<-
->

2Mp 24:1 In his days Nebuchadnezzar king of Babylon came up, and Jehoiakim became his servant three years: then he turned and rebelled against him. Tamin' ny andro nanjakan' i Joiakima no niakaran' i Nebokadnezara, mpanjakan' i Babylona, ary nanoa azy telo taona Joiakima, dia nivadika ka niodina taminy. Fony fahavelony dia lasa niantafika Nabokodonosora mpanjakan' i Babilona, ka nanoa azy telo taona Joakima; fa niodina taminy indray izy. De son temps, Nabuchodonosor, roi de Babylone, fit campagne, et Joiaqim lui fut soumis pendant trois ans puis se révolta de nouveau contre lui.
2Mp 24:2 And the Lord sent against him bands of the Chaldees, and bands of the Syrians, and bands of the Moabites, and bands of the children of Ammon, and sent them against Judah to destroy it, according to the word of the Lord, which he spake by his servants the prophets. Ary Jehovah nampandeha ny miaramilan' ny Kaldeana sy ny miaramilan' ny Syriana sy ny miaramilan' i Moaba ary ny miaramilan' ny taranak' i Amona hiady aminy: dia nampandehaniny hiady amin' ny Joda ireo mba handrava azy araka ny tenin' i Jehovah, izay nampilazainy ny mpaminany mpanompony. Nalefan' ny Tompo hamely an' i Joakima ny antoko-miaramila Kaldeana, ny antoko-miaramila Siriana, ny antoko-miaramila Moabita, ary ny antoko-miaramila Amonita, ka ny nandefasany an' ireo hamely an' i Jodà, dia ny mba handravany azy, araka ny tenin' ny Tompo izay notononiny tamin' ny alalan' ny mpaminany mpanompony. Celui-ci envoya sur lui les bandes des Chaldéens, celles des Araméens, celles des Moabites, celles des Ammonites, il les envoya sur Juda pour le détruire, conformément à la parole que Yahvé avait prononcée par le ministère de ses serviteurs les prophètes.
2Mp 24:3 Surely at the commandment of the Lord came this upon Judah, to remove them out of his sight, for the sins of Manasseh, according to all that he did; Dia araka ny tenin' i Jehovah ihany no nahatongavan' izany tamin' ny Joda, hanesorany azy tsy ho eo imasony noho ny fahotan' i Manase tahaka izay rehetra nataony Lahatry ny Tompo tokana ihany no nahatongavan' izany tamin' i Jodà mba hanesorany azy tsy ho eo anatrehan' ny tavany, noho ny fahotana rehetra nataon' i Manase, Cela arriva à Juda uniquement à cause de la colère de Yahvé, qui voulait l'écarter de devant sa face, pour les péchés de Manassé, pour tout ce qu' avait fait celui-ci
2Mp 24:4 And also for the innocent blood that he shed: for he filled Jerusalem with innocent blood; which the Lord would not pardon. sy noho ny rà marina izay nalatsany koa; fa nofenoiny rà marina Jerosalema; koa izany no tsy netezan' i Jehovah hamela ny helony. sy noho ny ra tsy manan-tsiny nalatsany be loatra ka nataony feno ra tsy manan-tsiny Jerosalema, koa tsy nety namela izany Iaveh. et aussi pour le sang innocent qu' il avait répandu, inondant Jérusalem de sang innocent. Yahvé ne voulut pas pardonner.
2Mp 24:5 Now the rest of the acts of Jehoiakim, and all that he did, are they not written in the book of the chronicles of the kings of Judah? Ary ny tantaran' i Joiakima sisa mbamin' izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin' ny bokin' ny tantaran' ny mpanjakan' ny Joda va izany? Ny sisa tamin' ny asan' i Joakima mbamin' izay rehetra nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin' ny bokin' ny Tantaran' ny mpanjakan' i Jodà va izany? Le reste de l' histoire de Joiaqim et tout ce qu' il a fait, cela n' est-il pas écrit au livre des Annales des rois de Juda?
