<-
->

Dan / Da 2:1 And in the second year of the reign of Nebuchadnezzar Nebuchadnezzar dreamed dreams, wherewith his spirit was troubled, and his sleep brake from him. Ary tamin' ny taona faharoa nanjakan' i Nebokadnezara dia nanonofy Nebokadnezara, ka nitebiteby ny fanahiny, ary tsy nahita torimaso izy. Tamin' ny taona faharoa nanjakan' i Nabokodonozora, nanonofy Nabokodonozora, ka nitebiteby ny fanahiny, ary tsy nahita tory intsony izy. En l' an deux du règne de Nabuchodonosor, Nabuchodonosor eut des songes, son esprit en fut troublé, le sommeil le quitta.
Dan / Da 2:2 Then the king commanded to call the magicians, and the astrologers, and the sorcerers, and the Chaldeans, for to shew the king his dreams. So they came and stood before the king. Dia nasain' ny mpanjaka nantsoina ny ombiasy sy ny mpisikidy sy ny mpanana ody ary ny Kaldeana hilaza amin' ny mpanjaka ny nofiny. Dia tonga ireny ka nitsangana teo anatrehan' ny mpanjaka. Nampanalain' ny mpanjaka ny mpahay taratasy, ny mpisikidy, ny mpimasy, ary ny Kaldeana, hivaofy ny nofiny aminy; dia tonga ireo, ka nitsangana teo anatrehan' ny mpanjaka. Le roi ordonna d' appeler magiciens et devins, enchanteurs et Chaldéens pour dire au roi quels avaient été ses songes. Ils vinrent donc et se tinrent devant le roi.
Dan / Da 2:3 And the king said unto them, I have dreamed a dream, and my spirit was troubled to know the dream. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Nanonofy aho, ka mitebiteby ta-hahalala ny nofy ny fanahiko. Ary hoy ny mpanjaka tamin' izy ireo: Nanonofy aho, ka nitebiteby ny fanahiko, te hahalala izany nofy izany. Le roi leur dit : "J' ai fait un songe et mon esprit s' est troublé du désir de comprendre ce rêve."
Dan / Da 2:4 Then spake the Chaldeans to the king in Syriack, O king, live for ever: tell thy servants the dream, and we will shew the interpretation. Dia niteny tamin' ny mpanjaka amin' ny teny Aramiana ireny Kaldeana ireny ka nanao hoe: Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao, ambarao aminay mpanomponao ny nofy, dia holazainay ny heviny. Namaly tamin' ny teny arameana ny Kaldeana, nanao tamin' ny mpanjaka hoe: Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie hianao! Lazao amin' ny mpanomponao ny nofy, dia hambarany kosa ny heviny. Les Chaldéens répondirent au roi : Araméen "O roi, vis à jamais! Raconte le songe à tes serviteurs et nous t' en découvrirons l' interprétation."
Dan / Da 2:5 The king answered and said to the Chaldeans, The thing is gone from me: if ye will not make known unto me the dream, with the interpretation thereof, ye shall be cut in pieces, and your houses shall be made a dunghill. Dia namaly ny mpanjaka ka nanao tamin' ireny Kaldeana ireny hoe: Efa niloa-bava aho; raha tsy hampahafantarinareo ahy ny nofy sy ny heviny, dia hotetitetehina ianareo, ary ny tranonareo hatao trano fivoahana. Ary namaly ny Kaldeana ny mpanjaka, ka nanao hoe: Zavatra efa notapahako izao: Raha tsy ampahalalainareo ahy ny nofy sy ny heviny, ny tenanareo hotetehina, ny tranonareo hatao fanarian-java-maloto. Le roi répondit et dit aux Chaldéens : "Que mon propos vous soit connu : si vous ne me faites pas connaître le songe et son interprétation, on vous mettra en pièces et vos maisons seront changées en bourbier.
Dan / Da 2:6 But if ye shew the dream, and the interpretation thereof, ye shall receive of me gifts and rewards and great honour: therefore shew me the dream, and the interpretation thereof. Fa raha milaza ny nofy sy ny heviny kosa ianareo, dia hahazo fanomezana sy valim-pitia ary voninahitra be; koa ambarao ahy ny nofy mbamin' ny heviny. Fa raha hambaranareo amiko kosa ny nofy sy ny heviny, dia fanomezana amam-panatitra lehibe no horaisinareo amiko; koa ambarao amiko ny nofy sy izay heviny. Mais si vous me découvrez mon songe et son interprétation, vous recevrez de moi présents et cadeaux et grands honneurs. Ainsi donc découvrez-moi mon songe et son interprétation."
