Toko sy andininy momba Betlehema

  Genesis Fiandohana na Genesisy Fiandohana na Jenezy La Genèse
...............
Gen / Jen 35.19 And Rachel died, and was buried in the way to Ephrath, which is Bethlehem. Dia maty Rahely ka nalevina teo amin' ny lalana mankany Efrata (Betlehema izany). Dia maty Rasela, ka nalevina teo amin' ny làlana mankany Efratà dia Betleema izany. Rachel mourut et fut enterrée sur le chemin d'Éphrata - C' est Bethléem.
...............
Gen / Jen 48.7 And as for me, when I came from Padan, Rachel died by me in the land of Canaan in the way, when yet there was but a little way to come unto Ephrath: and I buried her there in the way of Ephrath; the same is Bethlehem. Ary izaho, raha niala tany Mesopotamia aho, dia maty teo anatrehako Rahely tany amin' ny tany Kanana, tany an-dalana, rehefa kely foana no sisa tsy nahatongavana tao Efrata, ary nandevina azy aho teo amoron' ny lalana mankany Efrata (Betlehema izany). Ary izaho fony niverina avy any Padana dia maty teo anatrehako teny an-dàlana Rasela tany amin' ny tany Kanaana, efa mby lavitra akaiky an' i Efratà, ka dia naleviko teo, amin' ny làlana mankany Efratà, dia Betleema izany. Lorsque je revenais de Paddân, ta mère Rachel est morte, pour mon malheur, au pays de Canaan, en route, encore un bout de chemin avant d' arriver à Éphrata, et je l' ai enterrée là, sur le chemin d'Éphrata - c' est Bethléem.

  Joshua Josoa Josoe Livre de Josué
...............
Jos 19.15 And Kattath, and Nahallal, and Shimron, and Idalah, and Bethlehem: twelve cities with their villages. Ary Katata sy Nahalola sy Simrona sy Idala sy Betlehema, dia tanàna roa ambin' ny folo sy ny zana-bohiny. Ny tanàna dia Kateta, Naalola, Semerona, Jedalà sy Betilehema, tanàna roa ambin' ny folo ary ny zanabohiny. avec Qattat, Nahalal, Shimrôn, Yiréala et Bethléem : douze villes avec leurs villages.

  Judges Mpitsara Mpitsara Livre des Juges
...............
Mts / Mpits 12.8 And after him Ibzan of Bethlehem judged Israel. Ary Ibzana, avy any Betlehema, no nitsara ny Isiraely nandimby an' i Jefta. Ary taorian' izy io dia Abesàna, avy any Betleema, no mpitsara tamin' Israely. Après lui Ibçân de Bethléem fut juge en Israël.
...............
Mts / Mpits 12.10 Then died Ibzan, and was buried at Bethlehem. Dia maty Ibzana ka nalevina tany Betlehema. Rahefa izany dia maty Abesàna ka nalevina tany Betleema. Puis Ibçân mourut et il fut enseveli à Bethléem.
...............
Mts / Mpits 17.7 And there was a young man out of Bethlehemjudah of the family of Judah, who was a Levite, and he sojourned there. Ary nisy zatovo avy any Betlehema-joda, tamin' ny fokon' i Joda, ary Levita izy sady nivahiny tao. Ary nisy zatovolahy anankiray, avy any Betleema any Jodà, avy amin' ny fokon' i Jodà, Levita izy io, ray nitoetra tao amin' izany tany izany. Il y avait un jeune homme de Bethléem en Juda, du clan de Juda, qui était lévite et résidait là comme étranger.
