<-
->

2Mp 3:1 Now Jehoram the son of Ahab began to reign over Israel in Samaria the eighteenth year of Jehoshaphat king of Judah, and reigned twelve years. Ary Jorama, zanak' i Ahaba, vao nanjaka tamin' ny Isiraely tao Samaria tamin' ny fahavalo ambin' ny folo taona nanjakan' i Josafata, mpanjakan' ny Joda, ary nanjaka roa ambin' ny folo taona izy. Tamin' ny taona fahavalo ambin' ny folon' i Josafata mpanjakan' i Jodà, no tonga mpanjakan' Israely tao Samaria Jorama zanak' i Akaba, ary roa ambin' ny folo taona no nanjakany. Joram fils d' Achab devint roi sur Israël à Samarie en la dix-huitième année de Josaphat roi de Juda, et il régna douze ans.
2Mp 3:2 And he wrought evil in the sight of the Lord; but not like his father, and like his mother: for he put away the image of Baal that his father had made. Ary nanao izay ratsy eo imason' i Jehovah koa izy, nefa kosa tsy dia tahaka an-drainy, na tahaka an-dreniny; fa nanaisotra ilay tsangam-baton' i Bala izay nataon' drainy izy; Nanao izay ratsy eo imason' ny Tompo izy, nefa kosa tsy dia tahaka an-drainy aman-dreniny tsy akory, satria nesoriny ilay tsangam-baton' i Baala nataon-drainy. Il fit ce qui déplaît à Yahvé; non pas pourtant comme son père et sa mère, car il supprima la stèle de Baal que son père avait faite.
2Mp 3:3 Nevertheless he cleaved unto the sins of Jeroboam the son of Nebat, which made Israel to sin; he departed not therefrom. nefa izy nikikitra tamin' ny fahotan' i Jeroboama, zanak' i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely, fa tsy niala tamin' izany. Fa nikiry tamin' ny fahotan' i Jeroboama zanak' i Nabata nampanota an' Israely izy, ka tsy nialany izany. Seulement, il resta attaché aux péchés où Jéroboam fils de Nebat entraîna Israël et ne s' en détourna pas.
2Mp 3:4 And Mesha king of Moab was a sheepmaster, and rendered unto the king of Israel an hundred thousand lambs, and an hundred thousand rams, with the wool. Ary Mesa, mpanjakan' i Moaba, nanana ondry betsaka; ary nandoa hetra ho an' ny mpanjakan' ny Isiraely izy, dia zanak' ondry iray hetsy sy ny volon' ondrilahy iray hetsy. Ary nanana biby fiompy Mesa mpanjakan' i Moaba, ka nandoa zanak' ondry iray hetsy sy ondralahy iray hetsy, mbamin' ny volony koa, ho an' ny mpanjakan' Israely. Mésha, roi de Moab, était éleveur de troupeaux et il livrait en tribut au roi d' Israël 100.000 agneaux et 100.000 béliers avec leur laine;
2Mp 3:5 But it came to pass, when Ahab was dead, that the king of Moab rebelled against the king of Israel. Fa rehefa maty Ahaba, dia niodina tamin' ny mpanjakan' ny Isiraely ny mpanjakan' i Moaba. Nony maty anefa Akaba dia niodina tamin' ny mpanjakan' Israely ny mpanjakan' i Moaba. mais, à la mort d' Achab, le roi de Moab se révolta contre le roi d' Israël.
2Mp 3:6 And king Jehoram went out of Samaria the same time, and numbered all Israel. Ary Jorama mpanjaka nivoaka avy tany Samaria tamin' izany andro izany ka nandamina ny Isiraely rehetra. Ka nivoaka avy tao Samaria Jorama mpanjaka, tamin' izany andro izany, nampanao matso an' Israely rehetra. En ce temps-là, le roi Joram sortit de Samarie et passa en revue tout Israël.
