<-
->

Neh / Ne 3:1 Then Eliashib the high priest rose up with his brethren the priests, and they builded the sheep gate; they sanctified it, and set up the doors of it; even unto the tower of Meah they sanctified it, unto the tower of Hananeel. Dia nitsangana Eliasiba mpisoronabe sy ny mpisorona rahalahiny ka nandrafitra ny vavahadin' ondry; dia nanamasina azy izy ka nandatsaka ny lela-vavahadiny; hatramin' ny tilikambo Hamea ka hatramin' ny tilikambo Hananela no nohamasininy. Eliasiba mpisorona lehibe, mbamin' ireo mpisorona rahalahiny dia nanomboka nanorina ny vavahadin' ny Ondy, nanamasina azy izy, dia nandatsaka ny lela-vavahady; namboariny ny manda dia nohamasininy hatramin' ny tilikambon' i Meà, ka hatramin' ny tilikambon' i Hananeela. Elyashib, le grand prêtre, et ses frères les prêtres se levèrent et construisirent la porte des Brebis; ils en firent la charpente, fixèrent ses battants, verrous et barres, et continuèrent jusqu'à la tour des Cent et jusqu'à la tour de Hananéel.
Neh / Ne 3:2 And next unto him builded the men of Jericho. And next to them builded Zaccur the son of Imri. Ary manarakaraka ireo dia nandrafitra koa ny mponina tany Jeriko. Ary manarakaraka ireo indray dia nandrafitra koa Zakora, zanak' Imry. Ny mponina ao Jerikao no nanorina teo anilany, ary Zakora, zanak' i Amrì, nanorina teo anilany. A leur suite, construisirent les gens de Jéricho; à leur suite, construisit Zakkur, fils d' Imri.
Neh / Ne 3:3 But the fish gate did the sons of Hassenaah build, who also laid the beams thereof, and set up the doors thereof, the locks thereof, and the bars thereof. Ary ny vavahadin-kazandrano dia narafitry ny zanak' i Hasena, izy no nandatsaka ny rairainy sy ny lela-vavahadiny mbamin' ny hidiny sy ny vavombiny. Ny taranak' i Senaà no nanao ny vavahadin' ny Hazandrano, nataony teo ny sakamandimby, dia nalatsany ny lela-vavahady, mbamin' ny karetsaka sy ny barany; Les fils de Ha-Senaa construisirent la porte des Poissons; ils en firent la charpente, fixèrent ses battants, verrous et barres.
Neh / Ne 3:4 And next unto them repaired Meremoth the son of Urijah, the son of Koz. And next unto them repaired Meshullam the son of Berechiah, the son of Meshezabeel. And next unto them repaired Zadok the son of Baana. Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Meremota.zanak' i Oria, zanak' i Hakoza. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Mesolama, zanak' i Berekia, zanak' i Mesezabela. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Zadoka, zanak' i Bana. ary teo anilany dia Merimota zanak' i Oria, zanak' i Akosa no nanamboatra; ary teo anilany dia Mosolama zanak' i Barakia, zanak' i Mesezebela, no nanamboatra; ary teo anilany dia Sadaoka zanak' i Baanà no nanamboatra; A leur suite répara Merémot, fils d' Uriyya, fils d' Haqqoç; à sa suite répara Meshullam, fils de Bérékya, fils de Meshèzabéel; à sa suite répara Sadoq, fils de Baana.
Neh / Ne 3:5 And next unto them the Tekoites repaired; but their nobles put not their necks to the work of their Lord. Ary manarakaraka io dia namboatra koa ny Tekoita; nefa ny olona ambonimbony teo aminy dia tsy nety nampiondrika ny vozony ho amin' ny fanompoana ny Tompony. teo anilany dia ny Tekoita no nanamboatra, saingy tsy nilatsaka hanampy tamin' ny fanompoana ny Tompony, ny lehibe tamin' izy ireo. A sa suite réparèrent les gens de Teqoa, mais leurs notables refusèrent de mettre leur nuque au service de leurs seigneurs.
