Teny iditra |
revo
|
Sokajin-teny | mpamaritra
|
Fanazavàna teny malagasy | Latsaka an-kona na anaty fotaka marihitra: Revo tao anaty fotaka ny ombinay ~ Revon' ny fitiavana io zazalahy io ka tsy nahatozo ny fianarany Variana manao zavatra ka tsy mahatsiaro ny manodidina intsony: Revon-daolao ny ankizy ka tsy mahatsiaro izay sakafo intsony na revo milalao ny ankizy Sahirana fatratra: Revon' ny trosan' olona izy
[1.1]
|
Fanazavàna teny anglisy | Stuck in the mud; completely engrossed [1.7]
|
Fanazavàna teny frantsay | Embourbé; plongé dans une occupation [1.8]
|
Ohatra |
1 | Dia revo tamin' izay aho nanao kaontin-dRabejofo!
[2.471]
|
2 | Olona telo lahy no ao anatiny, revo miresaka.
[2.472]
|
|
Sampanteny |
|
Anaran-toerana |
|
Ohabolana |
|