<-
->

1Mp 20:1 And Benhadad the king of Syria gathered all his host together: and there were thirty and two kings with him, and horses, and chariots; and he went up and besieged Samaria, and warred against it. Ary Beni-hadada, mpanjakan' i Syria, namory ny miaramilany rehetra, koa mpanjaka roa amby telo-polo mbamin' ny soavaly sy ny kalesy no niaraka taminy; dia niakatra izy ka nanao fahirano an' i Samada ary namely azy. Ary Benadada mpanjakan' i Siria, namory ny tafiny rehetra; mpanjaka roa amby telopolo no niaraka taminy, sady nisy soavaly aman-kalesy maro koa. Dia niakatra izy ary nanao fahirano an' i Samaria dia namely azy. Ben-Hadad, roi d' Aram, rassembla toute son armée - il y avait avec lui trente-deux rois, des chevaux et des chars - et il vint investir Samarie et lui donner l' assaut.
1Mp 20:2 And he sent messengers to Ahab king of Israel into the city, and said unto him, Thus saith Benhadad, Ary nandefa iraka ho any amin' i Ahaba, mpanjakan' ny Isiraely, tany an-tanàna izy Nandefa iraka nankao an-tanàna, ao amin' i Akaba, mpanjakan' Israely izy, hilaza aminy hoe: Izao no tenin' i Benadada: Il envoya en ville des messagers à Achab, roi d' Israël,
1Mp 20:3 Thy silver and thy gold is mine; thy wives also and thy children, even the goodliest, are mine. hanao aminy hoe: Izao no lazain' i Beni-hadada: Ny volafotsinao sy ny volamenanao dia ahy; ary ny vadinao aman-janakao, na dia ny tsara tarehy indrindra aza, dia ahy koa. Ahy ny volafotsy sy volamenanao, ahy ny vadinao sy ny zanakao tsara indrindra. et lui fit dire : " Ainsi parle Ben-Hadad. Ton argent et ton or sont à moi, tes femmes et tes enfants restent à toi. "
1Mp 20:4 And the king of Israel answered and said, My lord, O king, according to thy saying, I am thine, and all that I have. Ary ny mpanjakan' ny Isiraely namaly hoe: Eny marina ny teninao ry mpanjaka tompoko ô: anao aho sy izay rehetra ananako. Dia izao no navalin' ny mpanjakan' Israely: Eny, ry mpanjaka tompoko ô, anao aho sy izay rehetra ananako, araka ny voalazanao. Le roi d' Israël donna cette réponse : " A tes ordres, Monseigneur le roi ! Je suis à toi avec tout ce qui m' appartient. "
1Mp 20:5 And the messengers came again, and said, Thus speaketh Benhadad, saying, Although I have sent unto thee, saying, Thou shalt deliver me thy silver, and thy gold, and thy wives, and thy children; Dia niverina indray ny iraka ka nanao hoe: Izao no tenin' i Beni-hadada: Naniraka tatý aminao aho nanao hoe: Ny volafotsinao sy ny volamenanao ary ny vadinao aman-janakao dia omeo ahy; Fa niverina indray ny iraka, nilaza hoe: Izao no lazain' i Benadada: Nampilaza taminao aho hoe: Atolory ahy ny volafotsy sy volamenanao, mbamin' ny vady aman-janakao. Mais les messagers revinrent et dirent : " Ainsi parle Ben-Hadad. Je t' ai mandé : "Donne-moi ton argent et ton or, tes femmes et tes enfants. "
1Mp 20:6 Yet I will send my servants unto thee to morrow about this time, and they shall search thine house, and the houses of thy servants; and it shall be, that whatsoever is pleasant in thine eyes, they shall put it in their hand, and take it away. koa raha maniraka ny mpanompoko ho atý aminao aho rahampitso toy izao, ka savany ny tranonao sy ny tranon' ny mpanomponao, dia horaisin' ny tànany sy ho entiny avokoa izay rehetra mahafinaritra ny masonao na inona na inona. Kanjo rahefa halefako ho atý aminao rahampitso toy izao ny mpanompoko dia hisava ny tranonao sy ny tranon' ny mpanomponao izy, dia horaisin' ny tànany sy hoentiny avokoa izay rehetra sarobidy eo imasonao. Sois sûr que demain à pareille heure, je t' enverrai mes serviteurs, ils fouilleront ta maison et les maisons de tes serviteurs, ils mettront la main sur tout ce qui leur plaira et ils l' emporteront. "
