<-
->

Dan / Da 3:1 Nebuchadnezzar the king made an image of gold, whose height was threescore cubits, and the breadth thereof six cubits: he set it up in the plain of Dura, in the province of Babylon. Nebokadnezara mpanjaka nanao sariolona volamena, enim-polo hakiho ny hahavony, ary enina hakiho ny sakany; dia natsangany teo amin' ny tany lemaka Dora tamin' ny fehin' i Babylona izany. Ary Nabokodonozora mpanjaka nanao sariolona volamena enimpolo hakiho ny hahavony, enina hakiho ny sakany, natsangany teo amin' ny tanilemaka Dorà ao amin' ny faritanin' i Babilona. Le roi Nabuchodonosor fit une statue d' or, haute de 60 coudées et large de six, qu' il dressa dans la plaine de Dura, dans la province de Babylone.
Dan / Da 3:2 Then Nebuchadnezzar the king sent to gather together the princes, the governors, and the captains, the judges, the treasurers, the counsellors, the sheriffs, and all the rulers of the provinces, to come to the dedication of the image which Nebuchadnezzar the king had set up. Ary Nebokadnezara mpanjaka naniraka nampamory ny solom-panjaka sy ny mpanapaka sy ny governora sy ny andriambaventy sy ny mpitahiry ny volam-panjakana sy ny mpahay lalàna sy ny mpitsara ary ny komandy isan-tokony mba hanamasina ilay sariolona efa natsangan' i Nebokadnezara mpanjaka. Dia nasain' i Nabokodonozora mpanjaka nivory ny solom-panjaka, ny masoivoho, ny governora, ny andriam-baventy, ny mpitahiry volam-panjakana, ny mpahay lalàna, ny mpitsara, ary ny mpifehy rehetra isam-paritany mba ho tonga hanatrika ny fitokanana ilay sariolona natsangan' i Nabokodonozora mpanjaka. Le roi Nabuchodonosor manda aux satrapes, magistrats, gouverneurs, conseillers, trésoriers, juges et juristes, et à toutes les autorités de la province, de s' assembler et de se rendre à la dédicace de la statue élevée par le roi Nabuchodonosor.
Dan / Da 3:3 Then the princes, the governors, and captains, the judges, the treasurers, the counsellors, the sheriffs, and all the rulers of the provinces, were gathered together unto the dedication of the image that Nebuchadnezzar the king had set up; and they stood before the image that Nebuchadnezzar had set up. Dia nivory hanamasina ny sariolona izay efa natsangan' i Nebokadnezara mpanjakan' ny solom-panjaka sy ny mpanapaka sy ny governora sy ny andriambaventy sy ny mpitahiry ny volam-panjakana sy ny mpahay lalàna sy ny mpitsara ary ny komandy isan-tokony, ka dia nitsangana tandrifin' ny sariolona izay efa natsangan' i Nebokadnezara ireo. Koa nivory ny solom-panjaka, ny masoivoho, ny governora, ny andriam-baventy, ny mpahay lalàna, ny mpitsara, mbamin' ny mpifehy rehetra isam-paritany, ho amin' ny fitokanana ny sariolona natsangan' i Nabokodonozora mpanjaka, ary nitsangana teo anatrehan' ity sariolona natsangan' i Nabokodonozora izy ireo. Lors s' assemblèrent satrapes, magistrats, gouverneurs, conseillers, trésoriers, juges et juristes et toutes les autorités de la province pour la dédicace de la statue qu' avait élevée le roi Nabuchodonosor, et ils se tinrent devant la statue qu' avait élevée le roi Nabuchodonosor.
Dan / Da 3:4 Then an herald cried aloud, To you it is commanded, O people, nations, and languages, Ary dia nisy mpikabary niantso mafy hoe: Izao no lazaina aminareo, ry fokom-pirenena, ry firenena sy samy hafa fiteny: Nisy mpikabary niantso tamin' ny feo mahery hoe: Izao no ampahalalaina anareo vahoaka amam-pirenena sy samihafa fiteny: Le héraut proclama avec force : "A vous, peuples, nations et langues, voici ce qui a été commandé
Dan / Da 3:5 That at what time ye hear the sound of the cornet, flute, harp, sackbut, psaltery, dulcimer, and all kinds of musick, ye fall down and worship the golden image that Nebuchadnezzar the king hath set up: Rehefa mandre ny fanenon' ny anjomara sy ny sobaba sy ny lokanga sy ny samboka sy ny valiha sy ny symponia ary ny zava-maneno isan-karazany ianareo, dia miankohofa, ka mivavaha amin' ny sariolona volamena izay efa natsangan' i Nebokadnezara mpanjaka, Raha vao renareo ny feon' ny anjomara, ny sobaba, ny lokanga, ny samboka, ny valoha, ny farara, mbamin' ny zava-maneno isan-karazany, dia miankohofa hianareo, hitsaoka ny sariolona volamena natsangan' i Nabokodonozora mpanjaka. à l' instant où vous entendrez sonner trompe, pipeau, cithare, sambuque, psaltérion, cornemuse et toute espèce de musique, vous vous prosternerez et ferez adoration à la statue d' or qu' a élevée le roi Nabuchodonosor.
Dan / Da 3:6 And whoso falleth not down and worshippeth shall the same hour be cast into the midst of a burning fiery furnace. ary na iza na iza no tsy miankohoka sy tsy mivavaka dia hatsipy miaraka amin' izay ho ao anatin' ny lafaoro misy afo mirehitra. Na zovy na zovy tsy miankohoka sy tsy mitsaoka, dia hatsipy miarak' amin' izay ao anatin' ny memy mirehitra afo mivaivay. Quant à celui qui ne se prosternera ni ne fera adoration, il sera incontinent jeté dans la fournaise de feu ardent."
