<-
->

2Mp 9:1 And Elisha the prophet called one of the children of the prophets, and said unto him, Gird up thy loins, and take this box of oil in thine hand, and go to Ramothgilead: Ary Elisa mpaminany niantso ny anankiray tamin' ny zanakalahin' ny mpaminany ka nanao taminy hoe: Misikina, dia ento eny an-tananao ity tavoara feno diloilo ity, ka mankanesa any Ramota-gileada; Ary niantso ny anankiray amin' ny zanaky ny mpaminany Elisea mpaminany, ka nanao hoe: Misikina hianao; raiso eo an-tànanao ity tavoara misy diloilo ity, ka mankanesa any Ramota any Galaada. Le prophète Elisée appela l' un des frères prophètes et lui dit : "Ceins tes reins, prends avec toi cette fiole d' huile et va à Ramot de Galaad.
2Mp 9:2 And when thou comest thither, look out there Jehu the son of Jehoshaphat the son of Nimshi, and go in, and make him arise up from among his brethren, and carry him to an inner chamber; ary rehefa mby any ianao, dia izahao Jeho, zanak' i Josafata, zanak' i Nimsy, ary midìra, ka manaingà azy hiala amin' ny namany, ary ento any amin' ny efi-trano anatiny izy; Rahefa tonga any hianao, zahao Jeho zanak' i Josafata zanak' i Namsì, ka rahefa tafahatona eo anilany dia asaovy hitsangana avy eo amin' ireo rahalahiny izy, dia ento mankany an' efitrano mangingina, Arrivé là, cherche à voir Jéhu fils de Yehoshaphat fils de Nimshi. L' ayant trouvé, fais qu' il se lève d' entre ses compagnons et conduis-le dans une chambre retirée.
2Mp 9:3 Then take the box of oil, and pour it on his head, and say, Thus saith the Lord, I have anointed thee king over Israel. Then open the door, and flee, and tarry not. ary raiso ny tavoara feno diloilo, ka aidino amin' ny lohany, dia lazao hoe: Izao no lazain' i Jehovah: Efa nanosotra anao ho mpanjakan' ny Isiraely Aho. Dia vohay ny varavarana, ka mandosira, fa aza mijanona. ary raiso ny tavoara misy diloilo, aidino amin' ny lohany, ka ataovy hoe: Izao no lazain' ny Tompo: Hosorako ho mpanjakan' Israely hianao. Dia vohay ny varavarana ka mandosira fa aza mijanonjanona. Tu prendras la fiole d' huile et tu la répandras sur sa tête en disant : Ainsi parle Yahvé. Je t' ai oint comme roi d' Israël, puis ouvre la porte et sauve-toi sans tarder."
2Mp 9:4 So the young man, even the young man the prophet, went to Ramothgilead. Ary nandeha ilay zatovo, dia ilay zatovon' ny mpaminany, nankany Ramota-gileada. Dia nandeha ilay zatovo, mpanompon' ny mpaminany, ho any Ramota, any Galaada. Le jeune homme partit pour Ramot de Galaad.
2Mp 9:5 And when he came, behold, the captains of the host were sitting; and he said, I have an errand to thee, O captain. And Jehu said, Unto which of all us? And he said, To thee, O captain. Ary nony mby tany izy, indreo, nipetraka teo ny mpifehy ny miaramila; ary hoy izy: Ry komandy ô, mitondra teny ho aminao aho. Ary hoy Jeho: Amin' iza aminay ireto moa? Ary hoy izy: Aminao, ry komandy ô. Nony tonga izy, indreo ny lehiben' ny tafika mipetraka eo, ka hoy izy: Ry Komandy ô, misy teny kely holazaiko aminao. Ary hoy Jeho: Amin' iza aminay ireto? Dia namaly izy: Aminao, Komandy. Lorsqu' il arriva, les chefs de l' armée étaient assis ensemble; il dit : "J' ai un mot à te dire, chef." Jéhu demanda : "Auquel d' entre nous?" Il répondit : "A toi, chef."
