<-
->

1Mp 8:1 Then Solomon assembled the elders of Israel, and all the heads of the tribes, the chief of the fathers of the children of Israel, unto king Solomon in Jerusalem, that they might bring up the ark of the covenant of the Lord out of the city of David, which is Zion. Ary tamin' izany Solomona mpanjaka dia namory ny loholon' ny Isiraely sy ny lohan' ny firenena rehetra, dia ny lohan' ny fianakaviana tamin' ny Zanak' Isiraely, ho ao aminy tany Jerosalema mba hampakatra ny fiaran' ny faneken' i Jehovah avy ao Ziona. Tanànan' i Davida. Tamin' izany, novorin' i Salomona tao aminy, tany Jerosalema, avokoa ny loholon' Israely, sy ny lehibe rehetra isam-pokony, ary ny filoham-pianakavian' ny zanak' Israely, mba hamindra ny fiaran' ny faneken' ny Tompo avy amin' ny tanànan' i Davida, izany hoe any Siona. Alors Salomon convoqua les anciens d' Israël à Jérusalem pour faire monter de la Cité de David, qui est Sion, l' arche de l' alliance de Yahvé.
1Mp 8:2 And all the men of Israel assembled themselves unto king Solomon at the feast in the month Ethanim, which is the seventh month. Dia nivory ho any amin' i Solomona mpanjaka ny lehilahy rehetra amin' ny Isiraely tamin' ny andro firavoravoana tamin' ny volana Etanima (volana fahafito izany). Ka nivory tao amin' i Salomona mpanjaka avokoa ny lehilahy rehetra amin' Israely, tamin' ny fety, amin' ny volana Etanima, volana fahafito. Tous les hommes d' Israël se rassemblèrent auprès du roi Salomon, au mois d'Étanim, pendant la fête c' est le septième mois ,
1Mp 8:3 And all the elders of Israel came, and the priests took up the ark. Ary tonga ny loholon' ny Isiraely rehetra, ary ny mpisorona no nitondra ny fiara; Nony tonga ny loholona rehetra amin' Israely, dia nentin' ny mpisorona ny fiara. et les prêtres portèrent l' arche
1Mp 8:4 And they brought up the ark of the Lord, and the tabernacle of the congregation, and all the holy vessels that were in the tabernacle, even those did the priests and the Levites bring up. ary dia nampakariny ny fiaran' i Jehovah sy ny trano-lay fihaonana mbamin' ny fanaka masina rehetra izay tao amin' ny lay. Nampakarin' ny mpisorona sy ny Levita ireo zavatra ireo. Nentiny ny fiaran' ny Tompo mbamin' ny trano lay fihaonana sy ny fanaka voahasina rehetra izay tao amin' ny trano lay, ka ny mpisorona sy ny Levita no nitondra ireo. et la Tente du Rendez-vous avec tous les objets sacrés qui y étaient.
1Mp 8:5 And king Solomon, and all the congregation of Israel, that were assembled unto him, were with him before the ark, sacrificing sheep and oxen, that could not be told nor numbered for multitude. Ary Solomona mpanjaka sy ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, izay nivory teo aminy teo anoloan' ny fiara, dia samy namono zavatra hatao fanatitra, dia ondry aman' osy sy omby izay tsy tambo isaina sady tsy hita isa noho ny hamaroany. Ary Salomona mpanjaka sy ny fiangonan' Israely rehetra izay nantsoiny ho eo aminy, dia niaraka taminy teo anoloan' ny fiara. Ondry sy omby tsy hita isa sy tsy tambo isaina noho ny hamaroany no novonoiny ho sorona. Le roi Salomon et tout Israël avec lui sacrifièrent devant l' arche moutons et boeufs en quantité innombrable et incalculable.
1Mp 8:6 And the priests brought in the ark of the covenant of the Lord unto his place, into the oracle of the house, to the most holy place, even under the wings of the cherubims. Ary ny fiaran' ny faneken' i Jehovah dia nampidirin' ny mpisorona ho ao amin' ny fitoerany tao anatin' ny efi-trano anatiny, dia ny fitoerana masina indrindra, teo ambanin' ny elatry ny kerobima, Dia nentin' ny mpisorona teo amin' ny fitoerany ny fiaran' ny faneken' ny Tompo, dia tao amin' ny fitoerana masin' ny trano, ao amin' ny fitoerana masina indrindra, teo ambonin' ny elatry ny kerobima. Les prêtres apportèrent l' arche de l' alliance de Yahvé à sa place, au Debir du Temple, c' est-à-dire au Saint des Saints, sous les ailes des chérubins.
1Mp 8:7 For the cherubims spread forth their two wings over the place of the ark, and the cherubims covered the ark and the staves thereof above. fa nivelatra teo ambonin' ny fitoeran' ny fiara ny elatry ny kerobima ka nanaloka ny fiara sy ny baony. Fa namelatra ny elany tambonin' ny fitoeran' ny fiara ny kerobima ka nanaloka ny fiara sy ny baony teo amboniny. En effet, les chérubins étendaient leurs ailes au-dessus de l' emplacement de l' arche et faisaient un abri au-dessus de l' arche et de ses barres.
1Mp 8:8 And they drew out the staves, that the ends of the staves were seen out in the holy place before the oracle, and they were not seen without: and there they are unto this day. Ary lava ny bao, ka hita ny lohany, raha amin' ny fitoerana masina eo anoloan' ny efitra anatiny, nefa tsy hita raha eny ivelany; ary mbola ao mandraka androany izy. Lava be moa ny bao, ka dia hita izy raha eo amin' ny fitoerana masina anoloan' ny fitoerana masina; fa ny any ivelany no tsy mahita azy. Dia tao izy mandraka androany. Celles-ci étaient assez longues pour qu' on vît leur extrémité depuis le Saint devant le Debir, mais pas en dehors de là. elles y sont restées jusqu'à ce jour.
