<-
->

Eze / Ez 14:1 Then came certain of the elders of Israel unto me, and sat before me. Dia nisy loholon' ny Isiraely tonga tao amiko ka nipetraka teo anoloako. Tonga tao amiko ny loholona sasany amin' Israely, ka nipetraka teo anoloako. Quelques anciens d' Israël vinrent chez moi et s' assirent devant moi.
Eze / Ez 14:2 And the word of the Lord came unto me, saying, Ary tonga tamiko ny tenin' i Jehovah nanao hoe: Dia tonga tamiko ny tenin' ny Tompo, nanao hoe: La parole de Yahvé me fut adressée en ces termes :
Eze / Ez 14:3 Son of man, these men have set up their idols in their heart, and put the stumblingblock of their iniquity before their face: should I be enquired of at all by them? Ry zanak' olona, ireto olona ireto efa nampiorina ny sampiny ao am-pony, ary ny fahatafintohinana mahameloka azy dia apetrany eo anoloany. Moa hety hanontanian' ireto va Aho? Ry zanak' olona, ireo olona ireo dia efa nanangana ny sampin-dozany, ao am-pony, ary ny fanafintohinana mampanota azy, ataony eo anoloan' ny tavany: ka hety hanontanian' ireo va aho? Fils d' homme, ces gens-là ont mis leurs ordures dans leur coeur, ils ont placé devant eux l' occasion de leurs crimes, faut-il me laisser consulter par eux ?
Eze / Ez 14:4 Therefore speak unto them, and say unto them, Thus saith the Lord GOD; Every man of the house of Israel that setteth up his idols in his heart, and putteth the stumblingblock of his iniquity before his face, and cometh to the prophet; I the Lord will answer him that cometh according to the multitude of his idols; Koa mitenena aminy hoe: Izao no lazain' i Jehovah Tompo: Ny amin' ny olona rehetra amin' ny taranak' Isiraely izay mampiorina ny sampiny ao am-pony ary mametraka ny fahatafintohinana mahameloka azy eo anoloany ary manatona ny mpaminany, Izaho Jehovah no hamaly azy araka ny habetsaky ny sampiny, Noho izany, mitenena aminy hianao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain' ny Tompo Iaveh: Na zovy na zovy, amin' ny taranak' Israely manangana ny sampin-dozany ao am-pony, sy manao eo anoloan' ny tavany ny fanafintohinana mampanota azy, raha sendra manatona ny mpaminany izy io, dia tenako izaho Iaveh no hamaly azy, araka ny tandrifin' ny sampiny maro, Eh bien! parle-leur et dis-leur : Ainsi parle le Seigneur Yahvé. Tout homme de la maison d' Israël qui met ses ordures dans son coeur, ou qui place devant lui l' occasion de ses crimes, et qui vient trouver le prophète, c' est moi, Yahvé, qui lui répondrai moi-même à cause de la multitude de ses ordures,
Eze / Ez 14:5 That I may take the house of Israel in their own heart, because they are all estranged from me through their idols. mba hisamborako ny taranak' Isiraely amin' ny fony, satria efa nihemotra niala tamiko izy rehetra noho ny sampiny. mba hahavoazako ny taranak' Israely amin' ny fony; satria efa nivily niala tamiko izy mbamin' ny sampin-dozany rehetra. afin de ressaisir le coeur de la maison d' Israël, eux qui se sont éloignés de moi à cause de toutes leurs ordures.
Eze / Ez 14:6 Therefore say unto the house of Israel, Thus saith the Lord GOD; Repent, and turn yourselves from your idols; and turn away your faces from all your abominations. Koa ataovy amin' ny taranak' Isiraely hoe: Izao no lazain' i Jehovah Tompo: Mibebaha, dia miambohoa ny sampinareo sy ny fahavetavetanareo rehetra; eny, miambohoa ireny. Ka lazao amin' ny taranak' Israely hoe: Izao no lazain' ny Tompo Iaveh: Miverena hianareo; mialà amin' ny sampin-dozanareo; ary mihambohoa tsy hanatri-tava ny fahavetavetanareo rehetra. Eh bien! dis à la maison d' Israël : Ainsi parle le Seigneur Yahvé. Revenez, détournez-vous de vos ordures, détournez votre face de toutes vos abominations,
Eze / Ez 14:7 For every one of the house of Israel, or of the stranger that sojourneth in Israel, which separateth himself from me, and setteth up his idols in his heart, and putteth the stumblingblock of his iniquity before his face, and cometh to a prophet to enquire of him concerning me; I the Lord will answer him by myself: Fa na iza na iza amin' ny taranak' Isiraely, na amin' ny vahiny izay mivahiny eo amin' ny Isiraely, no misaraka amiko ka mampiorina ny sampiny ao am-pony ary mametraka ny fahatafintohinana mahameloka azy eo anoloany sady manatona ny mpaminany hanontany amiko, dia Izaho Jehovah ihany no hamaly azy araka izay toetro; Fa na zovy na zovy amin' ny taranak' Israely, na amin' ny vahiny mitoetra eo amn' Israely misaraka amiko, manangana ny sampin-dozany ao am-pony, ary manao eo anatrehan' ny tavany ny fanafintohinana mampanota azy, raha tonga manatona ny mpaminany izy io mba hanontaniany amiko ho azy, dia ny tenako izaho Iaveh, no hamaly azy. car à tout homme de la maison d' Israël, à tout étranger établi en Israël, s' il s'éloigne de moi pour mettre ses ordures dans son coeur, s' il place devant lui l' occasion de ses crimes et s' il vient trouver le prophète pour me consulter par lui, c' est moi, Yahvé, qui répondrai moi-même.