Neh / Ne 3:6 Moreover the old gate repaired Jehoiada the son of Paseah, and Meshullam the son of Besodeiah; they laid the beams thereof, and set up the doors thereof, and the locks thereof, and the bars thereof. Ary ny vavahady taloha dia namboarin' i Joiada, zanak' i Pasea, sy Mesolama, zanak' i Besodia; izy roa lahy no nandatsaka ny rairainy sy ny lela-vavahadiny mbamin' ny hidiny sy ny vavombiny. Joiadà zanak' i Faseà, sy Mosolama zanak' i Besodiasa, no nanamboatra ny Vavahady Goga, nataony teo ny sakamandimby dia nalatsany ny lela vavahady, mbamin' ny karetsaka sy ny barany. Quant à la porte du Quartier neuf, Yoyada, fils de Paséah, et Meshullam, fils de Besodya, la réparèrent; ils en firent la charpente, fixèrent ses battants, verrous et barres.
Neh / Ne 3:7 And next unto them repaired Melatiah the Gibeonite, and Jadon the Meronothite, the men of Gibeon, and of Mizpah, unto the throne of the governor on this side the river. Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Melatia Gibeonita sy Jadona Meronotita mbamin' ny mponina tany Gibeona sy Mizpa, hatramin' ny seza fiandrianan' ny governora etý an-dafin' ny ony etý. Meltiasa Gabaonita, Jadòna Meronatita, mbamin' ny mponina ao Gabaona sy Masfà no nanamboatra teo anilany, akaikin' ny fitsaran' ny governoran' ny any an-dafin' ny ony; A leur suite, réparèrent Melatya de Gabaôn et Yadôn de Méronot, ainsi que les gens de Gabaôn et de Miçpa, pour le compte du gouverneur de Transeuphratène.
Neh / Ne 3:8 Next unto him repaired Uzziel the son of Harhaiah, of the goldsmiths. Next unto him also repaired Hananiah the son of one of the apothecaries, and they fortified Jerusalem unto the broad wall. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Oziela, zanak' i Haraia, isan' ny mpanefy volamena. Manarakaraka io dia namboatra koa Hanania, isan' ny mpangaroharo zava-manitra; ary nanamafy an' i Jerosalema izy hatramin' ny mandà lehibe. Oziela zanak' i Araiasa lohan' ny mpanefy volamena, nanamboatra teo anilany; ary Anania isan' ny fikambanan' ny mpanao zava-manitra no nanamboatra teo anilany; ary Anania isan' ny fikambanan' ny mpanao zava-manitra no nanamboatra teo anilany; navelany Jerosalema hatreo amin' ny manda malalaka. A leur suite répara Uzziel, membre de la corporation des orfèvres, et à sa suite répara Hananya, de la corporation des parfumeurs : ils renforcèrent Jérusalem jusqu'à la muraille large.
Neh / Ne 3:9 And next unto them repaired Rephaiah the son of Hur, the ruler of the half part of Jerusalem. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Refaia. zanak' i Hora, komandin' ny antsasaky ny fehin' i Jerosalema. Nanamboatra teo anilany, Rafaiasa, zanak' i Hora, lehiben' ny antsasaky ny faritanin' i Jerosalema. A leur suite répara Rephaya, fils de Hur, chef de la moitié du district de Jérusalem.
Neh / Ne 3:10 And next unto them repaired Jedaiah the son of Harumaph, even over against his house. And next unto him repaired Hattush the son of Hashabniah. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Jedaia, zanak' i Haromafa, dia ny teo amin' ny tandrifin' ny tranony ihany. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Hatosy, zanak' i Hasabnia. Teo anilany dia Jedaiasa zanak' i Haromafa no nanamboatra tandrifin' ny tranony; ary teo anilany dia Hatosa zanak' i Haseboniasa no nanamboatra. A leur suite répara Yedaya, fils de Harumaph, devant sa maison; à sa suite répara Hattush, fils de Hashabnéya.
Neh / Ne 3:11 Malchijah the son of Harim, and Hashub the son of Pahathmoab, repaired the other piece, and the tower of the furnaces. Ny sasany koa mbamin' ny tilikambo misy ny fatana fandoroana dia namboarin' i Malkia, zanak' i Harima, sy Hasoba. zanak' i Pahatamoaba. Ny laniny sasany amin' ny manda sy ny tilikambon' ny Fatana fandoroana kosa, namboarin' i Melkiasa zanak' i Herema sy Hasoba zanak' i Fahata-Moaba. Malkiyya, fils de Harim, et Hashshub, fils de Pahat-Moab, réparèrent le secteur suivant jusqu'à la tour des Fours.