1Mp 20:7 Then the king of Israel called all the elders of the land, and said, Mark, I pray you, and see how this man seeketh mischief: for he sent unto me for my wives, and for my children, and for my silver, and for my gold; and I denied him not. Ary ny mpanjakan' ny Isiraely nampaka ny loholona rehetra amin' ny tany ka nanao hoe: Masìna ianareo, fantaro sy izahao fa mila sotasota mihitsy ilehiny; fa efa naniraka tatý amiko izy haka ny vadiko aman-janako mbamin' ny volafotsiko sy ny volamenako ka tsy nolaviko. Ary nantsoin' ny mpanjakan' Israely ny loholona rehetra amin' ny tany, ka hoy izy: Fantaro sy zahao fa mitady hampidi-doza amintsika io lehilahy io, satria efa naniraka tatý amiko izy, nangataka ny vady aman-janako, mbamin' ny volafotsy sy volamenako, ka tsy nandà izany aho. Le roi d' Israël convoqua tous les anciens du pays et dit : " Reconnaissez clairement que celui-là nous veut du mal ! Il me réclame mes femmes et mes enfants, pourtant je ne lui ai pas refusé mon argent et mon or. "
1Mp 20:8 And all the elders and all the people said unto him, Hearken not unto him, nor consent. Ary hoy ny loholona sy ny vahoaka rehetra taminy: Aza mihaino na manaiky. Dia hoy ny loholona sy ny vahoaka rehetra tamin' i Akaba: Aza mihaino na manaiky akory. Tous les anciens et tout le peuple lui dirent : " N' obéis pas ! ne consens pas ! "
1Mp 20:9 Wherefore he said unto the messengers of Benhadad, Tell my lord the king, All that thou didst send for to thy servant at the first I will do: but this thing I may not do. And the messengers departed, and brought him word again. Ka dia hoy Ahaba tamin' ny irak' i Beni-hadada. Lazao amin' ny mpanjaka tompoko hoe: Izay rehetra nanirahanao tany amiko mpanomponao tamin' ny voalohany dia hataoko; fa izao zavatra izao kosa tsy azoko ekena. Dia lasa ireo iraka ka nitondra teny niverina tany amin' i Beni-hadada indray; Ka dia hoy Akaba namaly ny irak' i Benadada: Izao no lazao amin' ny mpanjaka tompoko: Izay rehetra nanirahanao hangatahina tamiko tamin' ny voalohany dia hataoko, fa ny amin' izao zavatra izao kosa, tsy azoko atao. Dia niverina ny iraka nitondra izany valy izany taminy. Il donna donc cette réponse aux messagers de Ben-Hadad : " Dites à Monseigneur le roi : Tout ce que tu as demandé à ton serviteur la première fois, je le ferai ; mais cette autre exigence, je ne puis la satisfaire. " Et les messagers partirent, emportant la réponse.
1Mp 20:10 And Benhadad sent unto him, and said, The gods do so unto me, and more also, if the dust of Samaria shall suffice for handfuls for all the people that follow me. ary izy naniraka tany aminy ka nanao hoe: Hataon' ireo andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha ho ampy eran-tànan-ila akory ny vovok' i Samaria amin' ny isan-olona manaraka ahy. Naniraka olona Benadada hilaza amin' i Akaba hoe: Hataon' ireo andriamanitra amin' izay ngidiny indrindra anie aho, raha ho ampy eran-tanan' ilan' ny isan' olona manaraka ahy akory ny vovok' i Samaria. Alors Ben-Hadad lui envoya ce message : " Que les dieux me fassent tel mal et qu' ils y ajoutent encore tel autre, s' il y a assez de poignées de décombres à Samarie pour tout le peuple qui me suit ! "
1Mp 20:11 And the king of Israel answered and said, Tell him, Let not him that girdeth on his harness boast himself as he that putteth it off. Ary ny mpanjakan' ny Isiraely namaly hoe: Izao no holazainao aminy: Aoka izay vao misikina tsy mba hirehareha tahaka ny efa mamaha. Fa izao kosa no navalin' ny mpanjakan' Israely nataony hoe: Lazao aminy hoe: Aoka izay mbola vao mitafy ny fiadiany, tsy hirehareha toy ny efa nametraka ny azy. Mais le roi d' Israël fit cette réponse : " Dites : Que celui qui boucle son ceinturon ne se glorifie pas comme celui qui le défait ! "
1Mp 20:12 And it came to pass, when Ben-hadad heard this message, as he was drinking, he and the kings in the pavilions, that he said unto his servants, Set yourselves in array. And they set themselves in array against the city. Ary rehefa ren' i Beni-hadada izany teny izany, raha mbola nisotro tao an-trano rantsan-kazo izy sy ireo mpanjaka, dia hoy izy tamin' ny mpanompony: Milahara ianareo. Ary dia nilahatra hamely ny tanàna izy. Niara-nisotro tamin' ireo mpanjaka, tao an-trano rantsan-kazo Benadada no nandre izany valin-teny izany; ka hoy izy tamin' ny mpanompony: Milahara hiady hianareo. Dia nilahatra hamely ny tanàna izy ireo. Lorsque Ben-Hadad apprit cela - il était à boire avec les rois sous les tentes -, il commanda à ses serviteurs : " A vos postes ! " et ils prirent leurs positions contre la ville.
