<-
->

Oha / Oh 14:1 Every wise woman buildeth her house: but the foolish plucketh it down with her hands. Ny vehivavy hendry dia samy manao ny tranony; Fa ny adala kosa mandrava ny tranony amin' ny tànany. Ny vehivavy hendry, manorina ny tranony; ny vehivavy adala kosa, mandrava azy amin' ny tanany. La Sagesse bâtit sa maison, de sa main, la Folie la renverse.
Oha / Oh 14:2 He that walketh in his uprightness feareth the Lord: but he that is perverse in his ways despiseth him. Mandeha mahitsy izay matahotra an' i Jehovah; Fa mivily lalana kosa izay maniratsira Azy. Izay matahotra an' ny Tompo, mizotra araka ny fahitsiam-po; izay maniratsira azy kosa mivaona fandeha. Qui marche dans sa droiture craint Yahvé, qui dévie de ses chemins le méprise.
Oha / Oh 14:3 In the mouth of the foolish is a rod of pride: but the lips of the wise shall preserve them. Eo am-bavan' ny adala misy tsorakazon' ny fiavonavonana; Fa ny molotry ny hendry miaro ny tenany. Ny vavan' ny adala, misy tsorakazom-piavonavonana; ny molotry ny hendry kosa miaro ny tenany. Dans la bouche du fou il y a un surgeon d' orgueil, les lèvres des sages les gardent.
Oha / Oh 14:4 Where no oxen are, the crib is clean: but much increase is by the strength of the ox. Raha tsy misy omby, dia foana ny fihinanam-bilona; Fa be ny fitomboan-karena azo amin' ny herin' ny omby. Izay tsy misy omby, foana fihinanam-bilona; fa ny herin' ny omby ahazoan-tombony betsaka. Point de boeufs, mangeoire vide; taureau vigoureux, revenus abondants.
Oha / Oh 14:5 A faithful witness will not lie: but a false witness will utter lies. Ny vavolombelona mahatoky tsy mba mety mandainga; Fa mamoaka lainga kosa ny vavolombelona tsy mahatoky. Ny vavolombelona mahatoky, tsy mba mandainga; fa ny vavolombelona tsy marina kosa, milaza lainga. Le témoin véridique ne ment pas, mais le faux témoin exhale le mensonge.
Oha / Oh 14:6 A scorner seeketh wisdom, and findeth it not: but knowledge is easy unto him that understandeth. Ny mpaniratsira mba mitady fahendrena, fa tsy mahita; Fa ny manan-tsaina mora mahazo fahalalana. Ny mpamazivazy mitady, fa tsy mahita ny fahendrena; fa mora azon' ny manan-tsaina kosa ny fahaizana. Le railleur poursuit la sagesse, mais en vain, à l' homme intelligent le savoir est chose aisée.
Oha / Oh 14:7 Go from the presence of a foolish man, when thou perceivest not in him the lips of knowledge. Mialà eo anatrehan' ny olona adala, Fa tsy ho hitanao aminy ny molotry ny fahalalana. Miala amin' ny adala, satria fantatrao fa tsy misy fahendrena eo amin' ny molony. Écarte-toi du sot, tu ignorerais les lèvres savantes.
Oha / Oh 14:8 The wisdom of the prudent is to understand his way: but the folly of fools is deceit. Ny mitandrina ny alehany no fahendren' ny mahira-tsaina; Fa fitaka ny hadalan' ny adala. Fahendren' ny olo-malina, ny mahafantatra ny lalany; fahadalan' ny adala ny fitaka. Pour l' homme avisé, la sagesse est de surveiller sa conduite, mais la folie des sots n' est que tromperie.
Oha / Oh 14:9 Fools make a mock at sin: but among the righteous there is favour. Ny adala ihomehezan' ny fanati-panonerana; Fa ao amin' ny marina no misy fankasitrahana. Ny adala mihomehy ny ota; fa ao amin' ny olo-mahitsy fo no misy fanehoam-pitiavana. Les fous raillent le sacrifice pour le péché, mais parmi les hommes droits se trouve la faveur.
Oha / Oh 14:10 The heart knoweth his own bitterness; and a stranger doth not intermeddle with his joy. Ny fo no mahalala ny fangidian' ny alahelony; Ary tsy raharahan' ny olon-kafa ny hafaliany. Ny alahelon' ny fo, izy ihany no mahalala; ny hafaliany koa, tsy hain' ny hafa iombonana. Le coeur connaît son propre chagrin et nul étranger ne partage sa joie.
Oha / Oh 14:11 The house of the wicked shall be overthrown: but the tabernacle of the upright shall flourish. Ravana ny tranon' ny ratsy fanahy; Fa ambinina ny lain' ny marina. Ny tranon' ny ratsy fanahy, horavana; fa ny lain' ny mahitsy fo, ambinina. La maison des méchants sera détruite, la tente des hommes droits prospérera.
Oha / Oh 14:12 There is a way which seemeth right unto a man, but the end thereof are the ways of death. Misy lalana ataon' ny olona ho mahitsy, Kanjo lalana mivarina any amin' ny fahafatesana no iafarany. Misy lalana miseho ho mahitsy amin' ny olona; kanjo lalana mankany amin' ny fahafatesana no iafarany. Tel chemin paraît droit à quelqu' un, mais en fin de compte c' est le chemin de la mort.
