<-
->

Mts / Mpits 19:1 And it came to pass in those days, when there was no king in Israel, that there was a certain Levite sojourning on the side of mount Ephraim, who took to him a concubine out of Bethlehemjudah. Ary tamin' izany andro izany, raha tsy nisy mpanjaka teo amin' ny Isiraely, dia nisy Levita anankiray nivahiny tary an-tsisin' ny tany havoan' i Efraima, ka naka vaditsindrano avy any Betlehema-joda. Tamin' izany andro izany raha mbola tsy nisy mpanjaka teo amin' Israely, ny Levita anankiray nitoetoetra tany an-tsisin' ny tendrombohitr' i Efraima dia naka ho vady ny vehivavy anankiray avy any Beleema any Jodà. En ce temps-là - il n' y avait pas alors de roi en Israël - il y avait un homme, un lévite, qui résidait au fond de la montagne d'Éphraïm. Il prit pour concubine une femme de Bethléem de Juda.
Mts / Mpits 19:2 And his concubine played the whore against him, and went away from him unto her father' s house to Bethlehemjudah, and was there four whole months. Ary ny vaditsindranony nijangajanga sy nisintaka taminy ka nandao azy ary nankany an-tranon-drainy any Betlehema-joda, dia nitoetra tao efa-bolana mipaka. Nivadihan' ity vady tsindranony izy, sady nilaozany nankany an-tranon-drainy any Betleema, any Jodà, izay nitoerany efa-bolana. Dans un moment de colère sa concubine le quitta pour rentrer dans la maison de son père à Bethléem de Juda, et elle y demeura un certain temps, quatre mois.
Mts / Mpits 19:3 And her husband arose, and went after her, to speak friendly unto her, and to bring her again, having his servant with him, and a couple of asses: and she brought him into her father' s house: and when the father of the damsel saw him, he rejoiced to meet him. Ary niainga ralehilahy ka nandeha nanaraka azy hanao teny malefaka taminy hampody azy ary nitondra ny zatovony sy boriky roa; dia nampiantranoin-dravehivavy ho ao an-tranon-drainy izy, ka nony hitan' ny rain-drazazavavy ralehilahy, dia faly izy nihaona taminy. Fa niainga ralehilahy ka nankany aminy, hiteny amin' ny fony sy hampody azy, ary nitondra ny mpanompony sy ampondra roa. Nampiantranoin-dravehivavy ho ao an-tranon-drainy izy, ka nony nahita azy ny rain-drazazavavy, dia nandroso hitsena azy an-kafaliana. Son mari partit et alla la trouver pour parler à son coeur et la ramener chez lui; il avait avec lui son serviteur et deux ânes. Comme il arrivait à la maison du père de la jeune femme, celui-ci l' aperçut et s' en vint tout joyeux au-devant de lui.
Mts / Mpits 19:4 And his father in law, the damsel' s father, retained him; and he abode with him three days: so they did eat and drink, and lodged there. Ary nihazona azy ny rafozany, rain-drazazavavy, ka nitoetra teo aminy hateloana izy, dia nihinana sy nisotro ary nandry tao izy roa lahy. Notazonin' ity rafozany rain-drazazavavy izy, ka nitoetra tao aminy hateloana ary nihinana sy nisotro izy ireo, ka nijanonjanona tao. Son beau-père, le père de la jeune femme, le retint et il demeura trois jours chez lui, ils y mangèrent et burent et ils y passèrent la nuit.
