|
|
|
|

Teny iditra (1/2) 1  randrana
Sokajin-teny  2  anarana
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Fanazavàna teny malagasy  19 [Antambahoaka] volon-doha [1.78]
20 Fanamboarana ny volo lava ho misy ampehezany telo avy, izay ampidipidirina ho toy ny kofehy, ka ireo indray dia ampifamatorina hanana endrika samihafa araka ny karazany tiana hatao: randra-madinika, randran-telo an' ila... na randranampanga, randravonkalana
21 Karazan-drandrana sy taovolo hita amin' ny foko sasantsasany:
22 Antaimoro: lafitr' akondro, ny telo an-kila, tsitombotomboka, vakimanasa
23 Betsileo: bango, bango anakova, bango tsotra, kiary, kifetriposa, kifehaka, kihohoka, kilafitsotsy, kilafahonofotsy, kilavoahibary, kipetaka, kirazorazo, kisabokisiny, kisahondra, kitelo, kidimy, kifito, kifolo an' ila, kitokandalana, kivona, randrana tsotra, randranketsa, rasaraka, tadimpintana, tototsongo, valalamihoatra, vombory, tsaramaha, vonkavia, volo misaona
24 Merina: bango ankatoka, difisesy, kirozaroza, lakolosy, lambomiditra, randramadinika, tananivoho [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  25 a plait, a tress of hair. [1.2]
26 a braid [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  27 entrelacement de trois, six, huit fils, cordes, cheveux; tresse des cheveux
28 arrangement des paroles [1.3]
29 tresse [1.8]
Ohatra  30  amin' izato lohany tohizan' ny taovolo midaboka an-damosina natao randrana goragora. [2.470#7]
Voambolana  31  Fandram-bolo
Fikambanana  32  Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 23 misy ny teny how randrana
Ohabolana  33  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/2) 34  randrana
Sokajin-teny  35  anarana
Fanazavàna teny frantsay  36 plante aquatique à tubercules [1.3]
[1.196]
Voambolana  37  Haizavamaniry

Fivaditsoratra  38 ndranara, randrana

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/21