Oha / Oh 14:13 Even in laughter the heart is sorrowful; and the end of that mirth is heaviness. Na dia mihomehy aza, dia ory ihany ny fo, Ary ny faran' ny hafaliana dia alahelo. Na dia eo amin' ny hehy aza mahatsiaro ory ny fo; ary ny fifaliana miafara amin' ny fisaonana. Dans le rire même, le coeur trouve la peine, et la joie s' achève en chagrin.
Oha / Oh 14:14 The backslider in heart shall be filled with his own ways: and a good man shall be satisfied from himself. Ny mihemotra am-po dia ho voky ny alehany; Fa ny tsara fanahy kosa ho voky ny azy ihany. Ny tsy mivavaka, hovokin' ny lalany, ny tsara fanahy, hovokin' ny soa nataony. Le coeur dévoyé se rassasie de ses démarches, et l' homme de bien de ses oeuvres.
Oha / Oh 14:15 The simple believeth every word: but the prudent man looketh well to his going. Ny kely saina mino ny teny rehetra; Fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany. Ny kely saina mino izay teny rehetra ambara aminy; ny olo-malina kosa, mitandrina ny diany. Le niais croit tout ce qu' on dit, l' homme avisé surveille ses pas.
Oha / Oh 14:16 A wise man feareth, and departeth from evil: but the fool rageth, and is confident. Ny hendry matahotra ka mivily tsy ho amin' ny ratsy; Fa ny adala fatra-pirehareha ka matokitoky foana. Ny hendry matahotra, ka mivily tsy ho amin' ny ratsy; ny adala kosa mitroatra sy matokitoky foana. Le sage craint le mal et se détourne, le sot est insolent et sûr de lui.
Oha / Oh 14:17 He that is soon angry dealeth foolishly: and a man of wicked devices is hated. Izay malaky tezitra dia manao adaladala; Ary ny olona mamoron-tsain-dratsy dia ankahalaina. Ny olona mora tezitra, mahavita hadalana, ary ny sompatra koa miantso fankahalana azy. L' homme prompt à la colère fait des sottises, l' homme malintentionné est odieux.
Oha / Oh 14:18 The simple inherit folly: but the prudent are crowned with knowledge. Ny kely saina dia handova fahadalana; Fa ny mahira-tsaina mahazo ny fahalalana ho satro-boninahiny. Hadalana no anjaran' ny kely saina. Ary satro-boninahitra no azon' ny malina amin' ny fahaizany. La part des niais, c' est la folie, les gens avisés se font du savoir une couronne.
Oha / Oh 14:19 The evil bow before the good; and the wicked at the gates of the righteous. Ny ratsy fanahy miondrika eo anatrehan' ny tsara fanahy, Ary ny meloka dia eo am-bavahadin' ny marina. Miondrika eo anatrehan' ny tsara fanahy ny ratsy fanahy; ary eo am-baravaran' ny marina, ny tsy mpivavaka. Devant les bons, les méchants se prosternent, et aux portes des justes, les impies.
Oha / Oh 14:20 The poor is hated even of his own neighbour: but the rich hath many friends. Ny malahelo dia halan' ny havany aza; Fa ny manan-karena no tian' ny maro. Ny mahantra, olon-kafa na amin' ny sakaizany aza; fa ny manan-karena, no maro sakaiza. Même à son voisin, le pauvre est odieux, mais nombreux sont ceux qui aiment le riche.
Oha / Oh 14:21 He that despiseth his neighbour sinneth: but he that hath mercy on the poor, happy is he. Izay manao tsinontsinona ny namany dia manota; Fa endrey ny fahasambaran' izay mamindra fo amin' ny ory! Manota izay manamavo ny namany; fa sambatra izay miantra ny mahantra. Il pèche, celui qui méprise son prochain; heureux qui a pitié des pauvres.
Oha / Oh 14:22 Do they not err that devise evil? but mercy and truth shall be to them that devise good. Tsy mivily va izay manao asa ratsy? Fa famindram-po sy fahamarinana no ho an' izay manao asa tsara. Tsy maniasia va ry zareo mamoron-tsain-dratsy? ary moa tsy fanambinana amam-pahamarinana kosa va no ho an' izay mihevitra ny soa? N' est-ce pas s'égarer que machiner le mal ? Miséricorde et fidélité pour qui s' applique au bien.
Oha / Oh 14:23 In all labour there is profit: but the talk of the lips tendeth only to penury. Ny fisasarana rehetra misy valiny avokoa; Fa ny molotra mibedibedy foana tsy mba ahazoana na inona na inona. Ny asa rehetra mitera-piadanana; fa ny teniteny foana kosa, mamarina amin' ny tsy fahampiana. Tout labeur donne du profit, le bavardage ne produit que disette.