Mts / Mpits 19:5 And it came to pass on the fourth day, when they arose early in the morning, that he rose up to depart: and the damsel' s father said unto his son in law, Comfort thine heart with a morsel of bread, and afterward go your way. Ary nony tamin' ny andro fahefatra, dia nifoha maraina koa izy ka niomana handeha; fa hoy ny rain-drazazavavy tamin' ny vinantony: Aoka aloha mba hanao ody am-bavafo kely ianao, ary rehefa afaka izany, dia handeha ianareo. Nony tamin' ny andro fahefatra dia nifoha maraina koa izy ireo, ary efa nivonon-kandeha ity Levita. Nefa hoy ny rain-drazazavavy tamin' ity vinantony: Hatanjaho ny fonao ka homàna sombi-mofo aloha, vao mandeha hianareo. Le quatrième jour, ils s'éveillèrent de bon matin et le lévite se disposait à partir, quand le père de la jeune femme dit à son gendre : " Restaure-toi en mangeant un morceau de pain, vous partirez après. "
Mts / Mpits 19:6 And they sat down, and did eat and drink both of them together: for the damsel' s father had said unto the man, Be content, I pray thee, and tarry all night, and let thine heart be merry. Dia nipetraka izy roa lahy ka niara-nihinana sy nisotro; dia hoy ny rain-drazazavavy tamin-dralehilahy: Mba maneke ny handry eto anio alina, ary aoka ho faly ny fonao. Dia nipetraka izy, ka niara-nihinana sy nisotro izy roa lahy. Ary hoy ny rain-drazazavavy tamin' ity vadin-janany: Mihanta aminao re aho, mba ekeo ny handry anio alina; ary aoka hifaly ny fonao. S'étant assis, ils se mirent à manger et à boire tous les deux ensemble, puis le père de la jeune femme dit à cet homme : " Consens, je te prie, à passer la nuit, et que ton coeur se réjouisse. "
Mts / Mpits 19:7 And when the man rose up to depart, his father in law urged him: therefore he lodged there again. Ary raha niomana handeha ralehilahy, dia nanery azy hitoetra ny rafozany, ka dia tafandriana tao indray izy. Efa nitsangan-kandeha ralehilahy fa noho ny fitambezoan' ny rafozany dia niverina izy ka tafandry teo iny alina iny. Comme l' homme se levait pour partir, le beau-père insista auprès de lui, et il y passa encore la nuit.
Mts / Mpits 19:8 And he arose early in the morning on the fifth day to depart; and the damsel' s father said, Comfort thine heart, I pray thee. And they tarried until afternoon, and they did eat both of them. Dia nifoha maraina koa izy handeha nony tamin' ny andro fahadimy; fa hoy ny rain-drazavazavy: Aoka mba hanao ody am-bavafo kely ianao, ary mijanonjanona aloha mandra-pihilan' ny andro; ary dia niara-nihinana izy roa lahy. Nony tamin' ny andro fahadimy dia nifoha maraina koa izy handeha, fa hoy ny rain-drazazavavy taminy: Mihanta aminao re aho, mba hatanjaho ny fonao ka andraso mandra-pahatolaky ny andro. Dia niara-nihinana izy roa lahy. Le cinquième jour, le lévite se leva de bon matin pour partir, mais le père de la jeune femme lui dit : " Restaure-toi d' abord, je t' en prie! " Ils s' attardèrent ainsi jusqu' au déclin du jour et ils mangèrent tous deux ensemble.