Dan / Da 3:7 Therefore at that time, when all the people heard the sound of the cornet, flute, harp, sackbut, psaltery, and all kinds of musick, all the people, the nations, and the languages, fell down and worshipped the golden image that Nebuchadnezzar the king had set up. Koa tamin' ny fotoana nandrenesan' ny fokom-pirenena rehetra ny fanenon' ny anjomara sy ny sobaba sy ny lokanga sy ny samboka sy ny valiha ary ny zava-maneno isan-karazany, dia niankohoka sy nivavaka tamin' ny sariolona volamena izay efa natsangan' i Nebokadnezara mpanjaka ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra. Ka raha vao ren' ny vahoaka rehetra ny feon' ny anjomara, ny sobaba, ny lokanga, ny samboka, ny valiha, mbamin' ny zava-maneno isan-karazany, dia niankohoka avokoa ny vahoaka amam-pirenena sy ny samihafa fiteny, nitsaoka ny sariolona natsangan' i Nabokodonozora mpanjaka. Sur quoi, dès que tous les peuples eurent entendu sonner trompe, pipeau, cithare, sambuque, psaltérion, cornemuse et toute espèce de musique, se prosternèrent tous les peuples, nations et langues, faisant adoration à la statue d' or qu' avait élevée le roi Nabuchodonosor.
Dan / Da 3:8 Wherefore at that time certain Chaldeans came near, and accused the Jews. Ary tamin' izay dia nisy Kaldeana sasany nanatona ka niampanga ny Jiosy. Tamin' izay kosa dia tamin' io fotoana io indrindra, nisy Kaldeana nanatona, nanaratsy ny Jody. Cependant certains Chaldéens s' en vinrent dénoncer les Juifs.
Dan / Da 3:9 They spake and said to the king Nebuchadnezzar, O king, live for ever. Dia niteny izy ka nanao tamin' i Nebokadnezara mpanjaka hoe: Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao. Niteny izy ireo ka nanao tamin' i Nabokodonozora mpanjaka, hoe: Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie hianao! Ils dirent au roi Nabuchodonosor : "O roi, vis à jamais!
Dan / Da 3:10 Thou, O king, hast made a decree, that every man that shall hear the sound of the cornet, flute, harp, sackbut, psaltery, and dulcimer, and all kinds of musick, shall fall down and worship the golden image: Ry mpanjaka ô, ianao efa nanao lalàna fa ny olona rehetra izay mandre ny fanenon' ny anjomara sy ny sobaba sy ny lokanga sy ny samboka sy ny valiha sy ny symponia ary ny zava-maneno isan-karazany dia hiankohoka hivavaka amin' ny sariolona volamena; Hianao, ry mpanjaka, efa namoaka didy, fa ny olona rehetra handre ny feon' ny anjomara, ny sobaba, ny lokanga, ny samboka, ny valiha, ny farara, mbamin' ny zava-maneno isan-karazany, dia tsy maintsy hiankohoka hitsaoka ny sariolona volamena; O roi, tu as promulgué un décret prescrivant à tout homme qui entendrait sonner trompe, pipeau, cithare, sambuque, psaltérion, cornemuse et toute espèce de musique, de se prosterner et de faire adoration à la statue d' or,
Dan / Da 3:11 And whoso falleth not down and worshippeth, that he should be cast into the midst of a burning fiery furnace. fa izay tsy miankohoka sy tsy mivavaka kosa dia hatsipy ao anatin' ny lafaoro misy afo mirehitra. ary na zovy na zovy tsy hiankohoka hitsaoka, dia hatsipy amin' ny memy mirehitra afo mivaivay. et arrêtant que ceux qui ne se prosterneraient ni ne feraient adoration seraient jetés dans la fournaise de feu ardent.
Dan / Da 3:12 There are certain Jews whom thou hast set over the affairs of the province of Babylon, Shadrach, Meshach, and Abednego; these men, O king, have not regarded thee: they serve not thy gods, nor worship the golden image which thou hast set up. Koa misy Jiosy izay nataonao ho tonian' ny raharaha amin' i Babylona sy ny fehiny, dia Sadraka sy Mesaka ary Abednego; ireo lehilahy ireo tsy mba manaiky ny teninao akory, ry mpanjaka ô: tsy mba manompo ny andriamanitrao izy, na mivavaka amin' ny sariolona volamena izay efa natsanganao. Misy kosa anefa Jody, notendrenao ho tonian' ny raharaha amin' ny fehin' i Babilona, dia Sidraka, Misaka, Abdenegao, ka ireo olona ireo mamotsifotsy anao, ry mpanjaka; tsy manompo ny andriamanitrao ary tsy miankohoka eo anatrehan' ny sariolona volamena natsanganao. Or voici des Juifs que tu as assignés aux affaires de la province de Babylone : Shadrak, Méshak et Abed-Nego; ces gens n' ont pas tenu compte de tes ordres, ô roi; ils ne servent pas ton dieu et ils n' ont pas fait adoration à la statue d' or que tu as élevée."
Dan / Da 3:13 Then Nebuchadnezzar in his rage and fury commanded to bring Shadrach, Meshach, and Abednego. Then they brought these men before the king. Dia niteny tamin' ny fahavinirana sy ny fahatezerana Nebokadnezara, ka nasainy nalaina Sadraka sy Mesaka ary Abednego. Dia nentiny teo anatrehan' ny mpanjaka ireo lehilahy ireo. Tamin' izay tezitra sy nisafoaka Nabokodonozora, ka nasainy nalaina Sidraka, Misaka, Abdenegao, dia nentina ho eo anatrehan' ny mpanjaka, izy telo lahy ireo. Alors, frémissant de colère, Nabuchodonosor manda Shadrak, Méshak et Abed-Nego. Aussitôt on amena ces gens devant le roi.
Dan / Da 3:14 Nebuchadnezzar spake and said unto them, Is it true, O Shadrach, Meshach, and Abednego, do not ye serve my gods, nor worship the golden image which I have set up? Dia niteny Nebokadnezara ka nanao taminy hoe: Moa fanahy ninianareo va, ry Sadraka sy Mesaka sy Abednego, no tsy mba anompoanareo ny andriamanitro, na ivavahanareo amin' ny sariolona volamena izay natsangako? Dia niteny Nabokodonozora, ka nanao tamin' ireo hoe: Fanahy inianareo va, ry Sidraka, Misaka ary Abdenegao, no tsy anompoanareo ny andriamanitro sy tsy itsaoahanareo ny sariolona volamena natsangako? Et Nabuchodonosor leur dit : "Est-il vrai, Shadrak, Méshak et Abed-Nego, que vous ne serviez point mes dieux et ne fassiez pas adoration à la statue d' or que j' ai élevée?
