|
|
|
|

Teny iditra (1/7)1  saka
Sokajin-teny  2  anarana
Sampanteny 
3  Matoantenin' ny iharana :
4  Matoantenin' ny fameno :
5  Anarana :
6  Mpamaritra :
Fanazavàna teny malagasy  7  Enti-milaza fihalorana foza na orana amin' ny tanana ao anaty lavany
8  ilazana ny vehivavy maridray ny ankasarotana eo am-piadiana amin' ny lehilahy [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  9  produits de cueillette, aussi bien animaux que végétaux, récoltés à la main, sans outillage particulier [1.196]
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 
Ohabolana  13  Ohabolana misy io teny saka io

Teny iditra (2/7)14  saka
Sokajin-teny  15  anarana
Voambolana  16  Haibiby: mampinono
Fanazavàna teny malagasy  17  Karazam-biby mampinono, tia nofom-biby, mitovitovy habe amin' ny bitro ary misy karazany roa lehibe: ny saka dia, atao koa hoe kary, ary ny saka fiompy, izay mihaza voalavo ao an-trano. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  18  a cat; cf. piso, kary [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  19  chat [1.54, 1.13]
20  chat; cf. piso, kary [1.8]
Tovy hevitra  21  piso
Kamban-teny 
Ohabolana  25  Ohabolana misy io teny saka io

Teny iditra (3/7)26  saka
Sokajin-teny  27  anarana
Voambolana  28  Haibiby: (amin' ny ankapobeny)
Fanazavàna teny malagasy  29  anarana iantsoana ny biby mbola tanora: sakaomby, sakandahy, sakambositra, ets [Taisaka] [1.78]
Kamban-teny 
Anaram-biby 
Ohabolana  32  Ohabolana misy io teny saka io

Teny iditra (4/7)33  saka
Sokajin-teny  34  anarana
Voambolana  35  Haitoetany: (amin' ny ankapobeny)
Fanazavàna teny malagasy  36  sakelidrano, lemaka anelanelanny havoana roa, lohasaha [Bara] [1.78]

Teny iditra (5/7)37  saka
Sokajin-teny  38  anarana
Fanazavàna teny malagasy  39  sakana, fisakanana [Taisaka] [1.78]

Teny iditra (6/7)40  saka
Sokajin-teny  41  anarana
Voambolana  42  Toerana
Fanazavàna teny malagasy  43  Habe mifanohitra amin' ny lavany: Ohatrinona no haben' ity efitrano ity? -- Fito metatra ny lavany ary dimy metatra ny sakany
44  Habe salasalany, antonintoniny
45  Lehibe, vantotra, tsy mbola tena lehibe nefa tsy kely intsony koa: Sakan-jaza, sakan' ombivavy
46  Salasalany, atriatry: Sakan-karona [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  47  largeur [1.13]
Tovy hevitra  48  ampohy
Kamban-teny 

Teny iditra (7/7)53  saka
Sokajin-teny  54  anarana
Voambolana  55  Haizavamaniry
Fanazavàna teny frantsay  56  (de saka : produits de cueillette, aussi bien animaux que végétaux, récoltés à la main, sans outillage particulier. ) C'est de cette vieille racine que viennent les noms de ethnies taisaka et sakalava, ainsi que le mot sakafo : le repas, littéralement : le produit de l'omni cueillette soumis au feu (afo). Apollonias madagascariensis (Baill.) Kosterm. (Lauraceae) Les fruits étaient considérés autrefois comme l'un des meilleurs condiments. D'où l'importance qu'on attachait à leur cueillette. [Taisaka] [1.196]
Kamban-teny 
Anarana ara-tsiansa 

Fivaditsoratra  59  kasa, saka

Nohavaozina tamin' ny 2023/11/25