Teny iditra |
mibahana
(bahana)
|
Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao
|
Fanazavàna teny malagasy | Misabaka na maka toerana lehibe eo amin' ny toerana fandalovana ka manakana ny hafa tsy handeha: Misy taolana mibahana amin' ny tendako ato [1.1]
|
Fanazavàna teny anglisy | To sit or stand on anything in a straddling manner. [1.2]
|
| To stretch one's self out so as to block up the way; to straddle and block the way To prevent communication Fig. to be selfish. [1.7]
|
Fanazavàna teny frantsay | S'écarter ou être écarté, faire barrière [1.3]
|
| écarter les jambes pour barrer le chemin; faire barrière [1.8]
|
Ohatra | Ny renirano hatrizay tsy rototra Dia eo vao mainka indray toa miroanahana, Ny lalany, ohatra ny ho tototra, No miseho ho sakana mibahana.
[2.576]
|
Haiendriteny |
Ny ankehitriny : |
mibahana |
Ny lasa : |
nibahana |
Ny hoavy : |
hibahana |
Filaza mandidy : |
mibahàna |
|
Ohabolana |
|
Teny iditra |
mibahàna
(bahana)
|
Sokajin-teny | filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mibahana
|
Fanazavàna teny malagasy | [1.1]
|
Fanazavàna teny frantsay | [1.3]
|
Ohatra |
1 | Mibahàna eo ianao mba hisakana ireto ondry ireto
[1.1]
|
2 | Mibahàna eo mba hisakana ny omby (Faites barrière là pour arrêter les bœufs)
[1.3]
|
|
|