<-
->

1M 3:1 Dia nitsangana nandimby azy Jodàsa zanany, atao hoe Makabeo. Judas, appelé Maccabée, son fils, se leva à sa place;
1M 3:2 Nanampy azy avokoa ireo rahalahiny mbamin' izay rehetra nanatona homba an-drainy, niady an-kavaliana ny adin' Israely. tous ses frères et tous les partisans de son père lui prêtèrent leur concours. Ils menèrent le combat d' Israël avec entrain.
1M 3:3 Nampitatra ny voninahitry ny fireneny izy, niakanjo fiarovan-tratra toy ny lehilahy mahery izy, namehy teo am-balahany ny fiadiany enti-miady dia nandrafitra ady, niaro ny tobin' Israely tamin' ny sabany. Il étendit le renom de son peuple, revêtit la cuirasse comme un géant et ceignit ses armes de guerre. Il engagea mainte bataille, protégeant le camp par son épée,
1M 3:4 Teo am-pikatrohana izy, dia toy ny liona, sy nanahaka ny liona tanora mierona amin' ny rembiny. rival du lion dans ses hauts faits, pareil au lionceau rugissant sur sa proie.
1M 3:5 Nenjehiny ny mankahala ny fivavahana, nokarohiny hatrany am-piereny tany, ary nodorany amin' ny afo izay nanabataba ny fireneny. Il fit la chasse aux mécréants qu' il dépistait et livra au feu les perturbateurs de son peuple.
1M 3:6 Nihemotra tsiravina teo anatrehany ny mpankahala ny fivavahana, nivadi-po avokoa izay rehetra mpampanao ratsy; ary ny tànany nanatanteraka soa aman-tsara ny fanafahana ny fireneny. Les mécréants furent abattus par la terreur qu' il inspirait, tous les ouvriers d' iniquité furent bouleversés, et la libération dans sa main fut menée à bon terme.
1M 3:7 Ny asa nataony nampiditra alahelo mangidy tamin' ny mpanjaka maro, sy hafaliana tamin' i Jakoba; ary ny fahatsiarovana azy, hankalazaina mandrakizay. Il causa d' amers déboires à plus d' un roi, réjouit Jacob par ses actions, et sa mémoire sera en bénédiction à jamais.
1M 3:8 Nitety ny tanànan' i Jodà izy, nandringana an' izay mankahala ny fivavahana, ka namily ny hatezerana tsy ho amin' Israely. Il parcourut les villes de Juda pour en exterminer les impies, et détourna d' Israël la Colère.
1M 3:9 Tonga nalaza hatrany am-paran' ny tany ny anarany, ary nangoniny izay efa teo am-bavan' ny fahafatesana. Son nom retentit jusqu' aux extrémités de la terre car il a rassemblé ceux qui étaient perdus.
1M 3:10 Namory miaramila mpanompo sampy Apolloniosa, dia tafika lehibe, nalainy tany Samaria, hiady amin' Israely. Apollonius rassembla des païens et un fort contingent de Samarie pour faire la guerre à Israël.
1M 3:11 Vao nilazana izany Jodasa dia nandeha hamely azy, naharesy azy izy, dia namono nahafaty azy; maro ny fahavalo maty, ary ny sisa nandositra. Judas le sut et sortit à sa rencontre; il le défit et le tua. Beaucoup tombèrent blessés à mort et le reste s' enfuit.
1M 3:12 Ka nobaboin' ny Jody ny fananany, ary nalain' i Jodasa ny sabatr' i Apolloniosa, dia izay no nanaovany mandrakariva tamin' ny ady hatramin' izay. On ramassa les dépouilles; Judas s' attribua l'épée d' Apollonius et s' en servit au combat tous les jours de sa vie.
1M 3:13 Nony ren' i Serona filohan' ny tafiky ny Siriana, fa hoe: nahavory olona betsaka Jodasa, dia antokon' ireo Jody tsy nivadika, momba azy amin' ny ady, dia hoy izy: A la nouvelle que Judas avait rassemblé autour de lui un assemblage de croyants et de gens de guerre, Séron, général de l' armée de Syrie,
1M 3:14 Hamelon-tantara ny anarako aho, dia hahazo voninahitra amin' ny fanjakana, hiady amin' i Jodasa sy ireo momba azy izay naniratsira ny didin' ny mpanjaka. se dit à lui-même : "Je me ferai un nom et me couvrirai de gloire dans le royaume. Je combattrai Judas et ses hommes, qui méprisent les ordres du roi."