2Mp 9:6 And he arose, and went into the house; and he poured the oil on his head, and said unto him, Thus saith the Lord God of Israel, I have anointed thee king over the people of the Lord, even over Israel. Ary nitsangana izy ka niditra tao an-trano, dia naidiny tamin' ny lohany ny diloilo; ary hoy izy taminy: Izao no lazain' i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Efa nanosotra anao Aho ho mpanjakan' ny Isiraely oloko. Koa nitsangana nankao an-trano Jeho, ary ilay zatovo kosa sady nanidina ny diloilo tamin' ny lohany no nanao taminy hoe: Izao no lazain' ny Tompo Andriamanitr' Israely: Hosorako ho mpanjakan' Israely vahoakan' ny Tompo hianao. Alors Jéhu se leva et entra dans la maison. Le jeune homme lui versa l' huile sur la tête et lui dit : "Ainsi parle Yahvé, Dieu d' Israël. Je t' ai oint comme roi sur le peuple de Yahvé, sur Israël.
2Mp 9:7 And thou shalt smite the house of Ahab thy master, that I may avenge the blood of my servants the prophets, and the blood of all the servants of the Lord, at the hand of Jezebel. Ary hamely ny tamingan' i Ahaba tomponao ianao, mba hampanodiaviko an' i Jezebela ny ran' ny mpaminany mpanompoko sy ny ran' ny mpanompon' i Jehovah rehetra. Hamely ny tranon' i Akaba tomponao hianao, ary hampanodiaviko an' i Jezabela ny ran' ny mpaminany mpanompoko, sy ny ran' ny mpanompon' ny Tompo rehetra. Tu frapperas la famille d' Achab, ton maître, et je vengerai le sang de mes serviteurs les prophètes et de tous les serviteurs de Yahvé sur Jézabel
2Mp 9:8 For the whole house of Ahab shall perish: and I will cut off from Ahab him that pisseth against the wall, and him that is shut up and left in Israel: Eny, ho fongotra ny taranak' i Ahaba rehetra; ary haringako avokoa ny lehilahy rehetra amin' ny tamingany, na ny voahazona na ny afaka eo amin' ny Isiraely; Haringana ny tranon' i Akaba rehetra, hofongorako ny lahy rehetra izay an' i Akaba, na ny manompo olona na ny olona afaka amin' Israely, et sur toute la famille d' Achab. J' exterminerai les mâles de la famille d' Achab, liés ou libres en Israël.
2Mp 9:9 And I will make the house of Ahab like the house of Jeroboam the son of Nebat, and like the house of Baasha the son of Ahijah: Ary ny taranak' i Ahaba hataoko tahaka ny taranak' i Jeroboama, zanak' i Nebata, sy tahaka ny taranak' i Basa, zanak' i Ahia; ka hampanahafiko ny tranon' i Jeroboama zanak' i Nabata sy ny an' i Baasa zanak' i Ahia, ny tranon' i Akaba. Je traiterai la famille d' Achab comme celle de Jéroboam fils de Nebat et celle de Basha fils d' Ahiyya.
2Mp 9:10 And the dogs shall eat Jezebel in the portion of Jezreel, and there shall be none to bury her. And he opened the door, and fled. Ary Jezebela hohanin' ny alika ao amin' ny tany Jezirela, ka tsy hisy handevina azy. Dia namoha ny varavarana ilay zatovo ka lasa nandositra. Hohanin' ny alika eo amin' ny sahan' i Jezrahela Jezabela, ary tsy hisy olona handevina azy. Dia novohan' ilay zatovo ny varavarana, ka lasa nandositra izy. Quant à Jézabel, les chiens la dévoreront dans le champ de Yizréel; personne ne l' enterrera." Puis il ouvrit la porte et s' enfuit.
