|
|
|
|

Teny iditra (1/2) 1  tovana
Sokajin-teny  2  anarana
Sampanteny 
Anarana :
Fanazavàna teny malagasy  4 Enti-milaza fanampin-javatra ao ambany na eo aoriana; ny atohy na anampy amin' ny zavatra iray mba hahalava na hahafeno azy amin' ny ilana azy: Asio tovana io tady io fa fohy loatra [1.1]
5 fanampìn-javatra mampitombo ny halavana [1.13]
Fanazavàna teny anglisy  6 an addition at the end [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  7 Ajoutage, ce qu’on ajoute en superposant, en allongeant, eu nouant [1.3#736]
8 rallonge [1.13]
9 rallonge: ce qu'on ajoute à la fin [1.8]
Ohatra  10  Atolotra hodinihin' ny Vaomieram-pirenena misahana ny kaontim-bola fampielezan-kevitra sy ny famatsiam-bola ny fanaovana politika, ny kaontim-bola fampielezan-kevitra sy ny tovana samihafa mifandraika amin' izany. [4.27#2006/08/25]

Teny iditra (2/2) 11  tovana
Sokajin-teny  12  anarana
Sampanteny 
Anarana :
Fanazavàna teny malagasy  14 tsirinteny ao aorian'ny fototeny [1.13]
Fanazavàna teny frantsay  15 suffixe [1.8, 1.13]
16 affixe [1.66.fr#14]
Voambolana  17  Haiteny
Mpanahaka  18  tovona, 19  tsirinteny, 20  tsirinteny, 21  tsofoka
Tsanganana sy sary iray takila  22  Ny tsirinteny rehetra

Fivaditsoratra  23 antova, 24 tanavo, 25 tavano, 26 tavona, tovana, 27 vanato, 28 vatano

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/22