Dan / Da 3:15 Now if ye be ready that at what time ye hear the sound of the cornet, flute, harp, sackbut, psaltery, and dulcimer, and all kinds of musick, ye fall down and worship the image which I have made; well: but if ye worship not, ye shall be cast the same hour into the midst of a burning fiery furnace; and who is that God that shall deliver you out of my hands? Ankehitriny raha miomana ianareo amin' izay handrenesanareo ny fanenon' ny anjomara sy ny samboka sy ny valiha sy ny symponia sy ny Sobaba sy ny lokanga ary ny zava-maneno isan-karazany ka miankohoka sy mivavaka amin' ny sariolona izay nataoko, dia tsara izany; fa raha tsy mety mivavaka kosa ianareo, dia hatsipy miaraka amin' izay ho ao anatin' ny lafaoro misy afo mirehitra; ary iza moa izany Andriamanitra hahavonjy anareo amin' ny tanako izany? Ankehitriny, raha vonon-kiankohoka hitsaoka ny sariolona nataoko hianareo, raha vao mandre ny feon' ny anjomara, ny sobaba, ny lokanga, ny samboka, ny valiha, ny farara mbamin' ny zava-maneno isan-karazany... Fa raha tsy mitsaoka azy hianareo, dia hatsipy miaraka amin' izay ao anatin' ny memy mirehitra afo mivaivay, ka iza moa no andriamanitra hahavonjy anareo amin' ny tànako? Etes-vous disposés, quand vous entendrez sonner trompe, pipeau, cithare, sambuque, psaltérion, cornemuse et toute espèce de musique, à vous prosterner et à faire adoration à la statue que j' ai faite? Si vous ne lui faites pas adoration, vous serez incontinent jetés dans la fournaise de feu ardent; et quel est le dieu qui vous délivrerait de ma main?"
Dan / Da 3:16 Shadrach, Meshach, and Abednego, answered and said to the king, O Nebuchadnezzar, we are not careful to answer thee in this matter. Dia namaly Sadraka sy Mesaka ary Abednego ka nanao tamin' ny mpanjaka hoe: Ry Nebokadnezara, tsy misy antony tokony hamalianay anao akory ny amin' izany zavatra izany. Fa namaly Sidraka sy Misaka ary Abdenegao, ka nanao hoe: Ry Nabokodonozora ô, tsy misy tokony havalinay anao. Shadrak, Méshak et Abed-Nego répondirent au roi Nabuchodonosor : "Point n' est besoin pour nous de te donner réponse à ce sujet
Dan / Da 3:17 If it be so, our God whom we serve is able to deliver us from the burning fiery furnace, and he will deliver us out of thine hand, O king. Indro, Andriamanitra Izay tompoinay dia mahavonjy anay amin' ny lafaoro misy afo mirehitra sady hamonjy anay amin' ny tananao, ry mpanjaka ô. Raha mahavonjy anay tokoa ny Andriamanitra tomponay, dia hovonjeny amin' ny memy mirehitra afo mivaivay sy amin' ny tànanao izahay, ry mpanjaka ô! si notre Dieu, celui que nous servons, est capable de nous délivrer de la fournaise de feu ardent, et de ta main, ô roi, il nous délivrera;
Dan / Da 3:18 But if not, be it known unto thee, O king, that we will not serve thy gods, nor worship the golden image which thou hast set up. Ary na dia tsy izany aza, aoka ho fantatrao, ry mpanjaka ô, fa ny andriamanitrao dia tsy hotompoinay, ary ny sariolona volamena efa natsanganao dia tsy hivavahanay. Ary na tsy hataony aza izany, aoka ho fantatrao, ry mpanjaka, fa tsy hanompo izay andriamanitrao izahay, na hiankohoka eo anatrehan' izay sariolona volamena natsanganao. et s' il ne le fait pas, sache ô roi, que nous ne servirons pas ton dieu, ni n' adorerons la statue d' or que tu as élevée."
Dan / Da 3:19 Then was Nebuchadnezzar full of fury, and the form of his visage was changed against Shadrach, Meshach, and Abednego: therefore he spake, and commanded that they should heat the furnace one seven times more than it was wont to be heated. Dia feno fahatezerana Nebokadnezara, ka niova ny tarehiny tamin' i Sadraka sy Mesaka ary Abednego, dia nasainy nafanaina ho impito mihoatra noho ny famana azy ny lafaoro. Dia feno hatezerana Nabokodonozora, ary niova tamin' i Sidraka sy Misaka sy Abdenegao ny tarehany. Nanohy niteny indray izy, ka nasainy nohafanaina ny memy impito mihoatra noho ny niheveran' ny olona ny tokony hanafanana azy; Alors le roi Nabuchodonosor fut rempli de colère et l' expression de son visage changea à l'égard de Shadrak, Méshak et Abed-Nego. Il donna ordre de chauffer la fournaise sept fois plus que d' ordinaire
Dan / Da 3:20 And he commanded the most mighty men that were in his army to bind Shadrach, Meshach, and Abednego, and to cast them into the burning fiery furnace. Ary izay lehilahy matanjaka indrindra tamin' ny miaramilany no nasainy namatotra an' i Sadraka sy Mesaka ary Abednego sy nanipy azy tao anatin' ny lafaoro nisy afo mirehitra. ary ny miaramila sasany izay matanjaka indrindra amin' ny tafiny, no nasainy namatotra an' i Sidraka, Misaka, Abdenegao, sy hanipy ireo ao anatin' ny memy mirehitra afo mivaivay. et à des hommes forts de son armée de lier Shadrak, Méshak et Abed-Nego et de les jeter dans la fournaise de feu ardent.
Dan / Da 3:21 Then these men were bound in their coats, their hosen, and their hats, and their other garments, and were cast into the midst of the burning fiery furnace. Dia nafatotra ireo lehilahy ireo, nefa mbola teny aminy ihany ny lobany sy ny akanjony ary ny kapitiny mbamin' ny fitafiany hafa koa, ka dia natsipy teo anatin' ny lafaoro nisy afo mirehitra izy; Tamin' izay ireo lehilahy ireo mbola miakanjo ny akanjo vitiny, ny akanjo lavany, ny kapaotiny, mbamin' ny fitafiany rehetra, dia nafatotra sy natsipy tao anatin' ny memy mirehitra afo mivaivay. Ceux-ci furent donc liés, avec leur manteau, leurs chausses, leur chapeau, tous leurs vêtements, et jetés dans la fournaise de feu ardent.