Mts / Mpits 19:9 And when the man rose up to depart, he, and his concubine, and his servant, his father in law, the damsel' s father, said unto him, Behold, now the day draweth toward evening, I pray you tarry all night: behold, the day groweth to an end, lodge here, that thine heart may be merry; and to morrow get you early on your way, that thou mayest go home. Ary raha niainga handeha ralehilahy sy ny vaditsindranony ary ny ankizilahiny, dia hoy ny rafozany, rain-drazazavavy, taminy Indro, efa ho hariva ny andro izao, koa masìna ianao, mandria re anio alina; indro, efa hilentika ny masoandro, ka mandria eto, mba hifalian' ny fonao; ary rahampitso dia hifoha maraina koa ianareo, ka handeha hody ianao. Efa nitsangana handeha ralehilahy sy ny vady tsindranony ary ny mpanompony, fa hoy kosa ny rafozany rain-drazazavavy taminy: Indro efa ho hariva ny andro, koa mihanta aminao aho, mba handry indray anio alina! fa efa mandrorona ny andro, ka mandria re eto, ary aoka hifaly ny fonao: fa rahampitso hifoha maraina koa hianareo mba hiainga ka handeha ho any an-dainao. Le mari se levait pour partir avec sa concubine et son serviteur, quand son beau-père, le père de la jeune femme, lui dit : " Voici que le jour baisse vers le soir, passez donc la nuit. Voici le déclin du jour, passez la nuit ici, et que ton coeur se réjouisse. Demain de bon matin, vous partirez et tu regagneras ta tente. "
Mts / Mpits 19:10 But the man would not tarry that night, but he rose up and departed, and came over against Jebus, which is Jerusalem; and there were with him two asses saddled, his concubine also was with him. Fa tsy nety nijanona intsony ralehilahy tamin' izany alina izany, fa niainga ihany izy ka nandeha, dia tonga tandrifin' i Jebosa (Jerosalema izany); ary boriky roa samy voaisy lasely no nentiny, ary ny vaditsindranony niaraka taminy koa. Tsy nety handry intsony anefa ralehilahy fa nitsangana izy, ka dia lasa. Tonga hatrany an-tandrifin' i Jebosy izy, dia Jerosalema izany, ary niaraka taminy ny ampondr roa samy voaisy lasely sy ny vady tsindranony. Mais l' homme, refusant de passer la nuit, se leva, partit et il arriva en vue de Jébus - c' est-à-dire de Jérusalem. Il avait avec lui deux ânes bâtés, ainsi que sa concubine et son serviteur.
Mts / Mpits 19:11 And when they were by Jebus, the day was far spent; and the servant said unto his master, Come, I pray thee, and let us turn in into this city of the Jebusites, and lodge in it. Ary rehefa mby teo akaiky an' i Jebosa izy, ka efa ho hariva ny andro, dia hoy ny zatovo tamin' ny tompony: Andeha hiakatra ato amin' ity tanànan' ny Jebosita ity isika ka handry ato. Efa hariva ny andro no tonga tao akaikin' i Jebosy izy ireo; ka hoy ilay mpanompony tamin' ity tompolahiny: Raha sitrakao, andeha isika hivily ho amin' ity tanànan' ny Jeboseana ity, dia handry eo. Lorsqu' ils furent près de Jébus, le jour avait beaucoup baissé. Le serviteur dit à son maître : " Viens donc, je te prie, faisons un détour vers cette ville des Jébuséens et nous y passerons la nuit. "
Mts / Mpits 19:12 And his master said unto him, We will not turn aside hither into the city of a stranger, that is not of the children of Israel; we will pass over to Gibeah. Fa hoy ny tompony taminy: Tsy hiakatra amin' ny tanànan' ny olona hafa firenena izay tsy isan' ny Zanak' Isiraely isika, fa handroso ihany ho any Gibea. Fa hoy ny tompony namaly azy: Tsy hivily amin' izay tanànan' olon-kafa firenena tsy misy zanak' Israely isika, fa handroso ihany ho any Gabaà. Son maître lui répondit : " Nous ne ferons pas de détour vers une ville d'étrangers qui ne sont pas, ceux-là, des Israélites, mais nous pousserons jusqu'à Gibéa. "
Mts / Mpits 19:13 And he said unto his servant, Come, and let us draw near to one of these places to lodge all night, in Gibeah, or in Ramah. Ary hoy izy tamin' ny zatovony: Andeha isika hankamin' ny anankiray amin' ireto tanàna ireto, dia any Gibea, na any Rama, ka handry any. Dia hoy koa izy tamin' ny mpanompony: Andeha ataovy izay hahatrarantsika ny iray amin' ireto tanàna ireto, dia Gabaà na Ramà; any isika no handry. Et il ajouta à son serviteur : " Allons, et tâchons d' atteindre l' une de ces localités pour y passer la nuit, Gibéa ou Rama. "
Mts / Mpits 19:14 And they passed on and went their way; and the sun went down upon them when they were by Gibeah, which belongeth to Benjamin. Dia nandroso izy ka nandeha; ary raha mbola teo akaiky an' i Gibea, izay an' ny Benjamita, izy, dia nilentika ny masoandro. Koa notohizany ny diany, ary efa nilentika ny masoandro no eny akaikin' i Gabaà, izay an' i Benjamina izy. Ils poussèrent donc plus loin et continuèrent leur marche. A leur arrivée en face de Gibéa de Benjamin, le soleil se couchait.
