<-
->

Oha / Oh 1:1 The proverbs of Solomon the son of David, king of Israel; Ny Ohabolan' i Solomona, zanak' i Davida, mpanjakan' ny Isiraely: Ohabolan' i Salomona, zanak' i Davida, mpanjakan' Israely: Proverbes de Salomon, fils de David, roi d' Israël :
Oha / Oh 1:2 To know wisdom and instruction; to perceive the words of understanding; Hahalalana fahendrena sy fananarana, Ary hahafantarana ny tenin' ny fahalalana; hahalalana ny fahendrena amam-pahaizana, hahafantarana ny lahateny misy saina; pour connaître sagesse et discipline, pour pénétrer les discours profonds,
Oha / Oh 1:3 To receive the instruction of wisdom, justice, and judgment, and equity; Hahazoana fananarana mampahahendry, Dia fahamarinana sy rariny ary fahitsiana; hahazoana fampianarana mazava, ny fahamarinana, ny rariny, ary ny hitsiny; pour acquérir une discipline avisée - justice, équité, droiture -
Oha / Oh 1:4 To give subtilty to the simple, to the young man knowledge and discretion. Hanomezam-pahendrena ho an' ny kely saina, Ary fahalalana sy fisainana mazava ho an' ny zatovo. hanomezam-pahafantarana ny kely saina, ary fahalalana sy fandinihana ho an' ny tanora. pour procurer aux simples le savoir-faire, au jeune homme le savoir et la réflexion,
Oha / Oh 1:5 A wise man will hear, and will increase learning; and a man of understanding shall attain unto wise counsels: Aoka ny hendry hihaino ka hitombo saina; Ary aoka ny manam-panahy hahazo fitarihana tsara; Aoka hihaino ny hendry, dia hitombo fahalalana izy; ary ny manantsaina, hahalala torohevitra feno fahamalinana, Que le sage écoute, il augmentera son acquis, et l' homme entendu acquerra l' art de diriger.
Oha / Oh 1:6 To understand a proverb, and the interpretation; the words of the wise, and their dark sayings. Hahafantarana ohabolana sy fanoharana, Ary ny tenin' ny hendry sy ny teny saro-pantarina ataony. dia ho fantany ny ohabolana aman-teny saro-pantarina, ny oha-teny sy ny ankamantatry ny olon-kendry. pour pénétrer proverbes et sentences obscures, les dits des sages et leurs énigmes.
Oha / Oh 1:7 The fear of the Lord is the beginning of knowledge: but fools despise wisdom and instruction. Ny fahatahorana an' i Jehovah no fiandoham-pahalalana; Fa ny adala manamavo ny fahendrena sy ny famaizana. Fananarana tsy hikambana amin' ny mpanao ratsy. Ny fahatahorana an' ny Tompo no fiandohan' ny fahendrena; fa ny adala manamavo ny fahendrena amam-pianarana. La crainte de Yahvé, principe de savoir : les fous dédaignent sagesse et discipline.
Oha / Oh 1:8 My son, hear the instruction of thy father, and forsake not the law of thy mother: Anaka, mihainoa ny ana-drainao, Ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao; Anaka, henoy ny fampianaran-drainao, ary aza arianao ny fanoroan-dreninao, Écoute, mon fils, l' instruction de ton père, ne méprise pas l' enseignement de ta mère :
Oha / Oh 1:9 For they shall be an ornament of grace unto thy head, and chains about thy neck. Fa fehiloha tsara tarehy amin' ny lohanao izany, Ary rado amin' ny vozonao. fa fehiloha tsara tarehy amin' ny lohanao izany, ary ravaka ho an' ny vozonao. c' est une couronne de grâce pour ta tête, des colliers pour ton cou.
Oha / Oh 1:10 My son, if sinners entice thee, consent thou not. Anaka, raha taomin' ny mpanota ianao, Aza manaiky. Anaka, raha misy mpanota mitady hanambosy anao, aza mety mankasitraka hianao. Mon fils, si des pécheurs veulent te séduire, n' y va pas!
Oha / Oh 1:11 If they say, Come with us, let us lay wait for blood, let us lurk privily for the innocent without cause: Raha hoy izy: Andeha hiaraka isika, Aoka isika hanotrika handatsa-drà; Andeha hamitsahantsika tsy ahoan-tsy ahoana ny tsy manan-tsiny; Raha izy ireo manao hoe: Avia hiaraka aminay; aoka hanotrika handatsa-dra isika; aoka isika hamela-pandrika fotsiny izao amin' ny tsy manan-tsiny. S' ils disent : " Viens avec nous, embusquons-nous pour répandre le sang, sans raison, prenons l' affût contre l' innocent;
Oha / Oh 1:12 Let us swallow them up alive as the grave; and whole, as those that go down into the pit: Aoka isika hitelina azy velona tahaka ny fitelin' ny fiainan-tsi-hita Ary hanao azy teli-moka toy ny latsaka any an-davaka; Aoka hitelina azy velona isika, hoatra ny seoly; hanao azy telimoka, toy ireo midina any an-davaka. comme le shéol, avalons-les tout vifs, tout entiers, tels ceux qui descendent dans la fosse!
