia hambosiny amin' ny fandroboana; fa ny dona izay mahalala an' Andriamaniny kosa dia hifikitra amin' izany ka hankatò azy. Ry zareo mpivadika ny fanekena hambosiny amin' ny fandroboana mba ho amin' ny fanompoan-tsampy, fa ilay vahoaka misy olona mahalala an' Andriamaniny kosa hahatoha sady hiasa. Ceux qui transgressent l' Alliance, il les pervertira par ses paroles douces, mais les gens qui connaissent leur Dieu s' affermiront et agiront.
Dan / Da 11:33 And they that understand among the people shall instruct many: yet they shall fall by the sword, and by flame, by captivity, and by spoil, many days. Ary izay hendry ao amin' ny olona dia hampianatra ny maro; nefa ho lavon' ny sabatra sy ny lelafo sy ny famaboana ary ny fandrobana elaela ihany izy. Hampianatra ny ankapobem-bahoaka ireo izay manan-tsaina amin' ny vahoaka; nefa ho lavon' ny sabatra aman-delafo sy ny fambaboana amam-pandrobana izy ireo mandritra ny fotoana sasantsasany. Les doctes d' entre le peuple enseigneront la multitude; ils trébucheront par l'épée et la flamme, et la captivité et la spoliation durant des jours.
Dan / Da 11:34 Now when they shall fall, they shall be holpen with a little help: but many shall cleave to them with flatteries. Ary rehefa lavo izy, dia hahazo famonjena kely; ary maro no hikambana aminy amin' ny fihatsaram-belatsihy. Amin' ny hahalavoany toy izany, dia hahazo famonjena kely izy, sady misimisy ihany koa ny hikambana aminy, nefa amim-pihatsaram-belatsihy fotsiny. Qu' ils trébuchent, peu de gens leur viendront en aide; nombreux seront ceux qui s' associeront à eux par des intrigues.
Dan / Da 11:35 And some of them of understanding shall fall, to try them, and to purge, and to make them white, even to the time of the end: because it is yet for a time appointed. Ary hisy ho lavo koa ny manan-tsaina, mba hizahan-toetra sy hanadiovana ary hamotsiana azy ambara-pahatongan' ny andro farany, fa mbola ho amin' ny fotoana ihany izany. Ary amin' ireo manan-tsaina ny sasany no ho lavo mba hizahan-toetra sy hanadiovana ary hamotsiana azy, mandra-pahatongan' ny fotoana farany, fa mbola tsy ho amin' ny fotoana voatendry amin' izany. Parmi les doctes, certains trébucheront, en sorte que dans le nombre il y en ait qui soient purifiés, lavés et blanchis jusqu' au temps de la Fin, car le temps fixé est encore à venir.
Dan / Da 11:36 And the king shall do according to his will; and he shall exalt himself, and magnify himself above every god, and shall speak marvellous things against the God of gods, and shall prosper till the indignation be accomplished: for that that is determined shall be done. Ary ny mpanjaka hanao araka izay sitrapony; ary hisandratra sy hanandra-tena ho ambonin' ny andriamanitra rehetra izy ka hiteny zavatra mahagaga ny amin' Andriamanitry ny andriamanitra, ary hambinina ihany izy mandra-pahatanteraky ny fahatezerana; fa izay efa voatendry no tsy maintsy hatao. Ny mpanjaka hanao izay sitrany, hanandra-tena sady hanavoavo ny tenany ho ambony noho ny andriamanitra rehetra, ary hilaza zavatra mihoa-pampana manohitra ny Andriamanitry ny andriamanitra; ary hambinina izy, mandra-pahafenon' ny fahatezerana; satria tsy maintsy ho tanteraka izay efa tapaka. Le roi agira selon son bon plaisir, s' enorgueillissant et s' exaltant par-dessus tous les dieux, contre le Dieu des dieux il dira des choses inouïes et il prospérera jusqu'à ce que soit comble la colère car ce qui est déterminé s' accomplira.
Dan / Da 11:37 Neither shall he regard the God of his fathers, nor the desire of women, nor regard any god: for he shall magnify himself above all. Ary tsy hahoany akory ny andriamanitry ny razany, na ny fitiavan' ny vehivavy; eny, tsy hahoany akory izay andriamanitra, fa hanandra-tena noho izy rehetra izy. Tsy misy hahoany akory na ny andriamanitry ny razany, na ny andriamanitra tsy izy lazain' ny vehivavy; tsy hahoany akory izay Andriamanitra, fa hanavoavo ny tenany ho ambony noho ny zavatra rehetra izy. Sans égards pour les dieux de ses pères, sans égards pour le favori des femmes ou pour tout autre dieu, c' est lui-même qu' il exaltera au-dessus de tout.
Dan / Da 11:38 But in his estate shall he honour the God of forces: and a god whom his fathers knew not shall he honour with gold, and silver, and with precious stones, and pleasant things. Fa ny andriamanitry ny fiarovana mafy no hankalazainy hisolo izany; ary volamena sy volafotsy sy vato soa ary zavatra mahafinaritra no ho entiny mankalaza ny andriamanitra izay tsy fantatry ny razany. Ny andriamanitry ny tanàna mimanda no hany hankalazainy ao amin' ny fitoerany; izany andriamanitra tsy fantatry ny razany izany no hankalazainy amin' ny volamena, ny volafotsy, ny vatosoa ary ny firavaka. A leur place il vénérera le dieu des forteresses, il vénérera un dieu que ses pères n' ont point connu, par l' or et l' argent, pierres précieuses et choses de prix.