1M 3:15 Dia nanafika fanindroany tokoa izy; tafik' olona maro mpankahala ny fivavahana no niakatra niaraka taminy, mba hanampy azy, hamely ny zanak' Israely. Il partit donc à son tour et avec lui monta une puissante armée d' impies pour l' aider à tirer vengeance des Israélites.
1M 3:16 Nony mby akaikin' ny fiakaran' i Betorona izy ireo, dia nandroso nitsena azy Jodasa nomba-miaramila vitsy foana. Comme il approchait de la montée de Bethorôn, Judas sortit à sa rencontre avec une poignée d' hommes.
1M 3:17 Raha nahita ny tafika tamy hamely azy ny miaramilany, dia nanao tamin' i Jodasa hoe: Hataontsika vitsy kely ireto ahoana no fiady amin' ireo vahoaka be loatra ireo? Indrindra fa isika dia efa reraka avy nifady hanina androany. A la vue de l' armée qui s' avançait contre eux, ceux-ci dirent à Judas : "Comment pourrons-nous, en si petit nombre, lutter contre une si forte multitude? Nous sommes exténués, n' ayant rien mangé aujourd' hui."
1M 3:18 Fa hoy Jodasa namaly azy ireo: Zavatra mora foana ny hangejan' ny olona vitsy kely eo am-pelatànany ny vahoaka maro be; tsy misy hafa amin' Andriamanitry ny lanitra, ny mamonjy amin' ny maro, na amin' ny vitsy. Judas répondit : "Qu' une multitude tombe aux mains d' un petit nombre est chose facile, et il est indifférent au Ciel d' opérer le salut au moyen de beaucoup ou de peu d' hommes,
1M 3:19 Satria ny fandresena amin' ny ady tsy avy amin' ny hamaroan' ny mpiady, fa avy any an-danitra no ihavian' ny hery. car la victoire à la guerre ne tient pas à l' importance de la troupe : c' est du Ciel que vient la force.
1M 3:20 Izy ireo mandroso hamely antsika, feno avona amam-pankahalana ny fivavahana, mba hamono antsika mbamin' ny vady aman-janatsika sy handroba antsika. Ceux-ci viennent contre nous, débordant d' insolence et d' iniquité, pour nous exterminer, nous, nos femmes et nos enfants, et nous dépouiller.
1M 3:21 Fa isika kosa miady hiaro ny aintsika sy ny lalàntsika. Mais nous, nous combattons pour nos vies et pour nos lois,
1M 3:22 Koa homontsanin' Andriamanitra eo anoloantsika ireo; ka aza matahotra an' ireo hianareo. et lui les brisera devant nous, ne craignez rien de leur part."
1M 3:23 Vao nitsaha-niteny izy, dia niantoraka tampoka tamin' izy ireo, ka resy Serona sady nahita ny tafiny montsana teo imasony. Lorsqu' il eut cessé de parler, il bondit sur eux à l' improviste. Séron et son armée furent écrasés.
1M 3:24 Nenjehin' i Jodasa nitsontsorika ny fidinan' i Betorona, hatrany amin' ny tany lemaka izy; valon-jato lahy no maty tamin' ny miaramilany, ary ny sisa nandositra any amin' ny tanin' ny Filistina. Ils les poursuivirent à la descente de Bethorôn jusqu'à la plaine. 800 hommes environ succombèrent et le reste s' enfuit au pays des Philistins.
1M 3:25 Izay vao niely ny tahotra an' i Jodasa mbamin' ireo rahalahiny, dia tsiravina ny firenena manodidina. Judas et ses frères commencèrent à être redoutés et l' effroi fondit sur les nations d' alentour.