2Mp 9:11 Then Jehu came forth to the servants of his lord: and one said unto him, Is all well? wherefore came this mad fellow to thee? And he said unto them, Ye know the man, and his communication. Ary Jeho nivoaka nankao amin' ny mpanompon' ny tompony ary nanontaniany hoe: Raharaha tsara ihany va? Inona no nalehan' iny ilay adala iny tao aminao? Ary hoy izy taminy: Hianareo mahalala ihany an-dralehilahy sy ny heviny. Fa Jeho kosa nivoaka nankao amin' ny mpanompon' ny tompony, ka hoy ireo taminy hoe: Tsara ihany daholo va? Fa ahoana no nalehan' ilay adala iny tao aminao? Dia hoy ny navaliny azy ireo: Samy fantatrareo ihany, na ralehilahy na ny teniny. Jéhu sortit pour rejoindre les officiers de son maître. Ils lui demandèrent : "Tout va-t-il bien? Pourquoi ce fou est-il venu à toi?" Il répondit : "Vous connaissez l' homme et sa chanson!"
2Mp 9:12 And they said, It is false; tell us now. And he said, Thus and thus spake he to me, saying, Thus saith the Lord, I have anointed thee king over Israel. Fa hoy ireo: Lainga foana izany; fa ambarao aminay. Dia hoy izy: Izao ka izao no nolazainy tamiko: Izao ny lazain' i Jehovah: Efa nanosotra anao ho mpanjakan' ny Isiraely Aho. Fa namaly izy ireo nanao hoe: Lainga izany, fa ambarao aminay izany! Ary hoy izy hoe: Izany sy izany no nolazainy tamiko, nataony hoe: izao no lazain' ny Tompo: Hosorako ho mpanjakan' Israely hianao. Mais ils dirent : "C' est faux! Explique-nous donc!" Il dit : "Il m' a parlé de telle et telle façon et a dit : Ainsi parle Yahvé Je t' ai oint comme roi d' Israël."
2Mp 9:13 Then they hasted, and took every man his garment, and put it under him on the top of the stairs, and blew with trumpets, saying, Jehu is king. Dia samy nandray faingana ny lambany avy izy ireo ka namelatra azy hitoeran' i Jeho teo amin' ny ambaratonga, ary nitsoka ny anjomara izy niantso hoe: Jeho no mpanjaka. Niaraka tamin' izay samy nandray ny kapaotiny avy izy ireo sy nanao azy teo ambanin' i Jeho, teo an-tampon' ny ambaratonga; dia notsofiny ny anjomara, ka hoy izy: Jeho no mpanjaka! Aussitôt, tous prirent leurs manteaux et les étendirent sous lui, à même les degrés; ils sonnèrent du cor et crièrent "Jéhu est roi!"
2Mp 9:14 So Jehu the son of Jehoshaphat the son of Nimshi conspired against Joram. (Now Joram had kept Ramothgilead, he and all Israel, because of Hazael king of Syria. Ary Jeho, zanak' i Josafata, zanak' i Nimsy, nikomy tamin' i Jorama (fa Jorama mbamin' ny Isiraely rehetra niaro an' i Ramota-gileada noho ny fananihan' i Hazaela, mpanjakan' i Syria, azy; Nanao teti-dratsy Jeho zanak' i Josafata, zanak' i Namsì, hamely an' i Jorama. Jorama sy Israely rehetra tamin' izany, dia niaro an' i Ramota any Galaada, tsy ho azon' i Hazaela mpanjakan' i Siria, Jéhu fils de Yehoshaphat fils de Nimshi forma une conspiration contre Joram. Joram, avec tout Israël, gardait alors Ramot de Galaad contre une attaque de Hazaèl, roi d' Aram.