Dan / Da 11:39 Thus shall he do in the most strong holds with a strange god, whom he shall acknowledge and increase with glory: and he shall cause them to rule over many, and shall divide the land for gain. Dia homban' ny andriamani-kafa izy ka hamely ny batery mafy indrindra, ary izay manaiky azy dia homeny voninahitra be sady hataony mpanapaka ny maro, ary hozarainy ho azy ny tany ho valim-pitia. Hamely ny mandan' ny trano mimanda izy, omban' ny andriamani-kafa; ka izay hanaiky azy homeny voninahitra be, hataony mpanapaka ny maro, ary hizarany tany ho valisoa. Il prendra comme défenseurs des forteresses le peuple d' un dieu étranger, à ceux qu' il reconnaîtra, il fera grands honneurs en leur donnant autorité sur la multitude, et en partageant la terre pour un rendement.
Dan / Da 11:40 And at the time of the end shall the king of the south push at him: and the king of the north shall come against him like a whirlwind, with chariots, and with horsemen, and with many ships; and he shall enter into the countries, and shall overflow and pass over. Ary amin' ny faran' ny andro dia hanoto azy ny mpanjakan' ny atsimo; ary ny mpanjakan' ny avaratra koa ho avy hamely azy toy ny tafio-drivotra ka hitondra kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary sambo maro; ary hiditra amin' ny tany izy ka hanerana toy ny safotra. Amin' ny fotoana farany ny mpanjakan' ny Atsimo hanoto azy; ny mpanjakan' ny Avaratra hiantonta aminy, hitondra kalesa sy mpitaingin-tsoavaly aman-tsambo maro, handroso any afovoan-tany izy, ka handalo hoatra ny ranobe manafotra. "Au temps de la Fin, le roi du Midi s' affrontera avec lui; le roi du Nord déferlera sur lui avec ses chars, ses cavaliers et ses nombreux navires. Il viendra dans les pays, qu' il envahira et traversera.
Dan / Da 11:41 He shall enter also into the glorious land, and many countries shall be overthrown: but these shall escape out of his hand, even Edom, and Moab, and the chief of the children of Ammon. Hiditra ao amin' ny tany mahafinaritra koa izy, ary maro no ho ripaka; fa izao kosa no ho afa-mandositra ny tànany: Edoma sy Moaba ary ireo lohan' ny taranak' i Amona. Hiditra amin' ny tany be voninahitra izy, ka maro no ho ripaka; ho afa-mandositra ny tànany anefa ireto: Edoma sy Moaba ary ny lohan' ny taranak' i Ammona. Il viendra dans le Pays de Splendeur, et il en tombera un grand nombre, mais ceux-ci échapperont de ses mains : Edom et Moab et les restes des fils d' Ammon.
Dan / Da 11:42 He shall stretch forth his hand also upon the countries: and the land of Egypt shall not escape. Haninjitra ny tànany amin' ny tany sasany koa izy; ary ny tany Egypta tsy ho afa-mandositra. Haninjitra ny tànany amin' ny tany sasany izy, ka tsy ho afa-mandositra ny tany Ejipta. Il étendra sa main sur les pays : le pays d' Egypte n' y échappera point.
Dan / Da 11:43 But he shall have power over the treasures of gold and of silver, and over all the precious things of Egypt: and the Libyans and the Ethiopians shall be at his steps. Fa hahalasa ny rakitra volamena sy volafotsy ary ny zava-tsoan' i Egypta rehetra izy; ary ny Libyana sy ny Etiopiana hanaraka azy. Ho lasany avokoa ny rakitra volamena sy volafotsy mbamin' ny zava-tsoan' i Ejipta rehetra; handeha hanaraka azy ny Libiana sy ny Etiopiana. Il aura en son pouvoir les trésors d' or et d' argent et toutes les choses précieuses d' Egypte. Libyens et Kushites seront à ses pieds.
Dan / Da 11:44 But tidings out of the east and out of the north shall trouble him: therefore he shall go forth with great fury to destroy, and utterly to make away many. Fa hisy siosion-teny avy any atsinanana sy avy any avaratra haharaiki-tahotra azy, ka dia hivoaka amin' ny fahatezerana be izy handrava sy handringana maro. Ho voatebitebin' ny vaovao avy any atsinanana sy avy any avaratra anefa izy ka hiainga an-katezerana mafy handrava sy handringana olona maro. Mais des rumeurs viendront le troubler de l' Orient et du Nord; il s' en ira en grande fureur détruire et exterminer une multitude.
Dan / Da 11:45 And he shall plant the tabernacles of his palace between the seas in the glorious holy mountain; yet he shall come to his end, and none shall help him. Ary haoriny eo anelanelan' ny ranomasina sy ny tendrombohitra masina mahafinaritra ny trano-lainy izay lapany; nefa ho tonga ao amin' ny hiafarany ihany izy, ka tsy hisy hamonjy azy. Haorina eo anelanelan' ireo ranomasina eo akaikin' ny tendrombohitra masina sy be voninahitra ny tranolain' ny lapany. Dia hihatra aminy ny fiafarany, ary tsy hisy olona hamonjy azy. Il dressera les tentes de ses quartiers entre la mer et les monts de la Sainte Splendeur. Il s' en ira jusqu'à son terme pour lui aucun secours.

<-
->