1Mp 20:13 And, behold, there came a prophet unto Ahab king of Israel, saying, Thus saith the Lord, Hast thou seen all this great multitude? behold, I will deliver it into thine hand this day; and thou shalt know that I am the Lord. Ary, indro, nisy mpaminany nanatona an' i Ahaba, mpanjakan' ny Isiraely, ka nanao hoe: Izao no lazain' i Jehovah: Hitanao va ireo olona maro be rehetra ireo ? Indro, hatolotro eo an-tananao ireo anio; dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah. Fa indro kosa nisy mpaminany nanatona an' i Akaba, mpanjakan' Israely nanao hoe: Izao no tenin' ny Tompo: Hitanao ireo vahoaka be rehetra ireo: Indro hatolotro eo an-tànanao ireo anio, dia ho fantatrao fa Iaveh aho. Alors un prophète vint trouver Achab, roi d' Israël, et dit : " Ainsi parle Yahvé. As-tu vu cette grande foule ? Voici que je la livre aujourd' hui en ta main et tu reconnaîtras que je suis Yahvé. "
1Mp 20:14 And Ahab said, By whom? And he said, Thus saith the Lord, Even by the young men of the princes of the provinces. Then he said, Who shall order the battle? And he answered, Thou. Ary hoy Ahaba: Amin' iza? Ary hoy izy: Izao no lazain' i Jehovah: Amin' ny zatovon' ny komandin' ny fanapahana isan-tokony. Dia hoy izy: Iza ary no hamely aloha ? Hianao ihany, hoy izy. Ary hoy Akaba: Amin' iza? Dia hoy ny navaliny: Izao no lazain' ny Tompo: Amin' ny mpanompon' ny lehiben' ny isam-pizaran-tany. Ka hoy Akaba: Iza no hamely aloha? Ary hoy ny navaliny: Hianao ihany. Achab dit : " Par qui ? " Le prophète reprit : " Ainsi parle Yahvé : Par les cadets des chefs des districts. " Achab demanda : " Qui engagera le combat ? " Le prophète répondit : " Toi. "
1Mp 20:15 Then he numbered the young men of the princes of the provinces, and they were two hundred and thirty two: and after them he numbered all the people, even all the children of Israel, being seven thousand. Ary nandamina ny zatovon' ny komandin' ny fanapahana isan-tokony izy, ka roa amby telo-polo amby roan-jato no isany; ary manarakaraka izany, dia nandamina ny olona rehetra izy, dia ny Zanak' Isiraely rehetra, ka fito arivo no isany. Dia nampanaovin' i Akaba matso ny mpanompon' ny lehiben' ny isam-pizaran-tany, ka nisy roa amby telopolo sy roan-jato ny isany. Nanarakaraka azy ireo dia nampanaoviny matso koa ny zanak' Israely rehetra, ka fito arivo no isany. Achab passa en revue les cadets des chefs des districts. Ils étaient deux cent trente-deux. Après eux, il passa en revue toute l' armée, tous les Israélites, ils étaient sept mille.
1Mp 20:16 And they went out at noon. But Benhadad was drinking himself drunk in the pavilions, he and the kings, the thirty and two kings that helped him. Ary nivoaka izy nony nitataovovonana ny andro. Fa Beni-hadada nisotro ho mamo tao an-trano rantsan-kazo, dia izy sy ireo mpanjaka roa amby telo-polo izay nanampy azy. Dia nivoaka hamely izy ireo, nony nitataovovonana ny andro, ary Benadada mbamin' ireo mpanjaka roa amby telopolo nanampy azy dia mbola nisotro sy nimamo tao an-trano rantsan-kazo tamin' izany. Ils firent une sortie à midi, alors que Ben-Hadad était à s' enivrer sous les tentes, lui et ces trente-deux rois, ses alliés.