Mts / Mpits 19:15 And they turned aside thither, to go in and to lodge in Gibeah: and when he went in, he sat him down in a street of the city: for there was no man that took them into his house to lodging. Ka dia nivily teo izy handeha handry any Gibea; ary niakatra izy ka nipetraka teo amin' ny kianjan' ny tanàna; fa tsy nisy olona nampiantrano azy handry tao an-tranony. Ka dia nivily ho any izy, mba handry ao Gabaa. Nony tafiditra ity Levita, dia nijanona teo amin' ny kianjan' ny tanana, ary tsy nisy olona nampiantrano azy handry any aminy. Ils se tournèrent alors de ce côté pour passer la nuit à Gibéa. Le lévite, étant entré, s' assit sur la place de la ville, mais personne ne leur offrit dans sa maison l' hospitalité pour la nuit.
Mts / Mpits 19:16 And, behold, there came an old man from his work out of the field at even, which was also of mount Ephraim; and he sojourned in Gibeah: but the men of the place were Benjamites. Ary, indro, nisy lehilahy anti-panahy avy niasa tany an-tsaha nony hariva, sady olona avy any amin' ny tany havoan' i Efraima koa izy, saingy nitoetra tany Gibea, fa ny mponina tao amin' izany tanana izany dia Benjamita. Kanojo kosa, inty nisy antidahy anankiray nody hariva avy niasa tany an-tsaha; lehilahy avy any amin' ny tendrombohitr' i Efraima izy fa nitoetra tao Gabaà, ary ny mponina ao amin' io fitoerana io dia Benjamita. Survint un vieillard qui, le soir venu, rentrait de son travail des champs. C'était un homme de la montagne d'Éphraïm, qui résidait à Gibéa, tandis que les gens de l' endroit étaient des Benjaminites.
Mts / Mpits 19:17 And when he had lifted up his eyes, he saw a wayfaring man in the street of the city: and the old man said, Whither goest thou? and whence comest thou? Ary rehefa nanopy ny masony izy ka nahita ilay vahiny teo an-kianjan' ny tanana, dia hoy ilay lehilahy anti-panahy: Hankaiza moa ianao? Ary avy taiza? Nanopy ny masony izy, ka nahita ilay mpivahiny teo an-kianjan' ny tanàna; ka hoy ny antidahy taminy nanao hoe: Ho aiza hianao ary avy aiza? Levant les yeux, il remarqua le voyageur, sur la place de la ville : " Où vas-tu, lui dit le vieillard, et d' où viens-tu ? "
Mts / Mpits 19:18 And he said unto him, We are passing from Bethlehemjudah toward the side of mount Ephraim; from thence am I: and I went to Bethlehemjudah, but I am now going to the house of the Lord; and there is no man that receiveth me to house. Dia hoy izy taminy: Avy tany Betlehema-joda izahay ka hankarý an-tsisin' ny tany havoan' i Efraima, fa any no tany nihaviako; ary nankany Betlehema-joda aho, fa mpankany an-tranon' i Jehovah; ary tsy misy olona mampiantrano ahy; Ary hoy ny navaliny azy: Avy tany Betleema any Jodà izahay, ka ho any amin' ny sisin' ny tendrombohitr' i Efraima izay tany nihaviako. Tany Betleema any Jodà aho, ary ho any an-tranon' ny Tompo, nefa tsy mba misy olona mampiantrano ahy akory. Et l' autre lui répondit : " Nous faisons route de Bethléem de Juda vers le fond de la montagne d'Éphraïm. C' est de là que je suis. J'étais allé à Bethléem de Juda et je retourne chez moi, mais personne ne m' a offert l' hospitalité dans sa maison.