1Mp 8:9 There was nothing in the ark save the two tables of stone, which Moses put there at Horeb, when the Lord made a covenant with the children of Israel, when they came out of the land of Egypt. Ary tsy nisy na inona na inona tao anatin' ny fiara afa-tsy ny vato fisaka roa, izay nataon' i Mosesy tao anatiny tany Horeba, fony Jehovah nanao fanekena tamin' ny Zanak' Isiraely tamin' ny nivoahany avy tany amin' ny tany Egypta. Tao anatin' ny fiara tsy nisy afa-tsy ny takela-bato roa, napetrak' i Moizy tao, tany an-tendrombohitra Horeba, fony Iaveh nanao fanekena tamin' ny zanak' Israely, tamin' ny nivoahany avy tany amin' ny tany Ejipta. Il n' y avait rien dans l' arche, sauf les deux tables de pierre que Moïse y déposa à l' Horeb, les tables de l' alliance que Yahvé avait conclue avec les Israélites à leur sortie de la terre d'Égypte ;
1Mp 8:10 And it came to pass, when the priests were come out of the holy place, that the cloud filled the house of the Lord, Ary nony nivoaka avy tao amin' ny fitoerana masina ny mpisorona, dia nameno ny tranon' i Jehovah ny rahona; Nony nivoaka avy tao amin' ny fitoerana masina ny mpisorona dia nameno ny tranon' ny Tompo ny rahona, Or quand les prêtres sortirent du sanctuaire, la nuée remplit le Temple de Yahvé
1Mp 8:11 So that the priests could not stand to minister because of the cloud: for the glory of the Lord had filled the house of the Lord. ka dia tsy nahajanona hanao fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho ny rahona, satria ny voninahitr' i Jehovah nameno ny tranon' i Jehovah. ka tsy nahajanona hanao ny fanompoany tao ny mpisorona, noho ny amin' ny rahona, fa nameno ny tranon' ny Tompo ny voninahitry ny Tompo. et les prêtres ne purent pas continuer leur fonction, à cause de la nuée : la gloire de Yahvé remplissait le Temple de Yahvé !
1Mp 8:12 Then spake Solomon, The Lord said that he would dwell in the thick darkness. Dia hoy Solomona: Jehovah efa nilaza fa hitoetra ao amin' ny aizim-pito Izy. Tamin' izay, dia hoy Salomona: Sitrak' Iaveh ny honina ao anatin' ny aizina. Alors Salomon dit :" Yahvé a décidé d' habiter la nuée obscure.
1Mp 8:13 I have surely built thee an house to dwell in, a settled place for thee to abide in for ever. Efa nanao trano hitoeranao tokoa aho, dia fitoerana hitoeranao mandrakizay. Nanao trano aho ho fonenanao, fitoerana hipetrahanao mandrakizay. Oui, je t' ai construit une demeure princière, une résidence où tu habites à jamais. "
1Mp 8:14 And the king turned his face about, and blessed all the congregation of Israel: (and all the congregation of Israel stood;) Ary ny mpanjaka nitodika ka nitso-drano ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra (nitsangana avokoa ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra), Dia natodiky ny mpanjaka ny tavany ary notsofiny rano ny fiangonan' Israely rehetra, ary tafatsangana avokoa ny fiangonan' Israely rehetra. Puis le roi se retourna et bénit toute l' assemblée d' Israël, et toute l' assemblée d' Israël se tenait debout.
1Mp 8:15 And he said, Blessed be the Lord God of Israel, which spake with his mouth unto David my father, and hath with his hand fulfilled it, saying, ka nanao hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, fa ny vavany efa niteny tamin' i Davida raiko, ary ny tànany no nahatanteraka izany taminy, dia ilay hoe: Ary hoy izy: Hankalazaina anie Iaveh Andriamanitr' Israely, fa ny vavany efa niteny tamin' i Davida raiko, ary ny tànany efa nanatanteraka izay nolazainy hoe: Il dit : " Béni soit Yahvé, Dieu d' Israël, qui a accompli de sa main ce qu' il avait promis de sa bouche à mon père David en ces termes :
1Mp 8:16 Since the day that I brought forth my people Israel out of Egypt, I chose no city out of all the tribes of Israel to build an house, that my name might be therein; but I chose David to be over my people Israel. Hatramin' ny andro nitondrako ny Isiraely oloko nivoaka avy tany Egypta dia tsy mbola nisy tanàna nofidiko tamin' ny firenen' Isiraely rehetra hanaovana trano hitoeran' ny anarako; fa nifidy an' i Davida Aho hanapaka ny Isiraely oloko. Hatramin' ny andro nitondrako an' Israely vahoakako nivoaka avy tany Ejipta dia tsy nifidy tan1ana teo amin' ny fokon' Israely rehetra aho, hanaovan-trano hitoeran' ny anarako, fa efa nifidy an' i Davida hanjaka amin' Israely vahoakako aho. "Depuis le jour où j' ai fait sortir d'Égypte mon peuple Israël, je n' ai pas choisi de ville, dans toutes les tribus d' Israël, pour qu' on y bâtit une maison où serait mon Nom, mais j' ai choisi David pour qu' il commandât à mon peuple Israël. "
1Mp 8:17 And it was in the heart of David my father to build an house for the name of the Lord God of Israel. Ary efa mby tao am-pon' i Davida raiko ny hanao trano ho an' ny anaran' i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely. Ary efa nanan-kevitra hanao trano ho an' ny anaran' ny Tompo Andriamanitr' Israely ihany Davida raiko, Mon père David eut dans l' esprit de bâtir une maison pour le Nom de Yahvé, Dieu d' Israël,
1Mp 8:18 And the Lord said unto David my father, Whereas it was in thine heart to build an house unto my name, thou didst well that it was in thine heart. Nefa hoy Jehovah tamin' i Davida raiko: Satria tao am-ponao ny fikasana hanao trano ho an' ny anarako, dia tsara izany fikasanao izany. kanefa hoy Iaveh tamin' i Davida raiko: Rahefa nanan-kevitra hanao trano ho an' ny anarako hianao, dia tsara ny nanaovanao izany hevitra izany. mais Yahvé dit à mon père David : "Tu as eu dans l' esprit de bâtir une maison pour mon Nom, et tu as bien fait.