2Mp 9:15 But king Joram was returned to be healed in Jezreel of the wounds which the Syrians had given him, when he fought with Hazael king of Syria.) And Jehu said, If it be your minds, then let none go forth nor escape out of the city to go to tell it in Jezreel. Nefa Jorama mpanjaka efa niverina hotsaboina tao Jezirela amin' ny feriny tamin' ny nahavoazan' ny Syriana azy, fony izy niady tamin' i Hazaela, mpanjakan' i Syria), ka dia hoy Jeho; Raha izany ary no sitrakareo, aza avela hisy hiala eto an-tanàna handeha hilaza izany any Jezirela. saingy niverina nankany Jezrahela Jorama mpanjaka hampitsabo tena amin' ny ratra nahavoazan' ny Siriana azy, tamin' izy niady tamin' i Hazaela mpanjakan' i Siria. Ka hoy Jeho: Raha maniry izany ary hianareo, aza misy mitsoaka eto an-tanàna ny olona, ka andeha hilaza izany any Jezrahela. Mais le roi Joram était revenu à Yizréel pour faire soigner les blessures que les Araméens lui avaient infligées dans les combats qu' il soutenait contre Hazaèl, roi d' Aram. Jéhu dit : "Si c' est votre sentiment, que personne ne s'échappe de la ville et n' aille porter la nouvelle à Yizréel!"
2Mp 9:16 So Jehu rode in a chariot, and went to Jezreel; for Joram lay there. And Ahaziah king of Judah was come down to see Joram. Dia niakatra teo amin' ny kalesy Jeho ka nankany Jezirela, fa tany no nitoeran' i Jorama. Ary Ahazia, mpanjakan' ny Joda, efa nidina hamangy an' i Jorama. Dia niakatra teo amin' ny kalesiny Jeho, ka niainga nankany Jezrahela, fa nandry tany Jorama, ary nidina namangy an' i Jorama any koa Okoziasa mpanjakan' i Jodà. Jéhu monta en char et partit pour Yizréel; Joram y était alité et Ochozias, roi de Juda, était descendu le visiter.
2Mp 9:17 And there stood a watchman on the tower in Jezreel, and he spied the company of Jehu as he came, and said, I see a company. And Joram said, Take an horseman, and send to meet them, and let him say, Is it peace? Ary ny mpitily mitsangana teo an-tampon' ny tilikambo teo Jezirela ka nahatazana fa indrery olona betsaka tamy niaraka amin' i Jeho, ary hoy izy: Mahita olona betsaka aho. Ary hoy Jorama: Makà mpitaingin-tsoavaly, ka maniraha hitsena azy, ary asaovy manao hoe: Fihavanana va? Tazan' ny mpitily nitoetra tao an-tampon' ny tilikambon' i Jezrahela kosa ny nihavian' ny antoko-miaramilan' i Jeho ka nolazainy hoe: Mahatazana antoko-miaramila aho. Ary hoy Jorama: Makà mpitaingin-tsoavaly anankiray, iraho hitsena azy ireo ka hanontany hoe: Fihavanana va izao? Le guetteur, posté sur la tour de Yizréel, vit la troupe de Jéhu qui arrivait et annonça : "Je vois une troupe." Joram ordonna : "Qu' on prenne un cavalier, qu' on l' envoie au-devant de ces gens et qu' il demande : Cela va-t-il bien?"
2Mp 9:18 So there went one on horseback to meet him, and said, Thus saith the king, Is it peace? And Jehu said, What hast thou to do with peace? turn thee behind me. And the watchman told, saying, The messenger came to them, but he cometh not again. Dia nandeha ny mpitaingin-tsoavaly anankiray hitsena azy ka nanao taminy hoe: Izao no tenin' ny mpanjaka: Fihavanana va? Ary hoy Jeho: Ahoanao izay fihavanana? fa mankanesa ato aoriako ianao. Ary ny mpitily nilaza hoe: Ny iraka dia tonga teny aminy, nefa tsy niverina. Dia nandeha nitsena an' i Jeho ny mpitaingin-tsoavaly, ka nanao hoe: Izao no lazain' ny mpanjaka: Fihavanana va izao? Fa namaly Jeho nanao hoe: Mampaninona anao izay fihavanana? Fa avia aty aoriako hianao! Nampandre izany ny mpitily nanao hoe: Lasa tafapaka teny aminy ny iraka, nefa tsy niverina. Le cavalier alla au-devant de Jéhu et demanda : "Ainsi parle le roi : Cela va-t-il bien""Que t' importe si cela va bien? Répondit Jéhu. Passe derrière moi." Le guetteur annonça : "Le messager les a rejoints et ne revient pas."
