<-
->

Eze / Ez 11:1 Moreover the spirit lifted me up, and brought me unto the east gate of the Lord' s house, which looketh eastward: and behold at the door of the gate five and twenty men; among whom I saw Jaazaniah the son of Azur, and Pelatiah the son of Benaiah, princes of the people. Ary nisy fanahy nanainga ahy koa, dia nitondra ahy ho eo amin' ny vavahady atsinanana amin' ny tranon' i Jehovah, dia ilay manatrika ny atsinanana; ary, indreo, nisy olona dimy amby roa-polo lahy teo anoloan' ny vavahady; dia hitako teo amin' ireo Jazania, zanak' i Azora, sy Pelatia, zanak' i Benaia, lehiben' ny vahoaka. Naingain' ny Fanahy aho dia nentiny nankeo ambavahady atsinanana, ilay mitodika miantsinana amin' ny tranon' ny Tompo; ka indro, teo anoloan' ny vavahady nisy olona dimy amby roapolo lahy; ary hitako teo amin' izy ireo, Jezoniasa, zanak' i Azora sy Feltiasa, zanak' i Banaiasa, lehiben' ny vahoaka. L' esprit m' enleva et m' emmena au porche oriental du Temple de Yahvé, celui qui regarde l' orient. Et voici qu'à l' entrée du porche, il y avait vingt-cinq hommes, parmi lesquels je vis Yaazanya fils de Azzur et Pelatyahu fils de Benayahu, chefs du peuple.
Eze / Ez 11:2 Then said he unto me, Son of man, these are the men that devise mischief, and give wicked counsel in this city: Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak' olona, ireo no lehilahy izay mamoron-tsain-dratsy sady manolo-tsain-dratsy eto amin' ity tanàna ity, Dia hoy Iaveh tamiko: Ry zanak' olona, ireo no olona mamoron-tsain-dratsy, sy manome hevi-dratsy, eto amin' ity tanàna ity, manao hoe: Il me dit : Fils d' homme, ce sont les hommes qui méditent le mal, qui répandent de mauvais conseils dans cette ville.
Eze / Ez 11:3 Which say, It is not near; let us build houses: this city is the caldron, and we be the flesh. dia izay manao hoe: Mbola lavitra ny hanaovana trano; ity tanàna ity no vilany, ary isika no hena; Tsy antomotra loatra ny loza! Andeha isika hanao trano! Ity tanàna ity no vilany, ary isika no hena. Ils disent : " On n' est pas près de bâtir des maisons! Voici la marmite et nous sommes la viande. "
Eze / Ez 11:4 Therefore prophesy against them, prophesy, O son of man. ka dia maminania hamely azy, eny, maminania, ry zanak' olona. Koa maminania hamely azy; maminania, ry zanak' olona. C' est pourquoi, prophétise contre eux, prophétise, fils d' homme!
Eze / Ez 11:5 And the Spirit of the Lord fell upon me, and said unto me, Speak; Thus saith the Lord; Thus have ye said, O house of Israel: for I know the things that come into your mind, every one of them. Ary tonga tao amiko ny Fanahin' i Jehovah, ka hoy Izy tamiko: Lazao hoe: Izao no lazain' i Jehovah: Izany no fiteninareo, ry taranak' Isiraely, ary fantatro izay rehetra ao an-tsainareo. Dia nilatsaka tato amiko ny Fanahin' ny Tompo; ka hoy izy tamiko: Mitenena hoe: Izao no lazain' ny Tompo: Izany no teneninareo, ry taranak' Israely! Fantatro ny mby ao an-tsainareo. L' esprit de Yahvé fondit sur moi et il me dit : Parle! Ainsi parle Yahvé : C' est ainsi que vous avez parlé, maison d' Israël, et je connais votre insolence.
Eze / Ez 11:6 Ye have multiplied your slain in this city, and ye have filled the streets thereof with the slain. Hianareo efa nahamaro ny voavononareo teto amin' ity tanàna ity, ary ny lalambeny efa nofenoinareo faty. Nohamaroinareo ny vonoan' olona tamin' ity tanàna ity, sy nofenoinareo faty ny làlambeny. Vous avez multiplié vos victimes dans cette ville; vous avez jonché ses rues de victimes.
