Teny iditra velarina (velatra)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Atsotra mivalampatra tsara: Velaro, retsy, ny tsihy hipetrahan' ny olona
Sokafana: Velaro tsara ny boky ao amin' ny takila fahatelo amby roapolo
Aseho hatao milamina sy milahatra tsara mba hanaitra ny mason' ny olona: Novelariny teo amoron-dalana ny entam-barony, izay nentiny avy any an-drenivohitra
Hazavaina: Novelariny teo ny heviny ka niaiky daholo ny olona fa marina ny nolazainy
Borahina, aseho tsy misy afenina: Velaro izay ao am-ponao fa aza misalasala [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be spread out, to be unrolled [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on déploie, qu'on étend, qu'on ouvre; qu'on découvre, qu'on manifeste, qu'on montre, qu'on explique, qu'on publie: Novelariny tsara ny hevitr' izany teny izany (Il a bien expliqué le sens de ce mot) [1.3]
 Qu'on déplie, déroule, étend [1.8]
Ohatra 
1Dia novelariny ny tsihy, dia hoy Rangahy: [2.293]
2Velariny mitsilany ny tanany havanana amin' izay, dia mitehaka ilay itenenany. [2.472]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : velarina, velariko, velarinao, velariny, velarintsika, velarinay, velarinareo, velarin', velarin-, velarim-, velari-
Ny lasa : novelarina, novelariko, novelarinao, novelariny, novelarintsika, novelarinay, novelarinareo, novelarin', novelarin-, novelarim-, novelari-
Ny hoavy : hovelarina, hovelariko, hovelarinao, hovelariny, hovelarintsika, hovelarinay, hovelarinareo, hovelarin', hovelarin-, hovelarim-, hovelari-
Filaza mandidy : velaro
Tovy hevitra avelatra
Kamban-teny 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20