<-
->

Jos 17:1 There was also a lot for the tribe of Manasseh; for he was the firstborn of Joseph; to wit, for Machir the firstborn of Manasseh, the father of Gilead: because he was a man of war, therefore he had Gilead and Bashan. Ary nahazo zara-tany tamin' ny filokana koa ny firenen' i Manase (fa izy no lahimatoan' i Josefa), dia Makira, lahimatoan' i Manase, rain' i Gileada, fa izy no mpanafika ka nahazo an' i Gileada sy Basana. Mbola nisy zara tany koa ho an' ny fokon' i Manase araka ny filokana noho izy lahimatoan' i Josefa. Makira lahimatoan' i Manase sy rain' i Galaada dia nahazo an' i Galaada sy Basana, satria lehilahy mpiantafika izy. Le lot de la tribu de Manassé - il était en effet le premier-né de Joseph - fut d' abord pour Makir, premier-né de Manassé, père de Galaad, parce qu' il était un homme de guerre; il eut le Galaad et le Bashân.
Jos 17:2 There was also a lot for the rest of the children of Manasseh by their families; for the children of Abiezer, and for the children of Helek, and for the children of Asriel, and for the children of Shechem, and for the children of Hepher, and for the children of Shemida: these were the male children of Manasseh the son of Joseph by their families. Ary nisy koa ho an' ny taranak' i Manase sisa araka ny fokony, dia ho an' ny taranak' i Abiezera sy Heleka sy Asriela sy Sekema sy Hefera ary Semida: ireo no zanakalahin' i Manase, zanak' i Josefa, araka ny fokony. Ny taranak' i Manase sisa koa, dia samy nomena anjara araka ny fianakaviany avy, dia ny taranak' i Abiezera, ny taranak' i Heleka, ny taranak' i Esriela, ny taranak' i Sekema, ny taranak' i Hefera, ary ny taranak' i Semidà; ireo no zanakalahin' i Manase zanak' i Josefa, araka ny fianakaviany. Puis ce fut pour les autres fils de Manassé selon leurs clans : aux fils d' Abiézer, aux fils de Hélèq, aux fils d' Asriel, aux fils de Shékem, aux fils de Hépher et aux fils de Shemida : c'étaient les enfants mâles de Manassé, fils de Joseph, selon leurs clans.
Jos 17:3 But Zelophehad, the son of Hepher, the son of Gilead, the son of Machir, the son of Manasseh, had no sons, but daughters: and these are the names of his daughters, Mahlah, and Noah, Hoglah, Milcah, and Tirzah. Fa Zelofada, zanak' i Hefera, zanak' i Gileada, zanak' i Matira, zanak' i Manase, kosa tsy mba nanan-janakalahy, fa zanakavavy ihany; ary izao no anaran' ny zananivavy: Mahala sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza. Salfaada, zanak' i Hefera, zanak' i Galaada, zanak' i Makira, zanak' i Manase, tsy nanan-janakalahy, fa zanakavavy no nananany; ka ireto no anaran' ny zanany vavy: Maalà, Noà, Heglà, Melkà, ary Tersà. Çelophehad, fils de Hépher, fils de Galaad, fils de Makir, fils de Manassé, n' avait pas de fils mais seulement des filles, dont voici les noms : Mahla, Noa, Hogla, Milka et Tirça.
Jos 17:4 And they came near before Eleazar the priest, and before Joshua the son of Nun, and before the princes, saying, The Lord commanded Moses to give us an inheritance among our brethren. Therefore according to the commandment of the Lord he gave them an inheritance among the brethren of their father. Dia nanatona teo anatrehan' i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak' i Nona, ary ny loholona izy ireo ka nanao hoe: Jehovah efa nandidy an' i Mosesy hanome anay zara-tany eo amin' ny anadahinay. Ary dia nomeny lova teo amin' ny rahalahin-drainy izy araka ny didin' i Jehovah. Nankeo anatrehan' i Eleazara mpisorona sy teo anatrehan' i Josoe zanak' i Nòna, sy teo anatrehan' ny filohany izy ireo, ka nanao hoe: Nandidy an' i Moizy Iaveh hanome zara tany anay eo amin' ny anadahinay. Dia nomena zara tany teo amin' ny rahalahin-drainy izy ireo, araka ny didin' ny Tompo. Elles se présentèrent devant le prêtre Éléazar, devant Josué, fils de Nûn, et devant les notables en disant : " Yahvé a ordonné à Moïse de nous donner un héritage au milieu de nos frères. " On leur donna donc, selon l' ordre de Yahvé, un héritage parmi les frères de leur père.