Oha / Oh 1:13 We shall find all precious substance, we shall fill our houses with spoil: Dia ho azontsika ny fananana sarobidy rehetra, Ka hofenointsika babo ny tranontsika; Fa hahazo fananana sarobidy isankarazany isika, hofenointsika babo ny tranontsika; Nous trouverons mainte chose précieuse, nous emplirons de butin nos maisons;
Oha / Oh 1:14 Cast in thy lot among us; let us all have one purse: Avia mba hiara-miloka eto aminay; Aoka ho iray ihany ny kitapom-bolantsika rehetra: hahazo ny anjaranao miaraka aminay hianao amin' ny filokana; kitapo iray ihany no hiombonantsika rehetra. avec nous tu tireras ta part au sort, nous ferons tous bourse commune! "
Oha / Oh 1:15 My son, walk not thou in the way with them; refrain thy foot from their path: Anaka, aza miara-dalana aminy ianao; Arovy ny tongotrao tsy hankamin' ny alehany; Aza mandeha miaraka aminy eny an-dalana, anaka, avilio ny tongotrao tsy ho amin' ny sakeli-dalany; Mon fils, ne les suis pas dans leur voie, éloigne tes pas de leur sentier,
Oha / Oh 1:16 For their feet run to evil, and make haste to shed blood. Fa ny tongony mihazakazaka ho amin' ny ratsy Sady faingana handatsa-drà. fa mihazakazaka ho amin' ny ratsy ny tongony; ary midodododo handatsa-dra izy ireo. car leurs pieds courent au mal ils ont hâte de répandre le sang;
Oha / Oh 1:17 Surely in vain the net is spread in the sight of any bird. Fa velarim-poana ny fandrika, Raha hitan' ny vorona. Velarim-poana anefa ny fandrika harato, raha eo imason' ny zava-manan' elatra; car c' est en vain qu' on étend le filet sous les yeux de tout volatile.
Oha / Oh 1:18 And they lay wait for their own blood; they lurk privily for their own lives. Fa ireny dia manotrika handatsaka ny ran' ny tenany ihany; Mamitsaka hahafaty ny tenany ihany izy. izy ireo koa dia ny rany ihany no anaovany otrika, ny ainy ihany no hamelarany fandrika. C' est pour répandre leur propre sang qu' ils s' embusquent, contre eux-mêmes, ils sont à l' affût!
Oha / Oh 1:19 So are the ways of every one that is greedy of gain; which taketh away the life of the owners thereof. Toy izany no iafaran' izay rehetra fatra-pila harena; Fa hipaoka ny ain' izay fatra-pila azy izany. Izany no lalan' ny olona rehetra fatra-pila harena; fa ny tombom-pihariana maharesy an' izay mitana azy. Tels sont les sentiers de tout homme avide de rapine : elle ôte la vie à ceux qu' elle habite.
Oha / Oh 1:20 Wisdom crieth without; she uttereth her voice in the streets: Ny fahendrena miantso mafy eny ivelany; Manandratra ny feony eny an-kalalahana izy; Miantso mafy eny an-dalam-be ny fahendrena; manandra-peo eny amin' ny kianja izy. La Sagesse crie par les rues, sur les places elle élève la voix;
Oha / Oh 1:21 She crieth in the chief place of concourse, in the openings of the gates: in the city she uttereth her words, saying, Mitory ao amin' izay fivorian' ny maro be mireondreona izy; Eo anoloan' ny vavahady sy ao an-tanàna no ilazany ny teniny hoe: Mitory eo am-pihaonan-dalana maresaka izy; milaza ny teniny izy eo ambavahady sy eny an-tanana manao hoe: à l' angle des carrefours, elle appelle, près des portes, dans la ville, elle prononce son discours :
Oha / Oh 1:22 How long, ye simple ones, will ye love simplicity? and the scorners delight in their scorning, and fools hate knowledge? Ry kely saina, mandra-pahoviana no hitiavanareo ny fahadalana, Sy hifalian' ny mpaniratsira amin' ny faniratsirana, Ary hankahalan' ny adala ny fahalalana? Mandra-pahoviana, ry kely saina, no hitiavanareo ny fahakelezan-tsaina? Mandra-pahoviana no hifalian' ny mpananihany amin' ny fananihaniana, ary hankahalan' ny adala ny fahaizana? " Jusques à quand, ô niais, aimerez-vous la niaiserie ? et les railleurs se plairont-ils à la raillerie ? et les sots haïront-ils le savoir ?