2Mp 9:19 Then he sent out a second on horseback, which came to them, and said, Thus saith the king, Is it peace? And Jehu answered, What hast thou to do with peace? turn thee behind me. Dia naniraka mpitaingin-tsoavaly fanindroany Jorama, ary nony tonga teny koa izy, dia nanao hoe: Izao no tenin' ny mpanjaka: Fihavanana va? Ary Jeho namaly hoe: Ahoanao izay fihavanana? fa mankanesa ato aoriako ianao. Dia naniraka mpitaingin-tsoavaly fanindroany Jorama; ka tonga teny izy ary nanao hoe: Izao no lazain' ny mpanjaka: Fihavanana va izao? Fa namaly Jeho nanao hoe: Mampaninona anao izay fihavanana? Avia atý aoriako hianao! Le roi envoya un second cavalier; celui-ci les rejoignit et demanda : "Ainsi parle le roi : Cela va-t-il bien""Que t' importe si cela va bien? Répondit Jéhu. Passe derrière moi."
2Mp 9:20 And the watchman told, saying, He came even unto them, and cometh not again: and the driving is like the driving of Jehu the son of Nimshi; for he driveth furiously. Ary ny mpitily nilaza indray hoe: Tonga teny aminy koa iny, fa tsy niverina; ary ny fampiriotrany dia hoatra ny fampiriotran' i Jeho, zanak' i Nimsy; fa mampiriotra hoatra ny olona adala izy. Koa nampandre izany ny mpitily nanao hoe: Lasa tafapaka teny aminy ny iraka nefa tsy niverina. Sahala amin' ny fitarik' i Jeho zanak' i Namsì ny fitariny, fa nitarika toy ny olona adala izy. Le guetteur annonça : "Il les a rejoints et ne revient pas. La manière de conduire est celle de Jéhu fils de Nimshi : il conduit comme un fou!"
2Mp 9:21 And Joram said, Make ready. And his chariot was made ready. And Joram king of Israel and Ahaziah king of Judah went out, each in his chariot, and they went out against Jehu, and met him in the portion of Naboth the Jezreelite. Ary hoy Jorama: Ampiomany. Dia nampiomaniny ny kalesiny. Dia nivoaka Jorama, mpanjakan' ny Isiraely, sy Ahazia, mpanjakan' ny Joda, samy nitsangana teo amin' ny kalesiny avy ka nandeha hitsena an' i Jeho, ary nifanena taminy teo amin' ny tanin' i Nabota Jezirelita izy. Dia hoy Jorama: Ataovy amin' ny kalesy ny soavaly. Dia natao tamin' ny kalesiny ny soavaly. Nivoaka samy tamin' ny kalesiny avy, Jorama mpanjakan' Israely, sy Okoziasa, mpanjakan' i Jodà, nivoaka nitsena an' i Jeho, ka nifanena taminy tao amin' ny sahan' i Nabota, any Jezrahela. Joram dit : "Qu' on attelle!" et on attela son char. Joram, roi d' Israël, et Ochozias, roi de Juda, partirent, chacun sur son char, au-devant de Jéhu. Ils le rejoignirent dans le champ de Nabot de Yizréel.
2Mp 9:22 And it came to pass, when Joram saw Jehu, that he said, Is it peace, Jehu? And he answered, What peace, so long as the whoredoms of thy mother Jezebel and her witchcrafts are so many? Ary Jorama, nony nahita an' i Jeho, dia nanao hoe: Fihavanana va. ry Jeho? Fa izy namaly hoe: Aiza no hisy fihavanana, raha mbola ao ihany ny fijangajangan' i Jezebela reninao sy ny fankatovana betsaka ataony? Raha nahita an' i Jeho Jorama, dia nanao taminy hoe: Fihavanana va izao, ry Jeho? Fa namaly kosa Jeho: Inona no ho fihavanana eo raha mbola maharitra koa ny fijangajangan' i Jezabela reninao sy ny vorika betsaka ataony? Dès que Joram vit Jéhu, il demanda : "Cela va-t-il bien, Jéhu?" Celui-ci répondit : "Quelle question, tant que durent les prostitutions de ta mère Jézabel et ses nombreux sortilèges!"