Eze / Ez 14:8 And I will set my face against that man, and will make him a sign and a proverb, and I will cut him off from the midst of my people; and ye shall know that I am the Lord. ary hanandrina izany olona izany ny tavako, ka hataoko mahita loza izy mba ho famantarana sy ho ohabolana, ary hofongorako tsy ho eo amin' ny oloko izy; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah. Ka ny tavako, hanandrina izany olona izany; izy holevoniko hataoko famantarana aman' ohabolana, hofongorako eo amin' ny vahoakako; dia ho fantatrareo fa Iaveh aho. Je tournerai ma face contre cet homme, j' en ferai un exemple et une fable, je le retrancherai de mon peuple, et vous saurez que je suis Yahvé.
Eze / Ez 14:9 And if the prophet be deceived when he hath spoken a thing, I the Lord have deceived that prophet, and I will stretch out my hand upon him, and will destroy him from the midst of my people Israel. Ary raha misy voataona ny mpaminany ka milaza zavatra, dia Izaho Jehovah no nitaona izany mpaminany izany; ary hahinjitro aminy ny tanako, ka hofongorako tsy ho eo amin' ny Isiraely oloko izy. Ary raha mety ho voasodoka ny mpaminany, ka manonona teny sasantsasany, dia izaho Iaveh no ho nanodoka an' izany mpaminany izany; ary haninjitra ny tànako aminy aho, ary hofongorako eo amin' ny vahoakako Israely izy. Et si le prophète se laisse séduire et prononce une parole, c' est que moi, Yahvé, j' aurai séduit ce prophète; j'étendrai la main contre lui et je le supprimerai du milieu de mon peuple Israël.
Eze / Ez 14:10 And they shall bear the punishment of their iniquity: the punishment of the prophet shall be even as the punishment of him that seeketh unto him; Ary hitondra ny heloky ny tenany izy; ny heloky ny mpaminany dia hitovy amin' ny helok' izay manontany aminy koa, Dia hitondra ny valin' ny haratsiany izy, - arakaraka ny haratsian' izay manontany no haratsian' ny mpaminany koa, - Ils porteront le poids de leur faute. Telle la faute de celui qui consulte, telle sera la faute du prophète.
Eze / Ez 14:11 That the house of Israel may go no more astray from me, neither be polluted any more with all their transgressions; but that they may be my people, and I may be their God, saith the Lord GOD. mba tsy hialan' ny taranak' Isiraely amiko intsony, ary tsy handotoany ny tenany intsony amin' ny fahadisoany rehetra; fa ho oloko izy, ary Izaho ho Andriamaniny, hoy Jehovah Tompo. mba tsy hivilian' ny taranak' Israely hanalavitra ahy intsony, sy tsy handotoany tena amin' ny fahadiasoany rehetra. Amin' izay, izy ireo dia ho vahoakako, ary izaho dia ho Andriamaniny, - teny marin' ny Tompo Iaveh. Ainsi la maison d' Israël ne s'égarera plus loin de moi et ne se souillera plus de tous ses crimes. Ils seront mon peuple et je serai leur Dieu, oracle du Seigneur Yahvé.