Dan / Da 2:7 They answered again and said, Let the king tell his servants the dream, and we will shew the interpretation of it. Dia namaly indray ireo ka nanao hoe: Aoka ny mpanjaka hilaza ny nofy aminay mpanompony, dia hambaranay ny heviny. Namaly fanindroany izy ireo, nanao hoe: Aoka ny mpanjaka hilaza amin' ny mpanompony ny nofy; ary izahay kosa hanambara ny heviny. Ils reprirent : "Que le roi dise le songe à ses serviteurs et nous lui en découvrirons l' interprétation."
Dan / Da 2:8 The king answered and said, I know of certainty that ye would gain the time, because ye see the thing is gone from me. Fa ny mpanjaka namaly ka nanao hoe: Fantatro marimarina fa mandany andro foana ianareo, satria hitanareo fa efa niloa-bava aho.1 Dia namaly ny mpanjaka nanao hoe: Fantatro marimarina fa mitady hahazo andro lava hianareo, satria hitanareo fa zavatra efa notapahako izany. Mais le roi : "Je vois bien que vous voulez gagner du temps, sachant que mon propos est proclamé.
Dan / Da 2:9 But if ye will not make known unto me the dream, there is but one decree for you: for ye have prepared lying and corrupt words to speak before me, till the time be changed: therefore tell me the dream, and I shall know that ye can shew me the interpretation thereof. Fa raha tsy hampahafantarinareo ahy ny nofy, dia lalàna iray monja no hitondrana anareo; fa ianareo miray tetika hilaza teny lainga sy arirarira foana eto anatrehako mandra-pahatongan' izay andro mahamety; koa ambarao ahy ny nofy, dia ho fantatro fa mahalaza ny heviny amiko koa ianareo. Matoa tsy ampahalalainareo ahy ny nofy, dia ny miara-mamoron-dahateny mandainga sy mamitaka, hataonareo eo anatrehako, mandra-piovan' ny toe-draharaha, no hany hevitrareo; ka ambarao ahy ny nofy dia ho fantatro fa hahalaza ny heviny amiko tokoa hianareo. Si vous ne me faites pas connaître mon songe, une même sentence vous sera appliquée; vous vous êtes entendus pour forger des discours mensongers et pervers devant moi pendant que le temps passe. Aussi, rapportez-moi mon songe et je saurai que vous pouvez m' en découvrir le sens."
Dan / Da 2:10 The Chaldeans answered before the king, and said, There is not a man upon the earth that can shew the king' s matter: therefore there is no king, lord, nor ruler, that asked such things at any magician, or astrologer, or Chaldean. Ny Kaldeana namaly teo anatrehan' ny mpanjaka hoe: Tsy misy olona etý ambonin' ny tany mahay milaza izany nofin' ny mpanjaka izany; fa tsy mbola nisy mpanjaka, na dia izay lehibe sy mahery aza, nila zavatra toy izany tamin' ny ombiasy sy ny mpisikidy ary ny Kaldeana. Fa izao no navalin' ny Kaldeana, teo anatrehan' ny mpanjaka nataony hoe: Tsy misy olona atý ambonin' ny tany, izay mahazo mampahafantatra izany fanontanian' ny mpanjaka izany. Ka tsy mbola nisy mpanjaka, na dia izay lehibe sy mahery aza, nanontany zavatra toy izany tamin' ny mpahay taratasy amam-pisikidy na Kaldeana. Les Chaldéens répondirent au roi : "Il n' est personne sur terre pour découvrir la chose du roi. Et aussi bien, il n' est roi, gouverneur ou chef pour poser pareille question à magicien, devin ou Chaldéen.
Dan / Da 2:11 And it is a rare thing that the king requireth, and there is none other that can shew it before the king, except the gods, whose dwelling is not with flesh. Ary sarotra ny zavatra anontanian' ny mpanjaka, ka tsy misy mahay milaza izany eo anatrehan' ny mpanjaka afa-tsy ireo andriamanitra, izay tsy manam-ponenana amin' ny nofo. Sarotra ny zavatra anontanian' ny mpanjaka, ka tsy misy afaka hanambara eo anatrehan' ny mpanjaka hafa tsy ireo andriamanitra tsy manam-ponenana etý amin' ny olombelona. La question que pose le roi est difficile et nul ne peut la découvrir devant le roi, sinon les dieux dont la demeure n' est point parmi les êtres de chair."
Dan / Da 2:12 For this cause the king was angry and very furious, and commanded to destroy all the wise men of Babylon. Dia vinitra sady tezitra indrindra ny mpanjaka noho izany, ka nasainy naringana ny olon-kendrin' i Babylona rehetra. Tamin' izay, tezitra sy nisafoaka mafy ny mpanjaka, ka nasainy novonoina avokoa ny olon-kendrin' i Babilona. Alors le roi s' emporta furieusement et ordonna de faire périr tous les sages de Babylone.
Dan / Da 2:13 And the decree went forth that the wise men should be slain; and they sought Daniel and his fellows to be slain. Ary navoaka ny didy nampamono ny olon-kendry; ary Daniela sy ny namany koa mba notadiaviny hovonoina. Navoaka ny didy, ka novonoina ny olon-kendry, ary notadiavina hovonoina koa Daniely sy ny namany. Quand le décret de tuer les sages fut promulgué, on chercha Daniel et ses compagnons pour les tuer.
