Teny iditra mandraka (andraka)
Sokajin-teny tambinteny [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy Hatramin' ny, ambaraka: Andraso eto aho mandra-piveriko
Hita araka io ohatra io fa ny "mandraka", toy ny "ambaraka" rahateo koa, dia tsy fampiasa raha tsy miaraka amin' ny anarana avy amin' ny matoantenin' ny mpanao manomboka amin' ny f, toy ny fiverina, fatory, fanoratra: Rotsirotsioizy mandra-patoriny [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Up to, until (of time) [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Jusqu'à [1.3, 1.8]
Ohatra 
1Voatahiriko mandraka androany io taratasy io. [2.356]
2Toetra mbola iainany ihany mandraka ankehitriny. [2.245]
3Tadidiko tsara mandraka androany ny fotoana nifankahitanay sy Vola. [2.4]
Voambolana 
Haiendriteny 
Tsotra : mandraka, mandra-, mandrak'
Tovy hevitra andraka
Kamban-teny 
Ohabolana 

Teny iditra mandràka (raka)
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Mahia dia mahia, kaozatra: Mandràka erý izy hatramin' ny naharariany [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To grow lean. [1.2]

Teny iditra Mandraka
Sokajin-teny anaran-tsamirery (haitoetany) [fitanisana]
Lohateny Quelques mots sur la forêt de la Mandraka

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/06/04