1Mp 20:17 And the young men of the princes of the provinces went out first; and Benhadad sent out, and they told him, saying, There are men come out of Samaria. Ary ny zatovon' ny komandin' ny fanapahana isan-tokony nivoaka voalohany; ary Beni-hadada naniraka, ka dia nilazana hoe: Misy olona efa nivoaka avy any Samaria. Ny mpanompon' ny lehiben' ny isam-pizaran-tany no nivoaka voalohany. Ary naniraka hanontany Benadada, ka nilazana hoe: Misy olona nivoaka avy any Samaria. Les cadets des chefs des districts sortirent d' abord. On envoya dire à Ben-Hadad : " Des hommes sont sortis de Samarie. "
1Mp 20:18 And he said, Whether they be come out for peace, take them alive; or whether they be come out for war, take them alive. Ary hoy izy: Ataovy sambo-belona izy, na ho avy hihavana, na ho avy hiady. Dia hoy izy: Raha avy hihavana izy ataovy sambo-belona; raha avy hiady izy ataovy sambo-belona. Il dit : " S' ils sont sortis pour la paix, prenez-les vivants, et s' ils sont sortis pour le combat, prenez-les vivants aussi ! "
1Mp 20:19 So these young men of the princes of the provinces came out of the city, and the army which followed them. Dia nivoaka avy tao an-tanàna ireo zatovon' ny komandin' ny fanapahana isan-totony ireo sy ny miaramila izay nanaraka azy. Rahefa tafavoaka ny tanàna ny mpanompon' ny lehiben' ny isam-pizaran-tany mbamin' ny foloalindahy nanaraka aorian' ireo, Donc ceux-ci sortirent de la ville, les cadets des chefs des districts, puis l' armée derrière eux,
1Mp 20:20 And they slew every one his man: and the Syrians fled; and Israel pursued them: and Benhadad the king of Syria escaped on an horse with the horsemen. Ary samy nahafaty olona iray avy izy rehetra; dia vaky nandositra ny Syriana, ka nenjehin' ny Isiraely; ary Beni-hadada, mpanjakan' i Syria, nandositra an-tsoavaly mbamin' ny mpitaingin-tsoavaly sasany koa. dia samy nahafaty lehilahy iray avy izy ireo, ka rifatra nandositra ny Siriana, nefa nenjehin' Israely. Niara-nandositra an-tsoavaly tamin' ny mpitaingin-tsoavaly sasany kosa Benadada mpanjakan' i Siria. et ils frappèrent chacun son homme. Aram s' enfuit et Israël le poursuivit ; Ben-Hadad, roi d' Aram, se sauva sur un cheval d' attelage.
1Mp 20:21 And the king of Israel went out, and smote the horses and chariots, and slew the Syrians with a great slaughter. Ary ny mpanjakan' ny Isiraely nivoaka, dia namely: ny an-tsoavaly sy ny an-kalesy, ka nahafatesany be dia be ny Syriana. Nivoaka ny mpanjakan' Israely; nasiany avokoa ny soavaly sy ny kalesy, ka nasiany tamin' ny fandresena mafy ny Siriana. Alors le roi d' Israël sortit ; il prit les chevaux et les chars et infligea à Aram une grande défaite.
1Mp 20:22 And the prophet came to the king of Israel, and said unto him, Go, strengthen thyself, and mark, and see what thou doest: for at the return of the year the king of Syria will come up against thee. Ary ilay mpaminany nankany amin' ny i mpanjakan' ny Isiraely ka nanao taminy hoe: Mahereza tsara, ary fantaro sy izahao izay ataonao; fa raha miherina ny taona, dia hiakatra indray ny mpanjakan' i Syria hiady aminao. Tamin' izay nanatona ny mpanjakan' Israely indray ilay mpaminany ka nanao taminy hoe: Ndeha, matanjaha tsara dieny izao ka diniho sy fantaro izay hataonao fa ho avy hamely anao indray ny mpanjakan' i Siria rahefa miherina ny taona. Le prophète s' approcha du roi d' Israël et lui dit : " Allons ! Prends courage et considère bien ce que tu dois faire, car au retour de l' année le roi d' Aram marchera contre toi. "
1Mp 20:23 And the servants of the king of Syria said unto him, Their gods are gods of the hills; therefore they were stronger than we; but let us fight against them in the plain, and surely we shall be stronger than they. Ary hoy ny mpanompon' ny mpanjakan' i Syria taminy: Andriamanitry ny havoana ny Andriamanitr' izy ireo, koa izany no nahareseny antsika; fa aoka ange isika hiady aminy eny an-tany lemaka, raha tsy ho resintsika izy e.! Ary hoy ny mpanompon' ny mpanjakan' i Siria taminy: Andriamanitry ny tendrombohitra, ny Andriamanitr' Israely; ka izany no nahareseny antsika. Fa aoka ange hiadiantsika an-tany lemaka izy, raha tsy ho resintsika mihitsy e! Les serviteurs du roi d' Aram lui dirent : " Leur Dieu est un Dieu des montagnes, c' est pourquoi ils l' ont emporté sur nous. Mais combattons-les dans le plat pays et sûrement nous l' emporterons sur eux.