Dan / Da 2:14 Then Daniel answered with counsel and wisdom to Arioch the captain of the king' s guard, which was gone forth to slay the wise men of Babylon: Dia novalian' i Daniela tamin' ny fanahy sy ny fahendrena Arioka lehiben' ny mpiambina ny mpanjaka, izay nivoaka hamono ny olon-kendrin' i Babylona; Dia nivoaka Ariaoka, lehiben' ny mpiambin' andriana, hamono ny olon-kendrin' i Babilona, ka teny feno fahamalinana sy fahalalana no navalin' i Daniely azy. Mais Daniel s' adressa en paroles prudentes et avisées à Aryok, chef des bourreaux du roi, en route pour tuer les sages de Babylone.
Dan / Da 2:15 He answered and said to Arioch the king' s captain, Why is the decree so hasty from the king? Then Arioch made the thing known to Daniel. eny, namaly izy ka nanao tamin' i Arioka, lehibe voatendrin' ny mpanjaka, hoe: Nahoana no dia mafy toy izany ny teny avy amin' ny mpanjaka? Dia nambaran' i Arioka tamin' i Daniela ilay teny. Niteny izy ka nanao tamin' i Ariaoka komandin' ny mpanjaka hoe: Inona no anton' ity teny fitsarana mafy avy amin' ny mpanjaka? Dia nolazalazain' i Ariaoka taminy, ny toe-javatra. Il dit à Aryok, officier du roi : "Pourquoi le roi a-t-il rendu si pressant décret?" Aryok raconta la chose à Daniel,
Dan / Da 2:16 Then Daniel went in, and desired of the king that he would give him time, and that he would shew the king the interpretation. Dia niditra Daniela ka nangataka tamin' ny mpanjaka hanome andro azy, dia holazainy amin' ny mpanjaka ny hevitry ny nofy. Ary niditra nangatak' andro tamin' ny mpanjaka Daniely mba hilazany ny hevitry ny nofy amin' ny mpanjaka. et Daniel s' en alla demander au roi de lui accorder un délai pour lui permettre de découvrir au roi son interprétation.
Dan / Da 2:17 Then Daniel went to his house, and made the thing known to Hananiah, Mishael, and Azariah, his companions: Ary Daniela nody tany an-tranony ka nanambara ilay teny tamin' i Hanania sy Misaela ary Azaria namany, Niaraka tamin' izay dia nody tany an-tranony Daniely ary nampandre ny raharaha an' i Ananiasa sy Misaely ary Azariasa namany, Daniel rentra dans sa maison et fit part de la chose à Ananias, Misaèl et Azarias, ses compagnons,
Dan / Da 2:18 That they would desire mercies of the God of heaven concerning this secret; that Daniel and his fellows should not perish with the rest of the wise men of Babylon. mba hangatahan' ireo famindram-po amin' Andriamanitry ny lanitra ny amin' izany zava-miafina izany, mba tsy haringana Daniela sy ny namany mbamin' ny olon-kendrin' i Babylona rehetra. sady namporisika azy ireo hangataka ny famindram-pon' Andriamanitry ny lanitra, ny amin' izany zava-miafina izany, mba tsy hamonoana an' i Daniely sy ny namany miaraka amin' ny olon-kendry hafa ao Babilona. les engageant à implorer la miséricorde du Dieu du Ciel au sujet de ce mystère, pour qu' il soit épargné à Daniel et à ses compagnons de périr avec les autres sages de Babylone.
Dan / Da 2:19 Then was the secret revealed unto Daniel in a night vision. Then Daniel blessed the God of heaven. Dia naseho an' i Daniela tamin' ny fahitana amin' ny alina izany zava-miafina izany, ka dia nisaotra an' Andriamanitry ny lanitra Daniela. Dia naseho an' i Daniely tamin' ny fahitana amin' ny alina, ilay zava-miafina, ka nisaotra an' Andriamanitry ny lanitra, Daniely. Alors le mystère fut révélé à Daniel dans une vision nocturne. Et Daniel fit bénédiction au Dieu du Ciel.
Dan / Da 2:20 Daniel answered and said, Blessed be the name of God for ever and ever: for wisdom and might are his: Eny, niteny izy ka nanao hoe: Isaorana anie ny anaran' Andriamanitra mandrakizay mandrakizay, fa Azy ny fahendrena sy ny hery. Niloa-bava Daniely ka nanao hoe: Isaorana mandrakizay anie ny anaran' Andriamanitra, fa azy ny hery amam-pahendrena. Daniel prit la parole et dit "Que soit le Nom de Dieu béni de siècle en siècle, car à lui la sagesse et la force.
