Teny iditra misodika (sodika)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Manala ny tsiratsiraka na ny hoza-dravin' ny rofia: Misodika rofia
Manala ny fako kely madinika alohan' ny hitotoana vary: Misodika vary i Bozy
Manesotra ny menaka na ny hero-dronono mitsinkafona: Nisy nisodika ny herotra tamin' ity ronono ity
Mijerijery taratra alohan' ny hangalarana
Misonenika izaitsizy eo am-pandihizana: Loza raha hisodika io tovovavy io rehefa mandihy [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Séparer les fibres du rofia, écumer, écrémer, trier [1.3]
 Séparer les fibres, défibrer [1.196]
Ohatra Ny herotra misodika amin' ny ronono, angonina ary kapohina, dia manome ny dibera. [2.332]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : misodika
Ny lasa : nisodika
Ny hoavy : hisodika
Filaza mandidy : misodiha
Ohabolana 

Teny iditra misodika (sodika)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mikendry zavatra eny am-panidinana manodidina ny tena (vorona) [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Rôder, voltiger tout autour [1.3]
Ohatra 
1ny papango misodika ambony eny akaikin' ny rahona; [2.587]
2Hitsikitsika sy papango no hita misodika eny indraindray, manao ny akaniny eny antsefatsefaky ny harambato. [2.499]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : misodika
Ny lasa : nisodika
Ny hoavy : hisodika
Filaza mandidy : misodiha

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2021/09/30