Teny iditra vondrona
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Bara] [ vondroña ] andiany [1.78]
 Fitambaran-javatra mikambana ho antontany iray na ho amboara iray
Fitambaram-piangonana na firaisam-pokontany vitsivitsy iray fileovana (ity faharoa dia matetika atao hoe fivondronana). [Voambolana: Pôlitika] [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Groupe [1.3, 1.5]
 Réunion, agglomération [1.3]
 Ensemble [1.5]
Ohatra 
1Misy filoha ny isam-bondrona. [2.472]
2olona tsy andairan' ny tsindry aloka ataon' ny matanjaka sy ny vondrona politika sasany. [4.27]
3Ny hevitry ny Vondrona Eropeana dia sady manjavozavo no miovaova, tsy miombon-kevitra mantsy ny mpikambana ao. [4.27]
4Hanjary toa entam-bondrona, ka mievotrevotra tsy hahavaky tratra antsika mianakavy. [2.245]
Sampanteny 
Kamban-teny 

Teny iditra vondrona
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Zavamaniry fandrary ho tsihy na harona ary ahazoana lavenona mamimamy toa sira (sira vondrona) [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  [Betsileo, Merina] (sens général : réunis en groupe). Typha angustifolia L. (Typhaceae). Appelé en français : Massette ou « Jonc de la passion ». La souche jeune est consommée comme légume après cuisson. Les tiges servent en sparterie pour faire des nattes grossières. On les brûle pour obtenir un sel par lixiviation des cendres, le siravondrona, utilisé en cuisine et pour rembourrer les coussins. Cette plante a donné son nom à la montagne dite Ambondrombe [1.196]
Anarana siantifika Typha angustifolia
Ohatra 
1Ny sira dia nosoloina sira vondrona na sira hazo. [2.472]
2ny ranon-davenona andorana ny vondrona, dia tanehiny ny olona atao sira amidy any an-tsena. [2.48]
Voambolana 
Sampanteny 
Kamban-teny 
Anaran-toerana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/23