1M 3:26 Tonga hatrany amin' ny mpanjaka ny lazany, ary niresaka ny adin' i Jodasa avokoa izay vahoaka. Son nom parvint jusqu' au roi et toutes les nations commentaient les batailles de Judas.
1M 3:27 Nisafoaky ny hatezerana Antiokosa mpanjaka, nandre izany vaovao izany, nanome didy izy sy namory ny miaramila rehetra teo amin' ny fanjakany, izay tafika lehibe dia lehibe. Lorsqu' il entendit ces récits, Antiochus entra dans une grande fureur; il envoya rassembler toutes les forces de son royaume, une armée très puissante.
1M 3:28 Nosokafany ny firaketany dia nomeny ny karamany amin' ny herin-taona ny miaramilany, sady nandidy izy hatao vonona amin' izay rehetra hilana azy izy ireo. Il ouvrit son trésor, distribua la solde aux troupes pour un an et leur enjoignit d'être prêtes à toute éventualité.
1M 3:29 Hitany tamin' izay anefa fa tsy ampy ny vola tao am-batany, sady kely ny hetra avy amin' ny faritaniny, noho ny fikorontanana sy ny loza nampidiriny tamin' ny tany, tamin' ny nitadiavany hamongorana ny lalàna efa narahina hatramin' ny fahagolan-tany. Il s' aperçut alors que l' argent manquait dans ses coffres et que les tributs de la province avaient diminué, par suite des dissensions et du fléau qu' il avait déchaînés dans le pays en supprimant les lois qui existaient de toute antiquité.
1M 3:30 Natahorany sao ho toraka izay efa nahazo azy matetika, ka tsy hanan-kandoavana ny lany sy hanomezam-be izy, fa efa fanaony taloha ny mitobatoba be loatra, sy mihoatra noho ny mpanjaka rehetra talohany aza. Il craignit de ne pas avoir, comme il était arrivé plus d' une fois, de quoi fournir aux dépenses et aux largesses qu' il faisait auparavant d' une main prodigue, surpassant en cela les rois ses prédécesseurs.
1M 3:31 Noho izany fahasahiranany mafy izany, tapa-kevitra ny ho any Persa izy hamory hetra amin' ireo faritany ireo sy hanangom-bola be. L' anxiété s' emparait de son âme, il décida de gagner la Perse pour lever les tributs des provinces et ramasser beaucoup d' argent.
1M 3:32 Ka dia Lisiasa lehilahy ambony sy anisan' ny finakavian' ny mpanjaka, no napetrany ho lohan' ny raharaha teo amin' ny fanjakana hatramin' ny ony Eofrata ka hatramin' ny sisin-tanin' i Ejipta, Il laissa Lysias, homme de la noblesse et de la famille royale, à la tête de ses affaires depuis l' Euphrate jusqu'à la frontière de l' Egypte,
1M 3:33 sy hikarakara an' i Antiokosa zanany, mandra-piveriny. et le chargea de la tutelle d' Antiochus, son fils, jusqu'à son retour.
1M 3:34 Napetrany aminy ny antsasaky ny miaramilany sy ny elefanta, ary nomeny didy izy hanatanteraka ny hevitra voakasany rehetra, indrindra ny amin' ny mponina any Jodà sy Jerosalema. Il lui confia la moitié de ses troupes, avec les éléphants, et lui dicta toutes ses volontés, en particulier au sujet des habitants de la Judée et de Jérusalem
1M 3:35 Tsy maintsy handefa tafika Lisiasa handrava sy hamongotra ny fahefan' Israely mbamin' izay sisa ao Jerosalema, ary hanafoana ny fahatsiarovana azy, amin' izany toerana izany, il devait envoyer contre eux une armée pour extirper et faire disparaître la force d' Israël et le petit reste de Jérusalem, effacer leur souvenir de ce lieu,
1M 3:36 dia hamponina taranak' olon-kafa firenena eo amin' ny taniny rehetra, ka ireo no hizarany ny taniny amin' ny filokana. établir des fils d'étrangers sur tout leur territoire et distribuer leur pays en lots.
