<-
->

Jos 23:1 And it came to pass a long time after that the Lord had given rest unto Israel from all their enemies round about, that Joshua waxed old and stricken in age. Ary rehefa ela, taorian' ny nanomezan' i Jehovah fitsaharana ho an' ny Isiraely ho afaka amin' ny fahavalony rehetra manodidina, ary Josoa dia efa zoki-olona sady nandroso fahanterana, Efa ela no nanomezan' ny Tompo fitsaharana an' Israely, sy nanafahany azy tamin' ny fahavalony rehetra amin' ny manodidina, ka efa zoky olona sy nandroso fahanterana Josoe. Or, longtemps après que Yahvé eut procuré le repos à Israël, au milieu de tous les ennemis qui l' entouraient - Josué était devenu vieux, il était avancé en âge -,
Jos 23:2 And Joshua called for all Israel, and for their elders, and for their heads, and for their judges, and for their officers, and said unto them, I am old and stricken in age: dia nantsoin' i Josoa ny Isiraely rehetra, dia ny loholony sy ny lehibeny sy ny mpitsara azy ary ny mpifehy azy, ka hoy izy taminy: Efa zoki-olona aho izao ka mandroso fahanterana, Koa nantsoin' i Josoe avokoa Israely rehetra, ny loholony, ny lehilahy, ny mpitsara azy, ary ny manamboninahiny, ka hoy izy taminy: Efa zoky olona sy mandroso fahanterana aho. Josué convoqua tout Israël, ses anciens, ses chefs, ses juges et ses scribes, et leur dit : " Pour moi, je suis vieux et avancé en âge;
Jos 23:3 And ye have seen all that the Lord your God hath done unto all these nations because of you; for the Lord your God is he that hath fought for you. ary ianareo efa nahita izay rehetra nataon' i Jehovah Andriamanitrareo tamin' ireo firenena rehetra ireo teo anoloanareo; fa Jehovah Andriamanitrareo no niady ho anareo. Efa hitanareo izay rehetra nataon' ny Tompo Andriamanitrareo tamin' ny firenena rehetra teo anoloanareo, fa Iaveh Andriamanitrareo no niady ho anareo. pour vous, vous avez vu tout ce que Yahvé votre Dieu a fait à cause de vous à toutes ces populations; c' est Yahvé votre Dieu qui a combattu pour vous.
Jos 23:4 Behold, I have divided unto you by lot these nations that remain, to be an inheritance for your tribes, from Jordan, with all the nations that I have cut off, even unto the great sea westward. Indreo, efa voazarako ho lovan' ny firenenareo tamin' ny filokana ireo firenena sisa ireo, hatrany Jordana, mbamin' ny firenena rehetra izay nofongorako, ka hatramin' ny Ranomasina Lehibe andrefana. Indro efa nozaraiko taminareo mba ho lova ho an' ny fokonareo, tamin' ny filokana, ireo firenena izay mbola eo ihany sy ireo rehetra efa nofongorako hatrany Jordany ka hatrany amin' ny ranomasin-dehibe any andrefana any. Voyez, j' ai tiré au sort pour vous, comme héritage pour vos tribus, ces populations qui restent, et toutes les populations que j' ai exterminées depuis le Jourdain jusqu'à la Grande mer à l' occident.
Jos 23:5 And the Lord your God, he shall expel them from before you, and drive them from out of your sight; and ye shall possess their land, as the Lord your God hath promised unto you. Ary Jehovah Andriamanitrareo, Izy no handroaka ireny eo anoloanareo, dia hampiala azy eo anoloanareo; ary handova ny taniny ianareo araka izay nolazain' i Jehovah Andriamanitrareo taminareo. Iaveh Andriamanitrareo hampandositra ireny eo anoloanareo sy handroaka azy eo anoloanareo, ka ho lasanareo ny taniny, araka ny efa voalazan' ny Tompo Andriamanitrareo taminareo. Yahvé votre Dieu les chassera lui-même devant vous, il les dépossédera devant vous et vous prendrez possession de leur pays, comme vous l' a dit Yahvé votre Dieu.