Dan / Da 2:21 And he changeth the times and the seasons: he removeth kings, and setteth up kings: he giveth wisdom unto the wise, and knowledge to them that know understanding: Ary Izy no mandahatra ny andro sy ny fotoana; Izy no manaisotra mpanjaka sy manangana mpanjaka; Izy no manome fahendrena ho an' ny hendry sy fahalalana ho an' izay mazava saina. Izy no mampiova ny andro amam-potoavana, manongana ny mpanjaka sy manangana ny mpanjaka, manome fahendrena ny olon-kendry, sy fahalalana ho an' ny mazava saina. C' est lui qui fait alterner périodes et temps, qui fait tomber les rois, qui établit les rois, qui donne aux sages la sagesse et la science à ceux qui savent discerner.
Dan / Da 2:22 He revealeth the deep and secret things: he knoweth what is in the darkness, and the light dwelleth with him. Izy no mampiseho ny zavatra lalina sy miafina; Izy no mahalala izay ao amin' ny maizina, ary ny mazava mitoetra ao aminy. Izy no mampiseho ny zava-dalina sy miafina, mahalala ny ao anatin' ny aizina, ary ao aminy no itoeran' ny mazava. Lui qui révèle profondeurs et secrets connaît ce qui est dans les ténèbres, et la lumière réside auprès de lui.
Dan / Da 2:23 I thank thee, and praise thee, O thou God of my fathers, who hast given me wisdom and might, and hast made known unto me now what we desired of thee: for thou hast now made known unto us the king' s matter. Hianao, ry Andriamanitry ny razako ô, no deraiko sy isaorako, satria nomenao fahendrena sy hery aho, ary ankehitriny efa nampahafantarinao ahy izay nangatahinay taminao; fa nampahafantarinao anay ilay nofin' 3 ny mpanjaka. Hianao, ry Andriamanitry ny razako ô, no ankalazaiko sy deraiko, fa nomenao hery amam-pahendrena aho ary nampahafantarinao ahy ankehitriny ny zava-nangatahanay, ka nasehonao taminay ny zava-miafin' ny mpanjaka. A toi, Dieu de mes pères, je rends grâces et je te loue de m' avoir accordé sagesse et force voici que tu m' as fait connaître ce que nous t' avons demandé; les choses du roi, tu nous les as fait connaître."
Dan / Da 2:24 Therefore Daniel went in unto Arioch, whom the king had ordained to destroy the wise men of Babylon: he went and said thus unto him; Destroy not the wise men of Babylon: bring me in before the king, and I will shew unto the king the interpretation. Ary noho izany Daniela dia niditra nankao amin' i Arioka, izay notendren' ny mpanjaka handringana ny olon-kendrin' i Babylona, eny, nandeha izy ka nanao taminy hoe: Aza mandringana ny olon-kendrin' i Babylona; fa ento ho eo anatrehan' ny mpanjaka aho, dia hambarako aminy ny hevitry ny nofiny. Ka dia lasa Daniely nankao amin' i Ariaoka, ilay nasain' ny mpanjaka namono ny olon-kendrin' i Babilona; nandeha izy ka nanao taminy hoe: Aza mamono ny olon-kendrin' i Babilona, fa ento aho ho eo anatrehan' ny mpanjaka, hanambara aminy ny hevitry ny nofiny. Daniel s' en fut donc chez Aryok que le roi avait chargé de faire périr les sages de Babylone. Il entra et lui dit : "Ne fais pas périr les sages de Babylone. Fais-moi pénétrer devant le roi et je révélerai au roi l' interprétation."
Dan / Da 2:25 Then Arioch brought in Daniel before the king in haste, and said thus unto him, I have found a man of the captives of Judah, that will make known unto the king the interpretation. Dia nentin' i Arioka faingana ho eo anatrehan' ny mpanjaka Daniela, ka hoy izy taminy: Nahita lehilahy isan' ny babo avy any Joda aho, izay hilaza amin' ny mpanjaka ny hevitry ny nofy. Dia nentin' i Ariaoka faingana Daniely hiditra ho eo anatrehan' ny mpanjaka, ka hoy izy taminy: Nahita olona tamin' ireo babo avy any Jodà aho, hilaza ny hevitry ny nofy amin' ny mpanjaka. Aryok s' empressa de faire paraître Daniel devant le roi et lui dit : "J' ai trouvé parmi les gens de la déportation de Juda un homme qui fera connaître au roi son interprétation."
Dan / Da 2:26 The king answered and said to Daniel, whose name was Belteshazzar, Art thou able to make known unto me the dream which I have seen, and the interpretation thereof? Ny mpanjaka namaly ka nilaza tamin' i Daniela, izay atao hoe koa Beltesazara, hoe: Moa mahay manambara amiko ny nofy izay hitako mbamin' ny heviny va ianao? Niteny ny mpanjaka, ka nanao tamin' i Daniely, izay atao hoe Baltasara, hoe: Hainao ambara amiko va ny nofy nonofisiko mbamin' ny heviny? Le roi dit à Daniel surnommé Baltassar : "Es-tu capable de me faire connaître le songe que j' ai eu et son interprétation?"
