<-
->

Eks 17:1 And all the congregation of the children of Israel journeyed from the wilderness of Sin, after their journeys, according to the commandment of the Lord, and pitched in Rephidim: and there was no water for the people to drink. Ary nifindra ny fiangonana, dia ny Zanak' Isiraely rehetra, ka niala tao an-efitra Sina, araka izay natoron' i Jehovah hitobiany, dia nitoby tao Refidima; ary tsy nisy rano hosotroin' ny olona. Niala tao an' efitra Sina ny fiangonan' ny zanak' Israely rehetra, araka ny dia nandidian' ny Tompo azy, dia nitoby tao Rafidima, ka tsy nahita rano hosotroina tao ny vahoaka. Toute la communauté des Israélites partit du désert de Sîn pour les étapes suivantes, sur l' ordre de Yahvé, et ils campèrent à Rephidim où il n' y avait pas d' eau à boire pour le peuple.
Eks 17:2 Wherefore the people did chide with Moses, and said, Give us water that we may drink. And Moses said unto them, Why chide ye with me? wherefore do ye tempt the Lord? Dia nila ady tamin' i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Omeo rano izahay mba hosotroinay. Fa hoy Mosesy taminy: Nahoana no mila ady amiko ianareo? Nahoana no maka fanahy an' i Jehovah ianareo? Ka nila kisa tamin' i Moizy ny vahoaka, nanao hoe: Omeo rano izahay, hosotroinay. Fa hoy Moizy namaly azy ireo: Nahoana no dia mila kisa amiko hianareo? Nahoana no dia maka fanahy an' ny Tompo hianareo? Celui-ci s' en prit à Moïse ; ils dirent : " Donne-nous de l' eau, que nous buvions !" Moïse leur dit : " Pourquoi vous en prenez-vous à moi ? Pourquoi mettez-vous Yahvé à l'épreuve ? "
Eks 17:3 And the people thirsted there for water; and the people murmured against Moses, and said, Wherefore is this that thou hast brought us up out of Egypt, to kill us and our children and our cattle with thirst? Ary nangetaheta teo ny olona, dia nimonomonona tamin' i Mosesy izy ka nanao hoe: Nahoana ianao no nitondra anay niakatra niala tany Egypta hahafatin-ketaheta anay sy ny zanakay ary ny bibinay? Teo ihany anefa ny vahoaka main' ny hetaheta, ka nimonomonona tamin' i Moizy nanao hoe: Ahoana no nampiakaranao anay hiala tany Ejipta, hahafatin' ny hetaheta anay sy ny zanakay mbamin' ny bibinay? Le peuple y souffrit de la soif, le peuple murmura contre Moïse et dit : " Pourquoi nous as-tu fait monter d'Égypte ? Est-ce pour me faire mourir de soif, moi, mes enfants et mes bêtes ? "
Eks 17:4 And Moses cried unto the Lord, saying, What shall I do unto this people? they be almost ready to stone me. Ary Mosesy nitaraina tamin' i Jehovah ka nanao hoe: Ahoana no hataoko amin' ireto olona ireto? fa mila hitora-bato ahy izy. Dia nitaraina tamin' ny Tompo Moizy nanao hoe: Inona no hataoko ho an' ity vahoaka ity, fa kely foana sisa tsy hitorahany vato ahy? Moïse cria vers Yahvé en disant : " Que ferai-je pour ce peuple ? Encore un peu et ils me lapideront. "
Eks 17:5 And the Lord said unto Moses, Go on before the people, and take with thee of the elders of Israel; and thy rod, wherewith thou smotest the river, take in thine hand, and go. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Mandrosoa eo alohan' ny olona, ary itondray hiaraka aminao ny loholon' ny Isiraely; ary ny tehinao, ilay nikapohanao an' i Neily, dia ento eny an-tananao, ka mandehana. Ary hoy Iaveh tamin' i Moizy: Mialohà ny vahoaka ka ento hiaraka aminao ny loholon' Israely, ataovy an-tànanao koa ny tehinao nikapohanao ny ony, dia mandehana. Yahvé dit à Moïse : " Passe en tête du peuple et prends avec toi quelques anciens d' Israël ; prends en main ton bâton, celui dont tu as frappé le Fleuve, et va.
