<-
->

Jos 2:1 And Joshua the son of Nun sent out of Shittim two men to spy secretly, saying, Go view the land, even Jericho. And they went, and came into an harlot' s house, named Rahab, and lodged there. Ary Josoa, zanak' i Nona, dia naniraka mpisafo roa lahy mangingina avy tany Sitima ka niteny taminy hoe: Mandehana, izahao ny tany, indrindra fa Jeriko. Dia niainga izy roa lahy ary niditra tao an-tranon' ny vehivavy janga anankiray atao hoe Rahaba, ka nandry tao. Nandefa mpisafo tany roa lahy mangingina avy tany Setima Josoe zanak' i Nòna, nataony hoe: Mandehana, zahao ny tany, sy Jerikao. Dia niainga izy roa lahy, ka tonga tao amin' ny tranon' ity vehivavy janga anankiray atao hoe Rahaba, ary nandry tao. Josué, fils de Nûn, envoya secrètement de Shittim deux hommes pour espionner, en disant : " Allez, examinez le pays et Jéricho. " Ils y allèrent, se rendirent à la maison d' une prostituée nommée Rahab et ils y couchèrent.
Jos 2:2 And it was told the king of Jericho, saying, Behold, there came men in hither to night of the children of Israel to search out the country. Ary nisy nilaza tamin' ny mpanjakan' i Jeriko hoe: Injao, misy olona avy tamin' ny Zanak' Isiraely tonga atý izao alina izao hisafo ny tany. Nisy kosa nampandre izany tamin' ny mpanjakan' i Jerikao, nanao hoe: Injao misy olona avy amin' ny zanak' Israely, tonga alina aty hisafo ny tany. On dit au roi de Jéricho : " Voici que des hommes sont venus ici cette nuit, des Israélites, pour explorer le pays. "
Jos 2:3 And the king of Jericho sent unto Rahab, saying, Bring forth the men that are come to thee, which are entered into thine house: for they be come to search out all the country. Dia naniraka tao amin' i Rahaba ny mpanjakan' i Jeriko ka nanao hoe: Avoahy ireo lehilahy tonga ato an-tranonao ireo; fa hisafo ny tany no nihaviany. Dia naniraka ny mpanjakan' i Jerikao hilaza amin-dRahaba hoe: Avoahy ireo lehilahy izay tonga tao aminao tafiditra ny tranonao, fa hisafo ny tany no nahatongavan' ireo aty. Alors le roi de Jéricho envoya dire à Rahab : " Fais sortir les hommes venus chez toi - qui sont descendus dans ta maison - car c' est pour explorer tout le pays qu' ils sont venus. "
Jos 2:4 And the woman took the two men, and hid them, and said thus, There came men unto me, but I wist not whence they were: Dia nalain-dravehivavy izy roa lahy ka nafeniny ary hoy izy: Tonga tatý amiko ihany tokoa ireny lehilahy ireny, nefa tsy fantatro izay nihaviany; Fa nalain-dravehivavy kosa izy roa lahy ka nafeniny, dia hoy izy: Tonga teto amiko tokoa ireny lehilahy ireny, nefa tsy fantatro na avy aiza na avy aiza izy; Mais la femme prit les deux hommes et les cacha. " C' est vrai, dit-elle, ces hommes sont venus chez moi, mais je ne savais pas d' où ils étaient.
Jos 2:5 And it came to pass about the time of shutting of the gate, when it was dark, that the men went out: whither the men went I wot not: pursue after them quickly; for ye shall overtake them. ary rehefa maizina ny andro, ka hohidiana ny vavahady, dia lasa nivoaka izy, ka tsy fantatro indray izay nalehany; enjeho faingana izy, fa ho tratranareo. ary nony ndeha hanidy ny vavahady ny olona tamin' ny hariva dia nivoaka izy ka tsy fantatro izay nalehany. Enjeho faingana fa tratranareo izy. Lorsqu'à la nuit tombante on allait fermer la porte de la ville, ces hommes sont sortis et je ne sais pas où ils sont allés. Mettez-vous vite à leur poursuite et vous les rejoindrez. "
Jos 2:6 But she had brought them up to the roof of the house, and hid them with the stalks of flax, which she had laid in order upon the roof. Kanjo efa nampiakarin-dravehivavy any an-tampon-trano izy ka nafeniny ao amin' ny tahon-drongony, izay efa nalahany teo amin' ny tampon-trano. Kanjo nasainy niakatra any ambony tafon-trano izy ireo, dia nafeniny tao ambony tafon-trano. Or elle les avait fait monter sur la terrasse et les avait cachés sous des tiges de lin qu' elle y avait déposées.
