<-
->

1M 13:1 Ren' i Simona fa namory tafika lehibe Trifona hananika ny tanin' i Jodà, sy handrava azy. Simon apprit que Tryphon avait réuni une grande armée pour aller ravager le pays de Juda.
1M 13:2 Nony hitany fa raiki-tahotra sy nivadipo ny fahoaka, dia niakatra tany Jerosalema izy, niantso ny vahoaka hivory, Voyant que le peuple tremblait d'épouvante, il monta à Jérusalem, rassembla le peuple
1M 13:3 sy namporisika azy, nanao hoe: Fantatrareo izay rehetra efa nataon' ireo rahalahiko, sy izaho koa mbamin' ny fianakavian-draiko rehetra, mba hiaro ny lalàna amam-pivavahantsika, ary ny ady notohananay mbamin' ny fahorana niaretanay. qu' il exhorta en ces termes : "Vous n'êtes pas sans savoir tout ce que moi, mes frères et la maison de mon père avons fait pour les lois et le saint lieu, ainsi que les guerres et les tribulations que nous avons vues.
1M 13:4 Fa izany no nahafatesan' ireo rahalahiko rehetra ho an' Israely, ary izaho no hany sisa. C' est bien pour cela que tous mes frères ont péri, oui, pour la cause d' Israël, et que moi je suis resté tout seul.
1M 13:5 Koa ankehitriny, sanatria ahy izay hitsitsy ny aiko na oviana na oviana amin' ny androm-pahoriana, satria tsy mihoatra noho ny rahalahiko aho. Maintenant, loin de moi d'épargner ma vie en aucun temps d' oppression! car je ne suis pas meilleur que mes frères.
1M 13:6 Fa ny tiako dia ny hamaly ny ratsy atao amin' ny fireneko, ny fitoerana masina, ny vady aman-janatsika, satria tafakambana handrava antsika noho ny fialonana ny firenena rehetra. Mais plutôt je vengerai ma nation, le lieu saint, vos femmes et vos enfants, parce que toutes les nations se sont coalisées pour nous anéantir, poussées par la haine."
1M 13:7 Nirehitra ny fon' ny vahoaka, nony nandre izany teny izany, A ces paroles, l' esprit du peuple se ralluma;
1M 13:8 ka namaly tamim-pihobiana izy nanao hoe: HIanao no lehibenay, dimbin' i Jodasa sy Jonatasa rahalahinao. ils répondirent d' une voix forte : "Tu es notre guide à la place de Judas et de Jonathan, ton frère;
1M 13:9 Tariho izahay amin' ny ady, fa hotovinay avokoa izay holazainao. prends la direction de notre guerre et tout ce que tu nous diras, nous le ferons."
1M 13:10 Dia novorin' i Simona avokoa ny lehilahy mpiady, nohafainganiny ny famitana ny mandan' i Jerosalema ary nohamafisiny io tanàna io, eny amin' ny manodidina azy rehetra. Il rassembla tous les hommes aptes au combat, se hâta d' achever les murs de Jérusalem et la fortifia.
1M 13:11 Niaraka tamin' izany, nalefany ho any Jope Jonatasa zanak' i Absaloma, nitondra miaramila betsaka, ka noraohin' io ny mponina tao, dia izy no nitoetra tao an-tanàna. Il envoya à Joppé Jonathan, fils d' Absalom, avec une troupe importante; celui-ci en chassa les habitants et s' y établit.
1M 13:12 Niala tao Ptolemaisa Trifona nitondra tafika lehibe hananika ny tanin' i Jodà; nentiny mifatotra koa Jonatasa niaraka taminy. Tryphon partit de Ptolémaïs avec une nombreuse armée pour entrer dans le pays de Juda, ayant avec lui Jonathan prisonnier.
1M 13:13 Simona kosa niroin-toby tao Hadida, tandrifin' ny tany lemaka. Simon vint alors camper à Adida, en face de la plaine.
1M 13:14 Nony ren' i Trifona fa hoe Simona no nandray ny fanapahana, nisolo an' i Jonatasa rahalahiny, sady efa nivonon-kiady, dia nandefa iraka ho any aminy izy hilaza hoe: Tryphon, ayant appris que Simon avait remplacé son frère Jonathan et qu' il était sur le point d' engager la lutte avec lui-même, lui dépêcha des messagers pour lui dire
1M 13:15 Noho ny vola tsy maintsy aloan' i Jonatasa rahalinao, amin' ny firaketan' ny mpanjaka, avy amin' ny raharaha nataony, no itananay azy mifatotra. "C' est au sujet de l' argent que ton frère Jonathan doit au trésor royal, à raison des fonctions qu' il remplissait, que nous le tenons captif.