Oha / Oh 14:24 The crown of the wise is their riches: but the foolishness of fools is folly. Satroboninahitry ny hendry ny hareny; Fa ny fahadalan' ny adala dia fahadalana ihany. Satro-boninahitra ho an' ny hendry ny hareny; fa ny fahadalan' ny adala dia hadalana lava. Couronne des sages : leur richesse; la folie des sots est folie.
Oha / Oh 14:25 A true witness delivereth souls: but a deceitful witness speaketh lies. Ny vavolombelona marina mamonjy ain' olona; Fa izay mamoaka lainga dia tena fitaka. Ny vavolombelona marina, mamonjy fanahy, ny hafetsen-dratsy mamoaka lainga. Un témoin véridique sauve des vies, qui profère des mensonges est un imposteur.
Oha / Oh 14:26 In the fear of the Lord is strong confidence: and his children shall have a place of refuge. Ny fahatahorana an' i Jehovah dia fiarovana mahatoky, Ary ny zanany hahazo fialofana. Izay matahotra an' ny Tompo, miankina amin' ny andry mafy, ary ny zanany manam-pialofana mahatoky. Dans la crainte de Yahvé, puissante sécurité; pour ses enfants il est un refuge.
Oha / Oh 14:27 The fear of the Lord is a fountain of life, to depart from the snares of death. Ny fahatahorana an' i Jehovah no loharanon' aina, Hanalavirana ny fandriky ny fahafatesana. Ny fahatahorana an' ny Tompo no loharanon' aina, mba ho afaka amin' ny fandriky ny fahafatesana. La crainte de Yahvé est source de vie pour éviter les pièges de la mort.
Oha / Oh 14:28 In the multitude of people is the king' s honour: but in the want of people is the destruction of the prince. Ny fahabetsahan' ny vahoaka no voninahitry ny mpanjaka; Fa ny havitsiany kosa no fietreny. Ny hamaroan' ny vahoaka no voninahitry ny mpanjaka; ny fahavitsian' ny olony kosa dia fahafongoran' ny mpanapaka. Peuple nombreux, gloire du roi; baisse de population, ruine du prince.
Oha / Oh 14:29 He that is slow to wrath is of great understanding: but he that is hasty of spirit exalteth folly. Be saina izay mahatsindry fo; Fa ny malaky tezitra mampiseho ny fahadalany. Ny mahatsindry fo, be saina, ny malaky tezitra maneho ny hadalany. L' homme lent à la colère est plein d' intelligence, qui a l' humeur prompte exalte la folie.
Oha / Oh 14:30 A sound heart is the life of the flesh: but envy the rottenness of the bones. Ny fo mionona no fiainan' ny nofo; Fa ny fahamaimaizan-tsaina dia mahalò ny taolana. Ny fo mionona, fiainana ho an' ny nofo; ny fialonana kosa homa-miadana amin' ny taolany. Vie du corps : un coeur paisible; mais l' envie est carie des os.
Oha / Oh 14:31 He that oppresseth the poor reproacheth his Maker: but he that honoureth him hath mercy on the poor. Izay mampahory ny mahantra dia manala baraka ny Mpanao azy; Fa ny mamindra fo aminy kosa dia manome voninahitra Azy. Ny mampahory ny mahantra, maniratsira ilay nanao azy; fa ny miantra ny tsy manana no manome voninahitra azy. Opprimer le faible, c' est outrager son Créateur; c' est l' honorer que d'être bon pour les malheureux.
Oha / Oh 14:32 The wicked is driven away in his wickedness: but the righteous hath hope in his death. Ny ratsy fanahy azera noho ny haratsiany; Fa ny marina matoky, na dia mby ao amin' ny fahafatesana aza. Ny ratsy fanahy azeran' ny faharatsiany; ny marina kosa matoky hatrany am-pahafatesana aza. Par sa propre malice le méchant est terrassé, le juste trouve un refuge dans son intégrité.
Oha / Oh 14:33 Wisdom resteth in the heart of him that hath understanding: but that which is in the midst of fools is made known. Mandry tsara ao am-pon' ny manan-tsaina ny fahendrena; Fa ny an' ny adala kosa dia miharihary. Ny fon' ny olona manan-tsaina no itoeran' ny fahendrena, ka eo afovoan' ny adala dia fantatra eo ihany izy. En un coeur intelligent demeure la sagesse; on ne la reconnaît pas au coeur des sots.
Oha / Oh 14:34 Righteousness exalteth a nation: but sin is a reproach to any people. Ny fahamarinana manandratra ny firenena; Fa ny ota kosa dia fahafaham-baraka amin' ny olona Ny fahamarinana manandratra ny firenena; ny fahotana kosa fahafaham-baraka amin' ny vahoaka. La justice grandit une nation, le péché est la honte des peuples.
Oha / Oh 14:35 The king' s favour is toward a wise servant: but his wrath is against him that causeth shame. Ny fankasitrahan' ny mpanjaka dia amin' ny mpanompo hendry; Fa ny fahatezerany kosa amin' ny manao izay mahamenatra. Ny tombom-pitian' ny mpanjaka, ho an' ny mpanompo manan-tsaina, ny hatezerany kosa ho an' izay mampahamenatra. La faveur du roi va au serviteur intelligent et sa colère à celui qui fait honte.

<-
->