Jos 2:7 And the men pursued after them the way to Jordan unto the fords: and as soon as they which pursued after them were gone out, they shut the gate. Ary ireo olona dia nanenjika azy tamin' ny lalana mankany Jordana hatrany amin' ny fitàna; ary rehefa lasa nivoaka izay nanenjika azy, dia nohidiana ny vavahady. Nanenjika azy ireo olona nihazo ny làlana mankany amin' ny fitan' i Jordany, ary vao tafavoaka ireny mpanenjika ireny dia nohidiana ny vavahady. Les gens les poursuivirent dans la direction du Jourdain, vers les gués, et l' on ferma la porte dès que furent sortis ceux qui étaient à leur poursuite.
Jos 2:8 And before they were laid down, she came up unto them upon the roof; Ary raha mbola tsy natory izy roa lahy, dia niakatra nankao aminy tao an-tampontrano ravehivavy Talohan' ny handrian' ireto mpisafo tany, dia niakatra tao aminy tao ambony tafon-trano Rahaba, ka nanao taminy hoe: Quant à eux, ils n'étaient pas encore couchés que Rahab monta vers eux sur la terrasse.
Jos 2:9 And she said unto the men, I know that the Lord hath given you the land, and that your terror is fallen upon us, and that all the inhabitants of the land faint because of you. ka nanao taminy hoe: Fantatro fa efa nomen' i Jehovah anareo ny tany, ary efa latsaka aminay ny fahatahorana anareo, sady efa ketraka ny mponina rehetra amin' ny tany noho ny tahotra anareo. Fantatro fa efa nomen' ny Tompo anareo ity tany ity, satria izahay efa raiki-tahotra ny anaranareo; ny mponina rehetra amin' ity tany ity efa ketraka eo anoloanareo. Elle leur dit : " Je sais que Yahvé vous a donné ce pays, que vous faites notre terreur, et que tous les habitants du pays ont été pris de panique à votre approche.
Jos 2:10 For we have heard how the Lord dried up the water of the Red sea for you, when ye came out of Egypt; and what ye did unto the two kings of the Amorites, that were on the other side Jordan, Sihon and Og, whom ye utterly destroyed. Fa efa renay ny nanamainan' i Jehovah ny Ranomasina Mena teo anoloanareo tamin' ny nivoahanareo avy tany Egypta, sy izay nataonareo tamin' ny mpanjaka roa tamin' ny Amorita, izay tany an-dafin' i Jordana, dia Sihona sy Oga, izay novonoinareo. Renay ny nanamainan' ny Tompo ny ranomasina Mena teo anoloanareo, fony hianareo nivoaka avy tany Ejipta; sy ny nanaovanareo ny mpanjakan' ny Amoreana roa lahy, tany an-dafin' i Jordany, dia Sehona sy Oga, izay nataonareo anatema. Car nous avons appris que Yahvé avait mis à sec devant vous les eaux de la mer des Roseaux, à votre sortie d'Égypte, et ce que vous avez fait aux deux rois amorites, de l' autre côté du Jourdain, à Sihôn et à Og que vous avez voués à l' anathème.
Jos 2:11 And as soon as we had heard these things, our hearts did melt, neither did there remain any more courage in any man, because of you: for the Lord your God, he is God in heaven above, and in earth beneath. Koa nony efa renay izany, dia ketraka ny fonay, ka very hevitra avokoa izahay noho ny aminareo; fa Jehovah Andriamanitrareo, Izy no Andriamanitra any amin' ny lanitra ambony sy etý amin' ny tany ambany. Ka nony nandre izany izahay dia samy rera-po sy nanary toky avokoa tamin' ny fihavianareo, satria Iaveh Andriamanitrareo ihany no Andriamanitra, any ambony amin' ny lanitra ary ety ambany amin' ny tany. En l' apprenant, le coeur nous a manqué et personne n' a gardé courage devant vous, parce que Yahvé, votre Dieu, est Dieu, aussi bien là-haut dans les cieux qu' ici-bas sur la terre.