Dan / Da 2:27 Daniel answered in the presence of the king, and said, The secret which the king hath demanded cannot the wise men, the astrologers, the magicians, the soothsayers, shew unto the king; Dia namaly teo anatrehan' ny mpanjaka Daniela nanao hoe: Ilay zava-miafina nanontanian' ny mpanjaka dia tsy hain' ny olon-kendry, na ny mpisikidy, na ny ombiasy, na ny mpanandro, nolazaina tamin' ny mpanjaka; Dia namaly teo anatrehan' ny mpanjaka Daniely, ka nanao hoe: Ny zava-miafina anontanian' ny mpanjaka, dia tsy hain' ny olon-kendry, na ny mpisikidy, na ny olo-mahay taratasy, na ny mpanandro ambara amin' ny mpanjaka. Daniel répondit devant le roi : "Le mystère que poursuit le roi, sages, devins, magiciens et exorcistes n' ont pu le découvrir au roi;
Dan / Da 2:28 But there is a God in heaven that revealeth secrets, and maketh known to the king Nebuchadnezzar what shall be in the latter days. Thy dream, and the visions of thy head upon thy bed, are these; kanefa misy Andriamanitra any an-danitra, Izay mampiseho zava-miafina ka mampahafantatra an' i Nebokadnezara mpanjaka izay ho tonga any am-parany. Ny nofinao sy ny fahitan' ny lohanao teo amin' ny farafaranao dia izao: Kanefa misy Andriamanitra any an-danitra, izay mahay maneho ny zava-miafina; ary izy mampahafantatra an' i Nabokodonozora ny tsy maintsy ho tonga any am-paran' ny andro any. Ny nofy amam-pahitanao teo am-pandrianao dia izao: mais il y a un Dieu dans le ciel, qui révèle les mystères et qui a fait connaître au roi Nabuchodonosor ce qui doit arriver à la fin des jours. Ton songe et les visions de ta tête sur ta couche, les voici
Dan / Da 2:29 As for thee, O king, thy thoughts came into thy mind upon thy bed, what should come to pass hereafter: and he that revealeth secrets maketh known to thee what shall come to pass. Ny aminao, ry mpanjaka ô, raha nandry ianao, dia tonga ny eritreritrao ny amin' izay ho avy rahatrizay; ary Izay mampiseho zava-miafina dia mampahafantatra anao izay ho avy. Hianao, ry mpanjaka ô, teo am-pandrianao, dia velon' eritreritra tao an-tsainao, ny amin' izay ho avy manaraka izao andro izao; ary ilay mahay maneho ny zava-miafina kosa, nampahafantatra anao izay ho avy. "O roi, sur ta couche, tes pensées s'élevèrent concernant ce qui doit arriver plus tard, et le révélateur des mystères t' a fait connaître ce qui doit arriver.
Dan / Da 2:30 But as for me, this secret is not revealed to me for any wisdom that I have more than any living, but for their sakes that shall make known the interpretation to the king, and that thou mightest know the thoughts of thy heart. Ary izaho aza, dia tsy noho ny fahendrena ananako mihoatra noho ny olombelona rehetra tsy akory no nampisehoana tamiko ny zava-miafina, fa ny mba hampahafantarana ny mpanjaka ilay hevitra, ka hahafantaranao ny eritreritry ny fonao. Ary izaho kosa, tsy tamin' ny fahendrena ato amiko, mihoatra noho ny an' ny olombelona rehetra, no nahitako izany zava-miafina izany, fa ny mba hampahafantarana ny mpanjaka, ny hevitry ny nofy, sy hahalalanao ny hevitry ny fonao. A moi, sans que j' aie plus de sagesse que quiconque, ce mystère a été révélé, à seule fin de faire savoir au roi son sens, et pour que tu connaisses les pensées de ton coeur.
Dan / Da 2:31 Thou, O king, sawest, and behold a great image. This great image, whose brightness was excellent, stood before thee; and the form thereof was terrible. Hianao, ry mpanjaka ô, nahita fa, indro, nisy sariolona lehibe anankiray. Izany sary izany dia lehibe sady namirapiratra tsara, nijoro teo anatrehanao izy, ary ny tarehiny dia nahatahotra. Hianao nijery, ry mpanjaka ô, ka indro nisy sariolona lehibe. Tena makadiry izany sariolona izany, sady namirapiratra mahagaga; nijoro teo anatrehanao izy io, ary mahatsiravina ny fijery azy. "Tu as eu, ô roi, une vision. Voici : une statue, une grande statue, extrêmement brillante, se dressait devant toi, terrible à voir.