Eze / Ez 11:7 Therefore thus saith the Lord GOD; Your slain whom ye have laid in the midst of it, they are the flesh, and this city is the caldron: but I will bring you forth out of the midst of it. Koa izao no lazain' i Jehovah Tompo: Ny voavononareo, izay nataonareo tao aminy, no hena, ary ity tanàna ity no vilany; nefa havoaka avy ao aminy ianareo. Koa izao no lazain' ny Tompo Tompo: Ireo maty natsingidinareo teto afovoan' ny tanàna no hena, ary ny tanàna no vilany; fa hianareo kosa havoaka hiala eto. C' est pourquoi, ainsi parle le Seigneur Yahvé. Vos victimes, que vous avez mises au milieu d' elle, c' est la viande, et elle, c' est la marmite, mais je vous en ferai sortir.
Eze / Ez 11:8 Ye have feared the sword; and I will bring a sword upon you, saith the Lord GOD. Natahotra ny sabatra ianareo; nefa hataoko mahatratra anareo ihany ny sabatra, hoy Jehovah Tompo. Mataho-tsabatra hianareo, ka hataoko tratry ny sabatra, - teny marin' ny Tompo Tompo. Vous craignez l'épée, j' amènerai l'épée contre vous, oracle du Seigneur Yahvé.
Eze / Ez 11:9 And I will bring you out of the midst thereof, and deliver you into the hands of strangers, and will execute judgments among you. Ary havoakako avy ato aminy ianareo ka hatolotro ho eny an-tànan' ny hafa firenena, ary hanao fitsarana aminareo Aho. Havoakako hiala eto an-tanàna hianareo, ka hatolotro eo an-tànan' ny hafa firenena; ary hampihatra aminareo ny fitsarako aho. Je vous en ferai sortir, je vous livrerai aux mains des étrangers, et de vous, je ferai justice.
Eze / Ez 11:10 Ye shall fall by the sword; I will judge you in the border of Israel; and ye shall know that I am the Lord. Ho lavon' ny sabatra ianareo; any amin' ny sisin-tanin' ny Isiraely no hitsarako anareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah. Ho lavon-tsabatra hianareo, ary hotsaraiko any amin' ny sisin-tanin' Israely; dia ho fantatrareo fa Iaveh aho. Vous tomberez par l'épée sur le territoire d' Israël, je vous jugerai et vous saurez que je suis Yahvé.
Eze / Ez 11:11 This city shall not be your caldron, neither shall ye be the flesh in the midst thereof; but I will judge you in the border of Israel: Ity tanàna ity tsy ho vilaninareo, ary ianareo tsy ho hena ato anatiny; fa any amin' ny sisin-tanin' ny Isiraely no hitsarako anareo Ity tanàna ity, tsy ho vilany ho anareo; hianareo, tsy ho hena ao anatiny; fa any an-tsisin-tanin' Israely no hitsarako anareo. Cette ville ne sera pas pour vous une marmite, vous ne serez pas la viande au milieu d' elle : c' est sur le territoire d' Israël que je vous jugerai,
Eze / Ez 11:12 And ye shall know that I am the Lord: for ye have not walked in my statutes, neither executed my judgments, but have done after the manners of the heathen that are round about you. ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, satria tsy nandeha araka ny lalàko ianareo na nanaraka ny fitsipiko, fa araka ny fitsipiky ny jentilisa izay manodidina anareo ihany no nataonareo. Ka ho fantatrareo fa izaho no Iaveh izay tsy narahanareo fitsipika, na notandremanareo lalàna, fa nanaraka ny lalàm-pirenena manodidina anareo no nataonareo. et vous saurez que je suis Yahvé dont vous n' avez pas suivi les lois ni observé les coutumes - mais vous avez agi selon la coutume des peuples qui vous entourent.
