<-
->

1Mp 3:1 And Solomon made affinity with Pharaoh king of Egypt, and took Pharaoh' s daughter, and brought her into the city of David, until he had made an end of building his own house, and the house of the Lord, and the wall of Jerusalem round about. Ary Solomona tonga vinanton' i Farao, mpanjakan' i Egypta, fa nanambady ny zanakavavin' i Farao izy ka nitondra azy ho any an-Tanànan' i Davida, mandra-pahavitany ny tranony sy ny tranon' i Jehovah ary ny màndan' i Jerosalema manodidina. Nisy fihavanam-panambadiana nampiray an' i Salomona tamin' i Faraona mpanjakan' i Ejipta, fa nanambady ny zanakavavin' i Faraona izy, dia nitondra azy ho ao an-tanànan' i Davida, mandra-pahatapitra ny fanorenana ny tranony sy ny tranon' ny Tompo ary ny manda manodidina an' i Jerosalema. Salomon devint le gendre de Pharaon, le roi d'Égypte ; il prit pour femme la fille de Pharaon et l' introduisit dans la cité de David, en attendant d' avoir achevé de construire son palais, le Temple de Yahvé et le rempart de Jérusalem.
1Mp 3:2 Only the people sacrificed in high places, because there was no house built unto the name of the Lord, until those days. Kanefa ny olona mbola namono zavatra hatao fanatitra teny amin' ny fitoerana avo ihany, fa tsy mbola nisy trano vita ho an' ny anaran' i Jehovah hatramin' izany andro izany. Nefa teny amin' ny fitoerana avo ihany no nanaovan' ny vahoaka sorona, fa mbola tsy nisy trano natao ho an' ny anaran' ny Tompo hatramin' izany andro izany. Le peuple sacrifiait sur les hauts lieux, car on n' avait pas encore bâti en ce temps-là une maison pour le Nom de Yahvé.
1Mp 3:3 And Solomon loved the Lord, walking in the statutes of David his father: only he sacrificed and burnt incense in high places. Ary Solomona tia an' i Jehovah ka nizotra araka ny dian' i Davida rainy; nefa kosa izy mbola namono zavatra hatao fanatitra sy nandoro ditin-kazo manitra teny amin' ny fitoerana avo ihany. Tia an' ny Tompo Salomona ary nandeha araka ny fitsipik' i Davida rainy, nefa mbola teny amin' ny fitoerana avo ihany no nanaterany sorona sy nandoroany zava-manitra. Salomon aima Yahvé : il se conduisait selon les préceptes de son père David ; seulement il offrait des sacrifices et de l' encens sur les hauts lieux.
1Mp 3:4 And the king went to Gibeon to sacrifice there; for that was the great high place: a thousand burnt offerings did Solomon offer upon that altar. Ary ny mpanjaka nankany Gibeona hamono zavatra hatao fanatitra any, fa izany ilay fitoerana avo malaza; ka fanatitra dorana arivo no naterin' i Solomona teo amin' izany alitara izany. Dia nankany Gabaona Salomona hanao sorona, fa tany no fitoerana avo malaza. Sorona dorana arivo no nateriny teo ambonin' io otely io. Le roi alla à Gabaôn pour y sacrifier, car le plus grand haut lieu se trouvait là - Salomon a offert mille holocaustes sur cet autel.