2Mp 24:6 So Jehoiakim slept with his fathers: and Jehoiachin his son reigned in his stead. Ary Joiakima lasa nodimandry any amin' ny razany, ka Joiakina zanany no nanjaka nandimby azy. Ary nodimandry any amin' ny razany Joakima ka Joasina zanany no nanjaka nandimby azy. Joiaqim se coucha avec ses pères et Joiakîn son fils régna à sa place.
2Mp 24:7 And the king of Egypt came not again any more out of his land: for the king of Babylon had taken from the river of Egypt unto the river Euphrates all that pertained to the king of Egypt. Ary ny mpanjakan' i Egypta tsy nivoaka avy tany amin' ny taniny intsony; fa lasan' ny mpanjakan' i Babylona izay rehetra an' ny mpanjakan' i Egypta hatramin' ny lohasahan-driak' i Egypta ka hatramin' ny ony Eofrata. Tsy nivoaka avy tany amin' ny taniny intsony ny mpanjakan' i Ejipta, fa lasan' ny mpanjakan' i Babilona avokoa izay an' ny mpanjakan' i Ejipta, hatramin' ny ranon-driakan' i Ejipta, ka hatramin' ny ony Eofrata. Le roi d' Egypte ne sortit plus de son pays, car le roi de Babylone avait conquis, depuis le Torrent d' Egypte jusqu' au fleuve de l' Euphrate, tout ce qui appartenait au roi d' Egypte.
2Mp 24:8 Jehoiachin was eighteen years old when he began to reign, and he reigned in Jerusalem three months. And his mother' s name was Nehushta, the daughter of Elnathan of Jerusalem. Valo ambin' ny folo taona Joiakina, fony izy vao nanjaka, ary telo volana no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Nehosta, zanakavavin' i Elnatana, avy any Jerosalema. Valo ambin' ny folo taona Joasina fony vao nanjaka, ary telo volana no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Nohesta zanak' i Elnatana avy ao Jerosalema. Joiakîn avait dix-huit ans à son avènement et il régna trois mois à Jérusalem; sa mère s' appelait Nehushta, fille d' Elnatân, et était de Jérusalem.
2Mp 24:9 And he did that which was evil in the sight of the Lord, according to all that his father had done. Ary nanao izay ratsy eo imason' i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon-drainy. Nanao izay ratsy eo imason' ny Tompo araka izay rehetra nataon-drainy izy. Il fit ce qui déplaît à Yahvé, tout comme avait fait son père.
2Mp 24:10 At that time the servants of Nebuchadnezzar king of Babylon came up against Jerusalem, and the city was besieged. Tamin' izany andro izany no niakaran' ny mpanompon' i Nebokadnezara. mpanjakan' i Babylona, hamely an' i Jerosalema, ary nataony fahirano ny tanàna. Niakatra hamely an' i Jerosalema ny mpanompon' i Nabokodonosora mpanjakan' i Babilona tamin' izany, ka natao fahirano ny tanàna. En ce temps-là, les officiers de Nabuchodonosor, roi de Babylone, marchèrent contre Jérusalem et la ville fut investie.
2Mp 24:11 And Nebuchadnezzar king of Babylon came against the city, and his servants did besiege it. Dia tonga koa Nebokadnezera, mpanjakan' i Babylona, hamely ny tanàna, raha mbola nanao fahirano azy ny mpanompony. Ary mbola nanao fahirano azy ny mpanompony no tonga teo anoloan' ny tanàna koa Nabokodonosora mpanjakan' i Babilona. Nabuchodonosor, roi de Babylone, vint lui-même attaquer la ville, pendant que ses officiers l' assiégeaient.