Mts / Mpits 17.8 And the man departed out of the city from Bethlehemjudah to sojourn where he could find a place: and he came to mount Ephraim to the house of Micah, as he journeyed. Ary ralehilahy niala tao an-tanàna Betlehema-joda hivahiny any amin' izay azony hitoerana; ary nony nandeha izy, dia tonga tany amin' ny tany havoan' i Efraima tao an-tranon' i Mika. Niala tao Betleema any Jodà ralehilahy io, hahitany toerana hipetrahana, ka izany no nahatongavany tany amin' ny tendrombohitr' i Efraima sy tao an-tranon' i Mikasy. Cet homme quitta la ville de Bethléem en Juda, pour aller s'établir là où il pourrait. Au cours de son voyage, il arriva dans la montagne d'Éphraïm à la maison de Mika.
Mts / Mpits 17.9 And Micah said unto him, Whence comest thou? And he said unto him, I am a Levite of Bethlehemjudah, and I go to sojourn where I may find a place. Ary hoy Mika taminy: Avy aiza moa ianao? Dia hoy kosa izy taminy: Levita avy any Betlehema-joda aho ka mandeha hivahiny eny amin' izay azoko hitoerana. Ary hoy Mikasy taminy: Avy aiza moa hianao? Ka hoy ny navaliny azy: Levita avy any Betleema any Jodà aho, fa mivahiny aho hahitako toerana hipetrahako. Mika lui demanda : " D' où viens-tu ? " - " Je suis lévite de Bethléem en Juda, lui répondit l' autre. Je voyage afin de m'établir là ou je pourrai. " -
...............
Mts / Mpits 19.2 And his concubine played the whore against him, and went away from him unto her father' s house to Bethlehemjudah, and was there four whole months. Ary ny vaditsindranony nijangajanga sy nisintaka taminy ka nandao azy ary nankany an-tranon-drainy any Betlehema-joda, dia nitoetra tao efa-bolana mipaka. Nivadihan' ity vady tsindranony izy, sady nilaozany nankany an-tranon-drainy any Betleema, any Jodà, izay nitoerany efa-bolana. Dans un moment de colère sa concubine le quitta pour rentrer dans la maison de son père à Bethléem de Juda, et elle y demeura un certain temps, quatre mois.
...............
Mts / Mpits 19.18 And he said unto him, We are passing from Bethlehemjudah toward the side of mount Ephraim; from thence am I: and I went to Bethlehemjudah, but I am now going to the house of the Lord; and there is no man that receiveth me to house. Dia hoy izy taminy: Avy tany Betlehema-joda izahay ka hankarý an-tsisin' ny tany havoan' i Efraima, fa any no tany nihaviako; ary nankany Betlehema-joda aho, fa mpankany an-tranon' i Jehovah; ary tsy misy olona mampiantrano ahy; Ary hoy ny navaliny azy: Avy tany Betleema any Jodà izahay, ka ho any amin' ny sisin' ny tendrombohitr' i Efraima izay tany nihaviako. Tany Betleema any Jodà aho, ary ho any an-tranon' ny Tompo, nefa tsy mba misy olona mampiantrano ahy akory. Et l' autre lui répondit : " Nous faisons route de Bethléem de Juda vers le fond de la montagne d'Éphraïm. C' est de là que je suis. J'étais allé à Bethléem de Juda et je retourne chez moi, mais personne ne m' a offert l' hospitalité dans sa maison.