1Mp 3:5 In Gibeon the Lord appeared to Solomon in a dream by night: and God said, Ask what I shall give thee. Tao Gibeona no nisehoan' i Jehovah tamin' i Solomona tamin' ny nofy nony alina; ary hoy Andriamanitra: Angataho izay tianao homeko anao. Ary Iaveh niseho tamin' i Salomona tamin' ny nofy, nony alina, tany Gabaona, ka hoy Andriamanitra taminy: Angataho izay tianao homeko anao. A Gabaôn, Yahvé apparut la nuit en songe à Salomon. Dieu dit : " Demande ce que je dois te donner. "
1Mp 3:6 And Solomon said, Thou hast shewed unto thy servant David my father great mercy, according as he walked before thee in truth, and in righteousness, and in uprightness of heart with thee; and thou hast kept for him this great kindness, that thou hast given him a son to sit on his throne, as it is this day. Dia hoy Solomona: Hianao efa naneho fahasoavana lehibe tamin' i Davida raiko mpanomponao, araka ny nandehanany teo anatrehanao tamin' ny tsi-fivadihana sy ny fahamarinana ary ny fahitsian' ny fony taminao, ary Hianao efa nitahiry izao fahasoavana lehibe izao ho azy, dia ny nanomezanao azy zanakalahy hipetraka eo amin' ny seza fiandrianany tahaka ny amin' izao anio izao. Dia hoy ny navalin' i Salomona: Efa naneho fitiavana lehibe tamin' i Davida mpanomponao raiko hianao, araka ny nandehanany teo anatrehanao, tamin' ny tsy fivadihana sy fahamarinana, ary fahitsiam-po taminao; notohizinao izany fitiavana azy lehibe izany, ka nomenao zanakalahy izay mipetraka eo amin' ny seza fiandrianany izy, araka izao hita izao. Salomon répondit : " Tu as témoigné une grande bienveillance à ton serviteur David, mon père, et celui-ci a marché devant toi dans la fidélité, la justice et la droiture du coeur ; tu lui as gardé cette grande bienveillance et tu as permis qu' un de ses fils soit aujourd' hui assis sur son trône.
1Mp 3:7 And now, O Lord my God, thou hast made thy servant king instead of David my father: and I am but a little child: I know not how to go out or come in. Ary ankehitriny, Jehovah Andriamanitro ô, Hianao efa nampanjaka ahy mpanomponao handimby an' i Davida raiko; nefa izaho dia mbola zaza ihany, ka tsy fantatro akory izay fivoaka sy fiditra. Ary ankehitriny, Iaveh Andriamanitra ô, efa nampanjaka ny mpanomponao handimby an' i Davida raiko hianao; izaho anefa dia mbola tovolahy tanora kely tsy mahay mitondra tena. Maintenant, Yahvé mon Dieu, tu as établi roi ton serviteur à la place de mon père David, et moi, je suis un tout jeune homme, je ne sais pas agir en chef.
1Mp 3:8 And thy servant is in the midst of thy people which thou hast chosen, a great people, that cannot be numbered nor counted for multitude. Ary izaho mpanomponao koa dia ao amin' ny olonao izay nofidinao, sady olona betsaka tsy tambo isaina ary tsy hita isa noho ny hamaroany. Ary ny mpanomponao dia eo afovoan' ny vahoakanao, izay nofidinao, vahoaka be dia be, tsy azo vinavinaina ny habetsahany, tsy tambo isaina, fa maro be loatra. Ton serviteur est au milieu du peuple que tu as élu, un peuple nombreux, si nombreux qu' on ne peut le compter ni le recenser.
1Mp 3:9 Give therefore thy servant an understanding heart to judge thy people, that I may discern between good and bad: for who is able to judge this thy so great a people? Koa omeo ahy mpanomponao saina malady ho entiko mitsara ny olonao hahaizako manavaka ny soa sy ny ratsy; fa iza moa no mahay mitsara izao olonao betsaka izao? Koa saina mahiratra no omeo ny mpanomponao, hitsarako ny vahoakanao, hanavahako ny soa sy ny ratsy. Fa iza moa no hahay mitsara izao vahoakanao maro be izao! Donne à ton serviteur un coeur plein de jugement pour gouverner ton peuple, pour discerner entre le bien et le mal, car qui pourrait gouverner ton peuple, qui est si grand ? "
1Mp 3:10 And the speech pleased the Lord, that Solomon had asked this thing. Ary sitraky ny Tompo ny nangatahan' i Solomona izany zavatra izany; Nankasitrahan' ny Tompo ny nangatahan' i Salomona izany zavatra izany taminy. Il plut au regard du Seigneur que Salomon ait fait cette demande ;
1Mp 3:11 And God said unto him, Because thou hast asked this thing, and hast not asked for thyself long life; neither hast asked riches for thyself, nor hast asked the life of thine enemies; but hast asked for thyself understanding to discern judgment; ka dia hoy Andriamanitra taminy: Satria nangataka izany zavatra izany ianao, fa tsy ny ho ela velona, na harena, na ny ain' ny fahavalonao, fa fahaizana hitsara no nangatahinao, Ka hoy Andriamanitra taminy: Noho hianao nangataka izany zavatra izany, ka tsy nangataka andro maro ho anao, sy tsy nangataka harena ho anao, ary tsy nangataka ny ain' ny fahavalonao ho anao; fa ny saina no nangatahinao ho anao mba hitsara araka ny rariny; et Dieu lui dit : " Parce que tu as demandé cela, que tu n' as pas demandé pour toi de longs jours, ni la richesse, ni la vie de tes ennemis, mais que tu as demandé pour toi le discernement du jugement,
1Mp 3:12 Behold, I have done according to thy words: lo, I have given thee a wise and an understanding heart; so that there was none like thee before thee, neither after thee shall any arise like unto thee. dia, indro, efa nanao araka ny teninao Aho, ka indro, efa nanome anao saina hendry sady mahiratra, ka tsy nisy tahaka anao ny teo alohanao, ary tsy hisy ho tahaka anao ny ato aorianao. dia indro, tanterahiko ny teninao, fa omeko saina hendry sy mahiratra hianao, ka ny olona talohanao tsy nisy toa anao, ary tsy hisy toa anao ny olona hitsangana ato aorianao. voici que je fais ce que tu as dit : je te donne un coeur sage et intelligent comme personne ne l' a eu avant toi et comme personne ne l' aura après toi.