1Mp 8:19 Nevertheless thou shalt not build the house; but thy son that shall come forth out of thy loins, he shall build the house unto my name. Kanefa kosa tsy ianao no hanao ny trano, fa ny zanakao izay haterakao, izy no hanao ny trano ho an' ny anarako. Saingy tsy hianao no hanao ny trano, fa ny zanakao lahy, izay naloaky ny kibonao, no hanao ny trano ho an' ny anarako. Seulement, ce n' est pas toi qui bâtiras cette maison, c' est ton fils, issu de tes reins, qui bâtira la maison pour mon Nom. "
1Mp 8:20 And the Lord hath performed his word that he spake, and I am risen up in the room of David my father, and sit on the throne of Israel, as the Lord promised, and have built an house for the name of the Lord God of Israel. Ary Jehovah efa nahatanteraka ny teniny izay nolazainy, koa nitsangana handimby an' i Davida raiko aho ary mipetraka eo amin' ny seza fiandrianan' ny Isiraely tahaka ny efa nolazain' i Jehovah, sady efa nanao ny trano ho an' ny anaran' i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, aho. Ary notanterahin' ny Tompo ny teny efa nolazainy, fa nisandratra handimby an' i Davida raiko aho, ary nipetraka eo amin' ny seza fiandrianan' Israely, araka ny efa voalazan' ny Tompo ary nanao ny trano ho an' ny anaran' ny Tompo Andriamanitr' Israely. Yahvé a réalisé la parole qu' il avait dite : j' ai succédé à mon père David et je me suis assis sur le trône d' Israël comme avait dit Yahvé, j' ai construit la maison pour le Nom de Yahvé, Dieu d' Israël,
1Mp 8:21 And I have set there a place for the ark, wherein is the covenant of the Lord, which he made with our fathers, when he brought them out of the land of Egypt. Ary nasiako fitoerana teo ho an' ny fiara izay itoeran' ny faneken' i Jehovah, ilay nataony tamin' ny razantsika fony Izy nitondra azy nivoaka avy tany Egypta. Nasiako fitoerana teo, ho an' ny fiara misy ny faneken' ny Tompo izay nataony tamin' ny razantsika, fony izy nitondra azy nivoaka avy tany amin' ny tany Ejipta. et j' y ai fixé un emplacement pour l' arche, où est l' alliance que Yahvé a conclue avec nos pères lorsqu' il les fit sortir du pays d'Égypte. "
1Mp 8:22 And Solomon stood before the altar of the Lord in the presence of all the congregation of Israel, and spread forth his hands toward heaven: Ary Solomona nitsangana teo anoloan ny alitaran' i Jehovah teo anatrehan' ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka namelatra ny tànany nanandrify ny lanitra Dia tao anoloan' ny otelin' ny Tompo Salomona, nanatrika ny fiangonan' Israely rehetra sy nanandratra ny tànany mankany an-danitra ka nanao hoe: Puis Salomon se tint devant l' autel de Yahvé, en présence de toute l' assemblée d' Israël ; il étendit les mains vers le ciel
1Mp 8:23 And he said, Lord God of Israel, there is no God like thee, in heaven above, or on earth beneath, who keepest covenant and mercy with thy servants that walk before thee with all their heart: ary nanao hoe. Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô. tsy misy Andriamanitra tahaka Anao na amin' ny lanitra ambony na amin' ny tany ambany, Izay mitandrina ny fanekenao sy ny famindram-ponao ho an' ny mpanomponao izay mandeha eo anatrehanao amin' ny fony rehetra, Ry Iaveh Andriamanitr' Israely ô, tsy misy Andriamanitra tahaka anao, na amin' ny lanitra ambony, na amin' ny tany ambany, fa hianao mitandrina ny fanekenao amam-pamindram-ponao, amin' ny mpanomponao, izay mandeha eo anatrehanao amin' ny fony tokoa, et dit : " Yahvé, Dieu d' Israël ! il n' y a aucun Dieu pareil à toi là-haut dans les cieux ni ici-bas sur la terre, toi qui es fidèle à l' alliance et gardes la bienveillance à l'égard de tes serviteurs, quand ils marchent de tout leur coeur devant toi.
1Mp 8:24 Who hast kept with thy servant David my father that thou promisedst him: thou spakest also with thy mouth, and hast fulfilled it with thine hand, as it is this day. sady efa nahatanteraka tamin' i Davida raiko mpanomponao ilay nolazainao taminy, fa nolazain' ny vavanao izany dia notanterahin' ny tananao tahaka ny amin' izao anio izao. araka ny efa nanatanterahanao ny voalazanao tamin' i Davida raiko mpanomponao; fa notanterahin' ny tànanao izay voalazan' ny vavanao, araka izao hita anio izao. Tu as tenu à ton serviteur David, mon père, la promesse que tu lui avais faite, et ce que tu avais dit de ta bouche, tu l' as accompli aujourd' hui de ta main.
1Mp 8:25 Therefore now, Lord God of Israel, keep with thy servant David my father that thou promisedst him, saying, There shall not fail thee a man in my sight to sit on the throne of Israel; so that thy children take heed to their way, that they walk before me as thou hast walked before me. Koa tanteraho amin' i Davida raiko mpanomponao, Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô. ilay nolazainao taminy hoe: Tsy ho diso zanakalahy eo anatrehako ianao hipetraka amin' ny seza fiandrianan' ny Isiraely, raha ny zanakao mitandrina ny alehany handehanany eo anatrehako tahaka ny nandehananao teo anatrehako. Koa ankehitriny, ry Iaveh Andriamanitr' Israely ô, noho ny fankasitrahanao an' i Davida raiko mpanomponao, dia tanteraho izay voalazanao taminy hoe: Tsy ho lany taranaka hipetraka eo amin' ny seza fiandrianan' Israely eo anatrehako, hianao, raha mitandrina ny lalàny ny zanakao, ka mandeha eo anatrehako, toy ny nandehananao teo anatrehako. Et maintenant, Yahvé, Dieu d' Israël, tiens à ton serviteur David, mon père, la promesse que tu lui as faite, quand tu as dit : "Tu ne seras jamais dépourvu d' un descendant qui soit devant moi, assis sur le trône d' Israël, à condition que tes fils veillent à leur conduite et marchent devant moi comme tu as marché toi-même devant moi. "
1Mp 8:26 And now, O God of Israel, let thy word, I pray thee, be verified, which thou spakest unto thy servant David my father. Koa ankehitriny ry Andriamanitry ny Isiraely ô, mifona aminao aho, aoka ho tò anie ny teninao, izay nolazainao tamin' i Davida raiko mpanomponao. Koa ankehitriny, ry Andriamanitr' Israely, dia aoka ho tanteraka anie ny teny nataonao tamin' i Davida raiko mpanomponao. Maintenant donc, Dieu d' Israël, que se vérifie la parole que tu as dite à ton serviteur David, mon père !