2Mp 9:23 And Joram turned his hands, and fled, and said to Ahaziah, There is treachery, O Ahaziah. Ary Jorama nampihodina ka nandositra sady niteny tamin' i Ahazia hoe: Misy fitaka, ry Ahazia. Dia nampihodina ny kalesiny Jorama, nitsoaka nandositra, sady nilaza tamin' i Okoziasa hoe: Fivadihana ity, ry Okoziasa. Joram tourna bride et s' enfuit, en disant à Ochozias "Trahison, Ochozias!"
2Mp 9:24 And Jehu drew a bow with his full strength, and smote Jehoram between his arms, and the arrow went out at his heart, and he sunk down in his chariot. Ary nohenjanin' i Jeho mafy ny tsipìka teny an-tànany, dia nitifitra an' i Jorama izy ka nahavoa azy teo anelanelan' ny sorony, ary ny zana-tsipìka niboroaka tamin' ny fony, ka dia nampianjera azy tao anatin' ny kalesiny. Fa noraisin' i Jeho teo an-tànany kosa ny tsipìkany, nasiany Jorama teo anelanelan' ny sorony; tafagorobaka tamin' ny fony ny zana-tsipìka, ka nitambotsitra tao anaty kalesiny tao Jorama. Jéhu avait bandé son arc, il atteignit Joram entre les épaules et la flèche traversa le coeur du roi, qui s' affaissa sur son char.
2Mp 9:25 Then said Jehu to Bidkar his captain, Take up, and cast him in the portion of the field of Naboth the Jezreelite: for remember how that, when I and thou rode together after Ahab his father, the Lord laid this burden upon him; Ary hoy Jeho tamin' i Bidkara lefiny: Betao izy, ka atsipazo ao amin' ny sahan' i Nabota Jezirelita; fa tsarovy fa fony izaho sy ianao samy nitaingina kalesy nanaraka an' i Ahaba rainy, dia nolazain' i Jehovah fa hihatra aminy izao loza voalaza izao hoe: Ary hoy Jeho tamin' i Badakera lefiny: Raiso io, atsipazo ao amin' ny sahan' i Nabota ao Jezrahela, satria tsarovy ilay izaho sy hianao niara-nitaingin-tsoavaly nanaraka an' i Akaba iny, ka nitenenan' ny Tompo izao teny nihatra taminy izao hoe: Jéhu dit à Bidqar son écuyer : "Enlève-le et jette-le dans le champ de Nabot de Yizréel. Souviens-toi : lorsque moi et toi nous étions tous deux en char derrière son père Achab, Yahvé a prononcé contre lui cette sentence
2Mp 9:26 Surely I have seen yesterday the blood of Naboth, and the blood of his sons, saith the Lord; and I will requite thee in this plat, saith the Lord. Now therefore take and cast him into the plat of ground, according to the word of the Lord. Efa hitako tokoa omaly ny ran' i Nabota sy ny ran' ny zanany, hoy Jehovah, ary Izaho hamaly anao eto amin' ity tany ity, hoy Jehovah. Koa betao izy, ka atsipazo amin' io tany io araka ny tenin' i Jehovah. Marina fa toy ny nahitako omaly ny ran' i Nabota sy ny ran-janany, - teny marin' ny Tompo izao, - dia hataoko ho todin' izany hianao ato amin' ity saha ity ihany, - teny marin' ny Tompo izao; - koa raiso io, atsipazo amin' ny saha araka ny tenin' ny Tompo. Je l' assure! J' ai vu hier le sang de Nabot et le sang de ses fils, oracle de Yahvé. Je te rendrai la pareille dans ce champ même, oracle de Yahvé. Enlève-le donc et jette-le dans le champ, selon la parole de Yahvé."