  Ruth Rota Rota Livre de Ruth
Rot Rt 1.1 Now it came to pass in the days when the judges ruled, that there was a famine in the land. And a certain man of Bethlehemjudah went to sojourn in the country of Moab, he, and his wife, and his two sons. Ary tamin' ny andro nitsaran' ny mpitsara dia nisy mosary teo amin' ny tany. Ary nisy lehilahy avy any Betlehema-joda nandeha nivahiny tany amin' ny tany Moaba, dia izy sy ny vadiny mbamin' ny zanany roa lahy; Tamin' ny andro nanapahan' ny mpitsara dia nisy mosary teo amin' ny tany. Ary nisy lehilahy anankiray, avy ao Betleema any Jodà, nandeha nitoetra tany amin' ny tanin' i Moaba, niaraka tamin' ny vadiny sy ny zanany roa lahy. Au temps où gouvernaient les Juges, une famine survint dans le pays et un homme de Bethléem de Juda s' en alla avec sa femme et ses deux fils pour séjourner dans les Champs de Moab.
Rot Rt 1.2 And the name of the man was Elimelech, and the name of his wife Naomi, and the name of his two sons Mahlon and Chilion, Ephrathites of Bethlehemjudah. And they came into the country of Moab, and continued there. Elimeleka no anaran-dralehilahy, ary Naomy no anaran' ny vadiny, ary ny anaran' ny zanany roa lahy dia Malona sy Kiliona, Efratita avy any Betlehema-joda izy ireo. Dia tonga tany amin' ny tany Moaba izy ka nitoetra tany. Elimeleka no anaran-dralehilahy io, Noemì no anaran' ny vadiny, ary Mahalòna sy Seljòna no anaran' ny zanany roa lahy. Efrateana avy any Betleema any Jodà izy ireo, ary nankany amin' ny tanin' i Moaba sy nonina tany. Cet homme s' appelait Élimélek, sa femme Noémi, et ses deux fils Mahlôn et Kilyôn; ils étaient Éphratéens, de Bethléem de Juda. Arrivés dans les Champs de Moab, ils s' y établirent.
...............
Rot Rt 1.19 So they two went until they came to Bethlehem. And it came to pass, when they were come to Bethlehem, that all the city was moved about them, and they said, Is this Naomi? Dia nandeha izy mianaka mandra-pahatongany tany Betlehema. Ary rehefa tonga tany Betlehema izy, dia taitra taminy ny tanàna rehetra, ka hoy ny vehivavy hoe: Naomy va re ity? Dia niara-nandeha izy mianaka mandra-pahatongany tany Betleema. Nony niditra an' i Betleema izy ireo, dia taitra taminy ny tanàna rehetra, ary hoy ny vehivavy: Fa Noemì ve io e? Elles s' en allèrent donc toutes deux et arrivèrent à Bethléem. Leur arrivée à Bethléem mit toute la ville en émoi : " Est-ce bien là Noémi ? " s'écriaient les femmes.
...............
Rot Rt 1.22 So Naomi returned, and Ruth the Moabitess, her daughter in law, with her, which returned out of the country of Moab: and they came to Bethlehem in the beginning of barley harvest. Dia niverina Naomy, ary Rota, vehivavy Moabita, vinantoni-vavy. nomba azy tamin' izy niverina avy tany amin' ny tany Moaba; dia tonga tao Betlehema izy tamin' ny niandohan' ny taom-pijinjana ny vary hordea. Toy izany no nodian' i Noemì, ary niaraka taminy Rota, Moabita, vinantovaviny izay avy any amin' ny tanin' i Moaba. Tonga tao Betleema izy ireo tamin' ny niandohan' ny fijinjana ny orja. C' est ainsi que Noémi revint, ayant avec elle sa belle-fille Ruth, la Moabite, celle qui était revenue des Champs de Moab. Elles arrivèrent à Bethléem au début de la moisson des orges.
...............
Rot Rt 2.4 And, behold, Boaz came from Bethlehem, and said unto the reapers, The Lord be with you. And they answered him, The Lord bless thee. Ary, indro, Boaza tonga avy tany Betlehema ka niteny tamin' ny mpijinja hoe: Jehovah anie ho aminareo. Dia hoy kosa Ireo taminy: Hitahy anao anie Jehovah. Ary indro, tonga any Betleema Booza, ka niteny tamin' ny mpijinja hoe: Ho aminareo anie Iaveh. Dia hoy kosa ireo namaly azy: Hanambina anao anie Iaveh. Or voici que Booz arrivait de Bethléem : " Que Yahvé soit avec vous! " dit-il aux moissonneurs, et eux répondirent : " Que Yahvé te bénisse! "
...............
Rot Rt 3.11 And now, my daughter, fear not; I will do to thee all that thou requirest: for all the city of my people doth know that thou art a virtuous woman. Koa ankehitriny anaka, aza matahotra; hataoko aminao izay rehetra angatahinao; fa fantatr' izay rehetra ao an-tanànan' ny fireneko fa vehivavy tsara ianao. Koa ankehitriny, anaka, aza matahotra fa hataoko ho anao avokoa izay rehetra holazainao, sady fantatry ny olona rehetra eto Betleema fa vehivavy tsara toe-panahy hianao. Et maintenant, ma fille, sois sans crainte, tout ce que tu me diras, je le ferai pour toi, car tout le peuple à la porte de ma ville sait que tu es une femme parfaite.
...............
Rot Rt 4.11 And all the people that were in the gate, and the elders, said, We are witnesses. The Lord make the woman that is come into thine house like Rachel and like Leah, which two did build the house of Israel: and do thou worthily in Ephratah, and be famous in Bethlehem: Dia hoy ny vahoaka rehetra izay teo amin' ny vavahady sy ny loholona: Eny, vavolombelona izahay; hataon' i Jehovah tahaka an' i Rahely sy tahaka an' i Lea anie izay vehivavy efa ho tonga ao an-tranonao; fa izy roa vavy no nanangana ny tranon' ny Isiraely; ary aoka ho lehibe any Efrata anie ianao, ary halaza any Betlehema anie ny anaranao; Dia hoy ny vahoaka rehetra teo am-bavahady mbamin' ny loholona: Vavolombelona izahay. Enga anie ka hataon' ny Tompo tahaka an-dRasely sy Lià ny vehivavy izay miditra ao amin' ny tranonao, dia tahaka azy roa vavy izay nanangana ny tranon' Israely. Ary hianao kosa, matanjaha any Efrata ary aoka hianao hampanan-daza ny anaranao any Betleema. Tout le peuple qui se trouvait à la porte répondit : " Nous en sommes témoins ", et les anciens répondirent : " Que Yahvé rende la femme qui va entrer dans ta maison semblable à Rachel et à Léa qui, à elles deux, ont édifié la maison d' Israël. Deviens puissant en Ephrata et fais-toi un nom dans Bethléem.