Dan / Da 3:22 Therefore because the king' s commandment was urgent, and the furnace exceeding hot, the flames of the fire slew those men that took up Shadrach, Meshach, and Abednego. ary satria mafy ny tenin' ny mpanjaka, ka natao mahamay indrindra ny lafaoro, dia matin' ny lelafo ireny lehilahy izay nanipy an' i Sadraka sy Mesaka sy Abednego. Noho ny tenin' ny mpanjaka efa nahamaika, sady tafahoatra loatra ny namanana ny memy, dia matin' ny lelafo ireo lehilahy nanipy an' i Sidraka sy Misaka sy Abdenegao tao. L' ordre du roi était péremptoire; la fournaise étant excessivement brûlante, les hommes qui y portèrent Shadrak, Méshak et Abed-Nego furent brûlés à mort par la flamme du feu.
Dan / Da 3:23 And these three men, Shadrach, Meshach, and Abednego, fell down bound into the midst of the burning fiery furnace. Ary izy telo lahy ireo, Sadraka sy Mesaka sy Abednego, dia voatsipy am-patorana teo anatin' ny lafaoro nisy afo mirehitra. Ary izy telo lahy kosa, Sidraka, Misaka, Abdenegao, dia voatsipy am-patorana tao anatin' ny memy mivaivay. (izao manaraka izao tsy hitako tao amin' ny boky hebrio) Quant aux trois hommes Shadrak, Méshak et Abed-Nego, ils tombèrent tout liés dans la fournaise de feu ardent.
Dan / Da 3:24 Then Nebuchadnezzar the king was astonied, and rose up in haste, and spake, and said unto his counsellors, Did not we cast three men bound into the midst of the fire? They answered and said unto the king, True, O king. Dia talanjona Nebokadnezara mpanjaka ary nitsangana faingana izy ka niteny tamin' ny mpanolo- tsainy hoe: Moa tsy telo lahy mifatotra va no natsipintsika tao anatin' ny afo? Dia namaly ny mpanjaka ireo ka nanao hoe: Marina izany, ry mpanjaka ô. Tao afovoan' ny lelafo izy ireo, dia nandehandeha, nidera an' Andriamanitra sy nisaotra ny Tompo. Et ils marchaient au milieu de la flamme, louant Dieu et bénissant le Seigneur.
Dan / Da 3:25 He answered and said, Lo, I see four men loose, walking in the midst of the fire, and they have no hurt; and the form of the fourth is like the Son of God. Ary hoy izy: Ka no indro aho mahita efa-dahy tsy mifatotra, mandehandeha eo anaty afo, nefa tsy maninona tsy maninona akory izy; ary ny fijery ilay fahefatra dia toa zanak' ireo andriamanitra. Ary Azariasa, nitsangana nanao ity fivavahana ity; ka niloa-bava tao afovoan' ny lelafo nanao hoe: Azarias, debout, priait ainsi, ouvrant la bouche, au milieu du feu, il dit
Dan / Da 3:26 Then Nebuchadnezzar came near to the mouth of the burning fiery furnace, and spake, and said, Shadrach, Meshach, and Abednego, ye servants of the most high God, come forth, and come hither. Then Shadrach, Meshach, and Abednego, came forth of the midst of the fire. Dia nanatona ny varavaran' ny lafaoro nisy afo mirehitra Nebokadnezara ka niantso hoe: Ry Sadraka sy Mesaka sy Abednego, mpanompon' Andriamanitra Avo Indrindra, mivoaha, ka avia atý. Dia nivoaka avy teo anatin' ny afo Sadraka sy Mesaka ary Abednego. Isaorana anie hianao, ry Tompo Andriamanitry ny razanay; mendrika homen-dera amam-boninahitra mandrakizay ny anaranao; Béni sois-tu, Seigneur, Dieu de nos pères, et vénéré, et que ton nom soit glorifié éternellement.
Dan / Da 3:27 And the princes, governors, and captains, and the king' s counsellors, being gathered together, saw these men, upon whose bodies the fire had no power, nor was an hair of their head singed, neither were their coats changed, nor the smell of fire had passed on them. Dia nifanatona ny solo-mpanjaka sy ny mpanapaka sy ny governora ary ny mpanolotsain' ny mpanjaka ka nahita ireo lehilahy ireo, fa tsy nanan-kery hampaninona ny tenany akory ny afo, na nisy singam-bolo nikainkona tamin' ny lohany, na niova ny lobany, ary tsy nisy fofon' afo akory taminy. fa marina hianao amin' izay rehetra nataonao taminay, ary marina avokoa ny asanao rehetra; mahitsy ny làlanao; ary an-drariny ny fitsaranao. Car tu es juste en toutes les choses que tu as faites pour nous toutes tes oeuvres sont vérité toutes tes voies droites, tous tes jugements vérité.
Dan / Da 3:28 Then Nebuchadnezzar spake, and said, Blessed be the God of Shadrach, Meshach, and Abednego, who hath sent his angel, and delivered his servants that trusted in him, and have changed the king' s word, and yielded their bodies, that they might not serve nor worship any god, except their own God. Nebokadnezara niteny ka nanao hoe: Isaorana anie Andriamanitr' i Sadraka sy Mesaka sy Abednego, Izay naniraka ny anjeliny hamonjy ny mpanompony izay natoky Azy ka nandika ny tenin' ny mpanjaka ary nanolotra ny tenany tsy hanompo na hivavaka amin' izay andriamani-kafa, afa-tsy Andriamaniny ihany. Satria fitsarana an-drariny no nataonao, tamin' ny loza rehetra nentinao namely anay, sy namely an' i Jerosalema, tanàna masin' ny razanay; fitsarana an-drariny no nanaovanao izany rehetra izany noho ny fahotana nataonay. Tu as porté une sentence de vérité en toutes les choses que tu as fait venir sur nous et sur la ville sainte de nos pères, Jérusalem. Car c' est dans la vérité et dans le droit que tu nous as traités à cause de nos péchés.