1Mp 20:24 And do this thing, Take the kings away, every man out of his place, and put captains in their rooms: Koa izao zavatra izao no ataovy: Esory ny mpanjaka samy hiala amin' ny toerany avy, ka asio mpanapaka hisolo azy; Izao no ataovy: Samy esory amin' ny toerany avy ny mpanjaka, ka manamboninahitra no apetraho hisolo azy. Fais donc ceci : destitue ces rois et mets des préfets à leur place.
1Mp 20:25 And number thee an army, like the army that thou hast lost, horse for horse, and chariot for chariot: and we will fight against them in the plain, and surely we shall be stronger than they. And he hearkened unto their voice, and did so. ary ianao kosa dia makà miaramila ho anao toraka ny miaramilanao izay maty teo ary soavaly ho solon' ny soavaly sy kalesy ho solon' ny kalesy; ary hiady aminy eny an-tany lemaka isika, ka dia hahery noho izy tokoa. Ary nanaiky ny tenin' ireo izy, ka dia nataony izany. Ary manangana tafika sahala amin' ilay teo, misy soavaly toraky ny teo, ary kalesy toraky ny teo koa. Amin' izay dia hiadiantsika eny an-tany lemaka ireny, ka tsy maintsy resintsika mihitsy. Narahiny ny torohevitr' izy ireo, ka dia nanao araka izany tokoa izy. Pour toi, recrute une armée aussi grande que celle qui t' a abandonné, avec autant de chevaux et autant de chars ; puis combattons-les dans le plat pays et sûrement nous l' emporterons sur eux. " Il écouta leur avis et fit ainsi.
1Mp 20:26 And it came to pass at the return of the year, that Benhadad numbered the Syrians, and went up to Aphek, to fight against Israel. Ary nony niherina ny taona, dia nandamina ny Syriana Beni-hadada ka niakatra nankany Afeka hiady amin' ny Isiraely. Nony niherina ny taona, nampanao matso ny Siriana indray Benadada dia niakatra nankany Afeka, hiady amin' Israely. Au retour de l' année, Ben-Hadad mobilisa les Araméens et monta à Apheq pour livrer bataille à Israël.
1Mp 20:27 And the children of Israel were numbered, and were all present, and went against them: and the children of Israel pitched before them like two little flocks of kids; but the Syrians filled the country. Ary ny Zanak' Isiraely rehetra kosa dia nalamina sy novatsiana, ka dia lasa hiady aminy; ary ny Zanak' Isiraely nitoby tandrifiny toy ny osy andiany kely roa toko; fa ny Syriana kosa nanenika ny tany. Fa nampanaovina matso koa ny zanak' Israely, dia nandray vatsy izy ka hihaona amin' ny Siriana. Nitoby tandrify azy ny zanak' Israely, ka sahala amin' ny andian' osy roa toko kely izy ireo, fa ireto Siriana nanenika ny tany. Les Israélites furent mobilisés et ravitaillés, et ils marchèrent à leur rencontre. Campés en face d' eux, les Israélites étaient comme deux troupeaux de chèvres, tandis que les Araméens couvraient le pays.
1Mp 20:28 And there came a man of God, and spake unto the king of Israel, and said, Thus saith the Lord, Because the Syrians have said, The Lord is God of the hills, but he is not God of the valleys, therefore will I deliver all this great multitude into thine hand, and ye shall know that I am the Lord. Ary nanatona ilay lehilahin' Andriamanitra ka nilaza tamin' ny mpanjakan' ny Isiraely hoe: Izao no lazain' i Jehovah: Satria ny Syriana nilaza hoe: Andriamanitry ny havoana ihany Jehovah, fa tsy mba Andriamanitry ny tany lemaka, dia hatolotro eo an-tananao ireo olona maro be rehetra ireo, ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah. Ary nisy olon' Andriamanitra anankiray nanatona ka nilaza tamin' ny mpanjakan' Israely hoe: Izao no lazain' ny Tompo: Noho ny Siriana, nanao hoe: Andriamanitry ny tendrombohitra Iaveh, fa tsy mba andriamanitry ny tany lemaka, dia hatolotro eo an-tànanao avokoa ireo vahoaka be ireo, ka ho fantatrareo fa Iaveh aho. L' homme de Dieu aborda le roi d' Israël et dit : " Ainsi parle Yahvé. Parce que Aram a dit que Yahvé était un Dieu des montagnes et non un Dieu des plaines, je livrerai en ta main toute cette grande foule et tu sauras que je suis Yahvé. "
1Mp 20:29 And they pitched one over against the other seven days. And so it was, that in the seventh day the battle was joined: and the children of Israel slew of the Syrians an hundred thousand footmen in one day. Dia nitoby mifanandrify hafitoana izy roa tonta. Ary tamin' ny andro fahafito, dia raikitra ny ady; ary ny Zanak' Isiraely nahafaty ny miaramila an-tongotra iray hetsy tamin' ny Syriana indray andro. Hafitoana izy ireo nitoby nifanatrika teo ihany. Fa nony tamin' ny andro fahafito rafitra ny ady, dia nahafatesan' ny zanak' Israely miaramila an-tongotra iray hetsy ny Siriana tamin' ny indray andro. Ils campèrent sept jours les uns en face des autres. Le septième jour, le combat s' engagea et les Israélites massacrèrent les Araméens, cent mille hommes de pied en un seul jour.