Eks 17:6 Behold, I will stand before thee there upon the rock in Horeb; and thou shalt smite the rock, and there shall come water out of it, that the people may drink. And Moses did so in the sight of the elders of Israel. Ary, indro, hijanona eo anatrehanao eo ambonin' ny harambato any Horeba Aho, dia hikapoka ny harambato ianao, ka hisy rano hivoaka avy aminy hosotroin' ny olona. Dia nanao izany Mosesy teo imason' ny loholon' ny Isiraely. Fa indro aho hitsangana eo anoloanao ao amin' ilay vatolampy izay any Horeba; hikapoka ny vatolampy hianao, dia hivoaka rano ary hisotro ny vahoaka. Nataon' i Moizy teo anatrehan' ny loholon' Israely izany, Voici que je vais me tenir devant toi, là sur le rocher -en Horeb-, tu frapperas le rocher, l' eau en sortira et le peuple boira. " C' est ce que fit Moïse, aux yeux des anciens d' Israël.
Eks 17:7 And he called the name of the place Massah, and Meribah, because of the chiding of the children of Israel, and because they tempted the Lord, saying, Is the Lord among us, or not? Ary ny anaran' izany tany izany dia nataony hoe Masa sy Meriba, noho ny ady nataon' ny Zanak' Isiraely, sy noho ny nakany fanahy an' i Jehovah hoe: Eto aminay va Jehovah, sa tsia? ary nomeny anarana hoe: Masah sy Meribah io fitoerana io, fa nila kisa ny zanak' Israely, sy naka fanahy an' ny Tompo nanao hoe: Eto afovoantsika ve Iaveh sa tsia? Il donna à ce lieu le nom de Massa et Meriba, parce que les Israélites cherchèrent querelle et parce qu' ils mirent Yahvé à l'épreuve en disant : " Yahvé est-il au milieu de nous, ou non ?
Eks 17:8 Then came Amalek, and fought with Israel in Rephidim. Ary tonga ny Amalekita ka niady tamin' ny Isiraely tao Refidima. Amaleka nandroso hanafika an' Israely tao Rafidima, ka hoy Moizy tamin' i Josoe: Les Amalécites survinrent et combattirent contre Israël à Rephidim.
Eks 17:9 And Moses said unto Joshua, Choose us out men, and go out, fight with Amalek: to morrow I will stand on the top of the hill with the rod of God in mine hand. Dia hoy Mosesy tamin' i Josoa: Mifidiana lehilahy ho antsika, dia mandehana ka miadia amin' ny Amalekita; rahampitso dia hijoro eo an-tampon' ny havoana aho ka hitana ny tehin' Andriamanitra etý an-tanako. Mifantena lehilahy hianao dia handeha hiady amin' i Amaleka; izaho kosa rahampitso hijoro eo an-tampon' ny havoana, mitana ny tehin' Andriamanitra ao an-tànako. Moïse dit alors à Josué : " Choisis-toi des hommes et demain, sors combattre Amaleq ; moi, je me tiendrai au sommet de la colline, le bâton de Dieu à la main. "
Eks 17:10 So Joshua did as Moses had said to him, and fought with Amalek: and Moses, Aaron, and Hur went up to the top of the hill. Ary Josoa dia nanao araka izay efa nolazain' i Mosesy taminy, ka niady tamin' ny Amalekita izy; ary Mosesy sy Arona sy Hora kosa niakatra ho ao an-tampon' ny havoana. Dia nataon' i Josoe izay nandidian' i Moizy azy, dia niady amin' i Amaleka izy; fa Moizy sy Aarona ary Hora kosa niakatra tany an-tampon' ny havoana. Josué fit ce que lui avait dit Moïse, il sortit pour combattre Amaleq, et Moïse, Aaron et Hur montèrent au sommet de la colline.