Jos 23:6 Be ye therefore very courageous to keep and to do all that is written in the book of the law of Moses, that ye turn not aside therefrom to the right hand or to the left; Dia mahereza tsara ianareo hitandrina sy hanao izay rehetra voasoratra ao amin' ny bokin' ny lalàn' i Mosesy, mba tsy hivilianareo hiala aminy na ho amin' ny ankavanana, na ho amin' ny ankavia, Koa misehoa ho be herim-po amin' ny fitandremana amam-panarahana izay rehetra eo amin' ny bokin' ny lalàn' i Moizy, fa aza mivily na ho amin' ny ankavanana na ho amin' ny ankavia; " Montrez-vous donc très forts pour garder et accomplir tout ce qui est écrit dans le livre de la Loi de Moïse sans vous en écarter ni à droite ni à gauche,
Jos 23:7 That ye come not among these nations, these that remain among you; neither make mention of the name of their gods, nor cause to swear by them, neither serve them, nor bow yourselves unto them: mba tsy hankanesanareo any amin' ireo firenena sisa eo aminareo ireo; ny anaran' ny andriamaniny dia aoka tsy hotononinareo na hampianiananareo akory, ary aza manompo azy na miankohoka eo anatrehany; aza miharo amin' ireo firenena izay mbola tavela eo aminareo, aza miantso ny anaran' izay andriamanitr' ireo na mianiana amin' ny anarany, na manompo an' ireny na miankohoka eo anoloan' ireny hianareo, sans vous mêler à ces populations qui subsistent encore à côté de vous. Vous ne prononcerez pas le nom de leurs dieux, vous ne les invoquerez pas dans vos serments, vous ne les servirez pas et vous ne vous prosternerez pas devant eux.
Jos 23:8 But cleave unto the Lord your God, as ye have done unto this day. fa Jehovah Andriamanitrareo ihany no ifikiro, araka ny nataonareo mandraka androany. fa miraiketa amin' ny Tompo Andriamanitrareo, araka ny nataonareo mandraka androany. Au contraire, vous vous attacherez à Yahvé votre Dieu, comme vous l' avez fait jusqu'à ce jour.
Jos 23:9 For the Lord hath driven out from before you great nations and strong: but as for you, no man hath been able to stand before you unto this day. Fa nandroaka firenena lehibe sy mahery teo anoloanareo Jehovah; ary dia tsy nisy olona nahajanona teo anoloanareo mandraka androany. Firenena lehibe sy mahery no noroahin' ny Tompo teo anoloanareo, ka tsy nisy olona nahatoha anareo mandrak' androany. Yahvé a dépossédé devant vous des populations grandes et fortes, et personne n' a pu, jusqu'à présent, vous tenir tête.
Jos 23:10 One man of you shall chase a thousand: for the Lord your God, he it is that fighteth for you, as he hath promised you. Ny lehilahy iray aminareo manenjika ny arivo; fa Jehovah Andriamanitrareo, Izy no miady ho anareo, araka izay nolazainy taminareo. Iray taminareo no nanenjika arivo fa Iaveh Andriamanitrareo no niady ho anareo, araka ny efa voalazany taminareo. Un seul d' entre vous pouvait en poursuivre mille, car Yahvé votre Dieu combattait lui-même pour vous, comme il vous l' avait dit.
Jos 23:11 Take good heed therefore unto yourselves, that ye love the Lord your God. Dia tandremo tsara ny fanahinareo mba ho tia an' i Jehovah Andriamanitrareo. Koa mitandrema tena hianareo hitiavanareo an' ny Tompo Andriamanitrareo. Vous prendrez bien soin, car il y va de votre vie, d' aimer Yahvé votre Dieu.
Jos 23:12 Else if ye do in any wise go back, and cleave unto the remnant of these nations, even these that remain among you, and shall make marriages with them, and go in unto them, and they to you: Fa raha mihemotra ianareo ka miray aminareo ireo firenena sisa eo aminareo ireo ary mifanambady aminy ka miditra ao aminy, ary izy kosa ao aminareo, Fa raha mivily hianareo, ka miray amin' ireo firenena sisa tafatoetra eo aminareo sy mifanambady amin' izy ireo, hianareo miharo aminy izy miharo aminareo, " Mais s' il vous arrive de vous détourner et de vous lier au restant de ces populations qui subsistent encore à côté de vous, de contracter mariage avec elles, de vous mêler à elles et elles à vous,
Jos 23:13 Know for a certainty that the Lord your God will no more drive out any of these nations from before you; but they shall be snares and traps unto you, and scourges in your sides, and thorns in your eyes, until ye perish from off this good land which the Lord your God hath given you. dia ho fantatrareo tokoa fa tsy handroaka ireo firenena ireo eo anoloanareo intsony Jehovah Andriamanitrareo; fa ho fandrika sy tonta aminareo ireo, ary ho fanindronana amin' ny tehezanareo, sy ho tsilo eo amin' ny masonareo, mandra-pahalany ritranareo tsy ho eo amin' ity tany soa nomen' i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity. dia fantaro tsara fa tsy hotohizan' ny Tompo Andriamanitrareo ny fandroahana ireo firenena ireo eo anoloanareo; ka ho harato amam-pandrika ho anareo ireo, ary ho rotsakazo amin' ny lanivoanareo, sy ho tsilo amin' ny masonareo, mandra-pahalany ritra anareo tsy ho eo amin' ity tany soa, nomen' ny Tompo Andriamanitrareo anareo ity. alors sachez bien que Yahvé votre Dieu cessera de déposséder devant vous ces populations : elles seront pour vous un filet, un piège, des épines dans vos flancs et des chardons dans vos yeux, jusqu'à ce que vous ayez disparu de ce bon sol que vous a donné Yahvé votre Dieu.