2Mp 24:12 And Jehoiachin the king of Judah went out to the king of Babylon, he, and his mother, and his servants, and his princes, and his officers: and the king of Babylon took him in the eighth year of his reign. Ary Joiakina, mpanjakan' ny Joda, nivoaka nankany amin' ny mpanjakan' i Babylona, dia izy sy ny reniny ary ny mpanompony sy ny mpanapaka mbamin' ny tandapany; ary nentin' ny mpanjakan' i Babylona izy tamin' ny taona fahavalo nanjakany. Tamin' izany dia nivoaka nankao amin' ny mpanjakan' i Babilona Joasina, mpanjakan' i Jodà, mbamin' ny reniny, ny mpanompony, ny manam-boninahiny sy ny eonokany, dia nataon' ny mpanjakan' i Babilona sambo-belona izy, tamin' ny taona fahavalo nanjakany. Alors Joiakîn, roi de Juda, se rendit au roi de Babylone, lui, sa mère, ses officiers, ses dignitaires et ses eunuques, et le roi de Babylone les fit prisonniers; c'était en la huitième année de son règne.
2Mp 24:13 And he carried out thence all the treasures of the house of the Lord, and the treasures of the king' s house, and cut in pieces all the vessels of gold which Solomon king of Israel had made in the temple of the Lord, as the Lord had said. Ary navoakan' i Nebokadnezara avy tao ny rakitra rehetra tao an-tranon' i Jehovah sy tao an-tranon' ny mpanjaka, dia nendahany ny volamena rehetra izay nataon' i Solomona, mpanjakan' ny Isiraely, tao amin' ny tempolin' i Jehovah, araka izay nolazain' i Jehovah. Nogoahina tao avokoa ny rakitra rehetra tao an-tranon' ny Tompo sy ny rakitra tao an-tranon' ny mpanjaka, ary novakina daholo ny fanaka volamena nataon' i Salomona, mpanjakan' Israely, tao an-tranon' ny Tompo, araka izay efa voalazan' ny Tompo rahateo. Celui-ci emporta tous les trésors du Temple de Yahvé et les trésors du palais royal et il brisa tous les objets d' or que Salomon, roi d' Israël, avait fabriqués pour le sanctuaire de Yahvé, comme l' avait annoncé Yahvé.
2Mp 24:14 And he carried away all Jerusalem, and all the princes, and all the mighty men of valour, even ten thousand captives, and all the craftsmen and smiths: none remained, save the poorest sort of the people of the land. Ary nentiny ho babo ny tao Jerosalema rehetra sy ny mpanapaka rehetra sy ny lehilahy mahery rehetra, dia olona iray alina, mbamin' ny mahay tao-zavatra rehetra sy ny mpanefy koa, ka tsy nisy sisa navelany afa-tsy izay tompon-tany faraidina. Nentina ho babo avokoa Jerosalema manontolo, ny mpifehy rehetra sy ny lehilahy mahery rehetra, dia olon-tsambo-belona iray alina, mbamin' ny mpanao taozavatra rehetra sy ny mpanefy vy; ny olo-mahantra tao amin' ny tany ihany no sisa tafajanona. Il emmena en exil tout Jérusalem, tous les dignitaires et tous les notables, soit 10.000 exilés, et tous les forgerons et serruriers; seule fut laissée la plus pauvre population du pays.
2Mp 24:15 And he carried away Jehoiachin to Babylon, and the king' s mother, and the king' s wives, and his officers, and the mighty of the land, those carried he into captivity from Jerusalem to Babylon. Ary nitondra an' i Joiakina koa ho babo any Babylona izy; ary ny renin' ny mpanjaka sy ny vadin' ny mpanjaka sy ny tandapa sy ny lehilahy mahery amin' ny tany dia nentiny ho babo avy tany Jerosalema ho any Babylona. Nentina ho any Babilona Joasina, nentiny ho babo avy any Jerosalema ho any Babilona ny renin' ny mpanjaka, ny vadin' ny mpanjaka rehetra, ny eonokany, ny olo-malaza amin' ny tany. Il déporta Joiakîn à Babylone; de même la mère du roi, les femmes du roi, ses eunuques, les nobles du pays, il les fit partir en exil de Jérusalem à Babylone.
