Teny iditra |
ratsy
|
Sokajin-teny | mpamaritra
|
Fanazavàna teny malagasy | Tsy tsara tarehy, mahasosotra ny mijery azy: Ratsy ny satroko noho ny anao Tsy manan-toetra tsara, tsy mamy, tsy mahasalama, tsy manjary...: Ratsy izany mofo izany Ratsy ity trano ity fa sady maizimaizina no tsy mahazo rivotra Olona fatra-panimba ny sasany, mamohehatra: Tsy sahy mandeha amin' ity lalana ity aho fa be olon-dratsy, hono, eto ho eto.
[1.1]
|
Fanazavàna teny anglisy | Bad; wicked [1.7]
|
Fanazavàna teny frantsay | Mauvais [1.3, 1.8]
|
| Méchant, de mauvaise qualité, nuisible, laid, vilain [1.3]
|
Ohatra |
1 | Ary ny alarobia, tonon' andro ratsy;
[2.48]
|
2 | Niteny ratsy tamiko izy, hoy Feno.
[2.472]
|
3 | Tsy nitsahatra teo anefa ny asa ratsin-dRakoto.
[2.285]
|
4 | Ka inona no tetik' ady ratsiny, araka ny voalaza taminao?
[2.643]
|
5 | Maty I Solo, maty noho ny anjara ratsin' ny fianakavianay.
[2.472]
|
6 | Nefa tsy afa-maina fa ahazoanao dimam-polo miampy izay valisoa omen' ny mpividy ity nama-ratsinao.
[2.323]
|
|
Haiendriteny |
Tsotra : |
ratsy,
ratsiko,
ratsinao,
ratsiny,
ratsintsika,
ratsinay,
ratsinareo,
ratsin',
ratsin- |
Tovonana : |
-dratsy,
-dratsiko,
-dratsinao,
-dratsiny,
-dratsintsika,
-dratsinay,
-dratsinareo,
-dratsin',
-dratsin- |
|
Sampanteny |
Tohi-kevitra |
Kamban-teny |
|
Anaram-javamaniry |
|
Anaram-poko |
|
Ohabolana |
|