  1st Samuel 1 Samoela Samoela I 1er Livre de Samuel
1Sm / 1Sam 16.1 And the Lord said unto Samuel, How long wilt thou mourn for Saul, seeing I have rejected him from reigning over Israel? fill thine horn with oil, and go, I will send thee to Jesse the Bethlehemite: for I have provided me a king among his sons. Ary hoy Jehovah tamin' i Samoela: Mandra-pahoviana no hahalahelovanao an' i Saoly, nefa Izaho efa nandà azy tsy ho mpanjakan' ny Isiraely? fenoy diloilo ny tandrokao, ka mandehana, fa hirahiko ho any amin' i Jese Betlehemita ianao; fa efa nahita mpanjaka ho Ahy ao amin' ny zanany Aho. Ka hoy Iaveh tamin' i Samoela: Mandra-pahoviana no hitomanianao an' i Saola, kanefa aho manary azy tsy ho mpanjaka amin' Israely intsony? Fenoy diloilo ny tandrokao, dia mandehana fa irahiko ho amin' Isaï any Betleema hianao, satria amin' ny zanany no nahitako ilay mpanjaka tiako. Yahvé dit à Samuel : " Jusques à quand resteras-tu à pleurer Saül, alors que moi je l' ai rejeté pour qu' il ne règne plus sur Israël ? Emplis d' huile ta corne et va! Je t' envoie chez Jessé le Bethléemite, car je me suis choisi un roi parmi ses fils. "
...............
1Sm / 1Sam 16.4 And Samuel did that which the Lord spake, and came to Bethlehem. And the elders of the town trembled at his coming, and said, Comest thou peaceably? Ary Samoela nanao izay nolazain' i Jehovah, dia tonga tao Betlehema. Ary nitsena azy amin-kovitra ny loholona teo an-tanàna ka nanao hoe: Fihavanana va no ihavianao? Dia nataon' i Samoela izay nandidian' ny Tompo azy, ka nankany Betleema izy. Tonga nitsena azy ny loholon' ny tanàna tamin' ahiahy ka nanao hoe: Hampiadana va no nahatongavanao? Samuel fit ce que Yahvé avait ordonné. Quand il arriva à Bethléem, les anciens de la ville vinrent en tremblant à sa rencontre et demandèrent : " Ta venue est-elle de bon augure, voyant ? " -
...............
1Sm / 1Sam 16.18 Then answered one of the servants, and said, Behold, I have seen a son of Jesse the Bethlehemite, that is cunning in playing, and a mighty valiant man, and a man of war, and prudent in matters, and a comely person, and the Lord is with him. Dia namaly ny anankiray amin' ny zatovony ka nanao hoe: Indro, ny anankiray amin' ny zanak' i Jese Betlehemita no hitako mahay mitendry, sady lehilahy mahery sy mpanafika izy ary mahay mandaha-teny sy lehilahy tsara tarehy, ary Jehovah momba azy. Ary niteny ny iray tamin' ny mpanompony nanao hoe: Hitako ny iray amin' ny zanak' Isaï ao Betleema, mahay mitendry harpa; lehilahy matanjaka sy mahery an' ady, mahay miteny, tsara tarehy, ary omban' ny Tompo. L' un des serviteurs prit la parole et dit : " J' ai vu un fils de Jessé, le Bethléemite : il sait jouer, et c' est un vaillant, un homme de guerre, il parle bien, il est beau et Yahvé est avec lui. "
...............
1Sm / 1Sam 17.12 Now David was the son of that Ephrathite of Bethlehemjudah, whose name was Jesse; and he had eight sons: and the man went among men for an old man in the days of Saul. Ary Davida dia zanak' ilay Efratita avy any Betlehema-joda atao hoe Jese, izay nanana zanaka valo mirahalahy; ary Jese dia efa zokiolona sy anti-panahy tamin' ny andron' i Saoly; Ary Davida dia zanak' ilay Efrateana, tany Betleema any Jodà, atao hoe Isaïa izay nanan-janaka valo lahy. Ary lehilahy efa anti-panahy ihany izy sy efa nandroso fahanterana tamin' ny andron' i Saola. David était le fils d' un Éphratéen de Bethléem de Juda, qui s' appelait Jessé et qui avait huit fils. Cet homme, au temps de Saül, était vieux et chargé d' années.
...............
1Sm / 1Sam 17.15 But David went and returned from Saul to feed his father' s sheep at Bethlehem. fa Davida kosa nivoivoy avy tany amin' i Saoly hiandry ny ondrin-drainy tany Betlehema. ary Davida kosa dia nivoivoy avy tany amin' i Saola hiandry ny ondrin-drainy any Betleema. David allait et venait du service de Saül au soin du troupeau de son père à Bethléem.
...............
1Sm / 1Sam 17.58 And Saul said to him, Whose son art thou, thou young man? And David answered, I am the son of thy servant Jesse the Bethlehemite. Dia hoy Saoly taminy: Zanak' iza moa ianao, ry zatovo? Ary hoy Davida: Zanak' i Jese Betlehemita mpanomponao aho. Dia hoy Saola taminy: Zanak' iza moa hianao, ry zatovo? Ary hoy Davida namaly hoe: zanak' Isaïa mpanomponao any Betleema. Saül lui demanda : " De qui es-tu le fils, jeune homme ? " David répondit : " De ton serviteur Jessé le Bethléemite. "
...............
1Sm / 1Sam 20.6 If thy father at all miss me, then say, David earnestly asked leave of me that he might run to Bethlehem his city: for there is a yearly sacrifice there for all the family. Koa raha hitan' ny rainao fa tsy eo aho, dia ataovy hoe: Niera fatratra tamiko Davida mba hikaretsaka kely hankany Betlehema tanànany; fa misy fanatitra fanao amin' izy mianakavy rehetra isan-taona any. Ary raha tsikaritry ny rainao fa tsy eo aho, dia ataovy hoe: Niera tamiko Davida mba hikaretsaka kely any Betleema tanànany, fa atao ao ny sorona fanao isan-taona ho an' ny fianakaviany rehetra. Si ton père remarque mon absence, tu diras : "David m' a demandé avec instance la permission de faire une course à Bethléem, sa ville, car on y célèbre le sacrifice annuel pour tout le clan. "
...............
1Sm / 1Sam 20.28 And Jonathan answered Saul, David earnestly asked leave of me to go to Bethlehem: Ary Jonatana namaly an' i Saoly hoe: Davida niera fatratra tamiko hankany Betlehema Dia hoy Jonatasy namaly an' i Saola: Niera nanao lemozy tamiko Davida ho any Betleema, Jonathan répondit à Saül : " David m' a demandé avec instance la permission d' aller à Bethléem.