2Mp 3:7 And he went and sent to Jehoshaphat the king of Judah, saying, The king of Moab hath rebelled against me: wilt thou go with me against Moab to battle? And he said, I will go up: I am as thou art, my people as thy people, and my horses as thy horses. Ary nandeha izy, dia naniraka tany amin' i Josafata, mpanjakan' ny Joda, ka nanao hoe: Ny mpanjakan' i Moaba efa niodina tamiko: koa mba hiaraka amiko va ianao hiady aminy? Ary hoy izy: Eny, handeha aho, fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny oloko dia olonao, ary ny soavaliko dia soavalinao. Niainga nandeha izy, ka nampilaza tamin' i Josafata mpanjakan' i Jodà hoe: Niodina tamiko ny mpanjakan' i Moaba ka mba hiaraka amiko hiady amin' i Moaba va hianao? Ary hoy ny navalin' i Josafata: Eny handeha aho, fa ny tenako dia toy ny tenanao ihany, ny oloko dia toy ny olonao, ny soavaliko toy ny soavalinao. Ensuite, il envoya ce message au roi de Juda : "Le roi de Moab s' est révolté contre moi. Viendras-tu faire la guerre avec moi en Moab?" Le roi de Juda répondit : "Je viendrai! Il en sera pour moi comme pour toi; pour mon peuple comme pour ton peuple, pour mes chevaux comme pour tes chevaux!"
2Mp 3:8 And he said, Which way shall we go up? And he answered, The way through the wilderness of Edom. Ary hoy izy: Aiza ary no lalana halehantsika? Ary izy namaly hoe: Ilay mamaky ny efitr' i Edoma. Dia hoy koa izy: Iza no làlana hombantsika? Ka hoy Jorama: Ilay làlan' ny efitr' i Edoma. Il ajouta : "Par quel chemin monterons-nous?" Et l' autre répondit : "Par le chemin du désert d' Edom."
2Mp 3:9 So the king of Israel went, and the king of Judah, and the king of Edom: and they fetched a compass of seven days' journey: and there was no water for the host, and for the cattle that followed them. Dia nandeha ny mpanjakan' ny Isiraely sy ny mpanjakan' ny Joda ary ny mpanjakan' i Edoma; ary nandeha nanodidina lalan-kafitoana izy; ary tsy nisy rano ho an' ny miaramila sy ny biby fiompy izay nentiny. Dia niainga ny mpanjakan' Israely sy ny mpanjakan' i Jodà ary ny mpanjakan' i Edoma. Nony nandeha lalan-kafitoana izy ireo, dia tsy nisy rano ho an' ny tafika sy ny biby nomba azy, Le roi d' Israël, le roi de Juda et le roi d' Edom partirent. Ils firent un détour de sept jours de marche et l' eau manqua pour la troupe et pour les bêtes de somme qui suivaient.
2Mp 3:10 And the king of Israel said, Alas! that the Lord hath called these three kings together, to deliver them into the hand of Moab! Dia hoy ny mpanjakan' ny Isiraely: Indrisy! Jehovah efa niantso ireto mpanjaka telo ireto mba hatolony eo an-tànan' i Moaba. ka hoy ny mpanjakan' Israely: Indrisy, ny hanolotra azy eo an-tanan' i Moaba no niantsoan' ny Tompo an' ireto mpanjaka telo ireto! Le roi d' Israël s'écria : "Malheur! c' est que Yahvé a appelé les trois rois que nous sommes pour les livrer aux mains de Moab!"
2Mp 3:11 But Jehoshaphat said, Is there not here a prophet of the Lord, that we may enquire of the Lord by him? And one of the king of Israel' s servants answered and said, Here is Elisha the son of Shaphat, which poured water on the hands of Elijah. Ary hoy Josafata: Tsy misy mpaminanin' i Jehovah va eto hanontaniantsika amin' i Jehovah? Ary nisy anankiray tamin' ny mpanompon' ny mpanjakan' ny Isiraely namaly ka nanao hoe: Ato ihany Elisa, zanak' i Safata, ilay mpanondra-drano ny tànan' i Elia. Fa hoy kosa Josafata: Tsy misy mpaminanin' ny Tompo va eto, azontsika anontaniana amin' ny Tompo? Dia namaly ny anankiray tamin' ny mpanompon' ny mpanjakan' Israely nanao hoe: Eto ihany Elisea zanak' i Safata ilay mpampidina rano tamin' ny tanan' i Elia. Mais le roi de Juda dit : "N' y a-t-il pas ici un prophète de Yahvé, que nous consultions Yahvé par lui?" Alors un des serviteurs du roi d' Israël répondit : "Il y a Elisée fils de Shaphat, qui versait l' eau sur les mains d' Elie."