Eks 17:11 And it came to pass, when Moses held up his hand, that Israel prevailed: and when he let down his hand, Amalek prevailed. Ary raha nasandratr' i Mosesy ny tànany, dia nahery ny Isiraely; fa raha nampidininy ny tànany, dia nahery kosa ny Amalekita. Raha nasandratr' i Moizy ny tànany dia Israely no nahery; fa raha nitambotsotra kosa ny tànany, Amaleka no nahomby. Lorsque Moïse tenait ses mains levées, Israël l' emportait, et quand il les laissait retomber, Amaleq l' emportait.
Eks 17:12 But Moses hands were heavy; and they took a stone, and put it under him, and he sat thereon; and Aaron and Hur stayed up his hands, the one on the one side, and the other on the other side; and his hands were steady until the going down of the sun. Fa efa vizana ny tanan' i Mosesy; ka dia naka vato izy roa lahy, ka nataony teo ambanin' i Mosesy hipetrahany; ary Arona sy Hora dia nanohana ny tànany, ka ny iray tamin' ny anila, ary ny iray kosa tamin' ny anila; dia naharitra tsy nidina intsony ny tànany mandra-pahafatin' ny masoandro. Nony efa vizana ny tànan' i Moizy, naka vato izy ireo, nataony teo ambaniny, dia nipetrahany, ary Aarona sy Hora kosa nanohana ny tànany avy eo ankilany avy, ka tsy niketraka intsony ny tànany mandra-pilentiky ny masoandro. Comme les mains de Moïse s' alourdissaient, ils prirent une pierre et la mirent sous lui. Il s' assit dessus tandis qu' Aaron et Hur lui soutenaient les mains, l' un d' un côté, l' autre de l' autre. Ainsi ses mains restèrent-elles fermes jusqu' au coucher du soleil.
Eks 17:13 And Joshua discomfited Amalek and his people with the edge of the sword. Ary Josoa dia nandresy ny Amalekita sy ny olony tamin' ny lelan-tsabatra. Dia resin' i Josoe tamin' ny lelan-tsabatra Amaleka sy ny olony. Josué défit Amaleq et son peuple au fil de l'épée.
Eks 17:14 And the Lord said unto Moses, Write this for a memorial in a book, and rehearse it in the ears of Joshua: for I will utterly put out the remembrance of Amalek from under heaven. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Soraty eo amin' ny boky izany ho fahatsiarovana, ka ambarao amin' i Josoa; fa hofoanako tokoa ny fahatsiarovana ny Amalekita tsy ho eny ambanin' ny lanitra. Ka hoy Iaveh tamin' i Moizy: Soraty izany ho fahatsiarovana amin' ny boky; ary ambarao amin' i Josoa fa hofoanako eo ambanin' ny lanitra ny fahatsiarovana an' i Amaleka. Yahvé dit alors à Moïse : " Écris cela dans un livre pour en garder le souvenir, et déclare à Josué que j' effacerai la mémoire d' Amaleq de dessous les cieux. "
Eks 17:15 And Moses built an altar, and called the name of it Jehovahnissi: Dia nanorina alitara Mosesy ka nanao ny anarany hoe: Jehovah Nisi. Dia nanorina otely Moizy, ka nomeny anarana hoe: Iaveh-Nesi. Puis Moïse bâtit un autel qu' il nomma Yahvé-Nissi
Eks 17:16 For he said, Because the Lord hath sworn that the Lord will have war with Amalek from generation to generation. Fa hoy izy: Jehovah nianiana hoe: Ny adin' i Jehovah amin' ny Amalekita dia tsy hitsahatra hatramin' izay taranany fara mandimby. Ka hoy izy: Efa nanangan-tànan-kamely ny seza fiandrianan' ny Tompo izy ireo, koa Iaveh kosa hiady amin' i Amaleka amin' ny taona mifandimby hatrany. car, dit-il : " La bannière de Yahvé en main !Yahvé est en guerre contre Amaleq de génération en génération.

<-
->