Teny iditra mandainga (lainga)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Tsy milaza ny marina, milaza zavatra diso ho marina, mamitaka amin' ny tsy filazana ny marina; manao marina tsy to: Ny tahotra matetika no mahatonga ny ankizy handainga ~ Loza raha handainga io vehivavy io
Mitovy hevitra: manao marina tsy to>
(mizana, famantaranandro) Tsy manondro ny marina fa mihoatra na latsaka no lazainy; diso: Mandainga ny famantaranandro izany; andro efa amin' ny 11 ka lazainy fa vao amin' ny 9 sy sasany ~ Ario any io mizana io fa mandainga
Mahatonga ho diso, mamitaka, manodoka: Mandainga indraindray ny maso [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To lie, to tell a falsehood; to leave a promise unfulfilled [1.2]
 To lie, to be deceitful [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Mentir, être faux [1.8]
Ohatra 
1Mandainga tsotra izao! [2.928]
2Izaho tsy mba mandainga! [2.298]
3tsy misy mahalala fahasitranana, fa mandainga ny mpisikidy manao hoe "mahay aho", kanjo izy hifetsy ny harian'olona - hoy ity Rangahy mpisikidy. [2.48]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mandainga
Ny lasa : nandainga
Ny hoavy : handainga
Filaza mandidy : mandaingà
Kamban-teny 
Ohabolana 

Teny iditra mandaingà (lainga)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mandainga [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20