1Mp 3:13 And I have also given thee that which thou hast not asked, both riches, and honour: so that there shall not be any among the kings like unto thee all thy days. Ary na izay tsy nangatahinao aza dia efa nomeko anao koa, dia harena sy voninahitra, ka tsy hisy mpanjaka tahaka anao amin' ny andronao rehetra. Omeko anao mbamin' izay tsy nangatahinao koa aza, dia harena amam-boninahitra, any ka tsy hisy toa anao na iza na iza amin' ny mpanjaka mandritra ny andronao rehetra. Et même ce que tu n' as pas demandé, je te le donne aussi : une richesse et une gloire comme à personne parmi les rois.
1Mp 3:14 And if thou wilt walk in my ways, to keep my statutes and my commandments, as thy father David did walk, then I will lengthen thy days. Ary raha handeha amin' ny lalako ianao ka hitandrina ny lalàko sy ny didiko tahaka ny nandehanan' i Davida rainao, dia hataoko ho ela velona ianao. Ary raha mandeha amin' ny làlako hianao, ka mitandrina ny didy aman-dalàko, toy ny nandehanan' i Davida rainao, dia hohalavaiko ny andronao. Et si tu suis mes voies, gardant mes lois et mes commandements comme a fait ton père David, je t' accorderai une longue vie. "
1Mp 3:15 And Solomon awoke; and, behold, it was a dream. And he came to Jerusalem, and stood before the ark of the covenant of the Lord, and offered up burnt offerings, and offered peace offerings, and made a feast to all his servants. Ary dia nahatsiaro Solomona, ka indro fa nofy izany. Ary nony tonga tany Jerosalema izy, dia nitsangana teo anoloan' ny fiaran' ny faneken' i Jehovah ka nanatitra fanatitra odorana sy fanati-pihavanana, ary dia nanao fanasana ho an' ny mpanompony rehetra izy. Nahatsiaro Salomona ary nahalala fa nofy izany. Ary nony tafaverina tany Jerosalema izy, dia nitoetra teo anatrehan' ny fiaran' ny faneken' ny Tompo, ka nanatitra sorona dorana sy sorom-pihavanana ary nanao fanasana ho an' ny mpanompomy rehetra. Salomon s'éveilla et voilà que c'était un songe. Il rentra à Jérusalem et se tint devant l' arche de l' alliance du Seigneur ; il offrit des holocaustes et des sacrifices de communion et donna un banquet à tous ses serviteurs.
1Mp 3:16 Then came there two women, that were harlots, unto the king, and stood before him. Ary tamin' izany dia nisy vehivavy janga roa nankao amin' ny mpanjaka ka nitsangana teo anatrehany. Tamin' izay dia nisy vehivavy ratsy fiaina anankiroa, tonga teo amin' ny mpanjaka ka nitoetra teo anatrehany. Alors deux prostituées vinrent vers le roi et se tinrent devant lui.
1Mp 3:17 And the one woman said, O my lord, I and this woman dwell in one house; and I was delivered of a child with her in the house. Ary hoy ilay vehivavy anankiray: Trarantitra ianao, tompokolahy, izaho sy ity vehivavy ity miray trano; ary teraka tao an-trano aho, sady tao koa izy. Hoy ny iray tamin' izy ireo: Mitaraina aminao aho tompoko, fa niray trano izaho sy ravehivavy ity, ary teraka teo anilany tao an-trano aho. L' une des femmes dit : " S' il te plaît, Monseigneur ! Moi et cette femme nous habitons la même maison, et j' ai eu un enfant, alors qu' elle était dans la maison.