1M 13:16 Koa mandefasa talenta volafotsy zato, mbamin' ny zanany roa lahy mbola kely koa, atao antoka mba tsy hivadihany hamely anay, rahefa afaka, dia alefanay izy ho afaka. Envoie donc maintenant cent talents d' argent et deux de ses fils en otages, de peur qu' une fois relâché il ne se rebelle contre nous; alors nous le laisserons aller."
1M 13:17 Fantatr' i Simona fa ny hamitahany azy no nitenenan' ireo iraka ireo taminy toy izany, nefa nalefany ihany ny vola mbamin' ireo zaza roa lahy, mba tsy hihatra aminy ny fankahalana lehibe avy amin' ny vahoakan' Israely, izay nety nilaza hoe: Simon, bien qu' il connût la fausseté des paroles que lui adressaient les messagers, envoya prendre l' argent et les enfants, de peur de s' attirer une grande inimitié de la part du peuple qui aurait dit
1M 13:18 Ny tsy nandefasan' i Simona ny talenta volafotsy zato sy ireo zaza roa, no nahafaty an' i Jonatasa. "C' est parce que je n' ai pas envoyé l' argent et les enfants que Jonathan a péri."
1M 13:19 Koa nalefany ireo zaza sy ny talenta volafotsy zato; kanjo dia nivadi-teny tokoa Trifona, fa tsy nandefa an' i Jonatasa. Il envoya donc les enfants et les cent talents, mais Tryphon le trompa en ne renvoyant pas Jonathan.
1M 13:20 Nanaraka izany, nandroso hanosy sy hanimba ny tany Trifona, nisafelika izy nihazo ny lalan' i Adora; notanahin' i Simona sy ny tafiny anefa izy, na taiza na taiza nalehany. Après cela, Tryphon se mit en marche pour envahir le pays et le ravager; il fit un détour par le chemin d' Adôra : Simon et son armée lui faisaient obstacle partout où il passait.
1M 13:21 Nandefa iraka ho any amin' i Trifona ny olona tao amin' ny trano mimanda, tao Jerosalema, nangataka azy ho tonga faingana hihazo any an' efitra, hitondra hanina ho azy. Cependant ceux de la Citadelle dépêchaient à Tryphon des messagers le pressant de venir chez eux par le désert et de leur faire parvenir des vivres.
1M 13:22 Dia nandahatra ny mpitaingin-tsoavaliny rehetra Trifona hahatongavany ny alin' iny ihany; kanjo latsaka be dia be ny oram-panala, ary tsy afa-ko tonga tao Jerosalema izy, noho ny oram-panala; ka lasa izy nankany Galaada. Tryphon disposa alors toute sa cavalerie pour y aller, mais dans cette nuit-là il tomba une neige si abondante qu' il ne put s' y rendre. Il partit de là et se rendit en Galaaditide.
1M 13:23 Nony mby teo akaikin' i Baskama izy, novonoiny Jonatasa, dia nalevina tamin' izany tany izany io. Aux approches de Baskama, il tua Jonathan, qui fut enseveli en ce lieu.
1M 13:24 Niala teo Trifona dia nody ho any amin' ny taniny. Tryphon, s' en retournant, regagna son pays.
1M 13:25 Naniraka olona Simona haka ny taolan' i Jonatasa rahalahiny, dia nandevina azy tao Modìna tanànan-drazany. Simon envoya recueillir les ossements de Jonathan, son frère, et il l' ensevelit à Modîn, ville de ses pères.
1M 13:26 Nisaona azy fatratra Israely, ary naharitra andro maro no nitomaniany azy. Tout Israël mena sur lui un grand deuil et se lamenta durant de longs jours.
1M 13:27 Nanorenan' i Simona rafi-bato avo tsara mba ho tazan-davitra, teo ambonin' ny fasan-drainy aman-drahalahiny, nataony tamin' ny vato voalama eo anoloany sy any ivohony. Simon bâtit sur la sépulture de son père et de ses frères un monument de pierres polies tant par derrière qu' en façade, assez haut pour être vu.
1M 13:28 Dia piramida fito mifanatrika no nasainy natsangana teo amboniny, ho an-drainy aman-dreniny sy ho azy efa-dahy rahalahiny. Il érigea sept pyramides, l' une en face de l' autre, à son père, à sa mère et à ses quatre frères.