Neh / Ne 3:12 And next unto him repaired Shallum the son of Halohesh, the ruler of the half part of Jerusalem, he and his daughters. Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Saloma, zanak' i Halohesy, komandin' ny antsasaky ny fehin' i Jerosalema, dia izy sy ny zananivavy. Teo anilany dia Seloma zanak' i Alohesa, lehiben' ny antsasaky ny faritanin' i Jerosalema, no nanamboatra niaraka tamin' ny zanany vavy. A leur suite répara Shallum, fils de Hallohesh, chef de la moitié du district de Jérusalem, lui et ses fils.
Neh / Ne 3:13 The valley gate repaired Hanun, and the inhabitants of Zanoah; they built it, and set up the doors thereof, the locks thereof, and the bars thereof, and a thousand cubits on the wall unto the dung gate. Ny vavahady mankamin' ny lohasaha dia namboarin' i Hanona sy ny mponina tany Zanoa; ireo no nandrafitra izany sy nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin' ny hidiny sy ny vavombiny, ary narafiny koa ny arivo hakiho amin' ny manda hatramin' ny vavahadin-jezika. Hanòna sy ny mponina ao Zanoe no nanamboatra ny vavahadin' ny Lohasaha; narafiny izy, dia nalatsany ny lela vavahady, mbamin' ny karetsaka sy ny barany; fanampin' izany koa dia nanao ny manda arivo hakiho, hatreo amin' ny vavahadin' i Zezika izy. Quant à la porte de la Vallée, Hanûn et les habitants de Zanoah la réparèrent : ils la construisirent, fixèrent ses battants, verrous et barres et firent mille coudées de mur, jusqu'à la porte du Fumier.
Neh / Ne 3:14 But the dung gate repaired Malchiah the son of Rechab, the ruler of part of Bethhaccerem; he built it, and set up the doors thereof, the locks thereof, and the bars thereof. Ary ny vavahadin-jezika dia namboarin' i Malkia, zanak' i Rekaba, komandin' ny fehin' i Beti-hakerema; izy no nandrafitra izany sy nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin' ny hidiny sy ny vavombiny. Melkiasa zanak' i Rekaba, lehiben' ny faritanin' i Betakarama no nanamboatra ny vavahadin' ny Zezika; narafiny izy, dia nalatsany ny lela vavahady, mbamin' ny karetsaka sy ny barany. Quant à la porte du Fumier, Malkiyya, fils de Rékab, chef du district de Bet-ha-Kérem, la répara, lui et ses fils : il fixa ses battants, verrous et barres.
Neh / Ne 3:15 But the gate of the fountain repaired Shallun the son of Colhozeh, the ruler of part of Mizpah; he built it, and covered it, and set up the doors thereof, the locks thereof, and the bars thereof, and the wall of the pool of Siloah by the king' s garden, and unto the stairs that go down from the city of David. Ary ny vavahadin-doharano dia namboarin' i Saloma, zanak' i Kola-hoze, komandin' ny fehin' i Mizpa; izy no nandrafitra sy nanafo izany ary nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin' ny hidiny sy ny vavombiny, ary narafiny koa ny mandan' ny farihy Siloa, teo anilan' ny sahan' ny mpanjaka, ka hatramin' ny ambaratonga midina avy any an-Tanànan' i Davida. Seloma zanak' i Kolkozà, lehiben' ny faritanin' i Masfà, no nanamboatra ny vavahadin' ny Loharano; narafiny sy notafoany izy, dia nalatsany ny lela vavahady, mbamin' ny karetsaka sy ny barany; fanampin' izany koa nanao ny mandan' ny farihin' i Siloa, anilan' ny zaridainan' ny Mpanjaka izy, hatreo amin' ny ambaratonga midina avy any an-tanànan' i Davida. Quant à la porte de la Fontaine, Shallum, fils de Kol-Hozé, chef du district de Miçpa, la répara : il la construisit, la couvrit, fixa ses battants, verrous et barres. Il refit aussi le mur de la citerne de Siloé, jouxtant le jardin du roi, jusqu' aux escaliers qui descendent de la Cité de David.