  2nd Samuel 2 Samoela Samoela II 2ème Livre de Samuel
...............
2Sm / 2Sam 2.32 And they took up Asahel, and buried him in the sepulchre of his father, which was in Bethlehem. And Joab and his men went all night, and they came to Hebron at break of day. Ary Asahela dia nentiny ka naleviny tao amin' ny fasan-drainy, izay tao Betlehema. Ary Joaba sy ny olony nandeha mandritra ny alina, dia tonga tao Hebrona raha vao nazava ratsy ny andro. Dia nentin' izy ireo Asaela ka naleviny tao amin' ny fasan-drainy izay ao Betleema. Ary nandeha nandritra ny alina manontolo Joaba sy ny olony, ka vao nazava ratsy ny andro dia tonga tany Hebrona izy. On emporta Asahel et on l' ensevelit dans le tombeau de son père, qui est à Bethléem. Joab et ses gens marchèrent toute la nuit et le jour se leva quand ils arrivaient à Hébron.
...............
2Sm / 2Sam 21.19 And there was again a battle in Gob with the Philistines, where Elhanan the son of Jaareoregim, a Bethlehemite, slew the brother of Goliath the Gittite, the staff of whose spear was like a weaver' s beam. Ary nisy ady indray koa tamin' ny Filistina teo Goba, ary Elanana, zanak' i Jare-oregima Betlehemita, namono an' i Goliata Gatita, izay nanan-jaran-defona tahaka ny vodi-tenon' ny mpanenona. Mbola nisy ady tamin' ny Filistina koa tao Goba, ary Elkanàna, zanak' i Jaare-Oregima avy any Betleema, no nahafaty an' i Goliata avy ao Geta, ilay nanan-jaran-defona, ohatra ny vodi-tenon' ny mpanenona. La guerre reprit encore à Gob avec les Philistins, et Elhanân, fils de Yaïr, de Bethléem, tua Goliath de Gat; le bois de sa lance était comme un liais de tisserand.
...............
2Sm / 2Sam 23.14 And David was then in an hold, and the garrison of the Philistines was then in Bethlehem. Ary Davida dia tao amin' ny batery fiarovana tamin' izay, ary ny miaramilan' ny Filistina kosa dia tao Betlehema. Tao amin' ny trano mimanda Davida, tamin' izay, ary nisy antoko miaramilan' ny Filistina anankiray tao Betleema. David était alors dans le refuge et un poste de Philistins se trouvait à Bethléem.
2Sm / 2Sam 23.15 And David longed, and said, Oh that one would give me drink of the water of the well of Bethlehem, which is by the gate! Ary Davida naniry ka nanao hoe: Enga anie ka hisy hampisotro rano ahy avy amin' ny fantsakana ao Betlehema, ilay ao akaikin' ny vavahady! Nanam-paniriana Davida, ka nanao hoe: Iza no mba hampisotro ahy ny rano avy amin' ny famorian-drano ao am-bavahadin' i Betleema? David exprima ce désir : " Qui me fera boire l' eau du puits qui est à la porte de Bethléem! "
2Sm / 2Sam 23.16 And the three mighty men brake through the host of the Philistines, and drew water out of the well of Bethlehem, that was by the gate, and took it, and brought it to David: nevertheless he would not drink thereof, but poured it out unto the Lord. Ary ireo telo lahy mahery namaky teo amin' ny miaramilan' ny Filistina ka nanovo rano tamin' ny fantsakana tao Betlehema, izay teo anilan' ny vavahady, dia nentiny ho any amin' i Davida; kanjo tsy nety nisotro izy, fa naidiny ho an' i Jehovah iny. Niaraka tamin' izay, dia namakivaky ny tobin' ny Filistina ireto lehilahy mahery telo lahy, ka nanovo rano teo amin' ny famorian-drano ao am-bavahadin' i Betleema; dia noraisiny sy nentiny nankeo amin' i Davida. Kanjo tsy nety nisotro Davida fa nataony fanatitra araraka ho an' ny Tompo izany, fa hoy izy: Les trois preux, s' ouvrant un passage au travers du camp philistin, tirèrent de l' eau au puits qui est à la porte de Bethléem; ils l' emportèrent et l' offrirent à David, mais il ne voulut pas en boire et il la répandit en libation à Yahvé.
...............
2Sm / 2Sam 23.24 Asahel the brother of Joab was one of the thirty; Elhanan the son of Dodo of Bethlehem, Asahela, rahalahin' i Joaba, no anankiray amin' ny telo-polo, ary Elanana, zanak' i Dodo, avy any Betlehema, Isan' izy telopolo lahy: Asaela, rahalahin' i Joaba; Elkanàna, zanak' i Dodao, avy any Betleema; Asahel, frère de Joab, faisait partie des Trente. Elhanân fils de Dodo, de Bethléem.