1M 13:29 Nasainy nasiana haingo sy nohodidinina andry avo, notaingenana fiadiana, ho fahatsiarovana mandrakizay, ary teo anilan' ny fiadiana nasiany sambo voasokitra natao tazan' izay rehetra miantsambo eny amin' ny ranomasina. Il les entoura d' un ouvrage consistant en hautes colonnes surmontées de panoplies, pour un souvenir éternel, et, à côté des panoplies, de vaisseaux sculptés pour être vus par tous ceux qui naviguent sur la mer.
1M 13:30 Toy izany ny fasana nasain' i Simona natsangana tao Modìna izay mbola ao mandrak' androany. Tel est le mausolée qu' il fit à Modîn, et qui existe encore aujourd' hui.
1M 13:31 Nanaovan' i Trifona hafetsena koa indray Antiokosa, mpanjaka tanora, ka novonoiny. Or Tryphon, usant de perfidie avec le jeune roi Antiochus, le mit à mort.
1M 13:32 Dia izy no nanjaka nandimby azy, sy nitondra ny satro-piandrianan' ny mpanjakan' i Asia, ary nampidi-doza lehibe maro tamin' ny tany. Il régna à sa place, ceignit le diadème de l' Asie et fit beaucoup de mal dans le pays.
1M 13:33 Naorin' i Simona indray ireo trano mimanda tany Jodea, nasiany tilikambo avo, manda avo, vavahady misy hidiny, sady nametrahany hanina fitahiry. Quant à Simon, il rebâtit les forteresses de Judée, les entoura de hautes tours et de murs élevés munis de portes et de verrous et, dans ces forteresses, il entreposa des vivres.
1M 13:34 Nifidy olona koa Simona nirahiny ho any amin' i Demetriosa mpanjaka, hangataka fanahafana ho an' i Jodea, satria raharahan-tontakely avokoa ny nataon' i Trifona. En outre, Simon désigna des hommes qu' il envoya au roi Démétrius pour que celui-ci accordât rémission à la province, parce que tous les actes de Tryphon n'étaient que rapines.
1M 13:35 Nasain' i Demetriosa mpanjaka nomena valy mifanaraka amin' izany izy, ka izao no taratasy nosoratany ho azy: Le roi Démétrius envoya une réponse à sa demande dans une lettre libellée comme suit
1M 13:36 Demetriosa mpanjaka, manoratra ho an' i Simona mpisorona lehibe sady sakaizan' ny mpanjaka, sy ho an' ny loholona amam-pirenen' ny Jody: Arahaba! "Le roi Démétrius à Simon, grand prêtre, ami des rois, aux anciens et à la nation des Juifs, salut.
1M 13:37 Voarainay ny satrok' andriana volamena sy ny palma nampitondrainareo, ka vonona izahay hanao fanekem-pihavanana tanteraka aminareo sy hanoratra amin' ny mpanao raharaham-panjakana hanome fanafahana samihafa anareo. Nous avons agréé la couronne d' or et la palme que vous nous avez envoyées et nous sommes disposés à faire avec vous une paix complète et à écrire aux fonctionnaires de vous accorder des remises.
1M 13:38 Izay rehetra efa voatapakay ny aminareo aloha dia tsy miova, ny trano mimanda naorinareo dia aoka ho anareo. Tout ce que nous avons statué à votre égard reste stable, et les forteresses que vous avez construites sont à vous.
1M 13:39 Avelanay avokoa ny tsy efanareo taloha sy izay hadisoanareo hatramin' izao andro izao; toy izany koa izay hasin' andriana tsy maintsy haloanareo, ary raha nisy hetra hafa nalaina tao Jerosalema, dia aza halaina intsony izany. Nous vous remettons les erreurs et les manquements commis jusqu'à ce jour ainsi que la couronne que vous devez, et si quelque autre droit était perçu à Jérusalem, qu' il ne soit plus exigé.
1M 13:40 Raha misy aminareo mazoto hilatsa-tenany ho isan' ny miaramila mpiambina ny tenanay, aoka izy hilatsaka ary aoka hihavana isika. Si quelques-uns d' entre vous étaient aptes à s' enrôler dans notre garde du corps, qu' ils se fassent inscrire et que la paix soit faite entre nous."
1M 13:41 Tamin' ny taona fahafitopolo amby zato Israely afaka tamin' ny jiogan' ny firenena, L' an 170 le joug des nations fut ôté d' Israël,
1M 13:42 ary ny vahoakan' Israely nanomboka nanoratra tamin' ny soratra amam-panekena hoe: Tamin' ny taona voalohany nanapahan' i Simona mpisorona lehibe, be fiamboniana, sy mpanapaka ny Jody. et le peuple commença à écrire sur les actes et les contrats "En la première année sous Simon, grand prêtre éminent, stratège et higoumène des Juifs."