1M 3:37 Rahefa izany, nentiny homba azy ny antsasaky ny miaramilany, dia niala tao Antiokia renivohiny ny mpanjaka tamin' ny taona fahafito amby efapolo amby zato, nita ny ony Eofrata dia namaky ny tany avo. Le roi prit avec lui la moitié restante des troupes et partit d' Antioche, capitale de son royaume, l' an 147; il traversa l' Euphrate et poursuivit sa marche à travers les provinces d' en haut.
1M 3:38 Ptolemea zanak' i Dorimena sy Nikanora ary Gorjiasa kapiteny mahay, sady sakaizan' ny mpanjaka, no nofidin' i Lisiasa, Lysias se choisit Ptolémée fils de Dorymène, Nikanor et Gorgias, personnages puissants d' entre les amis du roi.
1M 3:39 ary miaramila an-tongotra efatra alina sy an-tsoavaly fito arivo no nalefany hiaraka amin' izy ireo hanafika any amin' ny tanin' i Jodà sy handrava azy, araka ny didin' ny mpanjaka. Il envoya avec eux 40.000 hommes de pied et 7.000 cavaliers pour envahir le pays de Juda et le dévaster suivant l' ordre du roi.
1M 3:40 Dia niainga izy ireo, mbamin' ny miaramilany rehetra, ka nony tonga tany, dia nitoby teo amin' ny tany lemaka, akaikin' i Emaosa. S'étant mis en marche avec toute leur armée, ils arrivèrent près d' Emmaüs dans le Bas-Pays et y dressèrent leur camp.
1M 3:41 Vao nandre ny fahatongavany ireo mpandranto teo amin' ny tany, dia nitondra volafotsy sy volamena betsaka ary parapaingo koa nentiny nakao amin' ny tobin' ny Siriana hividianany ny zanak' Israely hataony andevo. Nikambana tamin' io tafika io koa ny miaramilan' i Siria sy ny teo amin' ny tanin' ny Filistina. Les trafiquants de la province l' apprirent par la renommée; ils prirent avec eux de l' or et de l' argent en grande quantité ainsi que des entraves et s' en vinrent au camp pour acheter comme esclaves les Israélites. Un contingent d' Idumée et du pays des Philistins se joignit à eux.
1M 3:42 Hitan' i Jodasa sy ireo rahalahiny, fa nihamafotaka ny raharaha sady efa mitoby eo amin' ny sisin-taniny ny tafiky ny fahavalo; fantany koa ny didy nomen' ny mpanjaka mampandringana sy mampamongotra ny fireneny, Judas et ses frères virent que le malheur s' aggravait et que des armées campaient sur leur territoire. Ils connurent aussi la consigne donnée par le roi de livrer leur peuple à une destruction radicale.
1M 3:43 ka dia nifampilaza hoe izy ireo: Atsangano indray ny firenentsika rava; ary miadia ho an' ny firenentsika sy ny fitoerana masintsika. Ils se dirent alors les uns aux autres : "Relevons notre peuple de sa ruine et luttons pour notre peuple et notre saint lieu."
1M 3:44 Dia nivory ny fiangonana, hioman-kiady sy hivavaka hangata-pitsimbinana amim-pamindram-po. On convoqua l' assemblée pour se préparer à la guerre, se livrer à la prière et implorer pitié et miséricorde.
1M 3:45 Ary Jerosalema dia tsy nisy mponina, fa toy ny efitra; ny zanany tsy nisy niditra na nivoaka teo; ny fitoerana masina voahosihosy, ny trano mimanda dia tànan' ny zanaky ny firenena hafa, fonenan' ny firenena izy. Niala teo amin' i Jakoba ny hafaliana, ary tsy re intsony ny filiotra amana harpa. Or Jérusalem était dépeuplée comme un désert, de ses enfants nul n' y entrait, nul n' en sortait. Le sanctuaire était foulé aux pieds et les fils d'étrangers logeaient dans la Citadelle, devenue un caravansérail pour les nations. La joie avait disparu de Jacob et l' on n' entendait plus ni flûte ni lyre.