1Mp 20:30 But the rest fled to Aphek, into the city; and there a wall fell upon twenty and seven thousand of the men that were left. And Benhadad fled, and came into the city, into an inner chamber. Fa ny sisa dia nandositra nankany an-tanàna Afeka; nefa nianjeran' ny manda ireny olona sisa ireny, ary fito arivo amby roa alina no isany. Ary Beni-hadada nandositra nankany an-tanàna ka niditra tao amin' ny efi-trano anatiny. Ny sisa indray nandositra tao Afeka, tao an-tanana, ary nianjeran' ny manda ny lehilahy fito arivo sy iray alina sisa. Efa nandositra Benadada ka dia nandehandeha tao an-tanana nifindrafindra efi-trano, Le reste s' enfuit à Apheq, dans la ville, mais le rempart s'écroula sur les vingt-sept mille hommes qui restaient. Or Ben-Hadad avait pris la fuite et s'était réfugié en ville dans une chambre retirée.
1Mp 20:31 And his servants said unto him, Behold now, we have heard that the kings of the house of Israel are merciful kings: let us, I pray thee, put sackcloth on our loins, and ropes upon our heads, and go out to the king of Israel: peradventure he will save thy life. Fa hoy ny mpanompony taminy: Indro, efa renay fa mpanjaka mamindra fo ireo mpanjakan' ny taranak' Isiraely. Koa masìna ianao, avelao hosikinanay lamba fisaonana ny valahanay, ary hasianay mahazaka ny lohanay, dia hankany amin' ny mpanjakan' ny Isiraely izahay; angamba hovelominy ny ainao. ka hoy ny mpanompony taminy: Indro fa efa renay fa mpanjaka antra olona ny mpanjakan' ny tranon' Israely, ka aoka hosikinanay lasaka ny valahanay, ary hasianay mahazaka ny lohanay, dia hivoaka ho any amin' ny mpanjakan' Israely izahay, sao mba mitsitsy ny ainao izy. Ses serviteurs lui dirent : " Vois ! Nous avons entendu dire que les rois d' Israël étaient des rois miséricordieux. Nous allons mettre des sacs sur nos reins et des cordes autour de nos têtes et nous nous rendrons au roi d' Israël ; peut-être te laissera-t-il la vie sauve. "
1Mp 20:32 So they girded sackcloth on their loins, and put ropes on their heads, and came to the king of Israel, and said, Thy servant Benhadad saith, I pray thee, let me live. And he said, Is he yet alive? he is my brother. Dia nosikinany lamba fisaonana ny valahany, ary nasiany mahazaka ny lohany, dia nankany amin' ny mpanjakan' ny Isiraely izy ka nanao hoe: Izao no fitenin' i Beni-hadada mpanomponao: Avelao mba ho velona ny aiko. Ary hoy izy: Moa mbola velona ihany va izy? Rahalahiko izy. Dia nosikinany lasaka ny valahany, nasiany mahazaka ny lohany, ary nankany amin' ny mpanjakan' Israely izy, nanao hoe: Izao no lazain' i Benadada, mpanomponao: Aoka mba ho sitrakao ny hitsitsy ny aiko! Ka hoy ny navalin' i Akaba: Mbola velona va izy? Rahalahiko izy. Ils ceignirent de sacs leurs reins et de cordes leurs têtes, allèrent auprès du roi d' Israël et dirent : " Ton serviteur Ben-Hadad parle ainsi : Puissé-je vivre ! " Il répondit : " Il est donc encore vivant ? Il est mon frère ! "
1Mp 20:33 Now the men did diligently observe whether any thing would come from him, and did hastily catch it: and they said, Thy brother Benhadad. Then he said, Go ye, bring him. Then Benhadad came forth to him; and he caused him to come up into the chariot. Ary nataon' ireo olona ireo fa zara ho azy izany, dia namonjy nanantitra ny teniny izy ka nanao hoe: Rahalahinao hoe Beni-adada. Dia hoy izy: Mandehana, alao izy. Ary Beni-hadada nankany aminy, dia nasainy niakatra ho eo amin' ny kalesiny. Noraisin' ireo olona ireo ho fambara tsara izany teny izany, ka novonjeny nosamborina faingana izany teny izany nataony hoe: Rahalahinao Benadada. Dia hoy Akaba: Mandehana alao izy. Nony tonga teo aminy Benadada, dia nasainy niakatra ho amin' ny kalesiny. Les hommes en augurèrent bien et ils se hâtèrent de le prendre au mot en disant : " Ben-Hadad est ton frère. " Achab reprit : " Allez le chercher. " Ben-Hadad se rendit à lui et celui-ci le fit monter sur son char.