Dan / Da 2:32 This image' s head was of fine gold, his breast and his arms of silver, his belly and his thighs of brass, Ny lohan' izany sary izany dia volamena tsara, ny tratrany sy ny sandriny dia volafotsy, ny kibony sy ny feny dia varahina, Izany sariolona izany dia volamena tsara ny lohany; volafotsy ny tratrany aman-tsandriny; varahana ny kibo amam-peny; Cette statue, sa tête était d' or fin, sa poitrine et ses bras étaient d' argent, son ventre et ses cuisses de bronze,
Dan / Da 2:33 His legs of iron, his feet part of iron and part of clay. ny ranjony dia vy, ary ny tongony dia vy sy tanimanga. vy ny ranjony, ary ny tongony kosa vy ny tapany, tanimanga ny tapany. ses jambes de fer, ses pieds partie fer et partie argile.
Dan / Da 2:34 Thou sawest till that a stone was cut out without hands, which smote the image upon his feet that were of iron and clay, and brake them to pieces. Nijery ianao ambara-pahanisy vato voaendaka, nefa tsy nendahan-tanana, ary namely ilay sary teo amin' ny tongony vy sy tanimanga iny ka nahatorotoro azy. Mbola mijery eo hianao no indro, nisy vato niendaka tsy nokasihin-tànana, namely ity sariolona tamin' ny tongony vy amam-tanimanga, ka nahatorotoro azy. Tu regardais : soudain une pierre se détacha, sans que main l' eût touchée, et vint frapper la statue, ses pieds de fer et d' argile, et les brisa.
Dan / Da 2:35 Then was the iron, the clay, the brass, the silver, and the gold, broken to pieces together, and became like the chaff of the summer threshingfloors; and the wind carried them away, that no place was found for them: and the stone that smote the image became a great mountain, and filled the whole earth. Dia niara-torotoro ny vy sy ny tanimanga sy ny varahina sy ny volafotsy ary ny volamena ka tonga toy ny akofa eo am-pamoloana fahavaratra; ary nopaohin' ny rivotra izy, ka tsy nisy hitoerany, ary ilay vato namely ny sary dia tonga tendrombohitra lehibe nahafeno ny tany rehetra. Dia indray torotoro ny vy, ny tanimanga, ny varahana, ny volafotsy mbamin' ny volamena, sady nanjary toy ny akofa manidina eo am-pamoloana amin' ny fahavaratra, ka nopaohin' ny rivotra izany, lasa tsy hita izay nanjavonany; ary ilay vato namely ny sariolona kosa, zary tendrombohitra lehibe nameno ny tany rehetra. Alors se brisèrent, tout à la fois, fer et argile, bronze, argent et or, devenus semblables à la bale sur l' aire en été; le vent les emporta sans laisser de traces. Et la pierre qui avait frappé la statue devint une grande montagne qui remplit toute la terre.
Dan / Da 2:36 This is the dream; and we will tell the interpretation thereof before the king. Izany no nofy, ary holazainay eto anatrehan' ny mpanjaka koa ny heviny. Izany no nofy; ary holazainay eto anatrehan' ny mpanjaka koa ny heviny. Tel fut le songe; et son interprétation, nous la dirons devant le roi.
Dan / Da 2:37 Thou, O king, art a king of kings: for the God of heaven hath given thee a kingdom, power, and strength, and glory. Hianao, ry mpanjaka ô, izay mpanjakan' ny mpanjaka sady nomen' Andriamanitry ny lanitra fanjakana sy hery sy fahaleovana ary voninahitra, Hianao, ry mpanjaka ô, mpanjakan' ny mpanjaka, izay nomen' ny Andriamanitry ny lanitra ny fanjakana, ny fahefana, ny hery amam-boninahitra, C' est toi, ô roi, roi des rois, à qui le Dieu du Ciel a donné royaume, pouvoir, puissance et honneur
Dan / Da 2:38 And wheresoever the children of men dwell, the beasts of the field and the fowls of the heaven hath he given into thine hand, and hath made thee ruler over them all. Thou art this head of gold. ka ny zanak' olombelona sy ny bibi-dia ary ny voro-manidina, na aiza na aiza itoerany, dia nomeny ho eo an-tananao, ary nataony ho mpanjakan' izy rehetra ianao, dia ianao izany loha volamena izany. sy notolorany ny zanak' olombelona amam-biby any an-tsaha sy ny voron' ny lanitra, na aiza na aiza itoerany, ary nasainy nanjaka tamin' izy rehetra, dia hianao no loha volamena. les enfants des hommes, les bêtes des champs, les oiseaux du ciel, en quelque lieu qu' ils demeurent, il les a remis entre tes mains et t' a fait souverain sur eux tous , la tête d' or, c' est toi.
