<-
->

1M 6:1 Tamin' izany Antiokosa mpanjaka nitety ireo faritany avo. Nony reny fa any Persa, any amin' i Elimaida, misy tanàna anankiray malaza amin-karena, be volafotsy sy volamena, Cependant le roi Antiochus parcourait les provinces d' en haut. Il apprit qu' il y avait en Perse une ville du nom d' Elymaïs, fameuse par ses richesses, son argent et son or,
1M 6:2 manan-tempoly be zava-tsarobidy, misy fiadiana navelan' i Aleksandra, zanak' i Filipo, mpanjakan' i Masedoana, ilay nanjaka voalohany tamin' ny Greka, avec un temple très riche renfermant des pièces d' armure en or, des cuirasses et des armes qu' y avait laissées Alexandre, fils de Philippe, roi de Macédoine, qui régna le premier sur les Grecs.
1M 6:3 dia nankany izy, ka nitady haka sy hambabo ny tanàna; kanjo tsy nahomby izy, fa fantatr' ireo tompon-tanàna ny fikasany. Il vint donc tenter de prendre cette ville pour la piller, mais il n' y réussit pas, les gens de la ville ayant eu connaissance de la chose.
1M 6:4 Nitsanga-kiady aminy ireo, dia vaky nandositra izy, sy nihataka tamin' alahelo lehibe, hiverina ho any Babilona. Ils s' opposèrent à lui les armes à la main. Il fut mis en fuite et quitta les lieux avec beaucoup de tristesse pour regagner Babylone.
1M 6:5 Tamin' izay nisy iraka tonga tany Persa nilaza taminy ny faharesen' ireo miaramila niditra tamin' ny tanin' i Jodà, Il était encore en Perse quand on vint lui annoncer la déroute des armées qui étaient entrées dans le pays de Juda.
1M 6:6 fa hoe: Nony nandorso nitondra tafika lehibe dia lehibe Lisiasa, dia voatery handositra teo anoloan' ny Jody, ka ireo kosa nampitombo ny heriny tamin' ny fiadiana mbamin' ny miaramila sy ny babo azony tamin' ny tafika resy; Lysias, en particulier, s'étant avancé avec une forte armée, avait dû fuir devant les Juifs devenus plus redoutables grâce aux armes, aux ressources et à la quantité de dépouilles enlevées aux armées vaincues;
1M 6:7 noravany ny fahavetavetana natsangany teo ambonin' ny otely, tany Jerosalema, nohodidininy manda avo toy ny taloha indray ny tempoly; toy izany koa no nataony tany Betsora, anankiray amin' ny tanànany. ceux-ci avaient renversé l' Abomination construite par lui sur l' autel à Jérusalem et entouré leur lieu saint de hautes murailles comme auparavant, ainsi que Bethsour, une de ses villes.
1M 6:8 Raha nandre izany vaovao izany ny mpanjaka, dia azon-tahotra mafy sy notsindrian-tebiteby lozan-tany, ka nidaboka teo amin' ny fandriany, sy nandraiki-nararin' alahelo, fa tsy tanteraka ny faniriany. A ces nouvelles, le roi, frappé de stupeur, fut en proie à une violente agitation : il se jeta sur sa couche et tomba malade de chagrin parce que les choses ne s'étaient pas passées selon ses désirs.
1M 6:9 Andro maro izy teo ihany, ary nihonaka lava tamin' ny fahorian-tsainy lalina. Nony nataony fa efa antomotra ny hahafatesany, dia niantso ireo sakaizany izy, sy nilaza taminy hoe: Il demeura là plusieurs jours, retombant sans cesse dans une profonde mélancolie. Lorsqu' il se vit sur le point de mourir,
1M 6:10 Ny torimaso nandao ny masoko, ary ny alahelo mandreraka ny foko, il convoqua tous ses amis et leur dit : "Le sommeil s' est retiré de mes yeux et mon coeur est abattu par l' inquiétude.
1M 6:11 ka hoy aho anakampoko: Alahelo lehibe manao ahoana ity mahazo ahy, ary hantsan-dalina manao ahoana ity nilatsahako izao? Ilay izaho tsara fo sy tiana teo amin' ny fanjakako teo iny! Je me suis dit à moi-même : A quelle affliction suis-je réduit et en quel flot de tristesse suis-je maintenant plongé? Moi qui étais bon et aimé au temps de ma puissance!