2Mp 24:16 And all the men of might, even seven thousand, and craftsmen and smiths a thousand, all that were strong and apt for war, even them the king of Babylon brought captive to Babylon. Ary ny lehilahy mahery rehetra, dia fito arivo, ary ny mahay tao-zavatra sy ny mpanefy arivo lahy, izay samy mahery sy mahay miady, dia nentin' ny mpanjakan' i Babylona ho babo tany Babylona avokoa. Fanampin' izany koa ny lehilahy mahery rehetra nisy fito arivo, mbamin' ny mpanao taozavatra sy mpanefy vy arivo lahy, samy lehilahy mahery sy mahay miady, dia nentin' ny mpanjakan' i Babilona ho babo any Babilona daholo. Tous les gens de condition, au nombre de 7.000, les forgerons et les serruriers, au nombre de mille, tous les hommes en état de porter les armes, furent conduits en exil à Babylone par le roi de Babylone.
2Mp 24:17 And the king of Babylon made Mattaniah his father' s brother king in his stead, and changed his name to Zedekiah. Ary Matania, rahalahin-drainy, no notendren' ny mpanjakan' i Babylona ho mpanjaka hisolo an' i Joiakina, ka novany hoe Zedekia no anarany. Ary ny natsangan' ny mpanjakan' i Babilona ho mpanjaka hisolo an' i Joasina, dia Mataniasa rahalahin-drainy, ka novany hoe Sedesiasa ny anarany. Le roi de Babylone établit roi à la place de Joiakîn son oncle Mattanya, dont il changea le nom en celui de Sédécias.
2Mp 24:18 Zedekiah was twenty and one years old when he began to reign, and he reigned eleven years in Jerusalem. And his mother' s name was Hamutal, the daughter of Jeremiah of Libnah. Iraika amby roa-polo taona Zedekia, fony izy vao nanjaka, ary iraika ambin' ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Hamotala, zanakavavin' i Jeremia, avy any Libna. Iraika amby roapolo taona Sedesiasa fony vao nanjaka, ary nanjaka iraika ambin' ny folo taona tao Jerosalema izy. Ny anaran-dreniny dia Amitala zanak' i Jeremia avy ao Lobnà. Sédécias avait vingt ans à son avènement et il régna onze ans à Jérusalem; sa mère s' appelait Hamital, fille de Yirmeyahu, et était de Libna.
2Mp 24:19 And he did that which was evil in the sight of the Lord, according to all that Jehoiakim had done. Ary nanao izay ratsy eo imason' i Jehovah izy, tahaka izay rehetra nataon' i Joiakima. Nanao izay ratsy eo imason' ny Tompo izy, fa naka tahaka izay rehetra nataon' i Joakima. Il fit ce qui déplaît à Yahvé, tout comme avait fait Joiaqim.
2Mp 24:20 For through the anger of the Lord it came to pass in Jerusalem and Judah, until he had cast them out from his presence, that Zedekiah rebelled against the king of Babylon. Fa ny fahatezeran' i Jehovah no nahatongavan' izany tamin' i Jerosalema sy ny Joda ambara-pandroakany azy tsy ho eo anatrehany. Ary Zedekia niodina tamin' ny mpanjakan' i Babylona. Nihatra tamin' i Jerosalema sy Jodà izany, noho ny hatezeran' ny Tompo, mandra-panesorany azy hiala eo anatrehan' ny tavany. Ary niodina tamin' ny mpanjakan' i Babilona Sedesiasa. Cela arriva à Jérusalem et à Juda à cause de la colère de Yahvé, tant qu' enfin il les rejeta de devant sa face. Sédécias se révolta contre le roi de Babylone.

<-
->