Dan / Da 2:39 And after thee shall arise another kingdom inferior to thee, and another third kingdom of brass, which shall bear rule over all the earth. Ary manarakaraka anao dia hisy fanjakana hafa hitsangana ambany noho ny anao, ary hisy fanjakana fahatelo koa izay varahina sady hanam-pahefana amin' ny tany rehetra. Manarakaraka anao, hisy fanjakana hafa hitsangana, ho ambany noho hianao; manaraka izany, hisy fanjakana fahatelo, ho varahana, izay hanam-pahefana amin' ny tany rehetra. Et après toi se dressera un autre royaume, inférieur à toi, et un troisième royaume ensuite, de bronze, qui dominera la terre entière.
Dan / Da 2:40 And the fourth kingdom shall be strong as iron: forasmuch as iron breaketh in pieces and subdueth all things: and as iron that breaketh all these, shall it break in pieces and bruise. Ary ny fanjakana fahefatra dia ho mafy toy ny vy; fa toy ny vy manorotoro sy mahamongomongo ny zavatra rehetra, ary toy ny famakivakin' ny vy ireo rehetra ireo, dia toy izany no amakivakiany sy anorotoroany azy. Dia hisy fanjakana fahefatra koa ho mafy toy ny vy; fa toy ny vy manamongo sy manorotoro ny zavatra rehetra, toy ny fanorotoron' ny vy ny zavatra rehetra, no hanamongoany sy hanorotoroany an' ireo rehetra ireo. Et il y aura un quatrième royaume, dur comme le fer, comme le fer qui réduit tout en poudre et écrase tout; comme le fer qui brise, il réduira en poudre et brisera tous ceux-là.
Dan / Da 2:41 And whereas thou sawest the feet and toes, part of potters' clay, and part of iron, the kingdom shall be divided; but there shall be in it of the strength of the iron, forasmuch as thou sawest the iron mixed with miry clay. Ary satria hitanao ny tongotra sy ny rantsan-tongotra, fa ny tapany tanimangan' ny mpanefy tanimanga, ary ny tapany vy dia ho fanjakana mizarazara izy; nefa hisy herim-by ao aminy, satria nahita vy miharo tanimanga mbola fotaka ianao. Ny nahitanao ny tongotra aman-drantsan-tongony, ho tanimangan' ny mpanefy tanimanga ny tapany ary vy ny tapany, dia satria ho fanjakana mizarazara izy; hisy herim-by ao aminy, araka ny nahitanao ny vy niharo tanimanga. Ces pieds que tu as vus, partie terre cuite et partie fer, c' est un royaume qui sera divisé; il aura part à la force du fer, selon que tu as vu le fer mêlé à l' argile de la terre cuite.
Dan / Da 2:42 And as the toes of the feet were part of iron, and part of clay, so the kingdom shall be partly strong, and partly broken. Ary toy ny rantsan-tongotra, ny tapany vy, ny tapany tanimanga, dia ho toy izany ny fanjakana, ny tapany ho mafy, ary ny tapany ho malemy. Nefa noho ny rantsan-tongony, vy ny tapany, tanimanga ny tapany, dia ho fanjakana mafy ila sy malemy ila, izy. Les pieds, partie fer et partie argile de potier : le royaume sera partie fort et partie fragile.
Dan / Da 2:43 And whereas thou sawest iron mixed with miry clay, they shall mingle themselves with the seed of men: but they shall not cleave one to another, even as iron is not mixed with clay. Ary toy ny nahitanao ny vy miharo tanimanga mbola fotaka, dia ho toy izany no hiharoany amin' ny taranak' olombelona; nefa tsy hitambatra izy, dia toy ny tsi-fetezan' ny vy miharo amin' ny tanimanga. Ny nahitanao ny vy miharo tanimanga dia satria ho fifangaroan' ny taranak' olombelona, izy; nefa toy ny tsy fetezan' ny vy hiharo amin' ny tanimanga no tsy hifampitambarany. Selon que tu as vu le fer mêlé à l' argile de la terre cuite, ils se mêleront en semence d' homme, mais ils ne tiendront pas ensemble, de même que le fer ne se mêle pas à l' argile.