Eze / Ez 14:12 The word of the Lord came again to me, saying, Ary tonga tamiko indray ny tenin' i Jehovah nanao hoe: Tonga tamiko ny tenin' ny Tompo nanao hoe: La parole de Yahvé me fut adressée en ces termes :
Eze / Ez 14:13 Son of man, when the land sinneth against me by trespassing grievously, then will I stretch out mine hand upon it, and will break the staff of the bread thereof, and will send famine upon it, and will cut off man and beast from it: Ry zanak' olona, raha misy tany manota amiko ka manao izay mahadiso, ary ahinjitro aminy ny tanako, ka tapahiko ny mofo, tohan' ainy, sady andefasako mosary, ary aringako avokoa ny olona sy ny biby, Ry zanak' olona, Raha misy firenena manota miodina amiko ka ahinjitro aminy ny tànako, dia tapahako ny tehina mofo ho azy, sy alefako hamely azy ny mosary, dia haringako ny olona sy ny biby, Fils d' homme, si un pays péchait contre moi en m'étant infidèle et que j'étende la main contre lui, détruisant sa réserve de pain et lui envoyant la famine pour en retrancher bêtes et gens,
Eze / Ez 14:14 Though these three men, Noah, Daniel, and Job, were in it, they should deliver but their own souls by their righteousness, saith the Lord GOD. na dia ao aza ireto telo lahy ireto, dia Noa sy Daniela ary Joba, dia ny tenany ihany no ho voavonjiny noho ny fahamarinany, hoy Jehovah Tompo. ary eo amin' izany tany izany dia misy ireto olona telo ireto: Noe, Daniely sy Joba... dia hahavonjy ny fanahiny, amin' ny fahamarinany izy ireo; - teny marin' ny Tompo Iaveh. et qu' il y ait dans ce pays ces trois hommes, Noé, Daniel et Job, ces hommes sauveraient leur vie grâce à leur justice, oracle du Seigneur Yahvé.
Eze / Ez 14:15 If I cause noisome beasts to pass through the land, and they spoil it, so that it be desolate, that no man may pass through because of the beasts: Raha mampandeha biby masiaka eo amin' ny tany Aho, ka mandringana ny zana-bahoaka ireny, ary lao ny tany ka tsy azon' olona aleha noho ny biby, Raha manefa biby masiaka amin' ny tany aho, ka ilaozan' ny mponina sy zary efitra tsy halehan' ny olona na iza na iza azon' izany biby izany, Si je lâchais les bêtes féroces dans ce pays pour le priver de ses enfants et en faire une solitude que nul ne peut franchir à cause des bêtes,
Eze / Ez 14:16 Though these three men were in it, as I live, saith the Lord GOD, they shall deliver neither sons nor daughters; they only shall be delivered, but the land shall be desolate. na dia ao aza ireo telo lahy ireo, raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, tsy hahavonjy ny zananilahy na ny zananivavy izy; fa ny tenany ihany no ho voavonjy, fa ny tany kosa ho lao. ary raha ao amin' izany tany izany izy telo lahy ireo, velona aho - teny marin' ny Tompo Iaveh, tsy hahavonjy ny zanany lahy na ny zanany vavy izy; ny tenan' izy ireo ihany no ho voavonjy, fa ny tany ho lao. et qu' il y ait ces trois hommes dans ce pays : par ma vie, oracle du Seigneur Yahvé, ils ne pourraient sauver ni fils ni filles, eux seuls seraient sauvés et le pays deviendrait une solitude.
Eze / Ez 14:17 Or if I bring a sword upon that land, and say, Sword, go through the land; so that I cut off man and beast from it: Ary raha mitondra sabatra mamely izany tany izany Aho ka manao hoe: Aoka hotetezin-tsabatra ny tany, ka hofongorako izy, na ny olona na ny biby, Na raha mandefa sabatra hamely izany tany izany aho, ary manao hoe: Aoka hijinja ny tany ny sabatra... sady mandringana ny olona sy ny biby; Si je faisais venir l'épée contre ce pays, si je disais : " Que l'épée passe dans ce pays et j' en frapperai bêtes et gens ",
Eze / Ez 14:18 Though these three men were in it, as I live, saith the Lord GOD, they shall deliver neither sons nor daughters, but they only shall be delivered themselves. na dia ao aza ireo telo lahy ireo, raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy hahavonjy ny zananilahy na ny zananivavy ireo; fa ny tenany ihany no ho voavonjy. ka eo afovoan' io tany io koa izy telo lahy ireo; velona aho - teny marin' ny Tompo Iaveh: dia tsy hahavonjy ny zanany lahy na ny zanany vavy izy ireo; ny tenany ihany no ho voavonjy. et que ces trois hommes soient dans ce pays : par ma vie, oracle du Seigneur Yahvé, ils ne pourraient sauver ni fils ni filles, eux seuls seraient sauvés.
