Teny iditra fanamboarana (voatra)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fanomezana endrika: Mila fanamboarana kely ity sary itỳ
Fanomanana, fikarakarana: Iza no hiandraikitra ny fanamboarana ny efitra hampidirana ny mpanambady?
Fandrindrana, fandaminana: Ho sarotra ihany ny fanamboarana ny fanambadian' ireto tanora ireto [1.1]
 Fanomezana bika zavatra iray
fanamboarana ara-ivondanja: fampiharana miako mitahiry ivondanja. [Voambolana: Matematika]
fanamboarana ho mira mpanondro: fanovàna ampaha ho mira mpanondro. [Voambolana: Matematika: rafitrisa]
fanamboarana ny tambatra: fanehoana ny tambatra amin'ny tomba hafa [1.13]
Fanazavàna teny anglisy The act of arranging, preparing, or repairing [1.7]
Fanazavàna teny frantsay L'action d'arranger, de préparer, de réparer; l'instrument, la cause [1.3]
 Action de préparer, d'arranger, de réparer [1.8]
 Fabrication, usinage, transformation, façonnage
fanamboarana ara-ivondanja: transformation barycentrique. [Voambolana: Matematika: rafitsary]
fanamboarana ho mira mpanondro: réduction des fractions au même dénominateur. [Voambolana: Matematika: rafitrisa]
fanamboarana ny governemanta: remaniement du gouvernement. [Voambolana: Pôlitika]
fanamboarana ny simba: réparation
fanamboarana ny tambatra: transformation de la somme
fanamboarana vola baoritra: confection de monnaies et de billets factices [1.13]
Ohatra Samy nanao izay ho vitany tamin' ny fanarenana na fanamboarana ny tranony ny olona. [2.472]
Mpanahaka  fanaovana

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20