  1st Book of Chronicles 1 Tantara Tantara I 1er Livre des Chroniques
...............
1Tt / 1Tan 2.51 Salma the father of Bethlehem, Hareph the father of Bethgader. Salma, razamben' ny any Betlehema, Harefa, razamben' ny any Beti-gadera. Salmà rain' i Betleema; Harifa rain' i Betagadera. Salma, père de Bethléem, Harèph, père de Bet-Gader.
...............
1Tt / 1Tan 2.54 The sons of Salma; Bethlehem, and the Netophathites, Ataroth, the house of Joab, and half of the Manahethites, the Zorites. Ny zanakalahin' i Salma dia Betlehema sy ny Netofatita sy Atrota-beti-joaba ary Hatsi-hamanatita sy ny Zoraita Zanakalahin' i Salmà: Betleema, sy ny Netofatiana, Atarota-Beta-Joaba, ny antsasaky ny Manaktiana, ny Sareana, Fils de Salma : Bethléem, les Netophatites, Atrot Bet-Yoab, la moitié des Manahatites, les Çoréatites,
...............
1Tt / 1Tan 4.4 And Penuel the father of Gedor, and Ezer the father of Hushah. These are the sons of Hur, the firstborn of Ephratah, the father of Bethlehem. ary Penoela, rain' i Gedora, sy Ezera, rain' i Hosa. Ireo no zanak' i Hora, lahimatoan' i Efrata, razamben' ny any Betlehema. Fanoela no rain' i Gedora, ary Ezera no rain' i Hosa. Ireo no zanakalahin' i Hora, lahimatoan' i Efratà, rain' i Betleema. Penuel était père de Gedor, Ézer père de Husha. Tels sont les fils de Hur, premier-né d'Éphrata, père de Bethléem.
...............
1Tt / 1Tan 11.16 And David was then in the hold, and the Philistines' garrison was then at Bethlehem. Ary Davida dia tao amin' ny batery fiarovana tamin' izay, ary ny miaramilan' ny Filistina kosa dia tao Betlehema. Tao amin' ny trano mimanda Davida tamin' izay ary nisy antoko-miaramilan' ny Filistina tany Betleema. David était alors dans le repaire tandis qu' il y avait encore un préfet philistin à Bethléem.
1Tt / 1Tan 11.17 And David longed, and said, Oh that one would give me drink of the water of the well of Bethlehem, that is at the gate! Ary Davida naniry ka nanao hoe: Enga anie ka hisy hampisotro rano ahy avy amin' ny fantsakana ao Betlehema, ilay ao akaikin' ny vavahady. Nanam-paniriana Davida ka nanao hoe: Iza no mba hampisotro ahy rano avy amin' ny famorian-drano eo am-bavahadin' i Betleema? David exprima ce désir : " Qui me fera boire l' eau du puits qui est à la porte de Bethléem ? "
1Tt / 1Tan 11.18 And the three brake through the host of the Philistines, and drew water out of the well of Bethlehem, that was by the gate, and took it, and brought it to David: but David would not drink of it, but poured it out to the Lord. Ary izy telo lahy ireo namaky teo amin' ny miaramilan' ny Filistina ka nanovo rano tao amin' ny fantsakana tao Betlehema, ilay tao akaikin' ny vavahady, dia nentiny ho any amin' i Davida. Kanjo tsy nety nisotro izy, fa naidiny ho an' i Jehovah. Niaraka tamin' izay ireo telo lahy ireo dia namakivaky ny tobin' ny Filistina ka nanovo rano teo amin' ny famorian-drano eo am-bavahadin' i Betleema, dia noraisiny sy nentiny nankeo amin' i Davida. Kanjo tsy nety nisotro izany Davida, fa nataony fanatitra araraka ho an' ny Tompo izany, ary hoy izy: Les trois, s' ouvrant un passage au travers du camp philistin, tirèrent de l' eau du puits qui est à la porte de Bethléem; ils l' emportèrent et l' offrirent à David, mais il ne voulut pas en boire et il la répandit en libation à Yahvé.
...............
1Tt / 1Tan 11.26 Also the valiant men of the armies were, Asahel the brother of Joab, Elhanan the son of Dodo of Bethlehem, Ary ny lehilahy mahery dia Asahela, rahalahin' i Joaba, sy Elanana, zanak' i Dodo, avy any Betlehema, Lehilahy mahery tamin' ny foloalindahy: Asaela rahalahin' i Joaba; Elkanàna, zanak' i Dodao, avy any Betleema; Preux vaillants : Asahel, frère de Joab, Elhanân fils de Dodo, de Bethléem,

