|
|
|
|

Teny iditra1  mamitaka (fitaka)
Sokajin-teny  2  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  3  Manambaka: Aza mamitaka ny bado [1.1]
4  Manoloky, mametsy: Namitaka ny olona tao an-tanàna iny mpisoloky iny [1.1]
5  Mahadiso hevitra: Loza fa namitaka ahy ny masoko: ataoko itỳ vola ariary zato no nomeny ahy, hay roapolo [1.1]
6  mamangopangoka, mametsy, manangoly, manabony, mandroboka, mandrendrika, misaroro, misarory, mandroky, mandrokidroky, misodika, manaosolia, manaosombia, manaosombe, manomevohony, manomevohondambo, manaoantohimamba, mandainga, manaomarinatsyto, manomefitaka, manomelainga, manambaka, mivarotrasakabeloha, manolobatomafana, manaovarodraikiraiky, mamahandalitra, mamahandainga, manaohosoka, manaotsipandrifandry, maniadika, mifetsy, misoloky, misandoka, manandoka, mivarotra, mamandrika, manolikoly, manaorononoantavy, mampidibingo, mampidikizo, mampiditraaminnyety, mampiditraaminnymaizina, manaolongoamitotobozaka, mahavoafitaka, manodoka [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  7  To deceive, to cheat, to impose on. [1.2]
8  To defraud, to beguile [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  9  Tromper, frauder [1.8]
Ohatra  10  Misy mamitaka ireny. [2.4#]
11  mamitaka antsika ny fijerintsika. [1.369#]
Haiendriteny 
12  Ny ankehitriny :
13  Ny lasa :
14  Ny hoavy :
15  Filaza mandidy :
Ohabolana  16  Ohabolana misy io teny mamitaka io

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20