Dan / Da 3:29 Therefore I make a decree, That every people, nation, and language, which speak any thing amiss against the God of Shadrach, Meshach, and Abednego, shall be cut in pieces, and their houses shall be made a dunghill: because there is no other God that can deliver after this sort. Ka dia manao lalàna aho fa ny fokom-pirenena sy ny firenena sy ny samy hafa fiteny rehetra izay manao teny tsy mety ny amin' Andriamanitr' i Sadraka sy Mesaka sy Abednego dia hotetitetehina, ary hatao trano fivoahana ny tranony; fa tsy misy andriamani-kafa mahavonjy tahaka izao. Satria nanota sy nanao ratsy izahay nihataka taminao, ary diso tamin' ny zavatra rehetra. Oui, nous avons péché et commis l' iniquité en te désertant, oui, nous avons grandement péché; tes commandements, nous ne les avons pas écoutés,
Dan / Da 3:30 Then the king promoted Shadrach, Meshach, and Abednego, in the province of Babylon. Ary Sadraka sy Mesaka sy Abednego dia nasandratry ny mpanjaka tamin' i Babylona sy ny fehiny. Nebokadnezara mpanjaka nampitondra teny ho any amin' ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra, izay monina amin' ny tany rehetra, nanao hoe: Hitombo anie ny fiadananareo. Sitrako ny hanambara ny famantarana sy ny fahagagana izay nataon' Andriamanitra Avo Indrindra tamiko. Akory ny halehiben' ny famantarany! Ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahany dia hahatratra ny taranaka fara mandimby. Tsy nihaino ny didinao izahay ary tsy nitandrina izany, sady tsy nanao izay nandidinao anay, izay hany ho nahasambatra anay. nous ne les avons pas observés, nous n' avons pas accompli ce qui nous était commandé pour notre bien.
Dan / Da 3:31 Izay rehetra nentinao namely anay, izay rehetra nataonao taminay dia fitsarana an-drariny no nanaovanao izany. Oui, tout ce que tu as fait venir sur nous, tout ce que tu nous as fait, en jugement de vérité tu l' as fait.
Dan / Da 3:32 Nanolotra anay ho eo an-tanan' ny fahavalo ratsy hianao, dia ireo mpivadika mikiry hamely anay, sy ny mpanjaka faran' izay ratsy sy loza be indrindra eto an-tany. Tu nous as livrés aux mains de nos ennemis, gens sans loi, et les pires des impies, à un roi injuste, au plus mauvais qui soit sur toute la terre,
Dan / Da 3:33 Ary ankehitriny izahay tsy sahy miloa-bava, voan' ny henatra aman-datsa ny mpanomponao, mbamin' izay rehetra mitsaoka anao. et aujourd' hui nous ne pouvons ouvrir la bouche, la honte et l' opprobre sont la part de ceux qui te servent et qui t' adorent.
Dan / Da 3:34 Aza dia ho voatolotrao mandrakizay anie izahay noho ny amin' ny anaranao, ary aza dia foananao ny fanekenao. Oh! ne nous abandonne pas pour toujours, à cause de ton nom, ne répudie pas ton alliance,
Dan / Da 3:35 Aza dia esorinao aminay ny famindram-ponao, noho ny amin' i Abrahama sakaizanao, sy Isaaka mpanomponao ary Israely masinao, ne nous retire pas ta grâce, pour l' amour d' Abraham ton ami et d' Isaac ton serviteur et d' Israël ton saint,
Dan / Da 3:36 izay nampanantenainao hampitomboin-taranaka ho toy ny kintana eny an-danitra, sy ny fasika eny amoron-dranomasina. à qui tu as promis une postérité nombreuse comme les étoiles du ciel et comme le sable sur le rivage de la mer.
Dan / Da 3:37 Fa efa nahena teo imason' ny firenena rehetra izahay, Tompo ô, sady voaetry ankehitriny amin' ny tany rehetra, noho ny fahotana nataonay. Seigneur, nous voici plus petits que toutes les nations, nous voici humiliés par toute la terre, aujourd' hui, à cause de nos péchés.
Dan / Da 3:38 Amin' izao fotoana izao izahay tsy manana mpanapaka na mpifehy, na mpaminany, na sorona dorana, na sorona fanatitra, na emboka manitra, na fitoerana hanateranay ny voaloham-bokatray eo anatrehanao ka hahitanay famindram-po. Il n' est plus, en ce temps, chef, prophète ni prince, holocauste, sacrifice, oblation ni encens, lieu où te faire des offrandes
Dan / Da 3:39 Nefa Tompo ô, aoka ho voaray ihany anie izahay amin' izao fonay torotoro sy fanahy manetry tena et trouver grâce auprès de toi. Mais qu' une âme brisée et un esprit humilié soient agréés de toi,
Dan / Da 3:40 toy ny andraisanao ireo sorona ondralahy aman' ombalahy na zanak' ondry matavy arivo; aoka ho toy izany ny soronay ankehitriny eo anatrehanao, mbamin' ny fanekenay anao, fa tsy hahazo henatra izay mametraka ny fitokiany aminao. comme des holocaustes de béliers et de taureaux, comme des milliers d' agneaux gras; que tel soit notre sacrifice aujourd' hui devant toi, et qu' il te plaise que pleinement nous te suivions, car il n' est point de confusion pour ceux qui espèrent en toi.
Dan / Da 3:41 Ankehitriny izahay manaraka anao amin' ny fonay rehetra, matahotra anao sy mitady ny tavanao. Et maintenant nous mettons tout notre coeur à te suivre, à te craindre et à rechercher ta face.
Dan / Da 3:42 Aza atao fola-tana-manondro izahay fa ento araka ny hamoram-ponao sy araka ny haben' ny famindram-ponao! Ne nous laisse pas dans la honte, mais agis avec nous selon ta mansuétude et selon la grandeur de ta grâce.