Mts / Mpits 19:19 Yet there is both straw and provender for our asses; and there is bread and wine also for me, and for thy handmaid, and for the young man which is with thy servants: there is no want of any thing. kanefa misy mololo sy hanina ihany ho an' ny borikinay, sady misy mofo sy divay ho ahy sy ny ankizivavinao ary ho an' ny zatovo manaraka ny mpanomponao: tsy misy zavatra ilainay intsony. Anananay anefa ny mololo amam-bilona ho an' ny ampondranay, ny mofo aman-divay ho ahy sy ny ankizivavinao ary ny zatovo miaraka amin' ny mpanomponao, fa tsy mila na inona na inona izahay. Nous avons pourtant de la paille et du fourrage pour nos ânes, j' ai aussi du pain et du vin pour moi, pour ta servante et pour le jeune homme qui accompagne ton serviteur. Nous ne manquons de rien. " -
Mts / Mpits 19:20 And the old man said, Peace be with thee; howsoever let all thy wants lie upon me; only lodge not in the street. Dia hoy ilay lehilahy anti-panahy: Fiadanana anie ho anao; aoka ho adidiko izay rehetra ilainao, fa aza mandry foana eto an-kianja. Dia hoy ilay antidahy: Ho aminao anie ny fiadanana; ary hovononiko avokoa izay ilainao, fa aza mandry foana eto an-kianja. " Sois le bienvenu, repartit le vieillard, laisse-moi pourvoir à tous tes besoins, mais ne passe pas la nuit sur la place. "
Mts / Mpits 19:21 So he brought him into his house, and gave provender unto the asses: and they washed their feet, and did eat and drink. Dia nitondra azy tany an-tranony izy ka nampihinana ny boriky; dia nanasa tongotra izy ireo ka nihinana sy nisotro. Koa nampidiriny an-trano izy ireo ary nomeny vilona ny ampondra; nanasa tongotra izy ireo dia nihinana sy nisotro. Il le fit donc entrer dans sa maison et il donna du fourrage aux ânes. Les voyageurs se lavèrent les pieds, puis mangèrent et burent.
Mts / Mpits 19:22 Now as they were making their hearts merry, behold, the men of the city, certain sons of Belial, beset the house round about, and beat at the door, and spake to the master of the house, the old man, saying, Bring forth the man that came into thine house, that we may know him. Ary raha mbola nampifaly ny fony izy, indro, ny mponina tao an-tanàna, olona tena ratsy fanahy, dia nanodidina ny trano ka nandondona mafy ny varavarana ary niteny tamin' ilay lehilahy anti-panahy tompo-trano hoe: Avoahy ny lehilahy izay niditra ato an-tranonao, mba hahalalanay azy. Dieny mbola nifaly teo ny fon' izy ireo dia indreo nisy lehilahy tao an-tanàna, olona tena ratsy fanahy, nanodidina ny trano, nandondòna mafy ny varavarana, sady nilaza tamin' ilay antidahy tompon-trano nanao hoe: Asaovy mivoaka ilay lehilahy niditra ato aminao, mba hahalalanay azy. Pendant qu' ils se réconfortaient, voici que des gens de la ville, des vauriens, s' attroupèrent autour de la maison et, frappant à la porte à coups redoublés, ils dirent au vieillard, maître de la maison : " Fais sortir l' homme qui est venu chez toi, que nous le connaissions. "
Mts / Mpits 19:23 And the man, the master of the house, went out unto them, and said unto them, Nay, my brethren, nay, I pray you, do not so wickedly; seeing that this man is come into mine house, do not this folly. Dia nivoaka nankeo aminy ralehilahy tompo-trano ka nanao taminy hoe: Tsia, ry rahalahiko, masìna ianareo, aza manao ratsy; fa tonga ato an-tranoko ity lehilahy ity, koa aza manao izany zavatra fady indrindra izany ianareo. Fa nivoaka ny tompon-trano nankeo amin' izy ireo ka nanao taminy hoe: Aoka, ry rahalahiko, mihanta aminareo aho, aza dia manao ratsy re; rahefa tafiditra ny tranoko io lehilahy io dia aza manao izany zavatra mahafa-baraka izany. Alors le maître de la maison sortit vers eux et leur dit : " Non, mes frères, je vous en prie, ne soyez pas des criminels. Après que cet homme soit entré dans ma maison, ne commettez pas cette infamie.