Neh / Ne 3:16 After him repaired Nehemiah the son of Azbuk, the ruler of the half part of Bethzur, unto the place over against the sepulchres of David, and to the pool that was made, and unto the house of the mighty. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Nehemia, zanak' i Azboka, komandin' ny antsasaky ny fehin' i Beti-zora, hatramin' ny teo amin' ny tandrifin' ireo fasan' i Davida ka hatramin' ny farihy izay natao ary hatramin' ny tranon' ny lehilahy mahery. Nanaraka azy, Nehemia zanak' i Azbaoka, lehiben' ny antsasaky ny faritanin' i Betsora, nanamboatra hatreo amin' ny tandrifin' ireo fasan' i Davida, hatreo amin' ilay dobo voarafitra sy hatreo amin' ny tranon' ny Lehilahy mahery. Après lui Néhèmya, fils d' Azbuq, chef de la moitié du district de Bet-Cur, répara jusqu' en face des tombeaux de David, jusqu'à la citerne construite et jusqu'à la Maison des Preux.
Neh / Ne 3:17 After him repaired the Levites, Rehum the son of Bani. Next unto him repaired Hashabiah, the ruler of the half part of Keilah, in his part. Manarakaraka io dia namboatra koa ny Levita, dia Rehoma, zanak' i Bany. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Hasabia , komandin' ny antsasaky ny fehin' i Keila, ho an' ny fehiny. Nanamboatra nanaraka azy, ny levita tarik' i Rehoma, zanak' i Benì. Nanamboatra teo anilany ho an' ny faritaniny, Hasebiasa lehiben' ny antsasaky ny faritanin' i Keilà. Après lui, les lévites réparèrent : Rehum, fils de Bani; à sa suite répara Hashabya, chef de la moitié du district de Qéïla, pour son district;
Neh / Ne 3:18 After him repaired their brethren, Bavai the son of Henadad, the ruler of the half part of Keilah. Manarakaraka io dia namboatra koa ireo rahalahiny, dia Bavay, zanak' i Henadada, komandin' ny antsasaky ny fehin' i Keila. Nanamboatra nanarakaraka azy, ireo rahalahiny tarik' i Bavaì zanak' i Henadada, lehiben' ny antsasaky ny faritanin' i Keilà. à sa suite réparèrent leurs frères : Binnuï, fils de Hénadad, chef de la moitié du district de Qéïla;
Neh / Ne 3:19 And next to him repaired Ezer the son of Jeshua, the ruler of Mizpah, another piece over against the going up to the armoury at the turning of the wall. Ary manarakaraka lreo dia nisy namboarin' i Ezera, zanak' i Jesoa, komandin' i Mizpa, teo amin' ny tandrifin' ny fiakarana ho any amin' ny trano fitehirizam-piadiana eo amin' ny fiolahana. Teo anilany dia Azera zanak' i Josoe, lehiben' i Masfà, no nanamboatra ny ilan' ny manda, teo an-tandrifin' ny fiakaran' ny fitehirizam-piadiana, eo amin' ny zoro. à sa suite Ezer, fils de Yéshua, chef de Miçpa, répara un autre secteur, en face de la montée de l' Arsenal, à l' Encoignure.
Neh / Ne 3:20 After him Baruch the son of Zabbai earnestly repaired the other piece, from the turning of the wall unto the door of the house of Eliashib the high priest. Manarakaraka io koa dia Baroka, zanak' i Zabay, no nazoto namboatra ny sasany hatramin' ny fiolahana ka hatramin' ny varavaran' ny tranon' i Eliasiba mpisoronabe. Nanarakaraka azy dia Barota zanak' i Zakaì, no nanamboatra tamin-kavitrihana ny ilany anankiray, hatreo amin' ny zoro ka hatreo amin' ny varavaran' ny tranon' i Eliasiba, mpisorona lehibe. Après lui Baruk, fils de Zabbaï, répara un autre secteur, depuis l' Encoignure jusqu'à la porte de la maison d' Elyashib, le grand prêtre.