Oha / Oh 1:23 Turn you at my reproof: behold, I will pour out my spirit unto you, I will make known my words unto you. Miverena ianareo hihaino ny fananarako; Indro, haidiko aminareo ny fanahiko, Ary hampahafantariko anareo ny teniko. Mitodiha hianareo hihaino ny fananarako, dia indro haidiko ao aminareo ny fanahiko, hampahafantariko anareo ny teniko. Convertissez-vous à mon exhortation, pour vous je vais épancher mon coeur et vous faire connaître mes paroles.
Oha / Oh 1:24 Because I have called, and ye refused; I have stretched out my hand, and no man regarded; Satria efa niantso Aho, fa nandà ianareo; Efa naninjitra ny tanako Aho, fa tsy nisy nitandrina; Noho izaho miantso anefa, fa lavinareo, noho izaho mamela-tanana, fa tsy misy mitandrina, Puisque j' ai appelé et que vous avez refusé, puisque j' ai étendu la main sans que nul y prenne garde,
Oha / Oh 1:25 But ye have set at nought all my counsel, and would none of my reproof: Fa nolavinareo ny saina rehetra natolotro, Sady tsy nety nanaiky ny anatro ianareo: noho hianareo tsy manahy ny saina atolotro rehetra, ary tsy tianareo akory ny fananarako: puisque vous avez négligé tous mes conseils et que vous n' avez pas voulu de mon exhortation,
Oha / Oh 1:26 I also will laugh at your calamity; I will mock when your fear cometh; Izaho kosa hihomehy, raha tonga ny fandringanana anareo; Handatsa Aho, raha tonga ny mahatahotra anareo. dia izaho kosa hihomehy anareo tra-pahoriana, hananihany anareo raha avy izay zava-mahatahotra anareo, à mon tour, je me rirai de votre détresse, je me moquerai quand viendra sur vous l'épouvante,
Oha / Oh 1:27 When your fear cometh as desolation, and your destruction cometh as a whirlwind; when distress and anguish cometh upon you. Raha tonga ny zava-mahatahotra anareo tahaka ny rivo-doza Ary ny fandringanana anareo toy ny tadio, Ka manjo anareo ny fahoriana sy ny fangirifiriana, raha avy hamely anareo, toy ny rivo-doza, ny zava-mahatahotra, raha hanorana anareo, toy ny tafio-drivotra, ny loza, raha hianjeram-pahoriana aman' ahiahy hianareo. quand l'épouvante viendra sur vous comme l' orage, quand votre détresse arrivera comme un tourbillon, quand l'épreuve et l' angoisse fondront sur vous.
Oha / Oh 1:28 Then shall they call upon me, but I will not answer; they shall seek me early, but they shall not find me: Dia vao hiantso Ahy izy, fa tsy hamaly Aho; Dia vao hitady Ahy fatratra izy, fa tsy ho hitany Aho. Amin' izay izy ireo hiantso ahy fa tsy hovaliako, hitady ahy fa tsy hahita ahy, Alors ils m' appelleront, mais je ne répondrai pas; ils me chercheront et ne me trouveront pas.
Oha / Oh 1:29 For that they hated knowledge, and did not choose the fear of the Lord: Satria nankahala ny fahalalana izy Ary tsy nifidy ny fahatahorana an' i Jehovah, satria izy ireo nankahala ny fahaizana, ka tsy naniry ny fahatahorana an' ny Tompo; Ils ont détesté le savoir, ils n' ont pas choisi la crainte de Yahvé,
Oha / Oh 1:30 They would none of my counsel: they despised all my reproof. Tsy nekeny ny saina natolotro, Notsiratsirainy avokoa ny anatro rehetra, satria tsy nandray ny saina natolotro, ary tsy nanao ho zavatra ny fananarako rehetra, ils n' ont pas voulu de mon conseil, ils ont méprisé toutes mes exhortations :
Oha / Oh 1:31 Therefore shall they eat of the fruit of their own way, and be filled with their own devices. Dia hihinana ny vokatry ny alehany izy Ka ho voky ny fihendreny. dia hihinana ny vokatry ny lalany izy, sy hivoky ny saim-pantatry ny tenany. ils mangeront donc du fruit de leurs errements, ils se rassasieront de leurs propres conseils!
Oha / Oh 1:32 For the turning away of the simple shall slay them, and the prosperity of fools shall destroy them. Fa ny fihemoran' ny kely saina hahafaty azy, Ary ny fiadanan' ny adala handringana azy. Fa ny faniasiavan' ny tsy mahalala no mamono azy, ary ny tokin' ny tsy misy saina no mahavery azy. Car l'égarement des niais les tue, l' insouciance des sots les mène à leur perte;
Oha / Oh 1:33 But whoso hearkeneth unto me shall dwell safely, and shall be quiet from fear of evil. Fa izay mihaino Ahy kosa hitoetra tsy manana ahiahy, Eny, handry fahizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy. Fa izay mihaino ahy kosa handry fahizay; ho velona amim-piadanana izy fa tsy hatahotra ny loza. mais qui m'écoute demeure en sécurité, il sera tranquille, sans craindre le malheur. "

<-
->