Teny iditra mahia (hia)
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Tsy mahazo nofo, manify kely, tsy mba nofosana: Mahia erỳ Rakoto hatramin' ny naharariany farany tao
Tsy matavy, tsy misy taviny na menaka: Mahia ny hena novidinao
Mitovy hevitra: be rangomaina ~ kangoaza ~ kanty velona ~ kaoka ~ kaozatina ~ kaozatra ~ kinaoly ~ mandràka ~ marani-taolana ~ mirepika ~ miripika ~ mitrakitraky ~ mitranitrany ~ mitrikatrika ~ nipoaka ~ ohatra ny horona ~ ohatra ny sorohitra ~ ohatra ny takatra ~ raiki-tapisaka ~ ranga ~ rangirangy ~ sakohaza ~ taolantaolanina ~ tsingoahina ~ tsy velon-komana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Thin; meagre [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Maigre, décharné [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mahia
Ny lasa : nahia
Ny hoavy : hahia
Sampanteny 
Tohi-kevitra 
Kamban-teny 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/11