2Mp 3:12 And Jehoshaphat said, The word of the Lord is with him. So the king of Israel and Jehoshaphat and the king of Edom went down to him. Ary hoy Josafata: Ao amin' izy io tokoa ny tenin' i Jehovah. Dia nidina nankany amin' i Elisa ny mpanjakan' ny Isiraely sy Josafata ary ny mpanjakan' i Edoma. Ka hoy Josafata: Ao amin' izy iny ny tenin' ny Tompo. Dia nidina nankany aminy ny mpanjakan' Israely sy Josafata mpanjakan' i Jodà, ary ny mpanjakan' i Edoma. Le roi de Juda dit : "Il a la parole de Yahvé." Le roi d' Israël, le roi de Juda et le roi d' Edom descendirent donc vers lui.
2Mp 3:13 And Elisha said unto the king of Israel, What have I to do with thee? get thee to the prophets of thy father, and to the prophets of thy mother. And the king of Israel said unto him, Nay: for the Lord hath called these three kings together, to deliver them into the hand of Moab. Ary hoy Elisa tamin' ny mpanjakan' ny Isiraely: Moa mifaninona akory izaho sy ianao? Mandehana any amin' ny mpaminanin-drainao sy ny mpaminanin-dreninao ianao. Fa hoy ny mpanjakan' ny Isiraely taminy: Tsia, fa Jehovah efa niantso ireto mpanjaka telo ireto mba hatolony eo an-tànan' i Moaba. Dia hoy Elisea tamin' ny mpanjakan' Israely: Mba mitady inona atý amiko koa ity hianao? Any amin' ny mpaminanin-drainao sy amin' ny mpaminanin-dreninao aleha. Fa hoy ny mpanjakan' Israely taminy: Tsia, fa ny hanoloran' ny Tompo an' ireto mpanjaka telo ireto eo an-tanan' i Moaba no niantsoany azy. Mais Elisée dit au roi d' Israël : "Qu' ai-je à faire avec toi? Va trouver les prophètes de ton père et les prophètes de ta mère!" Le roi d' Israël lui répondit : "Mais non! c' est que Yahvé a appelé les trois rois que nous sommes pour les livrer aux mains de Moab!"
2Mp 3:14 And Elisha said, As the Lord of hosts liveth, before whom I stand, surely, were it not that I regard the presence of Jehoshaphat the king of Judah, I would not look toward thee, nor see thee. Dia hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah, Tompon' ny maro, Izay itsanganako eo anatrehany, raha tsy noho ny fanajako an' i Josafata, mpanjakan' ny Joda, dia tsy hanatrika anao na hijery anao akory aho. Ary hoy Elisea: Velona Iavehn' ny tafika izay itsanganako eo anatrehany, fa raha tsy ny fanajako an' i Josafata mpanjakan' i Jodà, dia tsy nasiako raharaha akory hianao, na nojereko akory aza. Elisée reprit : "Par la vie de Yahvé Sabaot, que je sers, si je n' avais égard au roi de Juda, je ne ferais pas attention à toi, je ne te regarderais même pas.
2Mp 3:15 But now bring me a minstrel. And it came to pass, when the minstrel played, that the hand of the Lord came upon him. Nefa itondray mpitendry lokanga aho. Ary rehefa nitendry ilay mpitendry lokanga, dia nanindry an' i Elisa ny tànan' i Jehovah. Fa izao, angalao mpitendry harpa aho. Ary nony nitendry ilay mpitendry harpa, dia nanindry an' i Elisea ny tanan' ny Tompo, Maintenant, amenez-moi un joueur de lyre." Or, comme le musicien jouait, la main de Yahvé fut sur lui
2Mp 3:16 And he said, Thus saith the Lord, Make this valley full of ditches. Ary hoy Elisa: Izao no lazain' i Jehovah: Ataovy feno lavaka ity lohasahan-driaka ity. ka hoy izy: Izao no lazain' ny Tompo: Manaova lavadavaka amin' ity lohasaha ity. et il dit : "Ainsi parle Yahvé : Creusez dans cette vallée des fosses et des fosses,
2Mp 3:17 For thus saith the Lord, Ye shall not see wind, neither shall ye see rain; yet that valley shall be filled with water, that ye may drink, both ye, and your cattle, and your beasts. Fa hoy Jehovah: Tsy hahita rivotra na ranonorana akory ianareo; nefa ho feno rano io lohasahan-driaka io, mba hosotroinareo, dia ianareo sy ny ombinareo ary ny biby fiompinareo. Fa izao no lazain' ny Tompo: Tsy hahita rivotra ary tsy hahita ranonorana hianareo, nefa ho feno rano ity lohasaha ity, ka hisotro hianareo, dia hianareo sy ny biby fiompinareo ary ny bibinareo. car ainsi parle Yahvé : Vous ne verrez pas de vent, vous ne verrez pas de pluie, et cette vallée se remplira d' eau, et vous boirez, vous, vos troupes et vos bêtes de somme.
