Entrée |
ha~
|
Partie du discours | préfixe
|
Explications en malgache | tovona atao ao alohan' ny anarana sasany hilaza refy: rano halohalika, fefy havalahana, hahekika, hatenda...
ary amin' ity izy dia fanafohezana ny hatra, hatreo, hatramin' ny: hatramin' ny lohalika, hatramin' ny valahana, ... [Ravelojaona 1937]
|
| Fanafohezana ny hoe Hatra izay atovona amin' ny anaran' ny faritra sasantsasany amin' ny tena mba handrefesana ny halalin' ny zavatra toy ny rano na lavaka: Hahelika: hatreo amin' ny helika. Ireto avy ireo teny misy ha entina mandrefy halalina, atomboka amin' ny marivo indrindra ka misondrotra hatrany: hafaladia,
hahato-tongotra,
hakibondranjo,
halohalika,
hamatope,
hafotope,
havaniana,
hafoitra,
havavafo,
hahelika,
hatenda,
hasaoka,
havava,
hamaso,
hahandrina
[Rajemisa 1985]
|
Explications en anglais | a contraction of hatra, meaning up to:
havaniana, up to the loins
[Richardson 1885]
|
Explications en français | abréviation de hatra, sert à former des adverbes marquant la hauteur ou la profondeur:
Halohalika (Jusqu' au genou, se dit de la profondeur de l'eau) ~ Hahelika (Jusqu'aux aiselles) ~ Havava (Jusqu'aux lèvres)
[Abinal 1888]
|
| jusqu'à [Rajaonarimanana 1995]
|
Mots composés, titres, noms |
|
|
Entrée |
ha~
|
Partie du discours | préfixe
|
Explications en malgache | Tovona atao: a) eo alohan' ny mpamaritra milaza toetra mba hanaovana anarana milaza toetra ihany koa: Halava, hatsara; b) eo alohan' ny mpamaritra milaza toetra mitovana ina mba hanaovana matoantenin' ny iharana mifamaly amin' ny matoantenin' ny mpanao mitovona mana: Hatsaraina (manatsara), hafohezina (manafohy) [Rajemisa 1985]
|
Explications en anglais | a prefix to adjectives making them into abstract nouns, as hatsara, goodness, from tsara, good. [Richardson 1885]
|
| prefix used :
a) to form abstract nouns. as : havo, high; hahavo, height;
b) in forming passive verbs as : fohy, short; hafohezina, to be shortened [Hallanger 1973]
|
Explications en français | préfixe, sert à former:
a) des noms abstrait, ex. : havo, haut, hahavo, hauteur;
b) des verbes passifs, ex. hafohezina, qu'on raccourcit [Hallanger 1974]
|
|
Entrée |
ha
|
Partie du discours | interjection
|
Explications en malgache | [Tanosy]
odre! |
| Tenim-piontanana maneho:
hatairana: Ha! marary hoe i dada?;
fiaikena: Ha! marina tokoa lahy ny tanin' ilay Rangahy!;
fandavana (tononina fohy): Ha, aza alana eo io sary io [Rajemisa 1985]
|
Explications en anglais | an exclamation of approbation, disapprobation, or surprise. Hah! It is sometimes repeated, as Ha! Ha! Ha! There now! [Richardson 1885]
|
|
Entrée |
Ha
 |
Partie du discours | nom (symbole)
|
Explications en malgache | Singa mivaingana, faha-105 amin'ny firaketan'i Mendeleiev.
[3.1]
|
Vocabulaire |
|