Teny iditra taratra
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Bezanozano, Sihanaka] Fitaratra [1.78]
 Hazavana alefana zavatra miantefa amin' ny rano na fitaratra: Manimba maso ny taratry ny masoandro ao anaty rano raha mandeha lava amin' ny lakana
Hazavana mihalohalo na miserana kely: Mahafinaritra izany tara-bolana aty anaty hazo
Fijerena zavatra maninteraka lamba na fitaratra na amin' ny elakelaky ny rantsantanana
Fanarangaranana na fitsikilovana izay atao miafinafina [1.1]
Fanazavàna teny anglisy A beam of light; a reflection [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Rayon de lumière; lumière réfléchie [1.8]
 Radiation, irradiation, reflet [1.13]
Ohatra 
1Hita taratra amin' ny fihetsiny ny haalinan-tsain' I Saonina. [2.470]
2Iny fiara iray nandefa taratra mahery vaika no nitsilo ny fidolany. [2.529]
Voambolana 
Sampanteny 
 
Kamban-teny 
Lohateny Taratra (Ratsifandrihamanana Clarisse)

Teny iditra taratra
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny frantsay  [Sakalava] (mis pour ataratra : abat-jour ; tout ce qui filtre les rayons du soleil). Suivant les régions les Sakalava prononcent souvent taratse ou taratsy, ce qui a donné lieu à plusieurs graphies, que nous ne reproduirons pas. Phoenix reclinata var. madagascariensis Becc. (Arecaceae). Espèce voisine du dattier. Mais le fruit à pulpe très mince est loin d'avoir la même valeur alimentaire. Le bourgeon terminal est un bon chou palmiste. Les segments des feuilles sont souvent utilisés en sparterie, notamment pour faire des parasols et les abats jour, d'où le nom malgache. [1.196]
Anarana siantifika Phoenix reclinata var. madagascariensis
Voambolana 
Tsipelina hafa 

Teny iditra Taratra
Singan-teny taratra
Sokajin-teny anarana (lohatenin' boky)
Mpanoratra Ratsifandrihamanana Clarisse
Fanonta printy 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra

Teny iditra Taratra
Sokajin-teny anarana (gazety)
Mpanoratra 
Fanonta printy 
Copyright Taratra
Voambolana 
Habaka http://taratramada.com
Sombiny 
2008/02/18
2,10 metatra i Ikopa eo Bevomanga, 4 metatra ny refy fanairana milaza loza eo. Ny orana tsy niato hatramin' ny asabotsy alina sy omaly tontolo andro nentin' ny rivodoza Ivan no nitarika izany. 0, 77 m ny haavon' Ikopa eo Anosizato. Niakatra 0, 44 m izy tao anatin' ny 24 ora ary mbola hiakatra hatrany. Tsy ho tratra anefa ny 3 m refy fanairana milaza loza manambana eo Anosizato. 2, 10 m i Ikopa eo Bevomanga, 4 m ny refy fanairana milaza loza eo. 1247, 40 metratra i Mamba eo Ambohidrao.
2008/02/21
Mbola tsy vita ny asa fanarenana ny lalana tamin' ny fandalovan' ny rivodoza Fame farany teo
2008/03/12
Hatramin'izao aza, mbola sarotra ny fandidiana, tsy azo atao mihitsy ny mivoaboaka ny toby ipetrahan'ny miaramila satria miandry kendritohina ireo mpikomy sy ny tafiky ny fanjakana sodane
2008/04/04
Fiara Mazda iray avy aty Antananarivo no nifandona tamin'ny kamiaobe iray avy any Antsirabe. Mafy ny fifandonana !
2010/11/21
Na ry zareo mpioko mifahatra ao amin'ny Bani, na ny avy eny amin'ny fibaikoana ao amin'ny Etamazaoro anefa dia samy nilaza fa tsy vahaolana ny fandatsahan-dra. Hanohy ny fifampiraharahana indray ry zareo anio.
2011/02/07
Ankoatra ireo miaramila, misy sivily roa koa voarohirohy amin'ity raharaha ity, raha ny fanazavana azo avy amin'ny fikambanana Av7 ivondronan'ireo niharam-boina tamin'iny zava-nitranga iny.
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/16