1M 6:12 Tsaroako anefa izao ny ratsy nataoko tany Jerosalema fa nentiko avokoa ny fanaka volamena sy volafotsy hita tao, ary nandefa tafika aho handringana, tsy misy antony, ny mponina rehetra tany Jodea. Mais à cette heure je me souviens des maux dont j' ai été l' auteur à Jérusalem, quand je pris tous les objets d' argent et d' or qui s' y trouvaient et que j' envoyai exterminer sans motif les habitants de Juda.
1M 6:13 Koa fantatro fa noho izany no niharan' izao loza izao amiko, ary indro aho ho faty amin' alahelo lehibe, aty an-tanin' olon-kafa. Je reconnais donc que c' est à cause de cela que ces malheurs m' ont atteint et que je meurs d' une profonde affliction sur une terre étrangère!"
1M 6:14 Dia niantso an' i Filipo, anankiray amin' ireo sakaizany izy, ka nanendry azy hitondra ny fanjakany manontolo. Il fit appeler Philippe, un de ses amis, et l'établit sur tout le royaume.
1M 6:15 Nomeny azy ny satro-boninahiny, ny akanjony, ny fitomboka, ary nasainy hampianatra an' i Antiokosa zanany sy hanabe azy hitondra ny fanjakana. Il lui donna son diadème, sa robe et son sceau, pour qu' il prît soin de l'éducation et de l' entretien d' Antiochus, son fils, en vue du trône.
1M 6:16 Dia maty teo amin' izany toerana izany Antiokosa mpanjaka, tamin' ny taona fahasivy amby efapolo amby zato. Le roi Antiochus mourut en ce lieu, l' année 149.
1M 6:17 Rehefa nandre ny nahafatesan' ny mpanjaka Lisiasa, dia nantsangany hanjaka handimby azy Antiokosa zanany, izay notezainy hatramin' ny fahazazany sy nomeny anarana hoe Eopatora. Lysias, à la nouvelle de sa mort, lui donna pour successeur son fils Antiochus qu' il avait élevé depuis son enfance et qu' il surnomma Eupator.
1M 6:18 Ny miaramila tao amin' ny manda dia namahy an' Israely tao amin' ny manodidina ny fitoerana masina, nataony lalandava izay hahasosotra azy ary nitsangan-ko fohan' ny firenena. Les gens de la Citadelle bloquaient Israël autour du sanctuaire et s' ingéniaient à lui faire du mal en toute occasion, et à soutenir les païens.
1M 6:19 Tapakevitra ny handrava azy Jodasa ka namory ny vahoaka rehetra hanao fahirano azy. Résolu à les exterminer, Judas convoqua tout le peuple pour les assiéger.
1M 6:20 Dia nivory izy rehetra, nanao fahirano azy, tamin' ny taona fahadimampolo amby zato, ary nanorina tilikambo fanipazam-bato sy milina hamelezana azy, izy ireo. On se rassembla et l' on mit le siège devant la Citadelle en l' an 150; on construisit des batteries et des machines.
1M 6:21 Afa-nandositra anefa ny sasany tamin' izay nafahirano, sady nisy Israelita maromaro mankahala ny fivavahana koa, nikambana tamin' izy ireo. Mais des assiégés rompirent le blocus, et avec eux des Israélites impies,
1M 6:22 Ka nandeha nankany amin' ny mpanjaka, nilaza taminy hoe: Miandry mandra-pahoviana hianao vao hanome rariny anay, sy hamaly ny ratsy natao tamin' ny rahalahinay? qui allèrent chez le roi et lui dirent : "Jusqu'à quand tarderas-tu à nous rendre justice et à venger nos frères?
1M 6:23 Nilatsaka an-tsitra-po tamin' ny fanompoana an-drainao izahay, nanefa izay nolazainy sy nanatanteraka ny didiny izahay. Nous avons consenti volontiers à servir ton père, à nous conduire selon ses ordres et à observer ses édits;
1M 6:24 Noho izany dia tonga fahavalonay ny zanaky ny vahoakanay; izay rehetra aminay tafalatsaka eo an-tanany dia voavono avokoa, ny lovanay norobainy. à cause de cela nos concitoyens nous ont pris en aversion. Bien plus, ils ont tué tous ceux d' entre nous qui sont tombés entre leurs mains et ont pillé nos héritages.
1M 6:25 Ary tsy taminay ihany izy no naninji-tànana, fa tamin' ireo tany mifanolotra aminay rehetra koa. Ils ont porté la main non seulement sur nous mais encore sur tous tes territoires.
1M 6:26 Jereo ange: efa mitoby eo anoloan' ny mandan' i Jerosalema izy izao, mba hanafahany azy, ary efa nohamafisiny koa ny tempoly, ary Betsora koa. Voici qu' ils investissent aujourd' hui la Citadelle de Jérusalem pour s' en rendre maîtres et qu' ils ont fortifié le sanctuaire et Bethsour.