1Mp 3:18 And it came to pass the third day after that I was delivered, that this woman was delivered also: and we were together; there was no stranger with us in the house, save we two in the house. Ary nony efa velona hateloana aho, dia mba velona koa izavavy ity; ary izahay roa vavy ihany no tao; tsy nisy olon-kafa tao aminay tao an-trano, fa izahay roa vavy ihany. Nony afaka hateloana ny niterahako, dia mba teraka koa ravehivavy io. Niara-nonina izahay, ary tsy nisy olon-kafa niaraka taminay tao an-trano; fa izahay roa vavy ihany no tao an-trano. Il est arrivé que, le troisième jour après ma délivrance, cette femme aussi a eu un enfant ; nous étions ensemble, il n' y avait pas d'étranger avec nous, rien que nous deux dans la maison.
1Mp 3:19 And this woman' s child died in the night; because she overlaid it. Ary maty tamin' ny alina ny zanak' izavavy ity, fa voatsindriny. Maty tamin' ny alina ny zana-dravehivavy io, fa voatsindriny tao am-pandriana. Or le fils de cette femme est mort une nuit parce qu' elle s'était couchée sur lui.
1Mp 3:20 And she arose at midnight, and took my son from beside me, while thine handmaid slept, and laid it in her bosom, and laid her dead child in my bosom. Dia nifoha mamatonalina izy ka naka ny zanako teo amiko tamin' ilay natory iny aho ankizivavinao, dia nampandriny teo an-tratrany, fa ny azy maty napetrany teo an-tratrako. Ka nony nisasaka ny alina, niarina izy, nalainy ny zanako teo anilako, raha ilay mbola natory iny ny ankizivavinao, ka io no nampandriny teo an-tratrany, fa ny zanany efa maty no nampandriny teo an-tratrako. Elle se leva au milieu de la nuit, prit mon fils d'à côté de moi pendant que ta servante dormait ; elle le mit sur son sein et son fils mort elle le mit sur mon sein.
1Mp 3:21 And when I rose in the morning to give my child suck, behold, it was dead: but when I had considered it in the morning, behold, it was not my son, which I did bear. Ary nony nifoha maraina hampinono ny zanako aho, indro fa maty izy; kanjo rehefa nofantariko sy nony maraina, dia indro fa tsy ny zanako naerako. Nony niarina aho tamin' ny maraina hampinono ny zanako, dia indro fa maty izy. Nodinihiko tsara anefa ity izy nony maraina, ka hitako fa tsy ilay zanako naterako akory. Je me levai pour allaiter mon fils, et voici qu' il était mort ! Mais, au matin, je l' examinai, et voici que ce n'était pas mon fils que j' avais enfanté ! "
1Mp 3:22 And the other woman said, Nay; but the living is my son, and the dead is thy son. And this said, No; but the dead is thy son, and the living is my son. Thus they spake before the king. Ary hoy kosa ilay anankiray: Tsia, fa ny velona no zanako, ary ny maty no zanakao. Fa hoy indray ny anankiray: Tsia, fa ny maty no zanakao, ary ny velona no zanako. izany no teniny teo anatrehan' ny mpanjaka. Hoy ilay vehivavy anankiray: Tsia fa ny zanako naterako no velona, ary ny zanakao no maty. Fa namaly ity anankiray nanao hoe: Tsy izany velively, fa ny zanakao no maty, ary ny zanako no velona. Dia nifanditra toy izany teo anatrehan' ny mpanjaka izy ireo. Alors l' autre femme dit : " Ce n' est pas vrai ! Mon fils est celui qui est vivant, et ton fils est celui qui est mort ! " et celle-là reprenait : " Ce n' est pas vrai ! Ton fils est celui qui est mort et mon fils est celui qui est vivant ! " Elles se disputaient ainsi devant le roi