1M 3:46 Nony tafavory izy ireo, dia nankao Masfa tandrifin' i Jerosalema, fa nisy fitoeram-pivavahana ho an' Israely tao fahiny. Ils se rassemblèrent donc et vinrent à Maspha en face de Jérusalem, car il y avait eu jadis à Maspha un lieu de prière pour Israël
1M 3:47 Tamin' izany andro izany, izy ireo nifady hanina, nisamboritra lasàka, nanisy lavenona ny lohany, ary nandriatra ny fitafiany. Ils jeûnèrent ce jour-là, revêtirent des sacs, répandirent de la cendre sur leur tête et déchirèrent leurs vêtements.
1M 3:48 Novelariny ny bokin' ny lalàna izay nokarohin' ny firenena hanoratany ny sarin-tsampiny, Ils déployèrent le livre de la Loi pour y découvrir ce que les païens demandaient aux représentations de leurs faux dieux.
1M 3:49 nentiny ny fitafiam-pisoronana, ny voaloham-bokatra, ny fahafolon-karena, ary nasainy nanatona ny Nazareana efa nahatapitra ny fotoan' ny voadiny; Ils apportèrent les ornements sacerdotaux, les prémices et les dîmes, ils firent paraître les Naziréens qui avaient accompli la période de leur voeu.
1M 3:50 dia niantso tamim-peo avo nitaraina tamin' ny lanitra izy nanao hoe: Inona no hataonay amin' ireto olona ireto, ary aiza no hitondranay azy? Ils disaient en élevant la voix vers le Ciel : "Que faire de ces gens-là et où les emmener?
1M 3:51 Ny fitoeranao masina efa voahosihosy sy voaloto, ny mpisoronao dia ao anatin' ny fisaonana aman-kenatra. Ton lieu saint, on l' a foulé aux pieds et profané, tes prêtres sont dans le deuil et l' humiliation,
1M 3:52 Ary indreo tafavory hamely anay ny firenena mba hamongotra anay; fantatrao ny fikasany hamely anay. et voici que les nations se sont liguées contre nous afin de nous faire disparaître. Tu connais leurs desseins à notre égard.
1M 3:53 Hataonay ahoana no fahaleo azy ireo, raha tsy vonjenao izahay? Comment pourrons-nous résister en face d' elles si tu ne viens pas à notre secours?"
1M 3:54 Dia nitsoka trompetra izy ireo, ary nandefa feo fitarainana mafy. Ils firent ensuite sonner les trompettes et poussèrent de grands cris.
1M 3:55 Nanaraka izany, nanendry mpifehy ny vahoaka Jodasa, tompon' arivo, tompon-jato, tompon-dimampolo, tompom-polo. Après cela, Judas institua des chefs du peuple, chefs de milliers, de centaines, de cinquantaines et de dizaines.
1M 3:56 Ary izay vao avy nanorin-trano, na nampaka-bady, na namboly voaloboka, mbamin' izay natahotra, dia nilazany mba hody any an-tranony avy araka ny lalàna. A ceux qui étaient en train de bâtir une maison, ou qui venaient de se fiancer, de planter une vigne, ou qui avaient peur, il dit de s' en retourner chacun à sa demeure comme le permettait la Loi.
1M 3:57 Rahefa izany dia nanainga ny tafika, ka nandeha nitoby teo atsimon' i Emaosa. La colonne se mit alors en marche et vint camper au sud d' Emmaüs.
1M 3:58 Ary hoy Jodasa: Misikìna hianareo, ary samia mitomban-dahy, mivonòna ho amin' ny rahampitso maraina, hiady amin' ireo firenena tafakambana hamono antsika ireo, dia isika sy ny fitoerana masintsika. "Equipez-vous, dit Judas, soyez des braves, tenez-vous prêts à combattre demain ces nations qui sont massées contre nous pour notre ruine et celle de notre sanctuaire,
1M 3:59 Fa tsaratsara kokoa ho antsika ny maty mitam-piadiana toy izay mahita ny loza manjo ny firenentsika sy ny fitoerana masintsika voaloto. car il vaut mieux pour nous mourir dans la bataille qu'être spectateurs des malheurs de notre nation et de notre lieu saint.
1M 3:60 Ary na inona na inona sitra-pon' ny lanitra dia aoka ho tanteraka izany. Ce que le Ciel aura voulu, il l' accomplira."

<-
->