|
|
|
|

Teny iditra1  loha
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] Faritra ambony indrindra amin' ny tenan' ny olombelona -- ary aloha indrindra kosa ho an' ny biby -- izay mizara roa: ny eo anoloana misy ny maso, orona, sofina, vava, ary ny ao an-damosina rakotry ny volo, fa ny ao anatiny kosa misy ny ati-doha fototry ny fihontsonana sy ny fisaintsainana ary ny finiavana: Nianjera izy ka vaky ny lohany (raha ny ao anatin' ny loha no lazaina, dia ny teny hoe andoha no ampiasaina: Marary ny andohako; jereo Andoha
Saina: olona kely loha koa izay nametraka itỳ teto
Lehibe mpitarika: Rainivoanjo no lohany tamin' io raharaha ratsy io
Tendrony aloha amin' ny zavatra iray: Nifatratra tao anaty zozoro ny loha lakana
Karazana: Maro loha ny sakafo narosony ho anay
Fanazavàna teny anglisy  4  [1.7] the head; the front part
Fanazavàna teny frantsay  5  [1.8] la tête; la partie avant
Ohatra  6  Elo manga miofon'andro ambony loha; [1.257#]
7  Dia hisy loha ho tapaka indray atsy ho atsy! [2.528#]
Voambolana  8  Haiaina
9  Toerana
Haiendriteny 
10  Tsotra :
11  Tovonana :
Sampanteny 
12  Matoantenin' ny mpanao :
13  Matoantenin' ny fameno :
14  Anarana :
15  Tambinteny :
16  Mpampiankin-teny :
Mpanahaka  17  filoha, lehibe, tale, mpitondra, mpitarika, mpifehy, mpanapaka, mpandidy, vovonana iadian' ny lohany, loholona, ben' ny tany, ray aman-dreny, tompomenakely, tompombodivona, mpanjaka, andriana, andriamanjaka
Kamban-teny 
Anaram-biby 
Anaram-javamaniry 
Anaran-toerana 
Lohateny  185  Loharano (Andrianjafitrimo Edouard)
Manontolo 
Ampahany 
Anaran' akora mamorom-batana 
Ohabolana  214  Ohabolana misy io teny loha io
Lahatsoratra  215  Randzavola: loha ao amin' ny Baiboly

Fivaditsoratra  216  halo-, halo, hola-, hola, laho, loha

Nohavaozina tamin' ny 2025/02/08