Jos 17:5 And there fell ten portions to Manasseh, beside the land of Gilead and Bashan, which were on the other side Jordan; Dia nahazo anjaram-polo Manase afa-tsy ny tany Gileada sy Basana, izaY any an-dafin' i Jordana, Koa nahazo anjaram-polo Manase, afa-tsy ny tany Galaada sy Basàna, any an-dafin' i Jordany, Il échut donc à Manassé dix parts outre le pays de Galaad et de Bashân, situé au-delà du Jourdain,
Jos 17:6 Because the daughters of Manasseh had an inheritance among his sons: and the rest of Manasseh' s sons had the land of Gilead. satria ny zanakavavin' i Manase niara-nahazo lova tamin' ny zananilahy; ary ny tany Gileada dia an' ny zanakalahin' i Manase sisa. satria ny zanaka vavin' i Manase dia nahazo lova teo afovoan' ny zanakalahin' i Manase sisa. puisque les filles de Manassé obtinrent un héritage parmi ses fils. Quant au pays de Galaad, il appartenait aux autres fils de Manassé.
Jos 17:7 And the coast of Manasseh was from Asher to Michmethah, that lieth before Shechem; and the border went along on the right hand unto the inhabitants of Entappuah. Ary ny fari-tanin' i Manase dia hatrany Asera ka hatrany Mikmeta, tandrifin' i Sekema, dia nandroso tamin' ny ankavanana hatramin' ny mponina any En-tapoa. Ny faritry ny tanin' i Manase, dia hatrany Asera no mankany Makmetata, izay tandrifin' i Sikema, ka nandroso niankavanana ny faritry ny tany mankany amin' ny mponina ao En-Tafoà: La frontière de Manassé fut, du côté d' Asher, le Mikmetat qui est en face de Sichem, et de là, à droite, vers Yashib qui est sur la source de Tappuah.
Jos 17:8 Now Manasseh had the land of Tappuah: but Tappuah on the border of Manasseh belonged to the children of Ephraim; Ary an' i Manase ny tany Tapoa; fa Tapoa kosa, izay eo amin' ny fari-tanin' i Manase, dia an' ny taranak' i Efraima. An' i Manase ny tany momba an' i Tafoà; fa Tafoà any amin' ny vava tanin' i Manase, no an' ny taranak' i Efraïma. Manassé possédait la région de Tappuah, mais Tappuah, sur la frontière de Manassé, était aux fils d'Éphraïm.
Jos 17:9 And the coast descended unto the river Kanah, southward of the river: these cities of Ephraim are among the cities of Manasseh: the coast of Manasseh also was on the north side of the river, and the outgoings of it were at the sea: Ary ny fari-taniny dia nidina hatreo atsimon' ny lohasahan-driak' i Kana; ireo tanana teo amin' ny tanànan' i Manase ireo dia an' i Efraima; ary ny faritanin,i Manase dia teo avaratry ny lohasahan-driaka. ka dia nihatra tamin' ny ranomasina. Dia nidina ny faritry ny tany ho ao amin' ny ranon-driak' i Kanà, eo atsimon' ny ranon-driaka; ny tanàna amin' io tany io, izay lasan' i Efraïma, dia tao afovoan' ny tanànan' i Manase, ary ao avaratry ny ranon-driaka ka mipaka amin' ny ranomasina, no faritry ny tanin' i Manase. La frontière descendait au torrent de Qana; au sud du torrent étaient les villes d'Éphraïm, outre celles qu' avait Éphraïm au milieu des villes de Manassé; la frontière de Manassé était au nord du torrent et son aboutissement était la mer.