1Mp 20:34 And Ben-hadad said unto him, The cities, which my father took from thy father, I will restore; and thou shalt make streets for thee in Damascus, as my father made in Samaria. Then said Ahab, I will send thee away with this covenant. So he made a covenant with him, and sent him away. Ary hoy Beni-hadada taminy: Ny tanàna izay nalain' ny raiko tamin' ny rainao dia hampodiko; ary manaova lalambe ho anao any Damaskosy, tahaka ny nataon' ny raiko tany Samaria. Ary hoy Ahaba: Halefako ianao amin' izany fanekena izany. Dia nanao fanekena taminy izy ka nandefa azy. Ary hoy Benadada taminy: Hampodiko aminao ny tanàna nalain' ikaky tamin-drainao, ary hanao làlana ho anao any Damasa hianao tahaka ny nataon' ikaky tany Samaria. Ka hoy Akaba: Ary izaho kosa handefa anao rahefa manao fanekem-pihavanana amiko hianao. Dia nanao fanekena taminy izy, ka nalefany handeha. Ben-Hadad lui dit : " Je restituerai les villes que mon père a prises à ton père ; tu établiras pour toi des bazars à Damas, comme mon père en avait à Samarie. " - " Pour moi, dit Achab, je te laisserai libre moyennant un traité ". Achab conclut un traité avec lui et le laissa libre.
1Mp 20:35 And a certain man of the sons of the prophets said unto his neighbour in the word of the Lord, Smite me, I pray thee. And the man refused to smite him. Ary nisy lehilahy anankiray, zanaky ny mpaminany, niteny tamin' ny namany araka ny tenin' i Jehovah ka nanao hoe: Masìna ianao asio aho. Fa tsy nety namely azy ilay lehilahy. Ary ny anankiray amin' ny zanaky ny mpaminany, niteny tamin' ny namany, ao amin' ny tenin' ny Tompo, nanao hoe: Masina hianao, vonoy aho! Tsy nety namono azy anefa ilay lehilahy. Un des frères prophètes dit à son compagnon, par ordre de Yahvé : " Frappe-moi ! " mais l' homme refusa de le frapper.
1Mp 20:36 Then said he unto him, Because thou hast not obeyed the voice of the Lord, behold, as soon as thou art departed from me, a lion shall slay thee. And as soon as he was departed from him, a lion found him, and slew him. Dia hoy izy taminy: Satria ianao tsy nihaino ny feon' i Jehovah, indro, fa raha vao miala amiko eto ianao, dia hisy liona hamono anao. Ary raha vao niala teo aminy izy, dia hitan' ny liona ka novonoiny. Ka hoy izy taminy: Noho hianao tsy nihaino ny feon' ny Tompo, dia indro hovonoin' ny liona hianao, raha vao miala eto amiko. Dia niala teo aminy ilay lehilahy dia nifanehatra tamin' ny liona, ka novonoiny. Alors il lui dit : " Parce que tu n' as pas obéi à la voix de Yahvé, dès que tu m' auras quitté, le lion te tuera " ; comme il s'éloignait, il rencontra le lion, qui le tua.
1Mp 20:37 Then he found another man, and said, Smite me, I pray thee. And the man smote him, so that in smiting he wounded him. Ary nahita lehilahy hafa indray ralehilahy ka nanao hoe: Masìna ianao, asio aho. Ary ilay lehilahy namely azy, dia voa izy ka naratra. Dia nahita lehilahy hafa indray izy, ka nanao taminy hoe: Masina hianao, vonony aho! Ary nasian-dralehilahy izay izy, ka naratrany. Le prophète alla trouver un autre homme et dit : " Frappe-moi ! " L' homme le frappa et le blessa.