2Mp 9:27 But when Ahaziah the king of Judah saw this, he fled by the way of the garden house. And Jehu followed after him, and said, Smite him also in the chariot. And they did so at the going up to Gur, which is by Ibleam. And he fled to Megiddo, and died there. Ary nony hitan' i Ahazia, mpanjakan' ny Joda, izany, dia nandositra tamin' ny lalana mankamin' ny trano ao anatin' ny saha izy. Ary Jeho nanaraka azy ka nanao hoe: Indry, asio koa iny; dia nasiany teo anatin' ny kalesiny teo amin' ny fiakarana ho any Gora, izay eo anilan' i Jibleama, izy. Ary nandositra nankany Megido Ahazia ka maty teo. Raha nahita izany Okoziasa mpanjakan' i Jodà, dia nandositra tamin' ny làlan' ny tranon' ny zaridaina. Fa nenjehin' i Jeho izy sady nataony hoe: Asio ao anaty kalesiny ao ihany koa iny. Dia nasian' ny olona izy, teo amin' ny fiakaran' i Gavera, akaikin' i Jeblaama. Nandositra nankany Magedao izy, dia maty tao. Quand Ochozias, roi de Juda, eut vu cela, il prit la fuite sur la route de Bet-ha-Gân, mais Jéhu le poursuivit et ordonna "Lui aussi, frappez-le!" On le blessa sur son char, à la montée de Gur, qui est près de Yibleam, et il se réfugia à Megiddo où il mourut.
2Mp 9:28 And his servants carried him in a chariot to Jerusalem, and buried him in his sepulchre with his fathers in the city of David. Ary ny mpanompony nitondra azy tamin' ny kalesiny ho any Jerosalema ka nandevina azy tao am-pasany ao amin' ny razany tao an-tanànan' i Davida. Nentin' ny mpanompony tamin' ny kalesy ho any Jerosalema izy, ka naleviny tao am-pasany, tao amin' ny razany, ao an-tanànan' i Davida. Ses serviteurs le portèrent en char à Jérusalem et l' ensevelirent dans son tombeau, dans la Cité de David.
2Mp 9:29 And in the eleventh year of Joram the son of Ahab began Ahaziah to reign over Judah. Ary tamin' ny taona fahiraika ambin' ny folo nanjakan' i Jorama, zanak' i Ahaba, no vao nanjakan' i Ahazia tamin' ny tany Joda. Tamin' ny taona faharaika ambin' ny folon' ny nanjakan' i Jorama, zanak' i Akaba, no nahatongavan' i Okoziasa ho mpanjakan' i Jodà. C'était en la onzième année de Joram fils d' Achab qu' Ochozias était devenu roi de Juda.
2Mp 9:30 And when Jehu was come to Jezreel, Jezebel heard of it; and she painted her face, and tired her head, and looked out at a window. Dia tonga tany Jezirela Jeho; ary nony nandre izany Jezebela, dia nohosorany loko mainty ny masony, sady noravahany ny lohany, dia nitsidika teo am-baravarankely izy. Dia niditra tao Jezrahela Jeho. Raha nandre izany Jezabela dia notentenany ny masony, noravahany ny lohany, ka nitsidika teo am-baravarankely izy. Jéhu rentra à Yizréel et Jézabel l' apprit. Elle se farda les yeux, s' orna la tête, se mit à la fenêtre
2Mp 9:31 And as Jehu entered in at the gate, she said, Had Zimri peace, who slew his master? Ary nony niditra teo am-bavahady Jeho, dia hoy Jezebela: Fihavanana va, ry Zimry, mpamono tompo? Nony niditra ny vavahady Jeho dia hoy izy: Fihavanana va izao, ry Zamrì, mpamono tompo? et, lorsque Jéhu franchit la porte, elle dit : "Cela va-t-il bien, Zimri, assassin de son maître?"
2Mp 9:32 And he lifted up his face to the window, and said, Who is on my side? who? And there looked out to him two or three eunuchs. Ary niandrandra ny varavaran-kely Jeho ka nanao hoe: Iza aminareo ireo no momba ahy? Iza? Ary nisy tandapa roa na telo teo nitsirika azy. Niandrandra tany am-baravarankely izy, dia nanao hoe: Iza no momba ahy? Iza? Eonoka roa na telo no nitsirika avy, Jéhu leva la tête vers la fenêtre et dit : "Qui est avec moi, qui?" Et deux ou trois eunuques se penchèrent vers lui.