2Mp 3:18 And this is but a light thing in the sight of the Lord: he will deliver the Moabites also into your hand. Ary ho zavatra kely ihany eo imason' i Jehovah izany; fa hanolotra ny Moabita eo an-tananareo koa Izy. Mbola zavatra kely eo imason' ny Tompo anefa izany: hatolony eo an-tànanareo Moaba, Encore cela est-il peu aux yeux de Yahvé, car il livrera Moab entre vos mains.
2Mp 3:19 And ye shall smite every fenced city, and every choice city, and shall fell every good tree, and stop all wells of water, and mar every good piece of land with stones. Ary handrava ny tanàna mimanda rehetra sy ny tanàna soa rehetra ianareo sady hikapa ny hazo tsara rehetra sy hanampina ny loharano rehetra ary hanipy vato amin' ny tany soa rehetra ho fanimbana azy. ka horavanareo ny tanàna mimanda rehetra sy ny tanàna soa indrindra rehetra, hokapainareo ny hazo mamoa rehetra, hotampenanareo ny loharano rehetra, ary hataonareo kilaototo amin' ny vato ny tanimboly soa rehetra. Vous frapperez toutes les villes fortes, vous abattrez tous les arbres de rapport, vous boucherez toutes les sources et vous désolerez tous les meilleurs champs en y jetant des pierres."
2Mp 3:20 And it came to pass in the morning, when the meat offering was offered, that, behold, there came water by the way of Edom, and the country was filled with water. Ary nony maraina, tokony ho tamin' ny fotoana fanaterana ny fanatitra, dia, indro, nisy rano tokoa tonga avy tamin' ny lalana mankany Edoma, ka feno rano ny tany. Nony maraina, tamin' ny fotoana fanaterana ny fanatitra, dia indro tonga tokoa ny rano, tamin' ny làlan' i Edoma, ka feno rano ny tany. Or, le matin à l' heure de la présentation de l' offrande, voici que l' eau venait de la direction d' Edom et la contrée en fut remplie.
2Mp 3:21 And when all the Moabites heard that the kings were come up to fight against them, they gathered all that were able to put on armour, and upward, and stood in the border. Ary rehefa ren' ny Moabita rehetra fa avy miakatra hiady aminy ireo mpanjaka ireo, dia nivory izy hatramin' izay rehetra nahatam-piadiana no ho miakatra, ka dia niandry teo amin' ny sisin-taniny. Nony ren' ny Moabita rehetra fa niakatra hiady aminy ireo mpanjaka ireo, dia nantsoiny ny lehilahy rehetra mahahetra ny hetran-tsabatra ary mihoatra noho ireo aza, ka naka toerana hiadiana teo amin' ny sisin-tany izy. Les Moabites ayant appris que les rois étaient montés pour les combattre, tous ceux qui étaient en âge de porter les armes furent convoqués, et ils se tenaient sur la frontière.
2Mp 3:22 And they rose up early in the morning, and the sun shone upon the water, and the Moabites saw the water on the other side as red as blood: Ary nony nifoha maraina koa ny Moabita, sady efa niposaka ny masoandro ka nitaratra tamin' ny rano, dia hitany ny rano tandrifiny fa mena tahaka ny rà. Nifoha maraina koa izy ireo, ary nony notarafin' ny masoandro ny rano, dia mena tahaka ny ra no nahitany ny rano tandrify azy. Quand ils se levèrent le matin et que le soleil brilla sur les eaux, les Moabites virent de loin les eaux rouges comme du sang.
2Mp 3:23 And they said, This is blood: the kings are surely slain, and they have smitten one another: now therefore, Moab, to the spoil. Dia hoy izy: Rà io! efa nifandringana tokoa ireo mpanjaka ireo, ary efa nifamely izy rehetra; koa mamaboa amin' izao, ry Moaba! Ka hoy izy: Ra io! Nifandringana ireo mpanjaka ireo, nifamely izy samy izy, ka baboy amin' izao, ry Moabita ô! Ils dirent : "C' est du sang! Sûrement les rois se sont entre-tués, ils se sont mutuellement frappés. Et maintenant, au pillage, Moab!"