Eze / Ez 11:13 And it came to pass, when I prophesied, that Pelatiah the son of Benaiah died. Then fell I down upon my face, and cried with a loud voice, and said, Ah Lord GOD! wilt thou make a full end of the remnant of Israel? Ary raha mbola naminany aho, dia maty Pelatia, zanak' i Benaia. Dia niankohoka aho ka nitaraina tamin' ny feo mahery nanao hoe: Indrisy! Jehovah Tompo ô, holevoninao va ny hany sisa amin' ny Isiraely? Mbola naminany teo aho, dia maty Feltiasa, zanak' i Banaiasa; ka niankohoka aho, nitaraina taminy feo avo nanao hoe: Indrisy, Iaveh Tompo ô! dia haringanao ve, ny sisa amin' Israely. Or, comme je prophétisais, Pelatyahu fils de Benayah mourut. Je tombai la face contre terre et m'écriai d' une voix forte : " Ah! Seigneur Yahvé, vas-tu anéantir ce qui reste d' Israël ? "
Eze / Ez 11:14 Again the word of the Lord came unto me, saying, Ary tonga tamiko ny tenin' i Jehovah nanao hoe: Dia tonga tamiko ny tenin' ny Tompo, nanao hoe: Alors la parole de Yahvé me fut adressée en ces termes :
Eze / Ez 11:15 Son of man, thy brethren, even thy brethren, the men of thy kindred, and all the house of Israel wholly, are they unto whom the inhabitants of Jerusalem have said, Get you far from the Lord: unto us is this land given in possession. Ry zanak' olona, ny rahalahinao, eny, ny rahalahinao no andraikitrao, dia ny taranak' Isiraely rehetra, izay nitenenan' ny mponina any Jerosalema hoe: Manalavira an' i Jehovah; izahay no nomena ity tany ity ho lova. Ry zanak' olona, ireo rahalahinao, ireo rahalahinao, olona anisan' ny fianakavianao, sy ny taranak' Israely rehetra, dia izy rehetra no ilazan' ny mponina ao Jerosalema hoe: Mijanòna any lavitra an' ny Tompo hianareo; fa izahay no nomena ity tany ity ho fananana. Fils d' homme, c' est à chacun de tes frères, à tes parents et à la maison d' Israël tout entière que les habitants de Jérusalem disent : " Restez loin de Yahvé, c' est à nous que le pays fut donné en patrimoine ".
Eze / Ez 11:16 Therefore say, Thus saith the Lord GOD; Although I have cast them far off among the heathen, and although I have scattered them among the countries, yet will I be to them as a little sanctuary in the countries where they shall come. Koa lazao hoe: Izao no lazain' i Jehovah Tompo: Na dia nampandehaniko lavitra any amin' ny jentilisa aza izy ka naeliko tany amin' ny tany maro, dia ho fitoerana masina ho azy vetivety Aho any amin' ny tany izay alehany. Koa lazao amin' ireto hoe: Izao no lazain' ny Tompo Tompo: Eny, nalefako lavitra any amin' ny firenena ireny; naeliko any amin' ny tany hafa izy; nefa izaho no ho fitoerana masina ho azy ireo, any amin' ny tany nalehany, mandritra ny fotoana vitsivitsy. C' est pourquoi, dis : Ainsi parle le Seigneur Yahvé. Oui, je les ai éloignés parmi les nations, je les ai dispersés dans les pays étrangers et j' ai été pour eux un sanctuaire, quelque temps, dans le pays où ils sont venus.
Eze / Ez 11:17 Therefore say, Thus saith the Lord GOD; I will even gather you from the people, and assemble you out of the countries where ye have been scattered, and I will give you the land of Israel. Koa lazao hoe: Izao no lazain' i Jehovah Tompo: Hovoriko avy any amin' ny firenena ianareo, ary hangoniko avy any amin' ny tany izay nampielezana anareo, ka homeko ny tanin' ny Isiraely ianareo. Noho izany, ilazao ireny ataovy hoe: Izao no lazain' ny Tompo Tompo: Hangoniko avy any amin' ny firenena hianareo; hovoriko avy any amin' ny tany nampielezana anareo hianareo; ary homeko anareo ny tanin' Israely. C' est pourquoi, dis : Ainsi parle le Seigneur Yahvé. Je vous rassemblerai du milieu des peuples, je vous réunirai de tous les pays où vous avez été dispersés et je vous donnerai la terre d' Israël.
Eze / Ez 11:18 And they shall come thither, and they shall take away all the detestable things thereof and all the abominations thereof from thence. Ary ho tonga ao izy ka hanaisotra ny zava-dratsiny rehetra sy ny fahavetavetany rehetra. Dia hiditra ao izy ireo, ka hesoriny hiala ao avokoa ny zava-mahamenatra amam-pahavetavetana rehetra. Ils y viendront et en extirperont toutes les horreurs et les abominations.
