|
|
|
|

Teny iditra (1/3) 1  mifona
Fototeny  2 fona
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Mibaboka, mangataka famelan-keloka, mivalo: Mifona amin' ny ratsy nataoko aho, Andriamanitra
9 Mitalaho, mihanta, milela-paladia: Mifona aminareo re aho, tompoko, tongava haingana fa marary mafy i Neny. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  10 to beg pardon, to entreat, to solicit, to supplicate, to intercede. See valo, tsotra, bebaka. [1.2]
11 to beg pardon; to entreat, to beg [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  12 demander pardon; supplier [1.8]
Tovy hevitra  13 manenina, miaiky, miandavo, mibabaka, mibaboka, mibebaka, milefitra, miretaka, mitsotra, mivalo
Mpanahaka  14  mandady, 15  mangata, 16  mangataka, 17  midaboka, 18  mihorona, 19  milavo, 20  milela, 21  mitolo, 22  mivalo
Fikambanana  23  Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 1 misy ny teny how mifona

Teny iditra (2/3) 24  mifonà
Fototeny  25 fona
Sokajin-teny  26  filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mifona [Fitanisana]

Teny iditra (3/3) 27  mifona
Fototeny  28 fona
Sokajin-teny  29  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
30  Ny ankehitriny :
31  Ny lasa :
32  Ny hoavy :
Fanazavàna teny malagasy  33 Tsy fampiasa afa-tsy amin' ilay fitenenana hoe mifo-nify: afaka ny nify voalohany ka misolo hafa haharitra [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  34 To fall out, as the milk teeth. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  35 Se dit des premières dents qui tombent [1.3#183]

Fivaditsoratra  36 famony, 37 finoma, 38 manofy, mañofy, mifona, mifonà

Nohavaozina tamin' ny 2026/08/07