1Mp 8:27 But will God indeed dwell on the earth? behold, the heaven and heaven of heavens cannot contain thee; how much less this house that I have builded? Andriamanitra va dia honina etý an-tany tokoa? He! ny lanitra, ary ny lanitry ny lanitra aza tsy omby Anao, koa mainka fa ity trano nataoko ity! Fa moa dia marina va fa monina eto an-tany Andriamanitra? Indro, ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra aza, tsy omby anao, koa mainka fa ity trano nataoko ity! Mais Dieu habiterait-il vraiment avec les hommes sur la terre ? Voici que les cieux et les cieux des cieux ne le peuvent contenir, moins encore cette maison que j' ai construite !
1Mp 8:28 Yet have thou respect unto the prayer of thy servant, and to his supplication, O Lord my God, to hearken unto the cry and to the prayer, which thy servant prayeth before thee to day: Koa atreho ny fivavaka sy ny fifonan' ny mpanomponao, Jehovah Andriamanitro ô, mba hohenoinao ny fitarainana sy ny fivavaka izay ataon' ny mpanomponao eto anatrehanao anio, Kanefa, ry Iaveh Andriamanitra ô, tsimbino ny vavaka amam-pifonan' ny mpanomponao, henoy ny fiantsoam-pifaliana sy ny fangatahana ataon' ny mpanomponao eo anatrehanao anio; Sois attentif à la prière et à la supplication de ton serviteur, Yahvé, mon Dieu, écoute l' appel et la prière que ton serviteur fait aujourd' hui devant toi !
1Mp 8:29 That thine eyes may be open toward this house night and day, even toward the place of which thou hast said, My name shall be there: that thou mayest hearken unto the prayer which thy servant shall make toward this place. mba hihiratan' ny masonao andro aman' alina amin' ity trano ity, dia amin' ny fitoerana nolazainao hoe: Ho ao ny anarako hihainoanao ny vavaka izay ataon' ny mpanomponao manatrika ity fitoerana ity. ka ataovy mihiratra andro aman' alina amin' ity trano ity anie ny masonao, dia amin' ny fitoerana izay nilazanao hoe: Ho ao ny anarako; ka henoy ny vavaka ataon' ny mpanomponao amin' ity fitoerana ity. Que tes yeux soient ouverts jour et nuit sur cette maison, sur ce lieu dont tu as dit : "Mon Nom sera là", écoute la prière que ton serviteur fera en ce lieu.
1Mp 8:30 And hearken thou to the supplication of thy servant, and of thy people Israel, when they shall pray toward this place: and hear thou in heaven thy dwelling place: and when thou hearest, forgive. Ary henoy ny fifonan' ny mpanomponao sy ny Isiraely olonao, raha mivavaka manatrika ity fitoerana ity izy; dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao; eny, mihainoa ka mamelà heloka. Henoy ny fifonan' ny mpanomponao sy Israely vahoakanao, raha mivavaka amin' ity fitoerana ity izy; mihainoa any amin' ny fitoeram-ponenanao any an-danitra, mihainoa, ka mamelà heloka. " Écoute la supplication de ton serviteur et de ton peuple Israël lorsqu' ils prieront en ce lieu. Toi, écoute du lieu où tu résides, au ciel, écoute et pardonne.
1Mp 8:31 If any man trespass against his neighbour, and an oath be laid upon him to cause him to swear, and the oath come before thine altar in this house: Raha misy olona manota amin' ny namany, ary ampianianiny, ka tonga hianiana eo anoloan' ny alitaranao amin' ity trano ity izy, Raha misy olona manota amin' ny namany, ka asaina hanao fianianana izy, ary tonga hianiana eto anoloan' ny otelinao amin' ity trano ity, Supposé qu' un homme pèche contre son prochain et que celui-ci prononce sur lui un serment imprécatoire et le fasse jurer devant ton autel dans ce Temple,
1Mp 8:32 Then hear thou in heaven, and do, and judge thy servants, condemning the wicked, to bring his way upon his head; and justifying the righteous, to give him according to his righteousness. dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka manaova, ary mitsarà ny mpanomponao, hanameloka ny ratsy fanahy ka hampitsingerina ny nataony ho amin' ny lohany, ary hanamarina ny marina kosa ka hanome azy araka ny fahamarinany. dia mihainoa azy any an-danitra, ary manefà, dia mitsarà ny mpanomponao, manameloka izay meloka, mampitsingerina amin' ny lohany ny nataony, manambara ny tsy manan-tsiny ho marina sy mamaly azy araka ny tsy fananany tsiny. toi, écoute au ciel et agis ; juge entre tes serviteurs : déclare coupable le méchant en faisant retomber sa conduite sur sa tête, et justifie l' innocent en lui rendant selon sa justice.
1Mp 8:33 When thy people Israel be smitten down before the enemy, because they have sinned against thee, and shall turn again to thee, and confess thy name, and pray, and make supplication unto thee in this house: Raha resy eo anoloan' ny fahavalo ny Isiraely olonao noho ny nanotany taminao, ary miverina aminao sy manaiky ny anaranao indray ka mivavaka sy mifona aminao eto amin' ity trano ity izy, Nony resin' ny fahavalony Israely vahoakanao noho izy nanota taminao, raha miverina aminao sy manome voninahitra ny anaranao izy, ka manao fivavahana sy fifonana aminao eto amin' ity trano ity, Quand ton peuple Israël sera battu devant l' ennemi, parce qu' il aura péché contre toi, s' il revient à toi, loue ton Nom, prie et supplie vers toi dans ce Temple,
1Mp 8:34 Then hear thou in heaven, and forgive the sin of thy people Israel, and bring them again unto the land which thou gavest unto their fathers. dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka mamelà ny fahotan' ny Isiraely olonao, ary ampodio amin' ny tany nomenao ny razany izy. dia mihainoa azy hianao any an-danitra, ka avelao ny fahotan' Israely vahoakanao ary ampodio amin' ny tany nomenao ny razany izy. toi, écoute au ciel, pardonne le péché de ton peuple Israël et ramène-le dans le pays que tu as donné à ses pères.
