<-
->

1M 15:1 Avy teo amin' ireo nosin-dranomasina no nandefasan' i Antiokosa zanak' i Demetriosa taratasy ho an' i Simona mpisorona sy lehiben' ny Jody sy ho an' ny firenena rehetra. Antiochus, fils du roi Démétrius, envoya, des îles de la mer, à Simon, prêtre et ethnarque des Juifs, et à toute la nation,
1M 15:2 Toy izao no voasoratra ao: Ny mpanjaka Antiokosa manoratra ho an' i Simona mpisorona lehibe sy mpifehy faritany, ary ho an' ny firenena Jody: Arahaba! une lettre ainsi conçue "Le roi Antiochus à Simon, grand prêtre et ethnarque, et à la nation des Juifs, salut.
1M 15:3 Noho ny nahazoan' ireo olon-dratsy ny fanjakan' ny razanay, dia tiako ny haka azy indray, hampodiako azy amin' ny toetrany taloha, ka efa namory miaramila maro sy nanomana sambo mpiady betsaka aho; Puisque des malfaiteurs se sont emparés du royaume de nos pères, que je prétends revendiquer la possession du royaume afin de le rétablir dans sa situation antérieure, et que j' ai levé quantité de troupes et équipé des vaisseaux de guerre
1M 15:4 ary nikasa hiakatra any amin' ny tany aho izao, hamaly ny ratsy nataon' ireny, izay nandringana ny tany sy nandrava ny tanàna maro be teo amin' ity fanjakana ity. avec l' intention de débarquer dans le pays et de poursuivre ceux qui l' ont ruiné et qui ont dévasté beaucoup de villes de mon royaume,
1M 15:5 Ankatoaviko avokoa ny fanahafana amin' ny hetra nomen' ireo mpanjaka talohako anao, mbamin' ny fanahafana hafa rehetra nomeny anao koa. je te confirme donc maintenant toutes les remises que t' ont concédées les rois, mes prédécesseurs, et la dispense de tous les autres présents qu' ils t' ont accordée.
1M 15:6 Omeko làlana hianao hanefy vola misy ny sarinao ho an' ny taninao. Je te permets de battre monnaie à ton empreinte, avec cours légal dans ton pays.
1M 15:7 Aoka hahazaka tena Jerosalema sy ny tempoly; apetraka ho anao avokoa ny fiadiana nataonao, mbamin' ny trano mimanda naorinao sy tànanao. Que Jérusalem et le sanctuaire soient libres; que toutes les armes que tu as fabriquées et les forteresses que tu as bâties et que tu occupes te demeurent.
1M 15:8 Apetraka ho anao koa ny zavatra rehetra tsy maintsy naloa na mbola haloa amin' ny rakitry ny mpanjaka, hatramin' izao sy mandrakizay. Que tout ce que tu dois au trésor royal et ce que tu lui devras dans l' avenir te soit remis dès maintenant et pour toujours.
1M 15:9 Rahefa tafiditra avy nahazo ny fanjakanay indray izahay, dia homenay voninahitra lehibe hianao sy ny firenenao ary ny fitoerana masina, ka hamirapiratra eran' izao tontolo izao ny voninahitrareo amin' izany. Lorsque nous aurons conquis notre royaume, nous te gratifierons, toi, ta nation et le sanctuaire, de tels honneurs que votre gloire deviendra éclatante sur toute la terre."
1M 15:10 Tamin' ny taona fahefatra amby fitopolo amby zato dia niroso ho any amin' ny tanindrazany Antiokosa, ary tonga nilahatra homba azy avokoa ny miaramila, hany ka lehilahy vitsivitsy sisa tafajanona teo amin' i Trifona. L' année 174, Antiochus se mit en marche vers le pays de ses pères, et toutes les troupes s' en vinrent à lui, de sorte qu' il resta peu de monde avec Tryphon.
1M 15:11 Nanomboka nanenjika azy Antiokosa mpanjaka, ka any Dora, amoron-dranomasina, Trifona no niezaka nandositra; Antiochus se mit à sa poursuite et Tryphon s' enfuit à Dôra sur la mer,
1M 15:12 satria hitany fa ratsy maro no mivangongo aminy, sady ny tafiny koa nandao azy. car il savait que les malheurs s' amassaient sur lui et que ses troupes l' avaient abandonné.
1M 15:13 Tonga nitoby teo anoloan' i Dora Antiokosa nitondra miantafika roa alina sy iray hetsy, sy an-tsoavaly valo arivo. Antiochus vint camper devant Dôra, avec 120.000 combattants et 8.000 cavaliers.
1M 15:14 Notemerany ny tanàna, fa nanatona avy etsy an-daniny teo amin' ny ranomasina koa ny sambo, ka voateriny izy na an-tanety na an-dranomasina, tsy nisy olona navelany hiditra na hivoaka. Il investit la ville, et les vaisseaux s' approchèrent du côté de la mer, de sorte qu' il pressait la ville par terre et par mer et ne laissait personne entrer ni sortir.