  2nd Book of Chronicles 2 Tantara Tantara II 2ème Livre des Chroniques
...............
2Tt / 2Tan 11.6 He built even Bethlehem, and Etam, and Tekoa, Ny namboariny dia izao: Betlehema sy Etama sy Tekoa Izao no naoriny: Betleema, Etma, Tekoe, Il restaura Bethléem, Étam et Teqoa,

  Book of Ezra Ezra Esdrasa Livre d'Esdras
...............
Ezr / Esd 2.21 The children of Bethlehem, an hundred twenty and three. ny zanak' i Betlehema dia telo amby roa-polo amby zato; telo amby roapolo amby zato ny taranak' i Betleema; les fils de Bethléem : 123;

  Book of Nehemiah Nehemia Nehemia Livre de Néhémie
...............
Neh / Ne 7.26 The men of Bethlehem and Netophah, an hundred fourscore and eight. Ny mponina tany Betlehema sy Netofa dia valo amby valo-polo amby zato; valo amby valopolo amby zato, ny mponina tao Betleema sy Netofa; les hommes de Bethléem et de Netopha : 188;

  Book of Jeremiah Jeremia Jeremia Livre de Jérémie
...............
Jer / Jr 41.17 And they departed, and dwelt in the habitation of Chimham, which is by Bethlehem, to go to enter into Egypt, ary dia lasa izy ireo ka nitoetra tao Gerota-kimama, izay ao akaikin' i Betlehema, mba handehanany hankany Egypta. Dia nandeha izy ireo, ka teo amin' ny tranom-bahiny ao Kanaama, akaikin' i Betleema, no nijanona, vao lasa nankany Ejipta, Ils se mirent en marche et firent étape au Khan de Kimham, près de Bethléem, pour gagner ensuite l' Egypte,

  Book of Micah Mika Mikea Livre de Michée
Mik / Mi 5.1 Now gather thyself in troops, O daughter of troops: he hath laid siege against us: they shall smite the judge of Israel with a rod upon the cheek. Fa ianao, ry Betlehema Efrata, Izay kely tsy tokony ho isan' ny arivon' i Joda akory, Dia avy ao aminao no hivoahan' Izay anankiray ho Mpanapaka ho Ahy ao amin' ny Isiraely; Hatry ny fahagola no efa nivoahany, dia hatrizay hatrizay. Ary hianao, ry Betleema Efrata, kely tsy tokony ho isan' ireo arivon' i Jodà akory, avy aminao no hivoaka ho ahy ilay tsy maintsy ho Mpanapaka amin' Israely, ary ny niandohany dia efa hatramin' ny andro fahagola, hatramin' ny andro mandrakizay. Et toi Bethléem , Éphrata, le moindre des clans de Juda, c' est de toi que me naîtra celui qui doit régner sur Israël; ses origines remontent au temps jadis, aux jours antiques.