Jos 23:14 And, behold, this day I am going the way of all the earth: and ye know in all your hearts and in all your souls, that not one thing hath failed of all the good things which the Lord your God spake concerning you; all are come to pass unto you, and not one thing hath failed thereof. Ary, indro, efa handeha ho amin' ny lalana falehan' ny tany rehetra aho izao; ary fantatrareo ao amin' ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra fa tsy misy latsaka na dia zavatra iray akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nilazan' i Jehovah Andriamanitrareo anareo; efa tanteraka taminareo avokoa izy rehetra: tsy nisy latsaka izy na dia zavatra iray akory aza. Ary inty aho, efa handeha amin' ny falehan' ny tany rehetra, koa fantaro amin' ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra, fa tsy misy foana akory na dia iray aza, ny teny rehetra nolazain' ny Tompo ny aminareo; tanteraka avokoa ho anareo izany, tsy nisy latsaka na dia iray aza. " Voici que je m' en vais aujourd' hui par le chemin de tout le monde. Reconnaissez de tout votre coeur et de toute votre âme que, de toutes les promesses que Yahvé votre Dieu avait faites en votre faveur, pas une n' a manqué son effet : tout s' est réalisé pour vous, pas une n' a manqué son effet.
Jos 23:15 Therefore it shall come to pass, that as all good things are come upon you, which the Lord your God promised you; so shall the Lord bring upon you all evil things, until he have destroyed you from off this good land which the Lord your God hath given you. Ary tahaka ny efa nanatanterahana taminareo ny zava-tsoa rehetra, izay nolazain' i Jehovah Andriamanitrareo taminareo, no hanatanterahan' i Jehovah aminareo kosa ny loza rehetra mandra-paharingany anareo tsy ho eo amin' ity tany soa nomen' i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity. Koa toy ny nahatanterahan' ny teny soa rehetra nolazain' ny Tompo Andriamanitrareo taminareo no hanatanterahan' ny Tompo eo aminareo koa ny teny fandrahonana rehetra mandra-paharinganareo, tsy ho amin' ity tany soa nomen' ny Tompo Andriamanitrareo anareo. " Eh bien! de même que toute promesse faite par Yahvé votre Dieu en votre faveur s' est réalisée pour vous, de même Yahvé réalisera contre vous toutes ses menaces, jusqu'à vous chasser de ce bon sol que Yahvé votre Dieu vous a donné.
Jos 23:16 When ye have transgressed the covenant of the Lord your God, which he commanded you, and have gone and served other gods, and bowed yourselves to them; then shall the anger of the Lord be kindled against you, and ye shall perish quickly from off the good land which he hath given unto you. Amin' izay hivadihanareo ny faneken' i Jehovah Andriamanitrareo, izay nandidiany anareo, sy handehananareo hanompo ireo andriamani-kafa ary hiankohofanareo eo anatrehany, dia hirehitra aminareo ny fahatezeran' i Jehovah, ary ho lany ringana faingana ianareo tsy ho eo amin' ny tany soa nomeny anareo. Raha mandika ny faneken' ny Tompo Andriamanitrareo izay nandidiany anareo hianareo ka mandeha manompo andriamani-kafa sy miankohoka eo anoloan' ireny dia hirehitra aminareo ny fahatezeran' ny Tompo, ka vetivety dia ho lany ringana tsy ho eo amin' ny tany soa nomeny anareo hianareo. " Si en effet vous transgressez l' alliance que Yahvé votre Dieu vous a imposée, si vous allez servir d' autres dieux, si vous vous prosternez devant eux, alors la colère de Yahvé s' enflammera contre vous et vous disparaîtrez rapidement du bon pays qu' il vous a donné. "

<-
->