Jos 17:10 Southward it was Ephraim' s, and northward it was Manasseh' s, and the sea is his border; and they met together in Asher on the north, and in Issachar on the east. Ny atsimo dia an' i Efraima, ary ny avaratra dia an' i Manase, ary ny ranomasina no fari-taniny; ary nihatra tamin' i Asera teo avaratra sy tamin' Isakara teo atsinanana izy. Koa ny ao atsimo dia an' i Efraïma, fa ny ao avaratra no an' i Manase, ary ny ranomasina no mamaritra azy. Eo avaratra izy manolotra an' i Asera, ary ao atsinanana, an' i Isakara. Le midi était à Éphraïm et le nord à Manassé, avec la mer pour limite; ils touchaient Asher au nord, et Issachar à l' est.
Jos 17:11 And Manasseh had in Issachar and in Asher Bethshean and her towns, and Ibleam and her towns, and the inhabitants of Dor and her towns, and the inhabitants of Endor and her towns, and the inhabitants of Taanach and her towns, and the inhabitants of Megiddo and her towns, even three countries. Ary Manase nahazo anjara koa teo amin' Isakara sy teo amin' i Asera, dia Beti-sana sy ny zana-bohiny ary Ibleama sy ny zana-bohiny ay ny mponina any Dora sy ny zana-bohiny ary ny mponina any En-dora koa sy ny zana-bohiny ary ny mponina any Tanaka sy ny zana-bohiny ary ny mponina any Megido sy ny zana-bohiny, dia amin' ny havoana telo ireo. Izao no lasan' i Manase tao amin' ny tanin' Isakara sy Asera: Betisàna sy ny tanàna momba azy, Jeblaama sy ny tanàna momba azy, ny mponina ao Dora sy ny tanàna momba azy, ny mponina ao Tenàka sy ny tanàna momba azy, ny mponina ao Magedao sy ny tanàna momba azy: ireo no faritanin' i Havoan-telo. Manassé eut, avec Issachar et avec Asher, Bet-Shéân et les villes qui en dépendent, Yibleam et les villes qui en dépendent, les habitants de Dor et des villes qui en dépendent, les habitants de Tanak et de Megiddo et des villes qui en dépendent : les trois du Coteau.
Jos 17:12 Yet the children of Manasseh could not drive out the inhabitants of those cities; but the Canaanites would dwell in that land. Kanefa tsy nahazo ireo tanàna ireo ny taranak' i Manase: fa tian' ny Kananita hitoerana indrindra izany tany izany. Tsy nahazo an' ireo tanàna ireo ny zanak' i Manase, ka dia sahy nipetraka tamin' izany tany izany ny Kananeana. Mais comme les fils de Manassé ne purent prendre possession de ces villes, les Cananéens réussirent à demeurer dans ce pays.
Jos 17:13 Yet it came to pass, when the children of Israel were waxen strong, that they put the Canaanites to tribute, but did not utterly drive them out. Fa rehefa nihahery ny Zanak' Isiraely dia nampanao fanompoana ny Kananita izy, fa tsy nandroaka azy rehetra. Nony efa nihamahery ny zanak' Israely dia nampandoaviny hetra ny Kananeana fa tsy noroahiny. Cependant lorsque les Israélites furent devenus plus forts, ils assujettirent les Cananéens à la corvée, mais ne les dépossédèrent point.
