|
|
|
|

Teny iditra1  miady (ady)
Sokajin-teny  2  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  3  Mifamely amin' ny basy aman-defona: Mahay miady ny tari-dRamarovokatra noho ny an-dRamarovolana [1.1]
4  Mifampitory eny amin' ny fitsarana: Miady lova ireto olona ireto [1.1]
5  Mifanditra, tsy mifanaraka: Tsy manao afa-tsy ny miady ireo zaza mifanarakaraka ireo [1.1]
6  Mikaona tsara: Miady tsara lahy ny rafitr' itỳ lalimoara itỳ [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  7  To fight, make war [1.2, 1.7]
8  To quarrel, to contend in words or deeds. [1.2]
9  To fit closely together, to correspond exactly [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  10  Se battre, être en guerre, faire la guerre [1.3, 1.8]
11  être en procès, se disputer [1.3]
12  être joint, s'accoler, se mélanger, être comparé, confronté, se rapporter au type [1.3]
13  être bien ajusté; correspondre [1.8]
Ohatra  14  Tsy maintsy miady hatramin' nyfarany aho. [2.471]
15  Fantatsika fa miady ny tany ankehitriny, hoy izy. [2.472]
Haiendriteny 
16  Ny ankehitriny :
17  Ny lasa :
18  Ny hoavy :
19  Filaza mandidy :
Mpanahaka  20  Rafitra ady, mikatroka, miady, mandrafitra ady, mifanangana, mikitrana, mifanandrina, mifanatrika, mifanao ankolafiny, mifanao ambakiloha, mifamely, mipaka, mikatroka, mikitra, mifampikatroka, mifandramatra, mifamango, mifanjinja, mifanafika, mifananika mifanora-bato, mifamely antsamotady, mifanondro basy aman-defona, mifanao mandrosoa fa masaka ny lohomby, mifanjenjina, mifamovoka, mifanakofoka, mifandrotika, mifanakotika, mifandazo, mifanorotoro, mifanotohoto, mifandripaka, mifandringana
Kamban-teny 
Lohateny 
Ohabolana  33  Ohabolana misy io teny miady io

Fivaditsoratra  34  amidy, i mady, miady

Nohavaozina tamin' ny 2023/06/20