Mts / Mpits 19:24 Behold, here is my daughter a maiden, and his concubine; them I will bring out now, and humble ye them, and do with them what seemeth good unto you: but unto this man do not so vile a thing. Indreto ny zanako-vavy virijina sy ny vaditsindranon-dralehilahy, aoka mba ho entiko mivoaka ireo, ka mandria aminy, ary ataovy aminy izay sitrakareo; fa aza ity lehilahy ity no anaovanareo izany zavatra fady indrindra izany. Indro ny zanako vavy mbola virjiny sy ny vady tsindranon-dralehilahy; hoentiko mivoaka ireo, dia anaovy an-keriny, sy ataovy aminy araka izay sitrakareo, fa aza manao izany zavatra mahafa-baraka izany amin' io lehilahy io. Voici ma fille qui est vierge. Je vous la livrerai. Abusez d' elle et faites ce que bon vous semble, mais ne commettez pas à l'égard de cet homme une pareille infamie. "
Mts / Mpits 19:25 But the men would not hearken to him: so the man took his concubine, and brought her forth unto them; and they knew her, and abused her all the night until the morning: and when the day began to spring, they let her go. Fa tsy nety nihaino azy ireo lehilahy ireo, ka dia nalain-dralehilahy ilay vaditsindrano ka navoakany taminy teo ala-trano; dia nahalala azy ireo ka nanao ditra taminy mandritra ny alina mandra-pahamarain' ny andro; ary rehefa hiposaka ny masoandro, vao nalefany handeha izy. Tsy nety nihaino azy akory anefa ireo lehilahy ireo. Tamin' izay dia nalain-dralehilahy ny vady tsindranony, nentiny nivoaka tany amin' izy ireo. Nahalala azy izy ireo sy nanao an-keriny taminy mandritra ny alina, mandra-pahamarain' ny andro; ary nony efa hiposaka ny masoandro vao nalefany handeha izy. Ces gens ne voulurent pas l'écouter. Alors l' homme prit sa concubine et la leur amena dehors. Ils la connurent, ils abusèrent d' elle toute la nuit jusqu' au matin et, au lever de l' aurore, ils la lâchèrent.
Mts / Mpits 19:26 Then came the woman in the dawning of the day, and fell down at the door of the man' s house where her lord was, till it was light. Ary rehefa ho maraina ny andro, dia tonga ravehivavy, ka lavo teo am-baravaran' ny tranon-dralehilahy, izay nitoeran' ny vadiny, ka nivalandotra teo mandra-pahazavan' ny andro. Nony efa haraina ny andro dia tonga ravehivavy ka lavo teo am-baravaran' ny tranon' ilay lehilahy nisy ny vadiny, ka teo izy mandra-pahazavan' ny andro. Vers le matin la femme s' en vint tomber à l' entrée de la maison de l' homme chez qui était son mari et elle resta là jusqu' au jour.