1M 13:43 Tamin' izany andro izany Simona nandroso hamely an' i Gaza; nasainy nosaronan' ny miaramilany io, dia nanangana tilikambo fiadiana izy nasainy hamelezana ny tanàna, ka izany no nahabangany ny tilikambo anankiray, dia lasany io. En ces jours-là, Simon vint mettre le siège devant Gazara et l' investir avec ses troupes. Il construisit une tour roulante, la fit donner contre la ville, ouvrit une brèche dans l' un des bastions et s' en empara.
1M 13:44 Nirotsahan' ireo tao amin' ny tilikambo fiadiana ny tanàna, ka loza ny hatairana vokatr' izany. Ceux qui étaient dans la tour sautèrent dans la place, ce qui y produisit une agitation considérable.
1M 13:45 Niakatra teny ambony manda ny mponina, nomban' ny vady aman-janany, manao fitafiana rovitra, mandefa feo fitarainana mafy, mangataka an' i Simona hanao raharaham-pihavanana aminy, nanao hoe: Les habitants de la ville avec leurs femmes et leurs enfants montèrent sur le rempart et, déchirant leurs vêtements, ils demandèrent à grands cris à Simon de faire la paix avec eux
1M 13:46 Aza dia mitondra anay araka ny haratsiam-panahinay, fa araka ny indrafonao. "Ne nous traite pas, dirent-ils, selon notre méchanceté, mais selon ta miséricorde."
1M 13:47 Nety nifonan' ireo ihany Simona ka tsy nasiany intsony, nefa noroahiny ny mponina tao an-tanàna, nodioviny ny trano nisy sampy, dia niakatra ny tanàna tamin-kira fiderana amam-pisaorana izy. Simon fit un arrangement avec eux et ne les combattit pas. Seulement, il les chassa de la ville, purifia les maisons dans lesquelles il y avait des idoles, et alors il y entra au chant des hymnes et des bénédictions.
1M 13:48 Nony voaesony avokoa ny loto tao an-tanàna, dia nametrahany olona mpankatò ny lalàna tao, dia nohamafisiny ary nanoreanany trano ho azy koa. Il en bannit toute impureté, y établit des hommes qui pratiquaient la Loi et, l' ayant fortifiée, il s' y bâtit pour lui-même une résidence.
1M 13:49 Ireo olona tao amin' ny trano mimandan' i Jerosalema anefa tsy nahazo nivoaka na nandeha tamin' ny tany, na hividy na hivarotra, ka voan' ny mosary mafy, ary maro be no matin' ny hanoanana. Quant à ceux de la Citadelle à Jérusalem, ils étaient empêchés de sortir et de se rendre à la campagne, d' acheter et de vendre : ils eurent terriblement faim et nombre d' entre eux furent emportés par la famine.
1M 13:50 Niantso mafy izy nangataka an' i Simona hanao raharaham-pihavanana aminy; dia nekeny izany; fa noroahiny hiala tao izy ireo ary nodioviny ho afaka amin' ny loto rehetra ny trano mimanda. Ils demandèrent avec cris à Simon de faire la paix avec eux, ce qu' il leur accorda. Il les chassa de là et purifia la Citadelle de toute souillure.
1M 13:51 Nony tamin' ny andro fahatelo amby roapolon' ny volana faharova, taona faharaika amby fitopolo amby zato izy, niakatra tao tamin-kira fiderana, sampan-drofia, valiha, kipantsona, harpa, nanao hira amam-piderana, fa rava ny fahavaloben' Israely. Les Juifs y firent leur entrée le 23 du deuxième mois de l' an 171, avec des acclamations et des palmes, au son des lyres, des cymbales et des harpes, au chant des hymnes et des cantiques, parce qu' un grand ennemi avait été brisé et jeté hors d' Israël.
1M 13:52 Nodidiany hankalazaina isan-taona izany andro fifaliana izany. Simon ordonna de célébrer chaque année ce jour-là avec jubilation. Il fortifia la montagne du sanctuaire du côté de la Citadelle et y habita lui et les siens.
1M 13:53 Nohamafisiny ny tendrombohitry ny tempoly, izay eo anilan' ny trano mimanda, dia nonina teo izy sy ny momba azy. Simon vit que Jean, son fils, était vraiment un homme; aussi l'établit-il chef de toutes les forces; il résidait à Gazara.
1M 13:54 Ary hitan' i Simona fa nitsangana ho lehilahy be herim-po Josany zanany; koa dia natolony azy ny fifehezana ny miaramila rehetra, ary Gazara no nataony fonenany.

<-
->