Dan / Da 2:44 And in the days of these kings shall the God of heaven set up a kingdom, which shall never be destroyed: and the kingdom shall not be left to other people, but it shall break in pieces and consume all these kingdoms, and it shall stand for ever. Ary amin' ny andron' ireo mpanjaka ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an' olon- kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay. Amin' ny andron' ireo mpanjaka ireo, ny Andriamanitry ny lanitra hanangana fanjakana anankiray tsy ho rava mandrakizay ary tsy hafindra amin' ny firenen-kafa ny fanapahany; ireo fanjakana rehetra ireo hotorotoroiny sy hofoanany, fa izy kosa haharitra mandrakizay, Au temps de ces rois, le Dieu du Ciel dressera un royaume qui jamais ne sera détruit, et ce royaume ne passera pas à un autre peuple. Il écrasera et anéantira tous ces royaumes, et lui-même subsistera à jamais
Dan / Da 2:45 Forasmuch as thou sawest that the stone was cut out of the mountain without hands, and that it brake in pieces the iron, the brass, the clay, the silver, and the gold; the great God hath made known to the king what shall come to pass hereafter: and the dream is certain, and the interpretation thereof sure. Fa toy ilay nahitanao ny vato nendahana tamin' ny tendrombohitra, nefa tsy nendahan-tanana, sy ny nanorotoroany ny vy sy ny varahina sy ny tanimanga sy ny volafotsy ary ny volamena, dia ampahafantarin' Andriamanitra lehibe ny mpanjaka ny amin' ny zavatra ho avy rahatrizay: marina ny nofy, ary tsy maintsy ho tò ny heviny. araka ny nahitanao ilay vato niendaka, tsy nokasihan-tanana, tamin' ny tendrombohitra, ka nahatorotoro ny vy, ny varahana, ny tanimanga, ny volafotsy mbamin' ny volamena. Ny Andriamanitra lehibe no nampahafantatra ny mpanjaka izay ho avy rahatrizay; marina ny nofy, ary tsy misy isalasalan' ny heviny. de même, tu as vu une pierre se détacher de la montagne, sans que main l' eût touchée, et réduire en poussière fer, bronze, terre cuite, argent et or. Le Grand Dieu a fait connaître au roi ce qui doit arriver. Tel est véritablement le songe, et sûre en est l' interprétation."
Dan / Da 2:46 Then the king Nebuchadnezzar fell upon his face, and worshipped Daniel, and commanded that they should offer an oblation and sweet odours unto him. Dia niankohoka Nebokadnezara mpanjaka ka nivavaka tamin' i Daniela ary nampanatitra fanatitra sy hanitra ankasitrahana ho azy. Tamin' izay Nabokodonozora rafitra nihohoka sy niankohoka teo anatrehan' i Daniely sady nandidy hanolotra fanatitra aman-java-manitra taminy. Alors le roi Nabuchodonosor tomba face contre terre et se prosterna devant Daniel. Il ordonna qu' on lui offrît oblation et sacrifice d' agréable odeur.
Dan / Da 2:47 The king answered unto Daniel, and said, Of a truth it is, that your God is a God of gods, and a Lord of kings, and a revealer of secrets, seeing thou couldest reveal this secret. Ny mpanjaka namaly an' i Daniela ka nanao hoe: Marina tokoa fa Andriamanitrareo dia Andriamanitry ny andriamanitra sy Tompon' ny mpanjaka ary Mampiseho zava-miafina, ka dia nahay nampiseho izany zava-miafina izany ianao. Dia niteny tamin' i Daniely ny mpanjaka, ka nanao hoe: Marina tokoa fa ny Andriamanitrareo no Andriamanitry ny andriamanitra sy tompon' ny mpanjaka ary mpanambara ny zava-miafina, matoa nahay nanambara izany zava-miafina izany hianao. Et le roi dit à Daniel : "En vérité votre dieu est le Dieu des dieux et le maître des rois, le révélateur des mystères, puisque tu as pu révéler ce mystère."
Dan / Da 2:48 Then the king made Daniel a great man, and gave him many great gifts, and made him ruler over the whole province of Babylon, and chief of the governors over all the wise men of Babylon. Ary tamin' izany ny mpanjaka dia nanandratra an' i Daniela ho lehibe, ka nanome azy zavatra maro sady lehibe ary nanendry azy ho mpanapaka any Babylona sy ny fehiny rehetra, sy ho lehiben' ny mpanapaka ny olon-kendrin' i Babylona rehetra. Tamin' izany ny mpanjaka dia nanandratra an' i Daniely sy nanolotra fanomezana maro sady sarobidy ho azy, nanome azy ny fanapahana ny faritany rehetra momba an' i Babilona, ary nanendry azy ho lehibe indrindra amin' ny olon-kendrin' i Babilona rehetra. Alors le roi conféra à Daniel un rang élevé et lui donna nombre de magnifiques présents. Il le fit gouverneur de toute la province de Babylone et supérieur de tous les sages de Babylone.
Dan / Da 2:49 Then Daniel requested of the king, and he set Shadrach, Meshach, and Abednego, over the affairs of the province of Babylon: but Daniel sat in the gate of the king. Ary Daniela nangataka tamin' ny mpanjaka, ary izy nanendry an' i Sadraka sy Mesaka ary Abednego ho tonian' ny raharahan' i Babylona sy ny fehiny; ary Daniela dia teo am-bavahadin' ny mpanjaka. Noho ny fangatahan' i Daniely, dia nanendry an' i Sidraka sy Misaka ary Abdenegao ny mpanjaka, ho tonian' ny raharaha amin' ny fehin' i Babilona, ary Daniely nijanona tao an-dapa. Daniel demanda au roi d' assigner aux affaires de la province de Babylone Shadrak, Méshak et Abed-Nego, Daniel lui-même demeurant à la cour du roi.

<-
->