Dan / Da 3:43 Vonjeo amin' ny fahagagana ataonao izahay, ary omeo voninahitra ny anaranao, Tompo ô! Délivre-nous selon tes oeuvres merveilleuses, fais qu'à ton nom, Seigneur, gloire soit rendue.
Dan / Da 3:44 Aoka ho menatra izay rehetra manisy ratsy ny mpanomponao, aoka ho safo-kenatra noho ny fahaverezan' ny fahefany rehetra; ary ho torotoro ny tanjany; Qu' ils soient confondus, tous ceux qui font du mal à tes serviteurs qu' ils soient couverts de honte, privés de toute leur puissance, et que leur force soit brisée.
Dan / Da 3:45 aoka ho fantany fa hianao no Tompo, sy Andriamanitra tokana ary mpanjaka be voninahitra amin' ny tany rehetra. Qu' ils sachent que tu es seul Dieu et Seigneur, en gloire sur toute la terre."
Dan / Da 3:46 Ireo mpanompon' ny mpanjaka izay nanipy azy telo lahy tao anatin' ny memy, izany, tsy nitsahatra ny namana azy tamin' ny solika, vorovoro-drongony, ditin-kazo, aman-dratsam-boaloboka. Les serviteurs du roi qui les avaient jetés dans la fournaise ne cessaient d' alimenter le feu de naphte, de poix, d'étoupe et de sarments,
Dan / Da 3:47 Nisondrotra efapolo hakiho teo ambonin' ny memy ny lelafo, si bien que la flamme s'élevait de 49 coudées au-dessus de la fournaise.
Dan / Da 3:48 ka nahamay ireo Kaldeana tratrany teo akaikin' ny memy niantsapazany. En s'étendant, elle brûla les Chaldéens qui se trouvaient autour de la fournaise.
Dan / Da 3:49 Fa nidina nankeo amin' ny memy kosa niaraka tamin-dry Azariasa sy ny namany ilay anjelin' ny Tompo ka nahàtany tsy ho eo amin' ny memy ny lelafo; Mais l' ange du Seigneur descendit dans la fournaise auprès d' Azarias et de ses compagnons; il repoussa au-dehors la flamme du feu
Dan / Da 3:50 ary ny teo afovoan' ny memy nataony toy ny nifofofofoan' ny rivotra mandefa ranonando; ary tsy nikasika azy ireo akory ny lelafo, sady tsy nandratra na nampaninona azy kely akory. et il leur souffla, au milieu de la fournaise, comme une fraîcheur de brise et de rosée, si bien que le feu ne les toucha aucunement et ne leur causa douleur ni angoisse.
Dan / Da 3:51 Koa indray nidera sy nankalaza ary nisaotra an' Andriamanitra toy ny vava iray ihany izy telo lahy tao anatin' ny memy nanao hoe: Alors tous trois, d' une seule voix, se mirent à chanter, glorifiant et bénissant Dieu dans la fournaise, et disant
Dan / Da 3:52 Isaorana hianao, ry Tompo, Andriamanitry ny razanay mendrika hoderaina sy homem-boninahitra ary hankalazaina mandrakizay. Isaorana ny anaranao masina sy be voninahitra, mendrika ny fiderana ambony indrindra sy ny fankalazana mandrakizay. "Béni sois-tu, Seigneur, Dieu de nos pères, loué sois-tu, exalté éternellement. Béni soit ton nom de gloire et de sainteté, loué soit-il, exalté éternellement.
Dan / Da 3:53 Isaorana hianao ao amin' ny tempolin' ny voninahitrao masina mendrika ny dera amam-boninahitra ambony indrindra mandrakizay. Béni sois-tu dans le temple de ta sainte gloire, chanté, glorifié par-dessus tout éternellement.
Dan / Da 3:54 Isaorana hianao, ao amin' ny seza fiandrianan' ny fanjakanao mendrika ny dera amam-pankalazana ambony indrindra mandrakizay. Béni sois-tu sur le trône de ton royaume, chanté par-dessus tout, exalté éternellement.
Dan / Da 3:55 Isaorana hianao, izay maninteraka ny hantsana ny fijerinao mipetraka eo ambonin' ny Kerobima, mendrika ny dera amam-pankalazana ambony indrindra mandrakizay. Béni sois-tu, toi qui sondes les abîmes, qui sièges sur les chérubins, loué, chanté par-dessus tout éternellement.
Dan / Da 3:56 Isaorana hianao, eo amin' ny habakabaky ny lanitra, mendrika ny dera amam-boninahitra mandrakizay. Béni sois-tu dans le firmament du ciel, chanté, glorifié éternellement.
Dan / Da 3:57 Isaorinareo rehetra ny Tompo, ry asan' ny Tompo, derao izy, ary ankalazao mandrakizay. Vous toutes, oeuvres du Seigneur, bénissez le Seigneur chantez-le, exaltez-le éternellement!
Dan / Da 3:58 Isaory ny Tompo, ry anjelin' ny Tompo, derao izy, ary ankalazao mandrakizay. Anges du Seigneur, bénissez le Seigneur chantez-le, exaltez-le éternellement
Dan / Da 3:59 Isaory ny Tompo, ry lanitra, derao izy, ary ankalazao mandrakizay. O cieux, bénissez le Seigneur chantez-le, exaltez-le éternellement!
Dan / Da 3:60 Isaory ny Tompo, ry rano, mbamin' izay rehetra eny ambonin' ny lanitra; derao izy ary ankalazao mandrakizay. O vous, toutes les eaux au-dessus du ciel, bénissez le Seigneur chantez-le, exaltez-le éternellement!
Dan / Da 3:61 Isaory ny Tompo, ry fahefan' ny Tompo, derao izy ary, ankalazao mandrakizay. O vous, toutes les puissances, bénissez le Seigneur chantez-le, exaltez-le éternellement!
Dan / Da 3:62 Isaory ny Tompo, ry masoandro amam-bolana, derao izy ary, ankalazao mandrakizay. O vous, soleil et lune, bénissez le Seigneur chantez-le, exaltez-le éternellement!
Dan / Da 3:63 Isaory ny Tompo, ry kintan' ny lanitra; derao izy, ary ankalazao mandrakizay. O vous, astres du ciel, bénissez le Seigneur chantez-le, exaltez-le éternellement!
