Teny iditra mamitaka (fitaka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Manambaka: Aza mamitaka ny bado
Manoloky, mametsy: Namitaka ny olona tao an-tanàna iny mpisoloky iny
Mahadiso hevitra: Loza fa namitaka ahy ny masoko: ataoko itỳ vola ariary zato no nomeny ahy, hay roapolo
mamangopangoka, mametsy, manangoly, manabony, mandroboka, mandrendrika, misaroro, misarory, mandroky, mandrokidroky, misodika, manao solia, manao sombia, manao sombe, manome vohony, manome vohon-dambo, manao antohimamba, mandainga, manao marina tsy to, manome fitaka, manome lainga, manambaka, mivarotra saka be loha, manolo-bato mafana, manao varo-draikiraiky, mamahan-dalitra, mamahandainga, manao hosoka, manao tsipandrifandry, mania dika, mifetsy, misoloky, misandoka, manandoka, mivarotra, mamandrika, manolikoly, manao ronono an-tavy, mampidi-bingo, mampidi-kizo, mampiditra amin' ny ety, mampiditra amin' ny maizina, manao longoa mitoto-bozaka, mahavoafitaka, manodoka [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To deceive, to cheat, to impose on. [1.2]
 To defraud, to beguile [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Tromper, frauder [1.8]
Ohatra 
1Misy mamitaka ireny. [2.4]
2Mamitaka antsika ny fijerintsika. [1.369]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mamitaka
Ny lasa : namitaka
Ny hoavy : hamitaka
Filaza mandidy : mamitaha
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20