2Mp 9:33 And he said, Throw her down. So they threw her down: and some of her blood was sprinkled on the wall, and on the horses: and he trode her under foot. Ary hoy Izy: Azerao io vehivavy io. Dia nazerany izy; ka nisy nipitipitika tamin' ny rindrin-trano sy ny soavaly ny ràny; ka dia nohitsahin' i Jeho izy. dia nataony hoe: Azerao atý ambany izy io! Dia nazeran' ireo izy, ka nifantsitsitra tamin' ny rindrina sy ny soavaly ny rany, ary nohosen' i Jeho tamin' ny tongony izy. Il dit : "Jetez-la en bas." Ils la jetèrent en bas, son sang éclaboussa le mur et les chevaux, et Jéhu lui passa sur le corps.
2Mp 9:34 And when he was come in, he did eat and drink, and said, Go, see now this cursed woman, and bury her: for she is a king' s daughter. Dia niditra tao an-trano Jeho ka nihinana sy nisotro, ary dia nilaza hoe: Mandehana, Izahao ilay vehivavy voaozona, ka aleveno, fa zanakavavin' ny mpanjaka izy. Rahefa izany dia niditra izy ary nihinana sy nisotro ka nanao hoe: Mandehana tsiriho ilay vehivavy voaozona dia aleveno, fa zanaky ny mpanjaka izy. Il entra, mangea et but, puis il ordonna : "Occupez-vous de cette maudite et donnez-lui la sépulture, car elle est fille de roi."
2Mp 9:35 And they went to bury her: but they found no more of her than the skull, and the feet, and the palms of her hands. Koa dia lasa ireo handevina azy; nefa tsy nisy tratrany teo afa-tsy ny karan-dohany sy ny tongony ary ny felatanany ihany. Dia nandeha handevina azy izy ireo, kanjo ny karan-dohany sy ny tongony aman-pelatanany sisa tratrany teo. On alla pour l' ensevelir, mais on ne trouva d' elle que le crâne, les pieds et les mains.
2Mp 9:36 Wherefore they came again, and told him. And he said, This is the word of the Lord, which he spake by his servant Elijah the Tishbite, saying, In the portion of Jezreel shall dogs eat the flesh of Jezebel: Ary niverina ireo ka nanambara taminy. Ary hoy Jeho: Araka ny tenin' i Jehovah izany, dia ilay nampilazainy an' i Elia Tisbita mpanompony hoe: Ao amin' ny tany Jezirela no hihinanan' ny alika ny nofon' i Jezebela, Ka niverina nilaza izany tamin' i Jeho izy, fa hoy izy: Izany no tenin' ny Tompo notononiny tamin' ny alàlan' i Elia Tesbita, nataony hoe: Hohanin' ny alika ao amin' ny sahan' i Jezrahela ny nofon' i Jezabela, ary hanahaka ny zezika eo ambonin' ny tany ao amin' ny sahan' i Jezrahela ny fatin' i Jezabela, ka tsy ho azo lazaina akory hoe: Jezabela ity. On revint en informer Jéhu, qui dit : "C' est la parole de Yahvé, qu' il a prononcée par le ministère de son serviteur Elie le Tishbite : Dans le champ de Yizréel, les chiens dévoreront la chair de Jézabel,
2Mp 9:37 And the carcase of Jezebel shall be as dung upon the face of the field in the portion of Jezreel; so that they shall not say, This is Jezebel. Ary ny fatiny ho toy ny zezika any an-tsaha, ny amin' ny tany Jezirela, ka tsy hisy hahazo milaza hoe Jezebela ity. le cadavre de Jézabel sera comme du fumier épandu dans la campagne, en sorte qu' on ne pourra pas dire : C' est Jézabel."

<-
->