Dan / Da 3:64 Isaory ny Tompo, ry orana aman' ando; derao izy, ary ankalazao mandrakizay. O vous toutes, pluies et rosées, bénissez le Seigneur chantez-le, exaltez-le éternellement!
Dan / Da 3:65 Isaory ny Tompo, ry rivotra alefan' Andriamanitra; derao izy, ary ankalazao mandrakizay. O vous tous, vents, bénissez le Seigneur chantez-le, exaltez-le éternellement!
Dan / Da 3:66 Isaory ny Tompo, ry afo aman-kafanana; derao izy, ary ankalazao mandrakizay. O vous, feu et ardeur, bénissez le Seigneur chantez-le, exaltez-le éternellement!
Dan / Da 3:67 Isaory ny Tompo, ry hatsiaka aman-kafanana; derao izy, ary ankalazao mandrakizay. O vous, froidure et ardeur, bénissez le Seigneur chantez-le, exaltez-le éternellement!
Dan / Da 3:68 Isaory ny Tompo, ry ando amam-panala, derao izy, ary ankalazao mandrakizay. O vous, rosées et giboulées, bénissez le Seigneur chantez-le, exaltez-le éternellement!
Dan / Da 3:69 Isaory ny Tompo, ry erika mangatsiaka amam-panala; derao izy, ary ankalazao mandrakizay. O vous, gel et froidure, bénissez le Seigneur chantez-le, exaltez-le éternellement!
Dan / Da 3:70 Isaory ny Tompo, ry ranomandry aman' oram-panala; derao izy, ary ankalazao mandrakizay. O vous, glaces et neiges, bénissez le Seigneur chantez-le, exaltez-le éternellement!
Dan / Da 3:71 Isaory ny Tompo, ry andro aman' alina; derao izy, ary ankalazao mandrakizay. O vous, nuits et jours, bénissez le Seigneur chantez-le, exaltez-le éternellement!
Dan / Da 3:72 Isaory ny Tompo, mazava sy maizina; derao izy ary, ankalazao mandrakizay. O vous, lumière et ténèbre, bénissez le Seigneur chantez-le, exaltez-le éternellement!
Dan / Da 3:73 Isaory ny Tompo, ry helatra aman-drahona maizina; derao izy, ary ankalazao mandrakizay. O vous, éclairs et nuées, bénissez le Seigneur chantez-le, exaltez-le éternellement!
Dan / Da 3:74 Aoka ny tany hisaotra ny Tompo, aoka izy hidera sy hankalaza azy mandrakizay. Que la terre bénisse le Seigneur qu' elle le chante et l' exalte éternellement!
Dan / Da 3:75 Isaory ny Tompo, ry tendrombohitra sy havoana; derao izy, ary ankalazao mandrakizay. O vous, montagnes et collines, bénissez le Seigneur chantez-le, exaltez-le éternellement!
Dan / Da 3:76 Isaorinareo rehetra ny Tompo, ry zava-maniry amin' ny tany, derao izy, ary ankalazao mandrakizay. O vous, toutes choses germant sur la terre, bénissez le Seigneur chantez-le, exaltez-le éternellement!
Dan / Da 3:77 Isaory ny Tompo, ry loharano; derao izy, ary ankalazao mandrakizay. O vous, sources, bénissez le Seigneur chantez-le, exaltez-le éternellement!
Dan / Da 3:78 Isaory ny Tompo, ry ony aman-dranomasina; derao izy, ary ankalazao mandrakizay. O vous, mers et rivières, bénissez le Seigneur chantez-le, exaltez-le éternellement!
Dan / Da 3:79 Isaory ny Tompo, ry biby ngeza mbamin' izay mihetsiketsika rehetra ao anaty rano, derao izy ary ankalazao mandrakizay. O vous, baleines et tout ce qui se meut dans les eaux, bénissez le Seigneur chantez-le, exaltez-le éternellement!
Dan / Da 3:80 Isaorinareo rehetra ny Tompo, ry voromanidina; derao izy, ary ankalazao mandrakizay. O vous tous, oiseaux du ciel, bénissez le Seigneur chantez-le, exaltez-le éternellement!
Dan / Da 3:81 Isaorinareo rehetra ny Tompo, ry bibidia amam-biby fiompy; derao izy, ary ankalazao mandrakizay. O vous tous, bêtes et bestiaux, bénissez le Seigneur chantez-le, exaltez-le éternellement!
Dan / Da 3:82 Isaory ny Tompo, ry zanak' olombelona; derao izy, ary ankalazao mandrakizay. O vous, enfants des hommes, bénissez le Seigneur chantez-le, exaltez-le éternellement!
Dan / Da 3:83 Aoka Israely hidera ny Tompo, aoka izy hidera sy hankalaza azy mandrakizay. O Israël, bénis le Seigneur chantez-le, exaltez-le éternellement!
Dan / Da 3:84 Isaory ny Tompo, ry mpisoron' ny Tompo; derao izy, ary ankalazao mandrakizay. O vous, prêtres, bénissez le Seigneur chantez-le, exaltez-le éternellement!
Dan / Da 3:85 Isaory ny Tompo, ry mpanompon' ny Tompo; derao izy, ary ankalazao mandrakizay. O vous, ses serviteurs, bénissez le Seigneur chantez-le, exaltez-le éternellement!
Dan / Da 3:86 Isaory ny Tompo, ry fanahy amam-panahin' ny marina; derao izy, ary ankalazao mandrakizay. O vous, esprits et âmes des justes, bénissez le Seigneur chantez-le, exaltez-le éternellement!
Dan / Da 3:87 Isaory ny Tompo, ry olo-masina sy hianareo manetry tena ao am-po; derao izy, ary ankalazao mandrakizay. O vous, saints et humbles de coeur, bénissez le Seigneur chantez-le, exaltez-le éternellement!
Dan / Da 3:88 Isaory ny Tompo, ry Ananiasa sy Azariasa sy Misaely; derao izy, ary ankalazao mandrakizay. Fa nanesotra antsika tamin' ny seoly izy, ary nanafaka antsika tamin' ny herin' ny fahafatesana; namonjy antsika tamin' ny memin' ny afo mivaivay izy; ary nanesotra antsika teo afovoan' ny afo. Ananias, Azarias, Misaèl, bénissez le Seigneur chantez-le, exaltez-le éternellement! Car il nous a délivrés des enfers, il nous a sauvés de la main de la mort, il nous a arrachés à la fournaise de flamme ardente, il nous a tirés du milieu de la flamme.