1Mp 8:35 When heaven is shut up, and there is no rain, because they have sinned against thee; if they pray toward this place, and confess thy name, and turn from their sin, when thou afflictest them: Raha mihantona ny andro ka tsy misy ranonorana noho ny nanotan' ny olona taminao, ka mivavaka manatrika ity fitoerana ity izy ka manaiky ny anaranao sady miala amin' ny fahotany, satria ampahorinao, Nony mihantona ny andro ka tsy milatsaka ny orana, noho ny nanotan' izy ireo taminao, raha mivavaka aminao eto amin' ity fitoerana ity izy, sy manome voninahitra ny anaranao, sady miala amin' ny fahotany, fa nampahorinao, Quand le ciel sera fermé qu' il n' y aura pas de pluie parce qu' ils auront péché contre toi, s' ils prient en ce lieu, louent ton Nom et se repentent de leur péché, parce que tu les auras humiliés,
1Mp 8:36 Then hear thou in heaven, and forgive the sin of thy servants, and of thy people Israel, that thou teach them the good way wherein they should walk, and give rain upon thy land, which thou hast given to thy people for an inheritance. dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka mamelà ny fahotan' ny mpanomponao, dia ny Isiraely olonao satria atoronao azy ny lalana tsara izay tokony halehany, ary mandatsaha ranonorana amin' ny taninao, izay nomenao ho lovan' ny olonao. dia mihainoa azy hianao any an-danitra ka avelao ny fahotan' ny mpanomponao sy Israely vahoakanao sady manoroa azy ny làlana tsara tsy maintsy alehany, ary alatsaho ny ranonorana amin' ny tany nomenao ny vahoakanao ho lovany. toi, écoute au ciel, pardonne le péché de ton serviteur et de ton peuple Israël - tu leur indiqueras la bonne voie qu' ils doivent suivre - et arrose de pluie ta terre, que tu as donnée en héritage à ton peuple.
1Mp 8:37 If there be in the land famine, if there be pestilence, blasting, mildew, locust, or if there be caterpiller; if their enemy besiege them in the land of their cities; whatsoever plague, whatsoever sickness there be; Raha misy mosary amin' ny tany, na areti-mandringana, na mainan' ny rivotra ny vary, na maty fotsy, na misy valala sy sompanga, na misy fahavalo manao fahirano azy ao amin' ny taniny, dia ao amin' ny tanànany, na inona fahoriana, na inona aretina, Raha misy mosary amin' ny tany, na misy pesta, na misy aretim-bary, na niela, na valala, na kasily, na avy izay hanaovan' ny fahavalo fahirano azy amin' ny taniny, amin' ny vavahadiny, na hisian' ny loza aman' aretina, na inona na inona izy, Quand le pays subira la famine, la peste, la rouille ou la nielle, quand surviendront les sauterelles ou les criquets, quand l' ennemi de ce peuple assiégera l' une de ses portes, quand il y aura n' importe quel fléau ou épidémie,
1Mp 8:38 What prayer and supplication soever be made by any man, or by all thy people Israel, which shall know every man the plague of his own heart, and spread forth his hands toward this house: izay vavaka rehetra sy fifonana rehetra ataon' olona, na ny Isiraely olonao rehetra, izay samy mahalala ny fahorian' ny fony avy, ka mamelatra ny tànany manatrika ity trano ity izy raha manao fivavahana sy fifonana ny olona na iza na iza sy Israely rehetra vahoakanao, sady samy mieky ny ferin' ny fony ka mamela-tànana manandrify ity trano ity, quelle que soit la prière ou la supplication de quiconque éprouve le remords de sa propre conscience, s' il étend les mains vers ce Temple,
1Mp 8:39 Then hear thou in heaven thy dwelling place, and forgive, and do, and give to every man according to his ways, whose heart thou knowest; (for thou, even thou only, knowest the hearts of all the children of men;) dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao, ka mamelà heloka, ary manaova, ka omeo ny olonao araka ny alehany rehetra, fa fantatrao ny fony (fa Hianao dia Hianao irery ihany no mahalala ny fon' ny zanak' olombelona rehetra), mihainoa any an-danitra any amin' ny fitoeran' ny fonenanao, ka mamelà heloka azy, tanteraho ka valio araka ny làlany rehetra avy izy, fa hianao mahalala ny fony, hianao irery no mahalala ny fon' ny zanak' olombelona rehetra, toi, écoute au ciel, où tu résides, pardonne et agis ; rends à chaque homme selon sa conduite, puisque tu connais son coeur - tu es le seul à connaître le coeur de tous -,
1Mp 8:40 That they may fear thee all the days that they live in the land which thou gavest unto our fathers. mba hatahorany Anao amin' Izay andro rehetra hiainany etý amin' ny tany nomenao ny razanay. mba hatahorany anao amin' ny andro rehetra hiainany ety ambonin' ny tany nomenao ny razany. en sorte qu' ils te craignent tous les jours qu' ils vivront sur la terre que tu as donnée à nos pères.
1Mp 8:41 Moreover concerning a stranger, that is not of thy people Israel, but cometh out of a far country for thy name' s sake; Ary henoy koa ny vahiny izay tsy isan' ny Isiraely olonao, fa tonga avy any amin' ny tany lavitra noho ny amin' ny anaranao izy Ny amin' ny vahiny, izay tsy isan' Israely vahoakanao fa avy any an-tany lavitra, noho ny amin' ny anaranao, " Même l'étranger qui n' est pas d' Israël ton peuple, s' il vient d' un pays lointain à cause de ton Nom -
1Mp 8:42 (For they shall hear of thy great name, and of thy strong hand, and of thy stretched out arm;) when he shall come and pray toward this house; (fa ho reny ny anaranao lehibe sy ny tananao mahery ary ny sandrinao ahinjitra), koa raha avy izy ka mivavaka manatrika ity trano ity, fa ho ren' ny olona ny anaranao be voninahitra sy ny tànanao mahery ary ny sandrinao mihenjana, ka ho avy hivavaka eto amin' ity trano ity izy, car on entendra parler de ton grand Nom, de ta main forte et de ton bras étendu -, s' il vient et prie en ce Temple,
1Mp 8:43 Hear thou in heaven thy dwelling place, and do according to all that the stranger calleth to thee for: that all people of the earth may know thy name, to fear thee, as do thy people Israel; and that they may know that this house, which I have builded, is called by thy name. dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao, ka manaova araka izay rehetra iantsoan' ny vahiny Anao, mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin' ny tany ny anaranao hatahorany Anao tahaka ny ataon' ny Isiraely olonao ihany, ary mba ho fantany fa ny anaranao no efa nantsoina tamin' ity trano nataoko ity. dia mihainoa any an-danitra any amin' ny fitoeran' ny fonenanao, ka arak' izay rehetra hangatahin' ny vahiny aminao no aoka hataonao aminy, mba ho fantatry ny olona rehetra amin' ny tany ny anaranao, ka hatahorany anao, tahaka an' Israely vahoakanao, ary hahalalany fa antsoina amin' ity trano nataoko ity ny anaranao. toi, écoute-le au ciel, où tu résides, exauce toutes les demandes de l'étranger afin que tous les peuples de la terre reconnaissent ton Nom et te craignent comme fait ton peuple Israël, et qu' ils sachent que ce Temple que j' ai bâti porte ton nom.