Mts / Mpits 19:27 And her lord rose up in the morning, and opened the doors of the house, and went out to go his way: and, behold, the woman his concubine was fallen down at the door of the house, and her hands were upon the threshold. Dia nifoha maraina ralehilahy ka namoha ny varavaran' ny trano, dia nivoaka handeha tamin' ny lalan-kalehany; ary, indro, ravehivavy vaditsindranony miampatra eo am-baravaran' ny trano, ary ny tanany eo amin' ny tokonana. Nony maraina dia nifoha ny lahy, dia namoha ny varavarana ary nivoaka ndeha hanohy ny diany. Ary inty ravehivavy, ny vady tsindranony, nivalandòtra teo am-baravaran' ny trano, ary teo amin' ny tokonana ny tànany. Au matin son mari se leva et, ayant ouvert la porte de la maison, il sortait pour continuer sa route, quand il vit que la femme, sa concubine, gisait à l' entrée de la maison, les mains sur le seuil.
Mts / Mpits 19:28 And he said unto her, Up, and let us be going. But none answered. Then the man took her up upon an ass, and the man rose up, and gat him unto his place. Ary hoy ralehilahy taminy: Mitsangàna, andeha isika. Kanjo tsy nisy namaly. Dia nobetain-dralehilahy izy ka nasampiny teo amin' ny borikiny; dia niainga izy nandeha ho any amin' ny fonenany. Hoy izy taminy: miarena dia ndeha isika handeha. Ary tsy nisy namaly; koa dia nataon' ny lahy teo ambonin' ny ampondrany izy, dia lasa izy nody ho any amin' ny fonenany. " Lève-toi, lui dit-il, et partons! " Pas de réponse. Alors il la chargea sur son âne et il se mit en route pour rentrer chez lui.
Mts / Mpits 19:29 And when he was come into his house, he took a knife, and laid hold on his concubine, and divided her, together with her bones, into twelve pieces, and sent her into all the coasts of Israel. Ary rehefa tonga tao an-tranony izy, dia naka antsy, ka noraisiny ny fatin' ny vaditsindranony, dia norasainy araka ny famavanin' ny taolana ho roa ambin' ny folo toko, ka nampitondrainy eran' ny tanin' ny Isiraely rehetra. Nony tonga tany aminy izy, noraisiny ny antsy, dia nalainy ity vady tsindranony, ka norasainy isam-pamavanin-taolana ho roa ambin' ny folo toko, sy nampitondrainy eran' ny tanin' Israely rehetra. Arrivé à la maison, il prit un couteau et, saisissant sa concubine, il la découpa, membre par membre, en douze morceaux, puis il l' envoya dans tout le territoire d' Israël.
Mts / Mpits 19:30 And it was so, that all that saw it said, There was no such deed done nor seen from the day that the children of Israel came up out of the land of Egypt unto this day: consider of it, take advice, and speak your minds. Ary hoy ity rehetra nahita: Tsy nisy zavatra natao na hita toy izany hatramin' ny andro niakaran' ny Zanak' Isiraely avy tany amin' ny tany Egypta ka mandraka androany; hevero izany, samia maka saina, ka ambarao. Dia hoy izay nahita rehetra: Ny zavatra toy izany dia tsy mbola tonga na hita na oviana na oviana hatrizay niakaran' ny zanak' Israely avy any amin' ny tany Ejipta ka mandrak' androany. Koa diniho izany, mifampilà hevitra, dia tapaho. Il donna des ordres à ses émissaires : " Voici ce que vous direz à tous les Israélites : A-t-on jamais vu pareille chose depuis le jour où les Israélites sont montés du pays d'Égypte jusqu' aujourd' hui ? Réfléchissez-y, consultez-vous et prononcez. " Et tous ceux qui voyaient, disaient : " Jamais chose pareille n' est arrivée et ne s' est vue depuis que les Israélites sont montés du pays d'Égypte jusqu' aujourd' hui. "

<-
->