Dan / Da 3:89 Ankalazao ny Tompo, fa tsara fo izy; fa maharitra mandrakaizay ny famindram-pony. Rendez grâces au Seigneur, car il est bon, car son amour est éternel.
Dan / Da 3:90 Hianareo rehetra, olona tia vavaka; misaora ny Tompo, Andriamanitry ny andriamanitra; derao izy ary ankalazao, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony. (Teny tsy hita tamin' ny hebrio ireo tapitra eto ireo, fa ny dikany nataonay teto dia avy amin' ny boky navoakan' i Teodotiona) Vous tous qui le craignez, bénissez le Seigneur Dieu des dieux, chantez-le, rendez-lui grâces, car son amour est éternel."
Dan / Da 3:91 Talanjona loatra tamin' izay Nabokodonozora mpanjaka, ka nitsangana faingana. Niteny izy ka nanao amin' ireo mpanolo-tsainy hoe: Tsy olona telo lahy nifatotra va no natsipitsika tao anatin' ny memy? Dia hoy ny navalin' ireo ny mpanjaka: Izany tokoa, ry mpanjaka. Ary hoy izy niteny indray: Izaho anefa, indreo, mahita efa-dahy tsy mifatotra, Alors le roi Nabuchodonosor s'émut et se leva en toute hâte. Il interrogea ses intimes : "N' avons-nous pas jeté ces trois hommes tout liés dans le feu?" Ils répondirent : "Assurément, ô roi."
Dan / Da 3:92 mandehandeha ao afovoan' ny afo, tsy misy manino-maninona akory, ary ny fijery an' ilay fahefatra hoatra ny zanak' andriamanitra. Il dit : "Mais je vois quatre hommes en liberté qui se promènent dans le feu sans qu' il leur arrive de mal, et le quatrième a l' aspect d' un fils des dieux."
Dan / Da 3:93 Dia nanatona ny varavaran' ny memy mirehitra mivaivay Nabokodonozora, ka dia niteny izy nanao hoe: Ry Sidraka sy Misaka sy Abdenegao, mpanompon' Andriamanitra avo indrindra, mivoaha ary avia. Dia nivoaka avy ao afovoan' ny afo, Sidraka sy Misaka ary Abdenegao. Nabuchodonosor s' approcha de l' ouverture de la fournaise de feu ardent et dit : "Shadrak, Méshak et Abed-Nego, serviteurs du Dieu Très-Haut, sortez et venez ici." Alors du milieu du feu sortirent Shadrak, Méshak et Abed-Nego.
Dan / Da 3:94 Ary nivory ny solom-panjaka, ny masoivoho, ny governora mbamin' ny mpanolo-tsain' ny mpanjaka, nijery ireto olona, ka tsy nahefa na inona na inona tamin' ny vatany ny afo, tsy nisy may ny volon-dohany, tsy niova akory ny akanjony, na nisy fofon' afo akory. S' assemblèrent satrapes, magistrats, gouverneurs et intimes du roi pour voir ces hommes : le feu n' avait pas eu de pouvoir sur leur corps, les cheveux de leur tête n' avaient pas été consumés, leur manteau n' avait pas été altéré, nulle odeur de feu ne s' attachait à eux.
Dan / Da 3:95 Niteny Nabokodonozora ka nanao hoe: Isaorana anie ny Andriamanitr' i Sidraka sy Misaka sy Abdenegao, fa naniraka ny anjeliny hamonjy ny mpanompony izay natoky azy sy nandika ny didin' ny mpanjaka, ary nanolo-tena mba tsy hanompo na hitsaoka andriamani-kafa hafa-tsy ny Andriamaniny ihany. Nabuchodonosor dit : "Béni soit le Dieu de Shadrak, Méshak et Abed-Nego, qui a envoyé son ange et délivré ses serviteurs, eux qui, se confiant en lui, ont désobéi à l' ordre du roi et ont livré leur corps plutôt que de servir ou d' adorer tout autre dieu que leur Dieu.
Dan / Da 3:96 Ka izao no lalàna avoaka amin' ny anarako: Ny olona rehetra na inona fokony, na inona fireneny amam-piteniny, izay miteny ratsy ny Andriamanitr' i Sidraka sy Misaka sy Abdenegao, dia hotetehina madinika, sady hatao fanarian-java maloto ny tranony, satria tsy misy andriamani-kafa mahay mamonjy hoatra izany. Voici le décret que je porte : Peuples, nations et langues, que tous ceux d' entre vous qui parleraient légèrement du Dieu de Shadrak, Méshak et Abed-Nego soient mis en pièces, et que leurs maisons soient changées en bourbiers, car il n' est pas d' autre dieu qui puisse délivrer de la sorte."
Dan / Da 3:97 Tamin' izay ny mpanjaka, nanambina an' i Sidraka sy Misaka ary Abdenegao, teo amin' ny faritanin' i Babilona. Alors le roi fit prospérer Shadrak, Méshak et Abed-Nego dans la province de Babylone.
Dan / Da 3:98 Ho an' ny foko sy firenena amam-piteny samihafa rehetra Nabokodonozora mpanjaka. Homena fiadanam-be anie hianareo. Nabuchodonosor, Roi, à tous les peuples, nations, et langues qui habitent sur toute la terre: abondance de paix sur vous
Dan / Da 3:99 Noheveriko ho mety ny manambara ny famantarana amam-pahagagana nataon' Andriamanitra avo indrindra tamiko. Il m' a semblé bon de faire connaître les signes et merveilles qu' a faits pour moi le Dieu très haut.
Dan / Da 3:100 Akory ny halehiben' ny famantarany; akory ny herin' ny fahagagany! Fanjakana mandrakizay ny fanjakany: ary maharitra amin' ny taona mifandimby ny fanapahany. Si grands, ses signes, si puissantes, ses merveilles, son royaume est un royaume éternel, son empire de génération en génération.

<-
->