Teny iditra |
mangatsiaka
(hatsiaka)
|
Sokajin-teny | mpamaritra
|
Fanazavàna teny malagasy | Mamanala, manaikitra, mamirifiry: Mangatsiaka ny andro rehefa ririnina Tsy mafana, antara: Mangatsiaka ny kafe Tsy misy hafanana, tsy mirehidrehitra: Nangatsiaka ny fifandraisanay tao ho ao izay Mahatsiaro hatsiaka: Mangatsiaka aho fa rakofy bodofotsy Matimaty, matoritory: Mangatsiaka ny fivavahana amin' itý faritany itý
[1.1]
|
Fanazavàna teny anglisy | Cold, chilly, frigid. [1.2]
|
| Cold [1.7]
|
Fanazavàna teny frantsay | Froid [1.8]
|
Ohatra |
1 | Vary mangatsiaka sisa nihinanantsika omaly izao no nohaninay, dia lasa izahay, fa tsy nitoetra akory.
[2.324]
|
2 | Tsy ela kosa dia nentin-dRasoa avy any, amin' ny zinga lava taho, ny rano mangatsiaka mangalahala.
[2.470]
|
|
Haiendriteny |
Ny ankehitriny : |
mangatsiaka |
Ny lasa : |
nangatsiaka |
Ny hoavy : |
hangatsiaka |
|
Kamban-teny |
|
Anaran-toerana |
|
Ohabolana |
|
Teny iditra |
Mangatsiaka
|
Sokajin-teny | anaran-tsamirery (haitoetany)
|
Fanazavàna teny frantsay | Petite rivière de la préfecture de Fort-Dauphin qui se jette dans le lac Anony [1.11]
|
Voambolana |
|