1Mp 20:38 So the prophet departed, and waited for the king by the way, and disguised himself with ashes upon his face. Dia lasa ilay mpaminany ka niandry ny mpanjaka teny an-dalana, ary nasiany fehiloha tamin' ny handriny tsy hahafantarany azy. Nandeha tamin' izay ity mpaminany, dia nipetraka teny amin' ny làlana halehan' ny mpanjaka, ary niova endrika izy fa nasiany bandy teo ambony masony. Le prophète s' en alla et attendit le roi sur le chemin - il s'était rendu méconnaissable avec un bandeau au-dessus des yeux.
1Mp 20:39 And as the king passed by, he cried unto the king: and he said, Thy servant went out into the midst of the battle; and, behold, a man turned aside, and brought a man unto me, and said, Keep this man: if by any means he be missing, then shall thy life be for his life, or else thou shalt pay a talent of silver. Ary nony nandalo ny mpanjaka, dia nitaraina taminy ilay mpaminany ka nanao hoe: Izaho mpanomponao nankany anatin' ny ady; ary, indro, nisy lehilahy anankiray nivily ka nitondra lehilahy tany amiko sady nanao hoe: Hazony ity lehilahy ity; fa raha tahìny lasa izy, dia ny ainao no hisolo ny amy, na handoa talenta volafotsy iray ianao. Nony nandalo ny mpanjaka, dia nitaraina tamin' ny mpanjaka izy nanao hoe: Nivoaka teo afovoan' ny ady ny mpanomponao ary indro fa nisy lehilahy anankiray nitsoaka, nitondra olona anankiray teo amiko, nataony hoe: Hazony ralehilahy ity, fa raha lasa io, ny ainao no manefa, na handoa talenta volafotsy iray hianao. Comme le roi passait, il lui cria : " Ton serviteur marchait au combat quand quelqu' un a quitté les rangs et m' a amené un homme en disant : "Garde cet homme ! S' il vient à manquer, ta vie sera pour sa vie ou tu paieras un talent d' argent. "
1Mp 20:40 And as thy servant was busy here and there, he was gone. And the king of Israel said unto him, So shall thy judgment be; thyself hast decided it. Kanjo nony nikeninkenina tetsy sy teroa ny mpanomponao, dia lasa izy. Ary hoy ny mpanjakan' ny Isiraely taminy: Ho tahaka izany ihany no hitsarana anao; ny tenanao no nilaza izany. Kanjo ny mpanomponao mbola variana tatsy sy taroa, ilay olona lasa! Dia hoy ny mpanjakan' Israely taminy: Izany no hitsarana anao, hianao ihany no namoaka ny teny fitsarana. Or, pendant que ton serviteur était occupé ici ou là, l' autre a disparu. " Le roi d' Israël lui dit : " Voilà ton jugement ! Tu l' as toi-même prononcé. "
1Mp 20:41 And he hasted, and took the ashes away from his face; and the king of Israel discerned him that he was of the prophets. Ary nesoriny haingana ilay fehi-loha tamin' ny handriny; ka dia fantatry ny mpanjakan' ny Isiraely fa isan' ny mpaminany izy. Niaraka tamin' izay kosa nesorin' ity mpaminany ny bandy teo ambony masony, ka fantatry ny mpanjakan' Israely fa isan' ny mpaminany izy. Aussitôt celui-ci enleva le bandeau qu' il avait au-dessus des yeux, et le roi d' Israël reconnut qu' il était un des prophètes.
1Mp 20:42 And he said unto him, Thus saith the Lord, Because thou hast let go out of thy hand a man whom I appointed to utter destruction, therefore thy life shall go for his life, and thy people for his people. Dia hoy izy taminy: Izao no lazain' i Jehovah: Satria nalefanao niala teo an-tananao ny lehilahy izay nasaiko hovonoina tokoa, dia ny ainao no hisolo ny ainy, ary ny olonao no hisolo ny olony. Dia hoy izy tamin' ny mpanjaka: Izao no lazain' ny Tompo: Noho hianao nandefa teo am-pelatànanao ny olona nasaiko natao anatema, dia ny ainao no hisolo ny ainy, ary ny vahoakanao no hisolo ny vahoakany. Il dit au roi : " Ainsi parle Yahvé. Parce que tu as laissé échapper l' homme qui m'était voué par anathème, ta vie répondra pour sa vie, et ton peuple pour son peuple. "
1Mp 20:43 And the king of Israel went to his house heavy and displeased, and came to Samaria. Ary ny mpanjakan' ny Isiraely nandeha ho any an-tranony sady nalahelo no sosotra, dia tonga tany Samaria. Nanjombona sady sosotra ny mpanjakan' Israely no nandeha nody, dia tonga tany Samaria. Et le roi d' Israël s' en alla sombre et irrité, et il rentra à Samarie. Nabot refuse de céder sa vigne.

<-
->