1M 6:27 Ka raha tsy sakananao faingana mialoha izy, dia handroso handroso eo ihany, ka tsy ho azonao tohaina intsony. Si tu ne te hâtes pas de les prévenir, ils en feront encore davantage et tu ne pourras plus les arrêter."
1M 6:28 Nentin-katezerana ny mpanjaka, nony nandre izany, ka nantsoiny avokoa ny sakaizany, ny mpitari-tafiny, mbamin' ireo mpifehy ny mpitaingin-tsoavaly. A ces mots, le roi se mit en colère et réunit tous ses amis, les chefs de son armée et les maréchaux.
1M 6:29 Nisy miaramila mpikarama koa, tonga teo aminy, avy amin' ny fanjakana hafa sy amin' ny nosin-dranomasina. Des autres royaumes et des îles de la mer il lui vint aussi des troupes mercenaires.
1M 6:30 Izao no isan' ny tafiny: miaramila an-tongotra iray hetsy, an-tsoavaly roa alina, ary elefanta zatra ady roa amby telopolo. Le nombre de ses forces s'éleva à 100.000 fantassins, 20.000 cavaliers et 32 éléphants dressés au combat.
1M 6:31 Nandroso nihazo an' Idomea izy ireo, dia niorin-toby teo anoloan' i Betsora, niady naharitra ela izy, sady nanorina milina fiadiana, fa nivoaka nandoro azy ny Jody naneho herim-po lehibe. Ils vinrent par l' Idumée et assiégèrent Bethsour qu' ils combattirent longtemps à l' aide de machines. Mais les autres, opérant des sorties, y mettaient le feu et luttaient vaillamment.
1M 6:32 Tamin' izay, nialan' i Jodasa ny manda ka lasa izy nitoby tao Beta-Zakaria, tandrifin' ny tobin' ny mpanjaka. Alors Judas partit de la Citadelle et vint camper à Bethzacharia en face du camp royal.
1M 6:33 Nifoha maraina koa ny mpanjaka, nasainy niainga tampoka nihazo ny làlana mankany Beta-Zakaria ny tafiny, ka dia nivonon-kamely sy nampaneno trompetra ny miaramila. Le roi, debout de grand matin, enleva sa troupe d' un bond sur le chemin de Bethzacharia où les armées prirent leur position de combat et sonnèrent de la trompette.
1M 6:34 Norosoany ranom-boaloboka amam-boaroihazo, teo imason' ny elefanta, mba hamporisika azy hiady. On exposa à la vue des éléphants du jus de raisin et de mûre pour les disposer à l' attaque.
1M 6:35 Nozarainy hatao anelanelan' ny isan-tokony avy ireo biby ireo, ka isan' elefanta dia notronin' ny miaramila arivo miakanjo fiarovan-tratra, makarakara vy, misatroka satroka varahina, ary mpitaingin-tsoavaly diman-jato voafantina, nilahatra teo anilany. Les bêtes furent réparties parmi les phalanges. Près de chaque éléphant on rangea mille hommes cuirassés de cottes de mailles et coiffés de casques de bronze, sans compter 500 cavaliers d'élite affectés à chaque bête.
1M 6:36 Ireo an-tsoavaly ireo dia raikitra ho eo amin' izay misy ity biby mandrakariva; izay alehan' io no alehan' ireo koa, fa tsy misaraka aminy na oviana na oviana ireo. Ceux-ci prévenaient tous les mouvements de la bête et l' accompagnaient partout sans jamais s' en éloigner.
1M 6:37 Eo ambonin' ny isan' elefanta, nisy tilikambo hazo mafy, ho fiarovana azy, mifatotra manodidina ny tenany, amin' ny anja-koditra, ka mpiady roa amby telopolo lahy, miady ao amin' io tilikambo io, no entin' ny elefanta iray, afa-tsy ny mpiandry azy. Sur chaque éléphant, comme appareil défensif, une solide tour de bois était assujettie par des sangles, et dans chacune se trouvaient les trois guerriers combattant sur les bêtes, en plus de leur cornac.
1M 6:38 Ny mpitaingin-tsoavaly sisa, dia nalahatr' izy ireo, ho eo an-daniny roa, amin' ny tafika, mba hanahirana ny fahavalo sy hiaro ny antoko-miaramilany. Quant au reste de la cavalerie, le roi la répartit sur les deux flancs de l' armée pour harceler l' ennemi et couvrir les phalanges.