Jos 2:12 Now therefore, I pray you, swear unto me by the Lord, since I have shewed you kindness, that ye will also shew kindness unto my father' s house, and give me a true token: Koa ankehitriny, masìna ianareo, mba ianiano amin' i Jehovah aho fa araka ny namindrako fo taminareo no mba hamindranareo fo amin' ny ankohonan' ny raiko kosa, ka omeo famantarana mahatoky aho Koa ankehitriny, mihanta aminareo aho, mba hianiana amin' ny Tompo hianareo, fa ho toy ny namindrako fo taminareo no mba hamindranareo fo amin' ny ankohonan' ny raiko koa; ary omeo famantarana mahatoky aho, Jurez-moi donc maintenant par Yahvé, puisque je vous ai traités avec bonté, qu'à votre tour vous traiterez avec bonté la maison de mon père et m' en donnerez un signe loyal;
Jos 2:13 And that ye will save alive my father, and my mother, and my brethren, and my sisters, and all that they have, and deliver our lives from death. fa hovelominareo ny raiko sy ny reniko sy ny anadahiko sy ny rahavaviko ary izay rehetra mety ho azy; dia hamonjy ny ainay tsy ho faty ianareo. fa hovelominareo ny raiko aman-dreniko, sy ny anadahy aman-drahavaviko, mbamin' ny olona rehetra momba azy, ka hamonjy anay tsy ho faty hianareo. que vous laisserez la vie sauve à mon père et à ma mère, à mes frères, à mes soeurs et à tous ceux qui leur appartiennent, et que vous nous préserverez de la mort. "
Jos 2:14 And the men answered her, Our life for yours, if ye utter not this our business. And it shall be, when the Lord hath given us the land, that we will deal kindly and truly with thee. Dia hoy izy roa lahy taminy: Ny ainay no ho faty hisolo anareo, raha tsy holazainareo izao raharahanay izao; ary raha omen' i Jehovah anay ny tany, dia hamindra fo sy hanao izay marina aminao izahay. Dia hoy izy roa lahy taminy: Raha tsy ambaranao izao raharahanay izao dia aoka ho faty ho anareo izahay; ary rahefa homen' ny Tompo anay ny tany dia famindram-po amam-pahamarinana no hataonay aminao. Alors les hommes lui dirent : " Nous mourrons plutôt nous-mêmes, à moins que vous ne révéliez notre affaire. Quand Yahvé nous aura livré le pays, nous agirons envers toi avec bonté et loyauté. "
Jos 2:15 Then she let them down by a cord through the window: for her house was upon the town wall, and she dwelt upon the wall. Dia nampidina azy tamin' ny mahazaka avy teo amin' ny varavarankely izy; fa teo amin' ny màndan' ny tanàna ny tranony, ary teo amin' ny manda no nitoerany. Dia nampidininy tamin' ny mahazaka avy eo am-baravaran-kely izy ireo, fa nanolotra ny manda indrindra ny tranony, ary teo ambony manda no nitoerany. Alors elle les fit descendre par la fenêtre au moyen d' une corde, car sa maison était contre le rempart, elle-même logeait dans le rempart.
Jos 2:16 And she said unto them, Get you to the mountain, lest the pursuers meet you; and hide yourselves there three days, until the pursuers be returned: and afterward may ye go your way. Dia hoy izy taminy: Mandehana any an-tendrombohitra, fandrao hifanena aminareo ny mpanenjika, ka miere any hateloana mandra-piveriny; ary rehefa afaka izany, dia vao mandehana any amin' izay halehanareo. Ka hoy izy taminy: Mankanesa any an-tendrombohitra, fandrao tojo ny mpanenjika hianareo, ary miere any hateloana, mandra-piveriny; fa rahefa afaka izany vao mandehana amin' ny làlanareo. " Allez vers la montagne, leur dit-elle, de peur que ceux qui vous poursuivent ne vous retrouvent. Cachez-vous là pendant trois jours, jusqu' au retour de ceux qui vous poursuivent, et puis, allez votre chemin. "
Jos 2:17 And the men said unto her, We will be blameless of this thine oath which thou hast made us swear. Ary hoy izy roa lahy taminy: Izao no tsy hanananay tsiny ny amin' izany fianianana nampianianinao anay izany: Dia hoy ireo lehilahy taminy hoe: Izao no mba hanatanterahana ny fianianana nasainao hataonay: Les hommes lui dirent : " Voici comment nous nous acquitterons de ce serment que tu nous as fait prêter :
Jos 2:18 Behold, when we come into the land, thou shalt bind this line of scarlet thread in the window which thou didst let us down by: and thou shalt bring thy father, and thy mother, and thy brethren, and all thy father' s household, home unto thee. Indro, rehefa tonga eto amin' ny tany izahay, dia hafehinao eo amin' ny varavarankely izay nampidinanao anay io kofehy jaky io; ary ny rainao sy ny reninao sy ny anadahinao mbamin' ny ankohonan' ny rainao rehetra dia hovorinao ho ao an-tranonao; Rahefa hiditra amin' ity tany ity izahay dia afehezo eo amin' ny varavaran-kely nampidinanao anay ity kofehy mena mangatrakatraka ity, ary vorio ato aminao, ato an-tranonao, avokoa ny ray aman-dreninao sy ny anadahinao mbamin' ny ankohonan-drainao rehetra. à notre arrivée dans le pays, tu attacheras ce cordon de fil écarlate à la fenêtre par laquelle tu nous as fait descendre, et tu rassembleras auprès de toi dans la maison ton père, ta mère, tes frères et toute ta famille.