1Mp 8:44 If thy people go out to battle against their enemy, whithersoever thou shalt send them, and shall pray unto the Lord toward the city which thou hast chosen, and toward the house that I have built for thy name: Raha mivoaka hiady amin' ny fahavalon' ny olonao, na ho aiza na ho aiza no hanirahanao azy, ka mivavaka amin' i Jehovah manandrify ny tanàna izay nofidinao sy ny trano izay nataoko ho an' ny anaranao izy, Nony hivoaka hiady amin' ny fahavalony ny vahoakanao, manaraka ny làlana hasainao alehany, ka mivavaka amin' ny Tompo izy mitodika ny tanàna voafidinao sy ity trano nataoko ho an' ny anaranao ity, Si ton peuple part en guerre contre ses ennemis par le chemin où tu l' auras envoyé et s' il prie Yahvé, tourné vers la ville que tu as choisie et vers le Temple que j' ai construit pour ton Nom,
1Mp 8:45 Then hear thou in heaven their prayer and their supplication, and maintain their cause. dia henoy any an-danitra ny fivavany sy ny fifonany, ka omeo rariny izy. dia henoy any an-danitra ny vavaka amam-pifonany, ka omeo ny rariny izy. écoute au ciel sa prière et sa supplication et fais-lui justice.
1Mp 8:46 If they sin against thee, (for there is no man that sinneth not,) and thou be angry with them, and deliver them to the enemy, so that they carry them away captives unto the land of the enemy, far or near; Raha manota aminao izy (fa tsy misy olombelona tsy manota), ka tezitra aminy Hianao ary manolotra azy eo anoloan' ny fahavalony, ka dia ho entin' ny mpamabo ho babo any amin' ny tanin' ny fahavalo izy, na ho lavitra na ho akaiky. Raha avy izay hanotany aminao, fa tsy misy olombelona tsy manota, ka tezitra aminy hianao, ary manolotra azy amin' ny fahavalony, ary ny mpandresy hitondra azy ho babo, any amin' ny tanim-pahavalo, na ho lavitra na ho akaiky, Quand ils pécheront contre toi - car il n' y a aucun homme qui ne pèche -, quand tu seras irrité contre eux, que tu les livreras à l' ennemi et que leurs conquérants les emmèneront captifs dans un pays ennemi, lointain ou proche,
1Mp 8:47 Yet if they shall bethink themselves in the land whither they were carried captives, and repent, and make supplication unto thee in the land of them that carried them captives, saying, We have sinned, and have done perversely, we have committed wickedness; ary mahatsiaro any amin' ny tanin' ireo namabo azy ireo izy, ka mibebaka sy mifona aminao any amin' ny tany izay nitondrany azy ho babo ary manao hoe: Efa nanota izahay sady efa nanao meloka sy efa nanao ratsy. raha mieritreritra ao am-pony izy nony mby any amin' ny tanin' ny mpandresy azy, ka mibebaka izy sy manolotra fifonana aminao, any amin' ny tanin' ireo nambabo azy, manao hoe: Efa nanota izahay, efa nanao ratsy izahay, efa nahavita heloka izahay! s' ils rentrent en eux-mêmes dans le pays où ils auront été déportés, s' ils se repentent et te supplient dans le pays de leurs conquérants en disant : "Nous avons péché, nous avons mal agi, nous nous sommes pervertis",
1Mp 8:48 And so return unto thee with all their heart, and with all their soul, in the land of their enemies, which led them away captive, and pray unto thee toward their land, which thou gavest unto their fathers, the city which thou hast chosen, and the house which I have built for thy name: ka dia miverina aminao amin' ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra ao amin' ny tanin' ny fahavalony izay namabo azy izy, ary mivavaka aminao manandrify ny taniny izay nomenao ny razany sy ny tanàna izay nofidinao ary ny trano izay nataoko ho an' ny anaranao, sady miverina aminao amin' ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra izy, any an-tanin' ny fahavalony izay nitondra azy ho babo, ka manao fivavahana aminao mitodika atý amin' ny taniny izay nomenao ny razany, sy atý amin' ny tanàna voafidinao, ary atý amin' ny trano nataoko ho an' ny anaranao, s' ils reviennent à toi de tout leur coeur et de toute leur âme dans le pays des ennemis qui les auront déportés, et s' ils te prient, tournés vers le pays que tu as donné à leurs pères, vers la ville que tu as choisie et le Temple que j' ai bâti pour ton Nom,
1Mp 8:49 Then hear thou their prayer and their supplication in heaven thy dwelling place, and maintain their cause, dia henoy any an-danitra fonenanao ny fivavany sy ny fifonany, ka omeo rariny izy; dia henoy any an-danitra, any amin' ny fitoeran' ny fonenanao ny vavaka amam-pifonany, ka omeo rariny izy; écoute au ciel où tu résides,
1Mp 8:50 And forgive thy people that have sinned against thee, and all their transgressions wherein they have transgressed against thee, and give them compassion before them who carried them captive, that they may have compassion on them: eny, mamelà ny heloky ny olonao izay nanota taminao sy ny fahadisoany rehetra izay nataony taminao, ary ataovy mahazo famindram-po amin' izay mamabo azy izy, dia ny hamindran' ireo fo aminy; avelao ny fahotan' ny vahoakanao sy ny fahadisoany rehetra izay nataony taminao, ataovy mangoraka azy ireo namabo azy, ka hamindra fo aminy; pardonne à ton peuple les péchés qu' il a commis envers toi et toutes les rébellions dont ils furent coupables, fais-leur trouver grâce devant leurs conquérants, que ceux-ci aient pitié d' eux ;
1Mp 8:51 For they be thy people, and thine inheritance, which thou broughtest forth out of Egypt, from the midst of the furnace of iron: fa olonao sy lovanao izy, izay nentinao nivoaka avy tany Egypta, dia avy tao amin' ny memy fandrendreham-by, fa vahoakanao sy lovanao izy ireo izay nentinao nivoaka avy tany Ejipta tany amin' ny memy vy, car ils sont ton peuple et ton héritage, ceux que tu as fait sortir d'Égypte, cette fournaise pour le fer.