1M 6:39 Nony mitaratra amin' ny ampinga volamena sy varahina ny tana-masoandro, dia mamirapitratra ny tendrombohitra tarafin' ireo kosa, ka manjopiaka ohatran' ny fanilo afo. Lorsque le soleil frappa de ses rayons les boucliers d' or et d' airain, les montagnes en furent illuminées et brillèrent comme des flambeaux allumés.
1M 6:40 Ny laniny iray amin' ny tafiky ny mpanjaka nivelatra teo amin' ny tendrombohitra avo, ny laniny iray kosa teo amin' ny lohasaha, ary nandroso tamim-pandeha matotra sy milahatra tsara izy ireo. Une partie de l' armée royale se déploya sur les hauts de la montagne et une autre en contrebas; ils avançaient en formation solide et ordonnée.
1M 6:41 Nivadi-po avokoa ny olona tamin' ny akoralavan' izany vahoaka izany, sy ny firodorodon' ny diany, ary ny fikitrakitran' ny fiadiany. Fa tena tafika maro indrindra sy mahery tokoa izany. Tous étaient troublés en entendant les clameurs de cette multitude, le bruit de sa marche et le fracas de ses armes, armée immense et forte s' il en fut.
1M 6:42 Dia nandroso nitondra ny tafiny hiady Jodasa, ka enin-jato lahy no nitsingidina tamin' ny tafiky ny mpanjaka. Judas et sa troupe s' avancèrent pour engager le combat, et 600 hommes de l' armée du roi succombèrent.
1M 6:43 Eleazara, natao hoe koa Abarona, nahatazana iray tamin' ireo elefanta, niravaka firongon' ny elefantan' andriana, sady avo mihoatra noho ny namany. Eléazar surnommé Auârân aperçut alors une des bêtes caparaçonnée d' un harnais royal et surpassant toutes les autres par la taille. S' imaginant que le roi était dessus,
1M 6:44 Noheveriny fa tao ny mpanjaka, ka nahafoy ny ainy izy hamonjy ny fireneny, sy hamelon-tatara tsy maty ny anarany mandrakizay. il se sacrifia pour sauver son peuple et acquérir un nom immortel.
1M 6:45 Niezaka an-kasahiana nanatona an' io izy, namaky ny antoko-miaramila, namono ny teo an-kavanany sy teo an-kaviany; ka nisava nankeo an-daniny roa teo anoloany ny fahavalo. Il eut la hardiesse de courir sur la bête au milieu de la phalange, tuant à droite et à gauche, si bien que, devant lui, les ennemis s'écartèrent de part et d' autre.
1M 6:46 Dia nitsorofoka tao ambanin' ny elefanta izy, dia notrabarany io ka matiny, fa nidaraboka tamin' ny tany teo amboniny kosa ny elefanta, ka maty teo Eleazara. S'étant glissé sous l'éléphant, il le frappa par en dessous et le tua. La bête s'écroula à terre sur Eléazar qui mourut sur place.
1M 6:47 Nahita ny herin' ny fanjakana sy izato fimamamaman' ny miaramila anefa ny Jody, ka nihataka teo anoloany. Les Juifs, voyant les forces du royaume et l' impétuosité des troupes, se retirèrent devant elles.
1M 6:48 Niakatra ho ao Jerosalema tamin' izay ny miaramila tamin' ny tafiky ny mpanjaka, hitsena ny Jody: dia niorin-toby hamely an' i Jodea sy ny tendrombohitra Siona ny mpanjaka. L' armée royale monta au-devant des Juifs à Jérusalem, et le roi mit en état de siège la Judée et le mont Sion,
1M 6:49 Nanaovany fanekem-pihavanana ny tao Betsora dia nivoaka ny tanàna izy ireo, fa efa tsy nisy hanina ho enti-mihiboka ho azy ireo ao an-tanàna, satria taona fampitsaharana ny tany tamin' izay. tandis qu' il faisait la paix avec ceux de Bethsour qui évacuèrent la ville : ils n' avaient pas de vivres pour soutenir un siège, car c'était l' année sabbatique accordée à la terre.
1M 6:50 Izany no nahazoan' ny mpanjaka an' i Betsora sy nametrahany miaramila hiambina azy. Le roi prit Bethsour et y plaça une garnison pour la garder.
1M 6:51 Niorin-toby teo anoloan' ny fitoerana masina izy, naharitra andro maro, ka nanangana tilikambo fandefasam-bato, milina fiadiana, milina fandefasan-java-maranitra mirehitra mbamin' ny vato, maingoka fandefasan-jana-tsipika, ary antsamotady. Il assiégea assez longtemps le sanctuaire, dressant contre lui batteries et machines, lance-flammes et balistes, scorpions pour flèches et frondes.
