Teny iditra miserana (serana)
Sokajin-teny anarana na mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Miseho vetivety dia lasa, mandalo faingana, tsy maharitra: Niserana ihany izy teto fa tsy nipetraka akory
Mitovy hevitra: mandalo ~ mihelina
Mora simba na levona: Miserana ihany ny voninahitr' izao tontolo izao
Ampandalovina eo ambony afo (fiteny amin' ny zavatra nentina alina ka homena hohanin' ny zaza): Efa niserana teo ambony afo ve iny hena avy any alatrano iny no nomenareo ny zaza
Mitovy hevitra: mandala ~ mihelatra ~ mihelina ~ misalovana ~ tsy tra-maso mipy [1.1]
 Mandalo vetivety, miseho vetivety [1.13]
Fanazavàna teny anglisy To pass by rapidly [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Passer rapidement [1.8]
 Temporaire [1.13]
Ohatra 
1Indray miserana monja no nahitan-dRandrianaivo azy, nefa izay indray niserana izay dia nanaitra ny fony [2.324]
2Tsy honina akory fa handalo!... Tsy hitoetra fa olon-kiserana... [2.5]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : miserana
Ny lasa : niserana
Ny hoavy : hiserana, -kiserana
Filaza mandidy : miseràna
Kamban-teny 

Teny iditra miseràna (serana)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao miserana [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  [1.3]

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20