1Mp 8:52 That thine eyes may be open unto the supplication of thy servant, and unto the supplication of thy people Israel, to hearken unto them in all that they call for unto thee. mba hihiratan' ny masonao amin' ny fifonan' ny mpanomponao sy ny fifonan' ny Isiraely olonao hihaino azy amin' izay rehetra iantsoany Anao. mba hihiratan' ny masonao amin' ny fifonan' ny mpanomponao, sy ny fifonan' Israely vahoakanao, mba hihainoanao azy amin' izay rehetra hangatahiny aminao. " Que tes yeux soient ouverts sur la supplication de ton serviteur et de ton peuple Israël, pour écouter tous les appels qu' ils lanceront vers toi.
1Mp 8:53 For thou didst separate them from among all the people of the earth, to be thine inheritance, as thou spakest by the hand of Moses thy servant, when thou broughtest our fathers out of Egypt, O Lord God. Fa Hianao, Jehovah, Tompo ô no nanavaka azy tamin' ny firenena rehetra ambonin' ny tany ho lovanao, araka izay nampilazainao an' i Mosesy mpanomponao tamin' ny nitondranao ny razanay nivoaka avy tany Egypta. Fa navahanao tamin' ny vahoaka rehetra eto an-tany izy mba ho anao, mba ho lovanao, araka ny voalazanao tamin' i Moizy mpanomponao, fony hianao nitondra ny razanay nivoaka avy tany Ejipta, ry Iaveh Tompo ô! Car c' est toi qui les as mis à part comme ton héritage, parmi tous les peuples de la terre, ainsi que tu l' as déclaré par le ministère de ton serviteur Moïse, quand tu as fait sortir nos pères d'Égypte, Seigneur Yahvé ! "
1Mp 8:54 And it was so, that when Solomon had made an end of praying all this prayer and supplication unto the Lord, he arose from before the altar of the Lord, from kneeling on his knees with his hands spread up to heaven. Ary rehefa vita izany vavaka sy fifonana vehetra nataon' i Solomona tamin' i Jehovah: any, dia nitsangana niala teo amin' ny alitaran' i Jehovah izay efa nandohalehan' ny lohaliny sy efa namelarany ny tànany ho amin' ny lanitra izy. Rahefa tapitra nataon' i Salomona tamin' ny Tompo izany vavaka amam-pifonana rehetra izany, dia nitsangana izy avy teo anoloan' ny otelin' ny Tompo izay nandohalihany sy namelarany tànana nanondro ny lanitra. Quand Salomon eut achevé d' adresser à Yahvé toute cette prière et cette supplication, il se releva de l' endroit où il était agenouillé, les mains étendues vers le ciel, devant l' autel de Yahvé,
1Mp 8:55 And he stood, and blessed all the congregation of Israel with a loud voice, saying, Ary nitsangana izy ka nitso-drano ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, tamin' ny feo mahery hoe: Nony nitsangana izy dia nitso-drano ny fiangonan' Israely rehetra nanao hoe: et se tint debout. Il bénit à haute voix toute l' assemblée d' Israël :
1Mp 8:56 Blessed be the Lord, that hath given rest unto his people Israel, according to all that he promised: there hath not failed one word of all his good promise, which he promised by the hand of Moses his servant. Isaorana anie Jehovah, izay nanome fitsaharana ho an' ny Isiraely olony araka izay rehetra nolazainy; tsy misy latsaka na dia teny iray aza tamin' izay teny soa rehetra nampilazainy an' i Mosesy mpanompony. Hankalazaina anie Iaveh, izay nanome fitsaharana an' Israely vahoakany araka izay rehetra voalazany. Fa amin' ny teny soa rehetra nampandrenesiny tamin' ny alàlan' i Moizy mpanompony dia tsy misy teny tsy tanteraka na iray aza. " Béni soit Yahvé, dit-il, qui a accordé le repos à son peuple Israël, selon toutes ses promesses ; de toutes les bonnes paroles qu' il a dites par le ministère de son serviteur Moïse, aucune n' a failli.
1Mp 8:57 The Lord our God be with us, as he was with our fathers: let him not leave us, nor forsake us: Jehovah Andriamanitsika anie no amintsika, tahaka ny tamin' ny razantsika; aoka tsy handao na hahafoy antsika Izy, Homba antsika anie Iaveh Andriamanitsika, toy ny efa nombany ny razantsika. Tsy handao antsika anie izy, na hahafoy antsika, Que Yahvé notre Dieu soit avec nous, comme il fut avec nos pères, qu' il ne nous abandonne pas et ne nous rejette pas !
1Mp 8:58 That he may incline our hearts unto him, to walk in all his ways, and to keep his commandments, and his statutes, and his judgments, which he commanded our fathers. mba hampanatoniny Azy ny fontsika handehanantsika amin' ny lalany rehetra sy hitandremantsika ny lalàny sy ny didiny ary ny fitsipiny izay nandidiany ny razantsika. fa aoka hanongilana ny fontsika ho any aminy mba hizorantsika amin' ny làlany, sy hitandremantsika ny didiny aman-dalàny, ary ny fitsipiny izay nandidiany ny razantsika. Qu' il incline nos coeurs vers lui, pour que nous suivions toutes ses voies et gardions les commandements, les lois et les ordonnances qu' il a donnés à nos pères.