Jos 2:19 And it shall be, that whosoever shall go out of the doors of thy house into the street, his blood shall be upon his head, and we will be guiltless: and whosoever shall be with thee in the house, his blood shall be on our head, if any hand be upon him. ary izay rehetra mivoaka eo am-baravaran' ny tranonao ho eny ivelany, dia ho eo an-dohany ihany ny ràny, ary izahay tsy hanan-tsiny; fa izay rehetra mitoetra ao aminao ao an-trano, dia ho eo an-dohanay kosa ny ràny, raha tàhiny misy olona maninona azy akory; Ary izay mivoaka ny varavaran' ny tranonao ho any ivelany, dia azy ho azy ny rany, fa tsy anananay tsiny. Fa raha mikasi-tànana ny anankiray amin' izay rehetra ao an-tranonao, dia anay ho anay ny rany. Quiconque franchira les portes de ta maison pour sortir, son sang retombera sur sa tête et nous en serons quittes; mais le sang de quiconque restera avec toi dans la maison retombera sur nos têtes si l' on porte la main sur lui.
Jos 2:20 And if thou utter this our business, then we will be quit of thine oath which thou hast made us to swear. fa raha tàhiny hambarambaranao izao raharahanay izao, dia ho afaka amin' ny fianianana izay nampianianinao anay izahay. Raha hianao koa no manambara izao raharahanay izao, dia afaka amin' ny fianianana nampanaovinao anay izahay. Mais s' il t' arrive de révéler notre affaire, nous serons quittes de ce serment que tu nous as fait prêter. "
Jos 2:21 And she said, According unto your words, so be it. And she sent them away, and they departed: and she bound the scarlet line in the window. Dia hoy ravehivavy: Eny ary, fa marina izany. Dia nampandehaniny izy roa lahy, ka lasa izy; ary nafehiny teo amin' ny varavarankely ilay kofehy jaky. Hoy ny navaliny azy: Aoka ho araka ny teninareo. Dia nalefany izy ireo ka nandeha, ary nafehiny teo amin' ny varavaran-kely ilay kofehy mena mangatrakatraka. Elle répondit : " Qu' il en soit ainsi! " Elle les fit partir et ils s' en allèrent. Alors elle attacha le cordon écarlate à la fenêtre.
Jos 2:22 And they went, and came unto the mountain, and abode there three days, until the pursuers were returned: and the pursuers sought them throughout all the way, but found them not. Dia nandeha izy roa lahy ka nankany an-tendrombohitra ary nitoetra tany hateloana mandra-piverin' ny mpanenjika; ary nitady azy tamin' ny lalana rehetra ny mpanenjika, nefa tsy nahita. Nony nandeha ireto mpisafo tany dia nankany an-tendrombohitra sy nijanona hateloana tao, mandra-piverin' ny mpanenjika azy. Nikaroka azy tany an-dàlana rehetra tany ireo mpanenjika azy, fa tsy nahita azy. Ils partirent et allèrent vers la montagne. Ils y restèrent trois jours, jusqu'à ce que fussent rentrés ceux qui les poursuivaient. Ceux-ci avaient battu tout le chemin sans les trouver.
Jos 2:23 So the two men returned, and descended from the mountain, and passed over, and came to Joshua the son of Nun, and told him all things that befell them: Dia niverina izy roa lahy ka nidina avy tany an-tendrombohitra, dia nita ny ony ary nankany amin' i Josoa, zanak' i Nona, ka nilaza ny zavatra rehetra izay efa nihatra taminy, Dia niverina izy roa lahy, ka nidina ny tendrombohitra sy nita an' i Jordany. Alors les deux hommes redescendirent de la montagne, traversèrent et se rendirent auprès de Josué, fils de Nûn, à qui ils racontèrent tout ce qui leur était arrivé.
Jos 2:24 And they said unto Joshua, Truly the Lord hath delivered into our hands all the land; for even all the inhabitants of the country do faint because of us. ka hoy izy tamin' i Josoa: Efa natolotr' i Jehovah eo an-tanantsika tokoa ny tany rehetra; ary efa ketraka ny mponina rehetra amin' ny tany noho ny tahotra antsika. Tonga tany amin' i Josoe zanak' i Nòna izy dia nilaza ny zavatra rehetra nihatra taminy. Ils dirent à Josué : " Yahvé a livré tout ce pays entre nos mains et déjà tous ses habitants sont pris de panique devant nous. "
Jos 2:25 Hoy izy tamin' i Josoe: Efa natolotry ny Tompo eo an-tànantsika tokoa ny tany rehetra, ary efa ketraka ny mponina rehetra amin' ny tany eo anoloantsika.

<-
->