Eze / Ez 14:19 Or if I send a pestilence into that land, and pour out my fury upon it in blood, to cut off from it man and beast: Ary raha mandefa ared-mandringana mamely izany tany izany Aho, sady aidiko aminy ny fahatezerako, dia amin' ny fandatsahan-drà mba haharingana ny olona sy ny biby ao aminy, Na raha mandefa pesta ho amin' izany tany izany aho, ary manidina ny hatezerako aminy, amin' ny fandatsahan-dra, sady mandringana ny olona sy ny biby, Si j' envoyais la peste dans ce pays et que je déverse dans le sang ma colère contre eux, en retranchant bêtes et gens,
Eze / Ez 14:20 Though Noah, Daniel, and Job were in it, as I live, saith the Lord GOD, they shall deliver neither son nor daughter; they shall but deliver their own souls by their righteousness. na dia ao aza Noa sy Daniela ary Joba, raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy hahavonjy ny zananilahy na ny zananivavy ireo, fa ny tenany ihany no ho voavonjiny noho ny fahamarinany. ka eo afovoan' io tany io koa Noe sy Daniely ary Joba, velona aho - teny marin' ny Tompo Iaveh: tsy hahavonjy ny zanany lahy na ny zanany vavy izy ireo, fa ny tenany ihany no hahavonjy ny fanahiny, noho ny fahamarinany. et que Noé, Daniel et Job soient dans ce pays : par ma vie, oracle du Seigneur Yahvé, ils ne sauveraient ni fils ni fille, mais ils sauveraient leur vie grâce à leur justice.
Eze / Ez 14:21 For thus saith the Lord GOD; How much more when I send my four sore judgments upon Jerusalem, the sword, and the famine, and the noisome beast, and the pestilence, to cut off from it man and beast? Fa izao no lazain' i Jehovah Tompo: Koa mainka raha alefako hamely an' i Jerosalema izao fitsarako efatra mandoza izao, dia ny sabatra sy ny mosary sy ny biby masiaka ary ny areti-mandringana, mba hahafongotra azy, na olona na biby! Satria izao no lazain' ny Tompo Iaveh: Na dia rahefa nalefako hamely an' i Jerosalema aza ny fikapohana efatra mandoza: ny sabatra, ny mosary, ny biby masiaka, ary ny pesta, ka nandringana ny olona sy ny biby, Ainsi parle le Seigneur Yahvé : Bien que j' envoie mes quatre fléaux terribles, épée, famine, bêtes féroces et peste, vers Jérusalem pour en retrancher bêtes et gens,
Eze / Ez 14:22 Yet, behold, therein shall be left a remnant that shall be brought forth, both sons and daughters: behold, they shall come forth unto you, and ye shall see their way and their doings: and ye shall be comforted concerning the evil that I have brought upon Jerusalem, even concerning all that I have brought upon it. Kanefa, indro, hisy sisa afaka ihany izy ho entina mivoaka, dia ny zanakalahy sy ny zanakavavy; indro, hivoaka ho any aminareo ireo, ka ho hitanareo ny alehany sy ny ataony, dia hionona ianareo noho ny amin' ny loza rehetra izay nataoko mihatra amin' i Jerosalema, dia izay rehetra nataoko mihatra aminy. dia hisy sisa ihany, ho afa-mandositra, ka hivoaka ny tanàna, dia zanakalahy, sy zanakavavy. Ho avy eo aminareo izy, dia hahita ny fitondran-tenany aman' asany hianareo, ka dia hionona hianareo ny amin' ny loza nalefako hamely an' i Jerosalema, dia ny amin' izay rehetra nataoko nihatra taminy. voici qu' il s' y trouve un reste de survivants que l' on a fait sortir, fils et filles : les voici qui sortent vers vous pour que vous voyiez leur conduite et leurs oeuvres, et que vous vous consoliez du mal que j' aurai fait venir contre Jérusalem, de tout ce que j' aurai fait venir contre elle.
Eze / Ez 14:23 And they shall comfort you, when ye see their ways and their doings: and ye shall know that I have not done without cause all that I have done in it, saith the Lord GOD. Eny, hampionona anareo ireo, rehefa hitanareo ny alehany sy ny ataony; ka dia ho fantatrareo fa tsy nataotaoko foana izay rehetra nataoko taminy, hoy Jehovah Tompo. Hampionona anareo izy ireo, rahefa mahita ny fitondran-tenany aman' asany hianareo, ka ho fantatrareo fa tsy hoe tsy misy antony ny nanaovako izay rehetra nataoko taminy, - teny marin' ny Tompo Iaveh. Ils vous consoleront quand vous verrez leur conduite et leurs oeuvres, et vous saurez que ce n' est pas en vain que j' ai fait tout ce que j' ai fait en elle, oracle du Seigneur Yahvé.

<-
->