1M 6:52 Ireo nafahirano koa nanao milina hanoherana ny an' ireto namahirano ka nampaharitra ela ny nanoherany azy. Les assiégés aussi dressèrent des machines contre celles des assiégeants et l' on combattit longtemps.
1M 6:53 Nefa tsy nisy hanina tao amin' ny magazay, satria taona fahafito ny tamin' izay, ary ny sisa napetraka hotahirizina, lanin' ny Israelita izay nandositra tany Jodea, teo anoloan' ny firenena. Mais il n' y avait pas de vivres dans les dépôts parce que c'était la septième année et que les Israélites ramenés en Judée du milieu des nations avaient consommé les dernières réserves.
1M 6:54 Ka Jody vitsy foana sisa tafajanona tao amin' ny fitoerana masina, fa nihahaka samy nody any aminy avy izy, satria nandroso nandroso teo ihany ny hanoanana. On laissa peu d' hommes dans le saint lieu parce qu' on était en proie à la famine; les autres se dispersèrent chacun chez soi.
1M 6:55 Tamin' izany Filipo, ilay notendren' i Antiokosa mpanjaka, fony izy mbola velona, hanabe sy hampanjaka an' i Antiokosa zanany, Philippe, que le roi Antiochus avait de son vivant choisi pour élever Antiochus, son fils, en vue du trône,
1M 6:56 no tonga avy any Persa sy Media, nomban' ny miaramila nanaraka ny mpanjaka, ka nitady handray ny raharaham-panjakana ho eo an-tanany. était revenu de Perse et de Médie avec les troupes qui avaient accompagné le roi, et cherchait à s' emparer de la direction des affaires.
1M 6:57 Nony nahare izany vaovao izany Lisiasa dia tsy nisy nahadodoka azy intsony afa-tsy ny hiala eo ihany. Hoy izy tamin' ny mpanjaka sy ny lehiben' ny tafika ary ny miaramila: Isika ity mihena an-toerana isan' andro, ny hanina kely sisa ananantsika, ny toerana ataontsika fahirano voamanda, kanefa ny raharaham-panjakana izao tokony ho raharahaintsika. Lysias n' eut rien de plus pressé que de signifier le départ. Il dit au roi, aux généraux de l' armée et aux hommes : "Nous dépérissons chaque jour, notre ration se fait maigre et le lieu que nous assiégeons est bien fortifié. Du reste, les affaires du royaume nous attendent.
1M 6:58 Koa ankehitriny, ndao hifandray tànana amin' ireo olona ireo, manaova fanekem-pihavanana aminy sy amin' izy rehetra iray firenena; Donnons donc la main droite à ces hommes, faisons la paix avec eux et avec toute leur nation.
1M 6:59 ekeo ny hahazoany manao toe-piainana araka ny lalany toy ny taloha, fa noho ny amin' ireo lalàna ireo, izay notadiavintsika ho foanana ihany, no nahatezitra azy sy nahavitany izao zavatra rehetra izao. Accordons-leur de vivre suivant leurs coutumes comme auparavant, car c' est à cause des coutumes que nous avons abolies qu' ils se sont irrités et ont fait tout cela."
1M 6:60 Sitraky ny mpanjaka sy ny mpifehy izany teny izany, ka naniraka olona hanao raharaham-pihavanana amin' izy ireo izy, ary nanaiky izany izy. Le roi et les chefs approuvant ce motif, il envoya traiter de la paix avec les Juifs, qui acceptèrent.
1M 6:61 Nankatoavin' ny mpanjaka sy ny mpifehy tamim-pianianana ny fanekena, ka dia nivoaka ny manda ireo natao fahirano. Le roi et les chefs confirmèrent l' accord par serment et là-dessus les assiégés sortirent de la forteresse.
1M 6:62 Kanjo nony tafiditra tao an-tendrombohitra Siona ny mpanjaka, ka nahita izato manda, dia nivadihany ny fianianana nataony, ka nanome didy handrava ny manda manodidina izy. Alors le roi entra au mont Sion et, voyant la force de ce lieu, il viola le serment qu' il avait prêté et donna l' ordre de démanteler toute l' enceinte.
1M 6:63 Izay izy dia niainga maika dia maika hiverina ho any Antiokia, izay nahitany an' i Filipo, efa tonga tompon' ny tanàna, ka niady taminy izy, dia azony ny tanàna. Puis il partit en toute hâte et retourna à Antioche où il trouva Philippe maître de la ville. Il lui livra bataille et s' empara de la ville par la force.

<-
->