Eze / Ez 11:19 And I will give them one heart, and I will put a new spirit within you; and I will take the stony heart out of their flesh, and will give them an heart of flesh: Dia homeko fo iray izy, ary hasiako fanahy vaovao ao anatinareo; ary hesoriko amin' ny nofony ny fo vato, ka homeko fo nofo izy, Ary izy rehetra homeko fo iray, hasiako fanahy vaovao ao anatiny, hesoriko amin' ny nofony ny fo vato, ka homeko fo nofo izy; Je leur donnerai un seul coeur et je mettrai en eux un esprit nouveau : j' extirperai de leur chair le coeur de pierre et je leur donnerai un coeur de chair,
Eze / Ez 11:20 That they may walk in my statutes, and keep mine ordinances, and do them: and they shall be my people, and I will be their God. mba handehanany araka ny didiko sy hitandremany ny fitsipiko ka hanarahany izany, ary izy dia ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny. mba hizorany amin' ny fitsipiko sy hitandremany ny didiko, ary hanarahany azy; ka izy dia ho oloko, ary izaho, ho Andriamaniny. afin qu' ils marchent selon mes lois, qu' ils observent mes coutumes et qu' ils les mettent en pratique. Alors ils seront mon peuple et moi je serai leur Dieu.
Eze / Ez 11:21 But as for them whose heart walketh after the heart of their detestable things and their abominations, I will recompense their way upon their own heads, saith the Lord GOD. Fa ny amin' izay manana fo manina ny zava-dratsiny sy ny fahavetavetany, dia hatsingeriko ho eo an-dohany ihany ny nataony, hoy Jehovah Tompo. Fa ry zareo manana ny fon-tsampiny vetaveta kosa, dia hatsingeriko amin' ny lohany, izay nataony, - teny marin' ny Tompo Tompo. Quant à ceux dont le coeur est attaché à leurs horreurs et à leurs abominations, je leur demanderai compte de leur conduite, oracle du Seigneur Yahvé.
Eze / Ez 11:22 Then did the cherubims lift up their wings, and the wheels beside them; and the glory of the God of Israel was over them above. Dia nasandratry ny kerobima ny elany sy ny kodia teo anilany; ary ny voninahitr' Andriamanitry ny Isiraely no teo amboniny. Tamin' izay ny Kerobima nanainga ny elany; ny kodiarana koa niara-nihetsika taminy; ary ny voninahitry ny Andriamanitr' Israely dia teo ambonin' izy ireo. Alors les chérubins levèrent leurs ailes, et les roues allaient avec eux, tandis que la gloire du Dieu d' Israël était sur eux, au-dessus.
Eze / Ez 11:23 And the glory of the Lord went up from the midst of the city, and stood upon the mountain which is on the east side of the city. Ary ny voninahitr' i Jehovah niakatra niala tao amin' ny tanàna ka nijanona teo an-tampon' ny tendrombohitra atsinanan' ny tanàna. Ary nisondrotra avy teo ambonin' ny afovoan-tanàna, ny voninahitry ny Tompo, ka nijanona teo an-tampon' ilay tendrombohitra eo atsinanan' ny tanàna. La gloire de Yahvé s'éleva du milieu de la ville et s' arrêta sur la montagne qui se trouve à l' orient de la ville.
Eze / Ez 11:24 Afterwards the spirit took me up, and brought me in a vision by the Spirit of God into Chaldea, to them of the captivity. So the vision that I had seen went up from me. Dia nisy fanahy nanainga ahy tamin' ny fahitana, dia tamin' ny Fanahin' Andriamanitra, ka nitondra ahy ho any Kaldea ho any amin' ny babo. Dia niakatra niala tamiko ny fahitana izay efa hitako. Ary naingain' ny Fanahy aho, ka nentiny ho any amin' ireo babo any Kaldea, tamin' ny fahitana, tamin' ny fanahin' Andriamanitra. Dia lasa niala teo anatrehako ny fahitana efa hitako; L' esprit m' enleva et m' emmena chez les Chaldéens, vers les exilés, en vision, dans l' esprit de Dieu, et la vision dont j' avais été le témoin s'éloigna de moi.
Eze / Ez 11:25 Then I spake unto them of the captivity all the things that the Lord had shewed me. Ary nolazaiko tamin' ny babo ny teny rehetra izay nasehon' i Jehovah ahy. ary notantaraiko tamin' ireo babo avokoa ny zavatra nampahitan' ny Tompo ahy. Je racontai aux exilés tout ce que Yahvé m' avait fait voir.

<-
->