Neh / Ne 3:21 After him repaired Meremoth the son of Urijah the son of Koz another piece, from the door of the house of Eliashib even to the end of the house of Eliashib. Manarakaraka io koa dia nisy namboarin' i Meremota, zanak' i Oria, zanak' i Hakoza, hatramin' ny varavaran' ny tranon' i Eliasiba ka hatramin' ny faran' ny tranon' i Eliasiba. Nanarakaraka azy dia Merimota zanak' i Oria, zanak' i Akosa no nanamboatra ny ilany anankiray hatreo amin' ny varavaran' ny tranon' i Eliasiba, ka hatrarý amin' ny faran' ny tranon' i Eliasiba. Après lui Merémot, fils d' Uriyya, fils d' Haqqoç, répara un autre secteur, depuis l' entrée de la maison d' Elyashib jusqu'à son extrémité.
Neh / Ne 3:22 And after him repaired the priests, the men of the plain. Ary manarakaraka io dia namboatra koa ny mpisorona, dia ireo avy tany amin' ny tany lemaka. Ny nanarakaraka azy dia ireo mpisorona, lehilahin' ny tany lemak' i Jordany. Après lui les prêtres qui habitaient le district travaillèrent aux réparations.
Neh / Ne 3:23 After him repaired Benjamin and Hashub over against their house. After him repaired Azariah the son of Maaseiah the son of Ananiah by his house. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Benjamina sy Hasoba teo amin' ny tandrifin' ny tranony ihany. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Azaria, zanak' i Mahaseia, zanak' i Anania, teo anilan' ny tranony ihany. Manarakaraka ireo, dia Benjamina sy Hasoba nanamboatra teo an-trandrifin' ny tranony. Manaraka ireo, Azariasa zanak' i Maasiasa zanak' i Anania, nanamboatra teo akaikin' ny tranony. Après eux Binyamîn et Hashshub réparèrent en face de leurs maisons. Après eux Azarya, fils de Maaséya, fils d' Ananya, répara à côté de sa maison.
Neh / Ne 3:24 After him repaired Binnui the son of Henadad another piece, from the house of Azariah unto the turning of the wall, even unto the corner. Manarakaraka io koa, dia nisy namboarin' i Binoy, zanak' i Henadada, hatramin' ny tranon' i Azaria ka hatramin' ny fiolahana eo amin' ny zorony. Manarakaraka azy, Benoì zanak' i Henadada, nanamboatra ny laniny iray, hatreo amin' ny tranon' i Azariasa ka hatreo amin' ny zorony sy hatreo amin' ny fiolahana. Après lui Binnuï, fils de Hénadad, répara un autre secteur, depuis la maison d' Azarya jusqu'à l' Encoignure et à l' Angle.
Neh / Ne 3:25 Palal the son of Uzai, over against the turning of the wall, and the tower which lieth out from the king' s high house, that was by the court of the prison. After him Pedaiah the son of Parosh. Ary Palala, zanak' i Ozay, koa, dia ny teo amin' ny tandrifin' ny fiolahana sy izay mandroso eo amin' ny tilikambo ambony, eo amin' ny ranon' ny mpanjaka, eo akaikin' ny tokotanin' ny trano-maizina. Manarakaraka io koa dia Pedaia, zanak' i Parosy. Falela zanak' i Ozì, nanamboatra teo an-tandrifin' ny zorony sy ny tilikambo avo izay mibohitra eo alohan' ny tranon' ny mpanjaka, akaikin' ny tokotanin' ny tranomaizina. Après lui Palal, fils d' Uzaï, répara vis-à-vis de l' Encoignure et de la tour qui fait saillie sur le Palais royal supérieur et est située dans la cour de la prison. Après lui Pedaya, fils de Paréosh, répara
Neh / Ne 3:26 Moreover the Nethinims dwelt in Ophel, unto the place over against the water gate toward the east, and the tower that lieth out. Ary ny Netinima dia nonina tany Ofela hatreo amin' ny tandrifin' ny vavahadin-drano atsinanana sy ny mandroso eo amin' ny tilikambo. Ary ny Natieana dia nonina teo amin' ny Ofela, hatreo an-tandrifin' ny vavahadin' ny Rano, any atsinanana, sy ny tilikambo mandroso. jusque devant la porte des Eaux, vers l' orient et jusqu'à la tour saillante.