1M 15:15 Tamin' izany no tonga avy any an-tanànan' i Roma Nomeniosa sy ireo nanaraka azy, nitondra taratasy ho an' ny mpanjaka sy ny faritany rehetra, ka izao no teny tao aminy: Cependant, Nouménios et ses compagnons arrivèrent de Rome avec des lettres adressées aux rois et aux pays; en voici la teneur
1M 15:16 Losiosa konsilin' ny Romana manoratra ho an' i Ptolemea mpanjaka: Arahaba! "Lucius, consul des Romains, au roi Ptolémée, salut.
1M 15:17 Tonga taty aminay, araka ny maha-havana azy sy mpikambana aminay, ny ambasadaoron' ny Jody nirahin' i Simona mpisorona lehibe mbamin' ny vahoaka Jody, hanavao ny fanekena amam-pihavanana natao taloha. Les ambassadeurs des Juifs sont venus chez nous en amis et en alliés pour renouveler l' amitié et l' alliance de jadis, envoyés par le grand prêtre Simon et le peuple des Juifs.
1M 15:18 Nitondra ampinga volamena lanjan' arivo mina izy ireo. Ils ont apporté un bouclier d' or de mille mines.
1M 15:19 Noho izany, sitrakay ny manoratra ho an' ny mpanjaka sy ny firenena, mba tsy hanao izay hamohehatra azy, na hiady amin' izy ireo, na amin' ny tanànany, na amin' ny fireneny, na hanampy an' izay miady aminy. Il nous a plu, en conséquence, d'écrire aux rois et aux pays de ne pas leur chercher noise, de ne pas leur faire la guerre, ni à leurs villes, ni à leur pays, et de ne pas s' allier à ceux qui les attaqueraient.
1M 15:20 Sitrakay ny nandray izany ampinga izany tamin' izy ireo. Nous avons décrété de recevoir le bouclier de leur part.
1M 15:21 Koa raha misy olon-dratsy nitsoa-ponenana tany amin' izy ireo, tonga aty aminareo, dia atolory an' i Simona mpisorona lehibe izy, hofaiziny araka ny lalany. Si donc des gens pernicieux se sont enfuis de leur pays pour se réfugier chez vous, livrez-les au grand prêtre Simon pour qu' il les punisse suivant leurs lois."
1M 15:22 Izany taratasy izany dia nalefa koa ho an' i Demetriosa mpanjaka, Atala, Ariarata, Arsasa, La même lettre fut adressée au roi Démétrius, à Attale, à Ariarathe, à Arsace
1M 15:23 ary koa amin' ny faritany rehetra: Lampsaka, ny Sparsiata, Delosa, Minda, Sisiona, Karia, Samosa, Pamfilia, Lisia, Halikarnasa, Roda, Faselisa, Kosa, Sida, Aradosy, Gortina, Knida, Sipra, ary Sirena. et à tous les pays, à Sampsamé, aux Spartiates, à Délos, à Myndos, à Sicyone, à la Carie, à Samos, à la Pamphylie, à la Lycie, à Halicarnasse, à Rhodes, à Phasélis, à Cos, à Sidè, à Arados, à Gortyne, à Cnide, à Chypre et à Cyrène.
1M 15:24 Nokopiazin' izy ireo izany taratasy izany, ho an' i Simona mpisorona lehibe. Ils rédigèrent une copie de ces lettres pour le grand prêtre Simon.
1M 15:25 Tamin' ny andro faharoa, dia nasian' i Antiokosa mpanjaka Dora; narosony, narosony ihany ny miaramilany hanakaiky azy, sady nanorina milina izy, ka voahidiny tao Trifona, tsy nisy afa-niditra na nivoaka. Le roi Antiochus campait devant Dôra, dans le faubourg, faisant avancer continuellement les détachements contre la ville et construisant des machines. Il bloquait Tryphon de sorte qu' on ne pouvait ni sortir ni entrer.
1M 15:26 Tamin' izay Simona nandefa fanampiana ho any aminy, dia miaramila roa arivo voafantina, mbamin' ny volafotsy sy volamena ary fiasana be ihany. Simon lui envoya 2.000 hommes d'élite pour prendre part au combat, avec de l' argent, de l' or et un matériel considérable.
1M 15:27 Tsy nety nandray izany ny mpanjaka, fa notsipahiny ny fanekena rehetra nataony taloha tamin' i Simona, dia nihatahany izy. Il ne voulut pas les recevoir; bien plus, il révoqua tout ce dont il avait convenu avec Simon auparavant et il devint tout autre à son égard.
1M 15:28 Atenobiosa, iray amin' ireo sakaizany, no nirahiny hiresaka aminy sy hilaza aminy hoe: Hianareo efa mitana an' i Jope, Gazara, ny trano mimandan' i Jerosalema tanànan' ny fanjakako; Il lui envoya Athénobius, un de ses amis, pour conférer avec lui et lui dire : "Vous occupez Joppé, Gazara et la Citadelle qui est à Jérusalem, villes de mon royaume.