2Mp 3:24 And when they came to the camp of Israel, the Israelites rose up and smote the Moabites, so that they fled before them: but they went forward smiting the Moabites, even in their country. Kanjo nony efa tonga teo an-tobin' ny Isiraely izy, dia nitsangana ny Isiraely ka namely ny Moabita, dia nandositra teo anoloany ireo; fa ny Isiraely niditra hatrany amin' ny tanin' ny Moabita ka mbola namely azy ihany. Dia nandroso ho any amin' ny tobin' Israely izy ireo. Kanjo nitsangana Israely namely ny Moabita, izay vaky nandositra teo anoloany. Dia nitsofohany nasiana hatrany amin' ny taniny Moaba. Mais quand ils arrivèrent au camp des Israélites, ceux-ci se dressèrent et battirent les Moabites, qui s' enfuirent devant eux; et ils allèrent de l' avant, les taillant en pièces.
2Mp 3:25 And they beat down the cities, and on every good piece of land cast every man his stone, and filled it; and they stopped all the wells of water, and felled all the good trees: only in Kirharaseth left they the stones thereof; howbeit the slingers went about it, and smote it. Dia nandrava ny tanàna izy ary samy nanipy vato tamin' ny tany soa rehetra ka nahafeno azy, ary nanampina ny loharano rehetra koa izy sady nikapa ny hazo tsara rehetra mandra-paha-tsy nisy vato intsony afa-tsy ny tao Kira-haresa ihany; ary na dia io aza dia nohodidinin' ny mpandefa antsamotady ka nasiany. Noravany ny tanànany, samy nanipy vato iray tamin' ny tanimboly soa rehetra dia nataony tototra; notampenany ny loharano rehetra; nokapainy ny hazo mamoa rehetra, ary tsy nisy tavela na inona na inona tao Kir-Karoseta afatsy ny vato, fa voahodidin' ny mpandefa antsamotady sy nasiany. Ils détruisaient les villes, ils jetaient chacun sa pierre dans tous les meilleurs champs pour les remplir, ils bouchaient toutes les sources et abattaient tous les arbres de rapport. Finalement, il ne resta plus que Qir-Hérès : les frondeurs l' encerclèrent et la battirent de leurs coups.
2Mp 3:26 And when the king of Moab saw that the battle was too sore for him, he took with him seven hundred men that drew swords, to break through even unto the king of Edom: but they could not. Ary rehefa hitan' ny mpanjakan' i Moaba fa tsy tohany ny ady, dia nitondra fiton-jato lahy nahay sabatra nomba azy izy mba hanivakivaka hitsin' ny mpanjakan' i Edoma; nefa tsy afaka izy. Nony hitan' ny mpanjakan' i Moaba fa tsy tantiny ny ady, dia naka fiton-jato lahy mitan-tsabatra voatsoaka homba azy izy hanavatsava hatrany amin' ny mpanjakan' i Edoma, nefa tsy afa-nanao izany izy ireo. Quand le roi de Moab vit qu' il ne pouvait pas soutenir le combat, il prit avec lui 400 hommes armés de l'épée pour faire une trouée et aller vers le roi d' Aram, mais ils n' y réussirent pas.
2Mp 3:27 Then he took his eldest son that should have reigned in his stead, and offered him for a burnt offering upon the wall. And there was great indignation against Israel: and they departed from him, and returned to their own land. Ary nalainy ny zanany lahimatoa, izay natao hanjaka handimby azy, ka nateriny ho fanatitra dorana teo ambonin' ny manda. Dia niharan' ny fahatezerana mafy ny Isiraely, dia niala taminy ary niverina ho any amin' ny taniny izy. Tamin' izay izy naka ity zanany lahimatoa, efa natao hanjaka handimby azy, ka nateriny ho sorona dorana teo ambony manda. Tezitra nisafoaka terý Israely ka nilaozany teo ny mpanjakan' i Moaba fa niverina ho any amin' ny taniny izy. Alors il prit son fils aîné, qui devait régner à sa place, et il l' offrit en holocauste sur le rempart. Il y eut une grande colère sur les Israélites, qui décampèrent loin de lui et rentrèrent au pays.

<-
->