1Mp 3:23 Then said the king, The one saith, This is my son that liveth, and thy son is the dead: and the other saith, Nay; but thy son is the dead, and my son is the living. Ary hoy ny mpanjaka: Ny anankiray manao hoe: Ity velona no zanako. ary ny maty no zanakao; ary hoy kosa ny anankiray: Tsia, fa ny maty no zanakao, ary ny velona no zanako. Hoy ny mpanjaka, nanao hoe: Ny iray manao hoe: Ny zanako no velona, ary ny zanakao no maty. Ny iray kosa manao hoe: Tsy izany velively, fa ny zanakao no maty, ary ny zanako no velona! qui prononça : " Celle-ci dit : "Voici mon fils qui est vivant et c' est ton fils qui est mort ! " et celle-là dit : "Ce n' est pas vrai ! Ton fils est celui qui est mort et mon fils est celui qui est vivant ! "
1Mp 3:24 And the king said, Bring me a sword. And they brought a sword before the king. Koa itondray sabatra aho, hoy ny mpanjaka. Ary nentiny ny sabatra ho eo anatrehan' ny mpanjaka. Ary hoy ny mpanjaka: Itondray sabatra aho. Dia nitondrana sabatra teo anatrehany ny mpanjaka, ka hoy ny mpanjaka: Apportez-moi une épée ", ordonna le roi ; et on apporta l'épée devant le roi,
1Mp 3:25 And the king said, Divide the living child in two, and give half to the one, and half to the other. Ary hoy ny mpanjaka: Sasaho ny zaza velona, ka omeo ny anankiray ny antsasany, ary ho an' ny anankiray kosa ny antsasany. Sasaho ny zaza velona, ka ny ilany anankiray omeo an' ity, ary ny anankiray omeo an' itsy. qui dit : " Partagez l' enfant vivant en deux et donnez la moitié à l' une et la moitié à l' autre. "
1Mp 3:26 Then spake the woman whose the living child was unto the king, for her bowels yearned upon her son, and she said, O my lord, give her the living child, and in no wise slay it. But the other said, Let it be neither mine nor thine, but divide it. Fa niteny tamin' ny mpanjaka ravehivavy, renin' ny zaza velona satria nandevilevy ny fony noho ny amin' ny zanany ka nanao hoe: Tompokolahy ô, trarantitra ianao, omeo azy ihany ary ny zaza velona, fa aza dia vonoina re! Fa hoy kosa ny iray: Aoka tsy ho ahy tsy ho anao, fa zarao mihitsy. Niteny tamin' izay ity vehivavy tompon' ny zaza velona; fa nahatsiaro mangoraka ny fony noho ny amin' ny zaza, ka hoy izy tamin' ny mpanjaka: Tompokolahy ô, omeo azy re ny zaza velona; fa aza dia vonoina! Fa hoy kosa ity anankiray: Aoka tsy ho ahy, tsy ho anao, fa zarao. Alors la femme dont le fils était vivant s' adressa au roi, car sa pitié s'était enflammée pour son fils, et elle dit : " S' il te plaît, Monseigneur ! Qu' on lui donne l' enfant vivant, qu' on ne le tue pas ! " mais celle-là disait : " Il ne sera ni à moi ni à toi, partagez ! "
1Mp 3:27 Then the king answered and said, Give her the living child, and in no wise slay it: she is the mother thereof. Dia namaly ny mpanjaka ka nanao hoe: Omeo itsy ny zaza velona, fa aoka tsy hovonoina; fa io mihitsy no reniny. Dia namaly ny mpanjaka nanao hoe: Omeo an' ity ny zaza velona fa aza vonoina; fa ity no reniny. Alors le roi prit la parole et dit : " Donnez l' enfant vivant à la première, ne le tuez pas. C' est elle la mère. "
1Mp 3:28 And all Israel heard of the judgment which the king had judged; and they feared the king: for they saw that the wisdom of God was in him, to do judgment. Ary raha ren' ny Isiraely rehetra izany fitsarana nataon' ny mpanjaka izany, dia natahotra ny mpanjaka izy, satria hitany fa misy fahendren' Andriamanitra ao am-pony ho entiny mitsara. Nandre ny fitsarana navoakan' ny mpanjaka Israely rehetra, ka natahotra ny mpanjaka ny olona, satria hitany fa misy fahendren' Andriamanitra ao aminy, mba hitsarany marina. Tout Israël apprit le jugement qu' avait rendu le roi, et ils révérèrent le roi car ils virent qu' il y avait en lui une sagesse divine pour rendre la justice.

<-
->