Neh / Ne 3:27 After them the Tekoites repaired another piece, over against the great tower that lieth out, even unto the wall of Ophel. Ary manarakaraka ireo koa dia nisy namboarin' ny Tekoita, teo amin' ny tandrifin' ny mandroso eo amin' ny tilikambo lehibe ka hatramin' ny mandan' i Ofela. Manarakaraka azy, ny Tekoita nanamboatra ny laniny iray, tandrifin' ny tilikambo lehibe mibohitra, ka hatreo amin' ny mandan' i Ofela. Après lui les gens de Teqoa réparèrent un autre secteur, vis-à-vis de la grande tour en saillie jusqu' au mur de l' Ophel.
Neh / Ne 3:28 From above the horse gate repaired the priests, every one over against his house. Hatreo ambonin' ny vavahadin-tsoavaly dia namboarin' ny mpisorona, dia samy ny teo amin' ny tandrifin' ny tranony avy. Teo ambonin' ny vavahadin' ny Soavaly dia ny mpisorona no samy nanamboatra ny tandrifin' ny tranony avy. A partir de la porte des Chevaux, les prêtres travaillèrent aux réparations, chacun en face de sa maison.
Neh / Ne 3:29 After them repaired Zadok the son of Immer over against his house. After him repaired also Shemaiah the son of Shechaniah, the keeper of the east gate. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Zadoka, zanak' Imera, dia ny teo amin' ny tandrifin' ny. tranony ihany. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Semaia, zanak' i Sekania, mpiandry ny vavahady atsinanana. Manarakaraka azy, Sadaoka zanak' i Emera nanamboatra ny teo anoloan' ny tranony; manarakaraka azy, nanamboatra Semeiasa zanak' i Sikemiasa mpiandry ny vavahady atsinanana amin' ny tempoly. Après eux Sadoq, fils d' Immer, répara en face de sa maison. Après lui répara Shemaya, fils de Shekanya, gardien de la porte de l' Orient.
Neh / Ne 3:30 After him repaired Hananiah the son of Shelemiah, and Hanun the sixth son of Zalaph, another piece. After him repaired Meshullam the son of Berechiah over against his chamber. Manarakaraka io koa dia nisy namboarin' i Hanania, zanak' i Setemia, sy Hanona, fahenin' ny zanak' i Zalafa. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Mesolama, zanak' i Berekia, dia ny teo amin' ny tandrifin' ny efi-tranony ihany. Manarakaraka azy, Hananìasa zanak' i Selemiasa sy Hanona fahenin' ny zanak' i Selefa, nanamboatra ny laniny iray hafa. Manarakaraka azy Mosolama, zanak' i Barakia, nanamboatra ny teo anoloan' ny tranony. Après lui Hananya, fils de Shélémya, et Hanûn, sixième fils de Calaph, réparèrent un autre secteur. Après lui Meshullam, fils de Bérékya, répara vis-à-vis de son habitation.
Neh / Ne 3:31 After him repaired Malchiah the goldsmith' s son unto the place of the Nethinims, and of the merchants, over against the gate Miphkad, and to the going up of the corner. Manarakaraka io dia namboatra koa Malkia, isan' ny mpanefy volamena, hatramin' ny tranon' ny Netinima sy ny mpandranto, dia ny teo amin' ny tandrifin' ny vavahady Mifikada ka hatramin' ny trano ambony teo an-jorony. Manarakaraka azy, Melkiasa isan' ny fikambanan' ny mpanefy volamena, nanamboatra hatreo amin' ny tranon' ny Natieana sy ny mpivarotra, teo anoloan' ny vavahadin' i Mifkada ka hatreo amin' ny trano ambony eo anjorony. Après lui Malkiyya, de la corporation des orfèvres, répara jusqu'à la demeure des "donnés" et des commerçants, en face de la porte de la Surveillance, jusqu'à la salle haute de l' Angle.