1M 15:29 nandrava ny manodidina azy ka nanimba zavatra be teo amin' ny tany, ary nahalasa toerana betsaka anisan' ny fanjakako. Vous avez dévasté leurs territoires, vous avez fait beaucoup de mal au pays et vous vous êtes rendu maîtres de nombreuses localités de mon royaume.
1M 15:30 Koa ankehitriny, atolory ny tanàna nalainareo sy ny hetran' ny tany lasanareo, ivelan' ny faritanin' i Jodea, Rendez donc maintenant les villes que vous avez prises et les impôts des cantons dont vous vous êtes emparés en dehors des limites de la Judée.
1M 15:31 na manomeza hianareo talenta volafotsy diman-jato, ho solon' izany, sy talenta diman-jato hafa koa, noho ny fanimbana nataonareo sy ny hetra tandrifin' ireo tanàna ireo; fa raha tsy izany, dia ho avy hiady aminareo izahay. Ou bien donnez à leur place 500 talents d' argent et, pour les dévastations que vous avez commises et pour les impôts des villes, 500 autres talents; sinon, nous viendrons vous faire la guerre."
1M 15:32 Nony tonga tao Jerosalema Atenobiosa sakaizan' ny mpanjaka, ka naahita ity firentirentin' i Simona, izato latabatra rakotry ny kapoaka volamena sy volafotsy mbamin' ity voninahitra be nisehoany, dia nitolagaga ery ka ny tenin' andriana no naveriny nolazainy. Athénobius, ami du roi, vint à Jérusalem et vit la magnificence de Simon, son buffet garni de vases d' or et d' argent et tout l' apparat dont il s' entourait. Il en fut stupéfait et lui fit connaître les paroles du roi.
1M 15:33 Fa hoy Simona taminy: Tsy naka tanin' olona hafa izahay, na nahalasa zavatr' olona fa ny lovan-drazanay izay notanan' ny fahavalonay tsy an-drariny, nandritra ny fotoana vitsivitsy ihany. Simon lui répondit en ces termes : "Ce n' est point une terre étrangère que nous avons prise ni des biens d' autrui que nous avons conquis, mais c' est l' héritage de nos pères : c' est injustement que nos ennemis l' ont possédé un certain temps.
1M 15:34 Ka nony nahita fotoana tsara hohararaotina izahay, dia nanaraka ny lovan-drazanay. Mais nous, trouvant l' occasion favorable, nous récupérons l' héritage de nos pères.
1M 15:35 Ary raha ny amin' i Jope sy Gazara izay takinao dia nanisy ratsy be loatra ny firenenay sy ny taninay ireo tanàna roa ireo; nefa hanome talenta zato ihany izahay noho ny amin' ireo. Tsy namaly Atenobiosa na indraim-bava aza, Quant à Joppé et à Gazara que tu réclames, ces villes faisaient beaucoup de mal au peuple et désolaient notre pays, pour elles nous donnerons cent talents." L' envoyé ne lui répondit mot.
1M 15:36 fa lasa izy niverina an-katezerana ho any amin' ny mpanjaka, nilaza taminy ny valy nataon' i Simona, ny hakanton' ny ao an-dapany, mbamin' izay rehetra hitany, ka nahatezitra mafy ny mpanjaka izany. Il s' en revint furieux chez le roi et lui fit connaître la réponse et la magnificence de Simon, bref, tout ce qu' il avait vu, ce qui mit le roi dans une grande colère.
1M 15:37 Ary Trifona kosa nandositra an-tsambo ho any Ortosiasa. Or Tryphon, étant monté sur un bateau, s' enfuit à Orthosia.
1M 15:38 Ka dia Sendebe no notendren' ny mpanjaka ho komandy teo amin' ny moron-dranomasina sady nomeny foloalin-dahy an-tongotra sy an-tsoavaly. Le roi institua Kendébée épistratège de la Zone Maritime et lui confia une armée de fantassins et de cavaliers.
1M 15:39 Ary nandidy azy izy hiorin-toby tandrifin' i Jodea, hanamafy an' i Gedora, hanamafy ny vavahadin' io, ary hiady amin' ny vahoaka. Ny mpanjaka kosa tamin' izany, nanenjika an' i Trifona. Il lui donna l' ordre de camper en face de la Judée et lui enjoignit de construire Kédrôn, de consolider ses portes et de guerroyer contre le peuple; quant au roi il se mit à la poursuite de Tryphon.
1M 15:40 Dia nankany Jamnia Sendebe ka nanomboka hanorisory ny vahoaka, nananika an' i Jodea, nanao sambo-belona, ary nanao vonoan' olona. Kendébée se rendit à Iamnia et ne tarda pas à provoquer le peuple, à envahir la Judée, à faire des prisonniers et à massacrer.
1M 15:41 Nohamafisiny Gedora, dia nametrahany miaramila an-tongotra sy an-tsoavaly, hivoaka hanafika sy hampidi-doza eny an-dalamben' i Jodea araka ny nandidian' ny mpanajaka azy. Il rebâtit Kédrôn et y cantonna des cavaliers et des fantassins pour opérer des sorties et patrouiller sur les chemins de Judée, comme le roi le lui avait ordonné.

<-
->