Jos 17:14 And the children of Joseph spake unto Joshua, saying, Why hast thou given me but one lot and one portion to inherit, seeing I am a great people, forasmuch as the Lord hath blessed me hitherto? Dia niteny tamin' i Josoa ny taranak' i Josefa ka nanao hoe: Nahoana no lova iray sy anjara iray ihany no nomenao ahy, kanefa aho efa tonga firenena lehibe, fa notahin' Jehovah toy izao mandraka ankehitriny ? Ary niteny tamin' i Josoe, ny taranak' i Josefa ka nanao hoe: Efa tonga vahoaka be izahay izao, ary notahin' ny Tompo mandrak' androany izahay, ka nahoana no dia loka iray sy anjara iray ihany no nomenao anay? Les fils de Joseph s' adressèrent à Josué en ces termes : " Pourquoi ne m' as-tu donné pour héritage qu' un seul lot, une seule part, alors que je suis un peuple nombreux, tant Yahvé m' a béni ? "
Jos 17:15 And Joshua answered them, If thou be a great people, then get thee up to the wood country, and cut down for thyself there in the land of the Perizzites and of the giants, if mount Ephraim be too narrow for thee. Dia hoy Josoa taminy: Raha firenena lehibe ary ianao, dia miakara any amin' ny ala, ka miteveza honenanao any amin' ny tanin' ny Perizita sy ny Refaita, fa tery loatra aminao ny tany havoan' i Efraima. Dia hoy Josoe taminy: Raha vahoaka be àry hianareo miakara any an' ala, ka miteveza any amin' ny tanin' ny Ferezeana sy ny Refaima honenanareo, rahefa ety tsy omby anareo ny tendrombohitr' i Efraïma. Josué leur dit : " Si tu formes un peuple nombreux, monte à la région boisée et défriche pour ton compte la forêt de la région des Perizzites et des Rephaïm, puisque la montagne d'Éphraïm est trop étroite pour toi. "
Jos 17:16 And the children of Joseph said, The hill is not enough for us: and all the Canaanites that dwell in the land of the valley have chariots of iron, both they who are of Bethshean and her towns, and they who are of the valley of Jezreel. Dia hoy ny taranak' i Josefa: Tsy ampy ho anay ny tany havoana; ary manana kalesy vy ny Kananita rehetra, izay monina any amin' ny tany lemaka, dia izay any Beti-sana sy ny zana-bohiny ary izay any amin' ny tany lemaka Jezirela. Fa hoy ny taranak' i Josefa: Ny tendrombohitra dia tsy omby anay, nefa samy manan-kalesy vy avokoa ao amin' ny Kananeana rehetra monina amin' ny tany lemaka, na ireo any Betisàna sy ny tanàna momba azy, na ireo amin' ny lohasahan' i Jezraela. Les fils de Joseph dirent : " La montagne ne nous suffit pas, et en plus, tous les Cananéens qui habitent la terre de la plaine ont des chars de fer, aussi bien ceux de Bet-Shéân et des villes qui en dépendent que ceux de la plaine de Yizréel. "
Jos 17:17 And Joshua spake unto the house of Joseph, even to Ephraim and to Manasseh, saying, Thou art a great people, and hast great power: thou shalt not have one lot only: Dia hoy Josoa tamin' ny taranak' i Josefa, dia Efraima sy Manase: Firenena lehibe ianao ka mahery indrindra: tsy anjara iray ihany no ho azonao, fa tany havoana koa; fa ala izany ka tevezo, dia ho anao ny an-tsisiny: fa handroaka ny Kananita ianao, na dia manana kalesy vy aza izy ireo sady mahery. Izao no navalin' i Joseo ny fianakavian' i Josefa, dia Efraïma sy Manase: Vahoaka be hianao; ka be hery koa; dia tsy anjara iray ihany no anao; Josué dit à la maison de Joseph, à Éphraïm et à Manassé : " Tu es un peuple nombreux et ta force est grande, tu n' auras pas un lot seulement,
Jos 17:18 But the mountain shall be thine; for it is a wood, and thou shalt cut it down: and the outgoings of it shall be thine: for thou shalt drive out the Canaanites, though they have iron chariots, and though they be strong. fa ho anao koa ny tendrombohitra; ala izany ka dia hotevenao dia ho anao ny sisiny, satria horoahinao ny Kananeana na manan-kalesy vy sy mahery aza izy. mais tu auras une montagne; il est vrai que c' est une forêt, mais tu la défricheras et ses limites seront à toi. Et même, tu déposséderas les Cananéens, bien qu' ils aient des chars de fer et bien qu' ils soient forts. "

<-
->