Neh / Ne 3:32 And between the going up of the corner unto the sheep gate repaired the goldsmiths and the merchants. Ary ny teo anelanelan' ny trano ambony teo an-jorony sy ny vavahadin' ondry no namboarin' ny mpanefy volamena sy ny mpandranto. Ary rehefa ren' i Sanbala fa nataonay ny manda, dia tezitra sady sosotra loatra izy ka nihomehy ny Jiosy, dia niteny teo anatrehan' ny namany sy ny miaramilan' i Samaria hoe: Inona no ataon' ireo Jiosy osa ireo? Hahaleo tena va ireo? Hahavono zavatra hatao fanatitra va ireo? Hahatsangana indray andro va ireo ? Hahatsangana ny vato avy amin' ny lavenona miavosa va ireo? Ary Tobia Amonita dia teo anilan' i Sanbala ka niteny hoe: Na dia amboa-haolo aza miakatra eo amin' izay atsangany, dia haharava ny manda vato ataony. Mihainoa, ry Andriamanitray ô, fa atao tsinontsinona izahay; koa atsingereno ho eo an-dohany ihany ny latsa ataony, ary aoka ho babo any amin' ny tany izay ahababoany izy. Aza manarona ny helony, ary aza vonoina tsy ho eo anatrehanao ny fahotany; fa efa nampahatezitra Anao teo anatrehan' ireo mandrafitra izy. Ka dia narafitray ihany ny manda ka tafakambana avokoa hatramin' ny antsasany miakatra; fa nazoto niasa ny olona. Ary ny mpanefy volamena sy ny mpivarotra nanamboatra ny eo anelanelan' ny trano ambony eo anjorony sy ny vavahadin' ny Ondry. Et entre la salle haute de l' Angle et la porte des Brebis, les orfèvres et les commerçants réparèrent.
Neh / Ne 3:33 Tezitra ary nisafoaka mafy Sanabalata, nony nandre fa hoe: Mandrafitra ny manda indray izahay. Dia naneso ny Jody izy. Lorsque Sânballat apprit que nous reconstruisions le rempart, il se mit en colère et se montra fort irrité. Il se moqua des Juifs,
Neh / Ne 3:34 Dia niteny teo anatrehan' ireo rahalahiny sy ireo miaramilan' i Samaria izy nanao hoe: Asa inona no ndeha hataon' ireo Jody tsy mahefa? Dia havelan' ny olona hanao eo ve ireo? Hahatitra sorona eo va ireo? Hahavita amin' ny indray andro va ireo? Hahatsangana ny vato voalevina any ambany vovo-tany miavosa sy levon' ny afo va ireo? et s'écria devant ses frères et devant l' aristocratie de Samarie : "Qu' entreprennent là ces misérables Juifs? ... Vont-ils y renoncer? Ou sacrifier? Ou en finir en un jour? Feront-ils revivre ces pierres, tirées de monceaux de décombres et même calcinées?"
Neh / Ne 3:35 Hoy koa Tobia Amonita, teo anilany: Avelao ihany hanamboatra eo ireo, fa na fosa iray aza hiantoraka eo dia haharava ny manda vaton' ireo! Tobiyya l' Ammonite se tenait à ses côtés; il dit : "Pour ce qu' ils construisent, si un chacal y montait, il démolirait leur muraille de pierres!"
Neh / Ne 3:36 Mihainoa, ry Andriamanitray ô, fa voaeso izahay. Atsingereno amin' ny lohany ny famingavingana nataony, ary atolory ho remby eny amin' ny tany hamaboana azy izy! Ecoute, ô notre Dieu, comme nous voilà méprisés! Fais retomber leurs insultes sur leur tête. Livre-les au mépris en un pays de captivité!
Neh / Ne 3:37 Aza avela ny helony, ary aza vonoina tsy ho eo anatrehanao ny fahotany, fa efa nanao fanafintohinana teo anatrehan' ireto mandrafitra izy. Ne pardonne point leur iniquité et que leur péché ne soit pas effacé devant toi : car ils ont offensé les bâtisseurs!
Neh / Ne 3:38 Dia narafitray ny manda, ka voatsangana indray avokoa ny manda manodidina hatreo amin' ny antsasaky ny hahavony, fa niasa an-jotom-po ny vahoaka. Or nous rebâtissions le rempart qui fut réparé tout entier jusqu'à mi-hauteur. Le peuple avait le coeur à l' ouvrage.

<-
->