1Mp 8:59 And let these my words, wherewith I have made supplication before the Lord, be nigh unto the Lord our God day and night, that he maintain the cause of his servant, and the cause of his people Israel at all times, as the matter shall require: Ary aoka izany teny nifonako teto anatrehan' i Jehovah izany ho ao amin' i Jehovah Andriamanitsika andro aman' alina, mba hanomezany rariny ho ahy mpanompony sy ny Isiraely olony araka izay tandrifiny ho azy isan' andro, Izao teny fifonana nataoko teo anatrehan' ny Tompo izao, dia aoka ho mby akaikin' ny Tompo Andriamanitsika andro aman' alina, mba homeny rariny, araka izay ilaina isan' andro, izaho mpanompony sy Israely vahoakany, Puissent ces paroles que j' ai dites en suppliant devant Yahvé rester présentes jour et nuit à Yahvé notre Dieu, pour qu' il rende justice à son serviteur et justice à son peuple Israël, selon les besoins de chaque jour ;
1Mp 8:60 That all the people of the earth may know that the Lord is God, and that there is none else. mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin' ny tany fa Jehovah no Andriamanitra, fa tsy misy afa-tsy Izy. mba ho fantatry ny firenena rehetra eto an-tany, fa Andriamanitra Iaveh ary tsy misy afatsy izy irery. tous les peuples de la terre sauront alors que Yahvé seul est Dieu, qu' il n' y en a point d' autre,
1Mp 8:61 Let your heart therefore be perfect with the Lord our God, to walk in his statutes, and to keep his commandments, as at this day. Ary aoka ho marina amin' i Jehovah Andriamanitsika anie ny fonareo, handehananareo amin' ny didiny sy hitandremanareo ny lalàny, tahaka ny amin' izao anio izao. Ho an' ny Tompo Andriamanitsika anie ny fonareo manontolo, mba hanarahanareo ny làlany, sy hitandremanareo ny didiny, tahaka izao anio izao. et votre coeur sera tout entier à Yahvé, notre Dieu, observant ses lois et gardant ses commandements comme maintenant. "
1Mp 8:62 And the king, and all Israel with him, offered sacrifice before the Lord. Ary ny mpanjaka sy ny Isiraely rehetra teo aminy dia namono zavatra hatao fanatitra eo anatrehan' i Jehovah. Ary nanatitra sorona teo anatrehan' ny Tompo ny mpanjaka sy Israely rehetra niaraka taminy. Le roi et tout Israël avec lui sacrifièrent devant Yahvé.
1Mp 8:63 And Solomon offered a sacrifice of peace offerings, which he offered unto the Lord, two and twenty thousand oxen, and an hundred and twenty thousand sheep. So the king and all the children of Israel dedicated the house of the Lord. Ary Solomona namono zavatra hatao fanati-pihavanana, Izay nateriny ho an' i Jehovah, dia omby roa arivo amby roa alina sy ondry aman' osy roa alina amby iray hetsy. Toy izany no nitokanan' ny mpanjaka sy ny Zanak' Isiraely rehetra ny tranon' i Jehovah. Namono omby roa arivo sy roa alina ary ondry roa alina sy iray hetsy Salomona hatao sorom-pihavanana nateriny tamin' ny Tompo. Comme sacrifices de communion qu' il présenta à Yahvé, Salomon offrit vingt-deux mille boeufs et cent vingt mille moutons, et le roi et tous les Israélites dédièrent le Temple de Yahvé.
1Mp 8:64 The same day did the king hallow the middle of the court that was before the house of the Lord: for there he offered burnt offerings, and meat offerings, and the fat of the peace offerings: because the brasen altar that was before the Lord was too little to receive the burnt offerings, and meat offerings, and the fat of the peace offerings. Ary androtr' io ihany no nanamasinan' ny mpanjaka ny afovoan' ny kianja izay teo anoloan' ny tranon' i Jehovah; fa teo no nanaterany fanatitra dorana sy fanatitra hohanina ary ny saboran' ny fanati-pihavanana; fa kely loatra ny alitara varahina izay teo anatrehan' i Jehovah ka tsy omby ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina ary ny saboran' ny fanati-pihavanana. Nohamasinin' ny mpanjaka androtrizay ihany ny afovoan' ny kianja eo anoloan' ny tranon' ny Tompo, fa teo no nanolorany ny sorona dorana, sy ny fanatitra ary ny saboran' ny sorom-pihavanana; satria kely loatra ny otely varahina teo anoloan' ny Tompo, ka tsy omby ny sorona dorana sy ny fanatitra ary ny saboran' ny sorom-pihavanana. En ce jour, le roi consacra le milieu de la cour qui est devant le Temple de Yahvé ; c' est là qu' il offrit l' holocauste, l' oblation et les graisses des sacrifices de communion, parce que l' autel de bronze qui était devant Yahvé était trop petit pour contenir l' holocauste, l' oblation et les graisses des sacrifices de communion.
1Mp 8:65 And at that time Solomon held a feast, and all Israel with him, a great congregation, from the entering in of Hamath unto the river of Egypt, before the Lord our God, seven days and seven days, even fourteen days. Ary tamin' izany andro izany Solomona sy ny Isiraely rehetra teo aminy, dia fiangonana lehibe hatrany akaikin' i Hamata ka hatramin' ny lohasahan-driak' i Egypta, dia nitandrina ny andro firavoravoana teo anatrehan' i Jehovah Andriamanitsika hafitoana indroa, dia efatra ambin' ny folo andro. Tamin' izany andro izany, Salomona sy Israely rehetra niaraka taminy, dia olona zavon-tany avy hatrany amin' ny vava lalan' i Emata, ka hatrany amin' ny ranon-driakan' i Ejipta, dia nankalaza ny fety teo anatrehan' ny Tompo Andriamanitsika nandritra ny fito andro, ary fito andro koa indray, dia efatra ambin' ny folo andro. En ce temps-là, Salomon célébra la fête, et tous les Israélites avec lui, un grand rassemblement depuis l' Entrée de Hamat jusqu' au Torrent d'Égypte, devant Yahvé notre Dieu, pendant sept jours.
1Mp 8:66 On the eighth day he sent the people away: and they blessed the king, and went unto their tents joyful and glad of heart for all the goodness that the Lord had done for David his servant, and for Israel his people. Ary nony tamin' ny andro fahavalo dia nampodiny ny olona, ary nisaotra andriana izy, dia lasa nandeha ho any an-dainy avy, sady faly no ravoravo ny fony noho ny soa rehetra nataon' i Jehovah tamin' i Davida mpanompony sy ny Isiraely olony. Nony tamin' ny andro fahavalo, dia nalefany nody ny vahoaka. Dia nisaotra andriana, sy nandeha nankany amin' ny fonenany avy, sady faly izy ireo no ravo ny fony noho ny soa rehetra nataon' ny Tompo tamin' i Davida mpanompony, sy tamin' Israely vahoakany. Puis, le huitième jour, il congédia les gens ; ils bénirent le roi et s' en allèrent chacun chez soi, joyeux et le coeur content de tout le bien que Yahvé avait fait à son serviteur David et à son peuple Israël.

<-
->