  The Gospel according to Matthew Matio Matio L'Évangile selon Saint Matthieu
Mat / Mt 2.1 Now when Jesus was born in Bethlehem of Judaea in the days of Herod the king, behold, there came wise men from the east to Jerusalem, Ary rehefa teraka Jesosy tao Betlehema an' i Jodia, tamin' ny andron' i Heroda mpanjaka, indreo, nisy Magy avy tany atsinanana tonga tany Jerosalema ka nanao hoe: Ary rahefa teraka tao Betlehema any Jodea Jeso tamin' ny andron' i Heroda mpanjaka, indreo nisy Majy avy tany atsinanana tonga tany Jerosalema Jésus étant né à Bethléem de Judée, au temps du roi Hérode, voici que des mages venus d' Orient arrivèrent à Jérusalem
...............
Mat / Mt 2.5 And they said unto him, In Bethlehem of Judaea: for thus it is written by the prophet, Ary hoy ireo taminy: Ao Betlehema an' i Jodia; fa izao no voasoratry ny mpaminany: Ary hoy ireo taminy: Ao Betlehema any Jodea, fa izao no voasoratry ny mpaminany: " A Bethléem de Judée, lui dirent-ils ; ainsi, en effet, est-il écrit par le prophète :
Mat / Mt 2.6 And thou Bethlehem, in the land of Juda, art not the least among the princes of Juda: for out of thee shall come a Governor, that shall rule my people Israel. Ary ianao, ry Betlehema, tanin' ny Joda, tsy dia kely indrindra ao amin' ny andrianan' ny Joda ianao tsy akory; Fa avy ao aminao no hivoahan' izay anankiray ho Mpanapaka, Ka Izy no ho Mpiandry ny Isiraely oloko (Mik. 5.1). Ary hianao, ry Betlehema tanin' i Jodà, tsy hianao no kely indrindra amin' ny renivohitr' i Jodà, fa avy ao aminao no hivoahan' ilay Mpanjaka izay hifehy ny oloko. Et toi, Bethléem, terre de Juda, tu n' es nullement le moindre des clans de Juda ; car de toi sortira un chef qui sera pasteur de mon peuple Israël. "
...............
Mat / Mt 2.8 And he sent them to Bethlehem, and said, Go and search diligently for the young child; and when ye have found him, bring me word again, that I may come and worship him also. Dia naniraka azy hankany Betlehema izy ka nanao hoe: Andeha, fotory tsara ny amin' ilay Zazakely; koa rehefa hitanareo Izy, dia ambarao amiko, mba hankanesako any koa hiankohoka eo anatrehany. Ary naniraka azy ho any Betlehema izy nanao hoe: Andeha ka fotopotory tsara ny amin' ilay Zaza; ary rahefa hitanareo, dia ilazao aho mba hankanesako any koa hitsaoka azy. et les envoya à Bethléem en disant : " Allez vous renseigner exactement sur l' enfant ; et quand vous l' aurez trouvé, avisez-moi, afin que j' aille, moi aussi, lui rendre hommage. "
...............
Mat / Mt 2.16 Then Herod, when he saw that he was mocked of the wise men, was exceeding wroth, and sent forth, and slew all the children that were in Bethlehem, and in all the coasts thereof, from two years old and under, according to the time which he had diligently enquired of the wise men. Ary nony efa fantatr' i Heroda fa voafitaky ny Magy izy, dia tezitra indrindra izy ka naniraka namono ny zazalahy rehetra hatramin' ny roa taona no ho midina, izay tao Betlehema sy tamin' ny manodidina rehetra, araka ny andro izay nofotorany fatratra tamin' ny Magy. Ary nony efa hitan' i Heroda fa voafitaky ny Majy izy, dia tezitra indrindra izy ka naniraka namono ny zazakely rehetra tao Betlehema sy tamin' ny tany manodidina, hatramin' ny roa taona no ho midina, araka ny andro nofotopotorany tamin' ny Majy. Alors Hérode, voyant qu' il avait été joué par les mages, fut pris d' une violente fureur et envoya mettre à mort, dans Bethléem et tout son territoire, tous les enfants de moins de deux ans, d' après le temps qu' il s'était fait préciser par les mages.

  The Gospel according to Luke Lioka Lioka L'Évangile selon Saint Luc
...............
Lio / Lk 2.4 And Joseph also went up from Galilee, out of the city of Nazareth, into Judaea, unto the city of David, which is called Bethlehem; (because he was of the house and lineage of David:) Ary Josefa koa niakatra avy tany Galilia, dia avy tao an-tanàna Nazareta, hankany Jodia, ho ao an-tanànan' i Davida, iza atao hoe Betlehema (satria avy tamin' ny taranak' i Davida sy ny mpianakaviny), Ary Josefa koa niakatra avy tany Galilea avy tao an-tanàna Nazareta hankany Jodea ho ao an-tanànan' i Davida atao hoe Betlehema, fa taranaka sy fianakavian' i Davida izy, Joseph aussi monta de Galilée, de la ville de Nazareth, en Judée, à la ville de David, qui s' appelle Bethléem - parce qu' il était de la maison et de la lignée de David -
...............
Lio / Lk 2.15 And it came to pass, as the angels were gone away from them into heaven, the shepherds said one to another, Let us now go even unto Bethlehem, and see this thing which is come to pass, which the Lord hath made known unto us. Ary tamin' izany rehefa niala teo aminy ireo anjely ireo ka nankany an- danitra, dia niresaka ireo lehilahy mpiandry ondry ka nanao hoe: Andeha isika hankany Betlehema ka hizaha izany zavatra vao tonga izany, izay nampahafantarin' ny Tompo antsika. Ary rahefa nandao azy ireo ny anjely ka nankany an-danitra, dia niresaka ny mpiandry ondry nanao hoe: Andeha isika ho any Betlehema hizaha izany zavatra vao tonga nampahafantarin' ny Tompo antsika izany. Et il advint, quand les anges les eurent quittés pour le ciel, que les bergers se dirent entre eux : " Allons jusqu'à Bethléem et voyons ce qui est arrivé et que le Seigneur nous a fait connaître. "

  The Gospel according to John Jaona Joany L'Évangile selon Saint Jean
...............
Jao / Jo 7.42 Hath not the scripture said, That Christ cometh of the seed of David, and out of the town of Bethlehem, where David was? Tsy voalazan' ny Soratra Masina va fa Kristy dia avy amin' ny taranak' i Davida, sady avy ao Betlehema, vohitra nonenan' i Davida (Mik. 5. 1)? Tsy voalazan' ny Soratra Masina va fa avy amin' ny taranak' i Davida, sy avy amin' ny tanàna Betlehema nitoeran' i Davida no hihavian' ny Kristy? L'Écriture n' a-t-elle pas dit que c' est de la descendance de David et de Bethléem, le village où était David, que doit venir le Christ ? "